2 Makabeo
Toko faha-15
1 Fantatr'i Nikanora tamin'izay fa naka toerana teo akaikin'i Samaria i Joda Makabeo sy ny namany, ka tapa-kevitra izy ny hamely azy andro sabata amin'ny fomba azo antoka.2 Ireo Jiosy noteren'i Nikanora hanaraka azy kosa dia nilaza taminy hoe: -Aza mamono azy ireo amin'ny fomba masiaka sy barbarianina toy izany, fa omeo voninahitra ny andro izay efa nahazo haja aman-kasina tamin'ilay Andriamanitra miahy an'izao tontolo izao!
3 Kanefa io jiolahy tsy misy toa azy io dia nanontany hoe: -Misy ve manampahefana any an-danitra nandidy ny hankalazana ny andro sabata?
4 Ka novalian'ireo Jiosy hoe: -Eny, ilay manampahefana any an-danitra dia ilay TOMPO Velona Izay nandidy ny hankalazana ny andro fahafito.
5 Fa hoy kosa i Nikanora hoe: -Izaho koa manampahefana eto an-tany ka mandidy anareo handray fiadiana sy hanao ny fanompoam-panjakana. Kanjo tsy afaka nanatanteraka ny fikasan-dratsiny izy.
6 Nasesiky ny fireharehana mihoa-pampana i Nikanora ka nihevitra sahady ny hampijoro tsangambatom-pandresena amin'ny fitaovam-piadian-dry i Joda sy ny namany.
7 I Joda Makabeo kosa nitana fitokiana tsy lefy ka nanantena koa ny hahazo fanampiana avy amin'ny TOMPO.
8 Ireo mpomba azy koa nampirisihiny mba tsy hatahotra ny famelezan'ny mpanompo sampy, fa hahatsiaro ny fanampiana nomen'Andriamanitra azy taloha: izany no tokony hiandrandrany fa ilay TOMPOn'izao rehetra izao dia mbola hanome azy fandresena ankehitriny.
9 Teny nalaina tamin'ny Lalanan'i Mosesy sy ny bokin'ny Mpaminany no nampaherezana azy; ary nampahatsiaroviny azy koa ny ady efa voatohany, ka nataony feno herimpo ireo.
10 Rehefa avy namelombelona herimpo azy indray i Joda, dia nandresy lahatra azy farany tamin'izy naneho ny fitaka afitsok'ireo mpanompo sampy sy ny fivadihany amin'ny fianianany.
11 Izany no nampahatanjahan'i Joda ireo mpomba azy, tsy tamin'ny antoka omen'ny ampinga aman-defona fa tamin'ny hery aterak'ireo teny soa nafafiny. Dia notantarain'i Joda tamin'ireo mpomba azy koa ity nofy mendrika hinoana sady nahafaly azy rehetra ity.
12 Izao no nisehohitan'i Joda: I Onia, mpisorombe taloha sady lehilahy mpanao soa, mora hatonina sy malemy fanahy ary mpamoaka teny voalanjalanja; hatramin'ny fahazazany no efa nilofosany harahina avokoa ny hatsaram-panahy; io Onia io dia nanandra-tanana nivavaka ho an'ny firenena jiosy manontolo no nahitan'i Joda azy.
13 volo sy ravaham-pahamendrehana ary mahatalanjona satria mitaratra fahefana amam-piandrianana.
14 I Onia kosa no niteny tamin'i Joda hoe: "Ity no Jeremia , mpaminanin'Andriamanitra, sakaizan'ny mpiray tanindrazana aminy, ary mazoto mivavaka ho an'ny firenentsika sy ho an'i Jerosalema tanana masina."
15 Rehefa izany, dia natsotran'i Jeremia ny tanany havanana ka nanolotra sabatra volamena ho an'i Joda; ka hoy izy teo am-panolorana izany:
16 Ity sabatra masina ity dia fanomezana avy amin'Andriamanitra ka raiso. Io no hanorotoroanao ny fahavalonao.
17 Izany teny tsara dia tsara avy amin'i Joda Makabeo izany no nahatarika ireo zatovo miaramilany hahery fo sy hitombo fahasahiana. Ambanan-doza i Jerosalema sy ny fivavahana jiosy ary ny tempoly. Koa tapa-kevitra ny tafika jiosy tsy hiaro tena fotsiny ao an-toby, fa hiantoraka tsy am-pisalasalana hiseha-pahavalo, hikiry an'ady ary hamita ny fizotran-draharaha.
18 Tsy dia noheveriny loatra izay vady aman-janany na mpiray tampo aman-kavany, fa ny nahiny mafy sy voalohany indrindra dia ny tempoly masina.
19 Tsy latsaka noho izany koa ny tebitebin'ireo vahoaka tafajanona tao Jerosalema; nampanahy azy ny ho fizotran'ny ady efa ho rafitra any an-kodahoda any.
20 Ny besinimaro no nitaintaina ny amin'izay hiafaran'ny ady efa antomotra. Nivory ny fahavalo ka nilahatra hiady; ny mpitaingin-tsoavaly nataony teo amin'ny vazan-tafika, ary ny elefanta efa voalamina amin'ny toerana sahaza.
21 I Joda Makabeo kosa, rehefa nahita ny tafi-pahavalo zavon-tany sady mirongo fiadiana isan-karazany, ary koa ireto elefanta maneho endrika masiaka, dia nanandra-tanana tamin'Andriamanitra ary niantso ilay TOMPO mpanao zava-mahagaga: fantatr'i Joda manko fa tsy ny herin'ny fitaovam-piadiana no ahazoam-pandresena fa ny fanapahan-kevitr'Andriamanitra izay manome izany an'izay mendrika azy.
22 Tamin'io fiantsoana ny TOMPO io kosa dia izao no tonon-bavaka nataon'i Joda: "Ry TOMPO tsy refesi-mandidy o, Ianao tamin'ny andron'i Hezekia mpanjaka no naniraka ny anjelinao, izay nandringana antokon-tafika 185 tao an-tobin'i Saneheriba ,
23 koa ankehitriny, ry ilay manampahefana ao an-danitra, aniraho anjely soa indray eo anoloanay mba hamafy tahotra sy fivadiham-po.
24 Ny herinao anie handaroka mafy an'ireo tonga hamely ny vahoakanao masina sady nanevateva Anao!" Izany no namaranan'i Joda ny tonombavaka nataony.
25 Tamin'izay i Nikanora sy ny tafiny dia nandroso omban'ny feon-trompetra sy hiran'ady.
26 I Joda sy ny tafiny kosa nitsena ny fahavalo ombam-bavaka sy fiantsoana an'Andriamanitra.
27 Sady niady tamin'ny tanany izy no nivavaka am-po tamin'Andriamanitra ka antokon-tafika 35 fara fahakeliny no nataony maty niampatrampatra tamin'ny tany; ary nahafaly azy fatratra ny vonjy nahariharin'Andriamanitra.
28 Nony vita ny ady, raha ilay niparitaka an-kafaliana iny ny miaramila Jiosy, dia nahita an'i Nikanora niampatra teo koa mbola nirongo ny fitaovam-piadiany rehetra.
29 Niteraka horakoraka sy hahohaho izany, ary nisaorany an'ilay Andriamanitra mahefa tamin'ny tenin-drazany.
30 I Joda Makabeo dia lohalaharana hatrany nanolo-tena mba hiady vatana am-panahy ho fiarovana ny mpiray tanindrazana aminy, sady efa hatry ny hatanorana izy no tsy nitsaha-nitia ireo mpiray firenena aminy. Izy no nanome baiko ny hanapahana ny lohan'i Nikanora mbamin'ny tanany miray amin'ny sandriny sy ny hitondrana ireo ho any Jerosalema.
31 Nankany koa ny tenany ka niantso ny mpiray firenena aminy ho vory ao an-tempoly ary nametraka ny mpisorona teo anoloan'ny alitara; dia nampanalainy koa ny miaramila mpiambina ny tanana mimanda.
32 Nasehon'i Joda ny besinimaro teo ny lohan'i Nikanora mbamin'ny tanany izay nahinjitr'io mpanevateva an'Andriamanitra io ka nireharehany hanoherana ny fonena-masin'ilay TOMPOn'izao rehetra izao.
33 Avy eo notapahiny ny lelan'i Nikanora mpankahala ny fivavahana jiosy ka notetitetehiny ary nasainy nomena ho sakafon'ny voro-manidina; ny tanany izay tambin'ny hadalany kosa dia nasain'i Joda nahantona tandrifin'ny tempoly.
34 Fankalazana ny TOMPO be voninahitra no nataon'ny olona rehetra ka nasandrany ho any an-danitra sady nilazany hoe: "Hankalazaina anie Ilay niaro ny toeram-ponenany tsy ho voakasi-pentina!"
35 Nahanton'i Joda tao amin'ny Tanana mimanda ny lohan'i Nikanora ho famantarana miharihary sy mety hitan'ny olona rehetra ny amin'ny vonjy nomen'ny TOMPO.
36 Nifanarahan'ny olona rehetra vory teo ny hamoaka didy ampahibemaso mba tsy hamela izany andro izany ho very tadidy, fa hankalaza azy isan-taona amin'ny volana antsoina amin'ny teny aramianina hoe Adara, andro faha-13, na ny andro ankatok'ilay atao hoe andron'i Mordokay.
37 Izany ary ny zava-nitranga momba an'i Nikanora. Nanomboka tamin'izay fotoana izay no nipetraka ho fananan'ny Jiosy i Jerosalema, ka ajanoko eto koa ny fitantarako.
38 Raha tsara sy tomombana ny fandrafetana io tantara io, dia izay rahateo no tanjona nokendreko; raha tsy misy lanjany firy sady tsizarizary kosa ilay izy, dia izay no hany azoko natao.
39 Samy tsy tsara manko ny misotro divay tsy mitampoka na misotro rano fotsiny amin'izao, fa ny divay miharo rano no zava-pisotro tsara sy ahazoam-pahafinaretana; toy izany koa, ny fahaiza-mandahatra ny tantara no mahafinaritra ny fahazoan'izay mamaky ny lahatsoratra voarafitra. Ka dia ireo teny ireo no ho famaranana.