2 Makabeo

Toko voalohany

1 "Izahay Jiosy eto Jerosalema sy manerana an'i Jodea dia manoratra aminareo mpiray firenena Jiosy aty Ejipta ; miarahaba anareo ary mirary anareo hiadam-pinaritra.

2 Enga anie Andriamanitra hanototra soa anareo ka hahatsiaro ny fanekempihavanana nataony tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba izay samy mpanompony mahatoky!"

3 Ianareo rehetra anie samy homeny fo mitsaoka Azy sy manatanteraka ny sitrapony amim-pahazotoana sy amim-piniavana!

4 Hosoka fa ny hahazo ny lalana amam-pitsipiny anie ny fonareo ary hataony heni-piadanana.

5 Hihaino ny vavakareo anie Izy ary hamela heloka anareo ka tsy handao anareo amin'ny androm-pahoriana!

6 Manao izany vavaka izany ho anareo izahay aty izao ankehitriny izao.

7 "Tamin'ny taona faha-169 , fony nanjaka i Demetry , no efa nanoratanay Jiosy eto Jerosalema ho anareo ka nilazanay hoe: Fahoriana mangidy tokoa no nianjady taminay, nanomboka tamin'ny nivadihan'i Jasona sy ireo mpomba azy ka tsy niraharahany intsony ny tany masina sy ny fanjakan'Andriamanitra.

8 Nodorany ny vavahadin'ny tempoly, ary novonoiny ny olona tsy manan-tsiny. Saingy nivavaka tamin'ny TOMPO izahay ary nohenoiny ny vavakay; ka dia azonay atao indray ny manolotra ny sorona sy ny lafarinina tsara indrindra ary koa ny mandrehitra ny jiron'ny tempoly sy ny mandahatra ny mofo voatokana ho an'Andriamanitra.

9 Ankehitriny kosa manoratra aminareo izahay hanaingana anareo hankalaza ny fetin'ny Trano tomboka , amin'ny volana Kisleo."

10 Voasoratra tamin'ny taona faha-188. "Izahay Jiosy eto Jerosalema sy Jodea ary koa ny antenimieran-doholona sy ny tenako Joda dia manoratra aminao ry Aristobola mpanolotsain'ny mpanjaka Ptolemeo sady taranaky ny mpisorona voahosotr'Andriamanitra ary koa aminareo Jiosy aty Ejipta. Miarahaba anareo izahay ary mirary anareo ho salama soa aman-tsara.

11 "Misaotra an'Andriamanitra fatratra izahay, satria novonjeny ho afaka amin'ny loza lehibe fony Izy niaro anay teo anatrehan'ny mpanjaka,

12 fa Andriamanitra mihitsy no nandroaka an'ireo fahavalo nilahatra hamely ny tanana masina.

13 Rehefa lasa nankany Persia manko i Antiokosa filohan'ny fahavalo, dia tafika toa tsy ho azo resena no nentiny; kanefa ny tenany sy ireo mpomba azy dia voavono ho faty tao amin'ny tempolin'i Nanea noho ny hafetsen'ireo mpisoron'io andriamanibavy io.

14 Nankao amin'io toerana io nomban-tsaka iza i Antiokosa, mody hoe hanambady ilay andriamanibavy, kanjo nikendry ny hahazo ny rakitr'io tempoly io ho harena manara-bady.

15 Narantirantin'ny mpisoron'i Nanea ireo rakitra ireo, ka ny tenan'i Antiokosa no niditra tao an-tempoly niaraka tamin'ny mpanaraka azy vitsy foana; kanjo nohidian-dry zareo ilay tempoly, vantany vao tafiditra i Antiokosa.

16 Ary novohany ny varavara-miafina teo amin'ny valindrihana, ka nanjerany vato namonoany ho faty an'ity filoham-pahavalo sy ireo mpomba azy; dia norasarasaina ny fatiny sady notapahin-doha, ary natsipy tamin'ny olona tany ivelany kosa ireny loha ireny.

17 Hisaorana amin'ny zavatra rehetra anie ny Andriamanitsika, Izay nanolotra ho faty ireo mpankahala fivavahana!

18 Amin'ny andro faha-25n'ny volana Kisleo, dia hankalazainay ny fanadiovana ny tempoly tahaka ny fanao amin'ny fetin'ny Trano tomboka. Noheverinay fa ilaina ny milaza izany aminareo mba hankalazanareo azy koa; amin'izay rahateo no hahatsiarovanareo ilay afo nirehitra fony nanolotra sorona i Nehemia, rehefa avy nanorina indray ny tempoly sy ny alitara."

19 Satria nony nentina tany Persia ny razantsika, dia nangalan'ireo mpisorona tia vavaka fahizany ny afon'ny alitara ka nafeniny mangingina tao amin'ny lava-pantsakana maina anankiray; fa tratra ny fomba nanafenany azy tao, ka tsy nisy nahalala izany toerana izany ny olon-kafa rehetra.

20 Taona maro no lasana; ka rehefa sitrak'Andriamanitra, dia nalefan'ny amperoran'i Persia hankany Jodea i Nehemia, ka naniraka ny taranak'ireo mpisorona nanafina ilay afo mba hikaroka azy. Nolazain'ireo fa rano marihitra no hitany fa tsy ilay afo, ka nasain'i Nehemia nanovozana sy nitondrana izany.

21 Rehefa vonona ny zavatra ilaina hanaovan-tsorona, dia nodidian'i Nehemia ho fafazan'ny mpisorona tamin'izany rano izany ny kitay hazo sy ny sorona teo ambony alitara.

22 Notanterahina izany; ka vetivety foana taorian'izay, dia namirapiratra ny masoandro izay voatakon-drahona teo, ary nisy afo mivaivay lehibe nirehitra tambonin'ny alitara; hany ka gaga ny olona rehetra.

23 Fony nihalevona ny sorona, dia nanao vavaka ny mpisorona sy ny olona rehetra nanatrika; i Jonatana no nitarika, ary ny sisa rehetra hatramin'i Nehemia kosa niray feo taminy.

24 Ka toy izao izany vavaka izany: "TOMPO o, TOMPO Andriamanitra mpahary ny zavatra rehetra Ianao, mahatahotra sy mahery ary mitandro ny rariny sy be indrafo; hany mpanjaka sady tsara fo Ianao,

25 hany mazava fo, hany mitandro ny rariny, mahefa ny zavatra rehetra sy maharitra mandrakizay. Ianao no manafaka an'i Israely amin'ny ratsy isan-karazany ka efa nahatonga ny razanay ho olom-boafidinao sy efa nanokana azy ho Anao.

26 Raiso ary ity sorona ity izay atolotra ho an'i Israely vahoakanao manontolo; arovy izy satria fanananao ary atokany hatrany ho Anao.

27 Afaho ireo mpiray firenena aminay mbola andevozina any amin'ny firenen-kafa ka vorio avy any amin'ny tany izay nielezany ; topazo maso miantra ireo esoina sy ankahalaina mba ho fantatry ny firenen-kafa ny maha Andriamanitray Anao.

28 Faizo izay mampahory sy maniratsira anay amim-piavonavonana.

29 Aoka ny vahoakanao haorinao indray eo amin'ny taninao masina, araka ny efa voalazan'i Mosesy !

30 "Avy eo dia niredona hira fiderana an'Andriamanitra ny mpisorona.

31 Rehefa levona manontolo ny sorona, dia nodidian'i Nehemia hararaka tamina vato vaventy ny rano sisa.

32 Vao vita izany, dia nisy afo nirehitra teo; kanefa voatalin'ny tara-pahazavana avy eo amin'ny alitara izany.

33 Niely ny lazan'izany zava-nitranga izany. Ary nitantara na ny amperoran'i Persia fa teo amin'ny toerana nanafenan'ny mpisorona ilay afo masina, fony ireo ho enti-ko babo, dia nahitana zavatra nandranoka; ary io zavatra mandranoka io no nandoran-dry i Nehemia ny sorona."

34 Rehefa nanamarina ny zava-niseho ny amperora, dia nampamefy ilay toerana sy nahatonga azy ho manan-kasina,

35 ary io toerana io dia nahazoan'ny amperora volabe, izay nozarainy tamin'ny olona notsimbininy manokana.

36 Neftara, izany hoe fanadiovana, no niantsoan-dry i Nehemia sy ny namany an'izany zava-mandranoka izany; fa Nefta kosa no niantsoan'ny ankamaroan'ny olona azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0852