2 Makabeo

Toko faha-6

1 Andro vitsivitsy taorian'izany, dia nirahin'i Antiokosa mpanjaka ilay Atenianina atao hoe Geronta mba hanery ny Jiosy handao ny fivavahan-drazany sy hitsahatra tsy hanaraka ny lalanan'Andriamanitra intsony.

2 Nasaina koa io Geronta io hanimbazimba ny tempolin'i Jerosalema ka hanokana azy ho an'i Zeosa , andriamanitr' i Olimpa; ilay tempoly any an-tendrombohitra Gerizima kosa dia nasaina natokany ho an'i Zeosa mpandray vahiny, araka izay anjara voatendry ho an'ireo mponin'izany faritra izany.

3 Namohehatra sy tsy hay leferina mihitsy ny nidiran'izany loza izany, na dia ho an'ny sarambabem-bahoaka aza.

4 Ny tempoly manko nataon'ny mpanompo sampy feno filerana amam-pomba ratsy; nisy lehilahy niray tamim-behivavy teo amin'ny kianja masina; hatramin'ny zavatra voarara avy aza no nentina hankao an-tempoly.

5 Biby maloto, voararan'ny lalanan'Andriamanitra, no nandrakotra ny alitara fisoronana.

6 Tsy azo natao intsony ny mankalaza ny sabatana ny fety fanaon'ny razantsika na ny mitonon-tena fotsiny hoe Jiosy aza.

7 Isam-bolana, amin'ny andro fitsingerenan'ny nahaterahan'ny mpanjaka, dia nangidy tokoa ny fanerena ny Jiosy handray anjara amin'ny sakafon-tsorona ; ary rehefa migadona ny fetin'i Dionisy , dia noterena ny olona hitondra fehiloha ravin-java-maniry ka hanaraka ny filaharana fanao ho fanajana io andriamanitra sampy io.

8 Noho ny famokisana nataon'ny mponin'i Ptolemaida, dia nisy didy navoaka toy izao: ny tanana grika manolotra an'i Jodea dia hampihatra izany hevitra izany amin'ny Jiosy sady hanery azy handray anjara amin'ny sakafon-tsorona;

9 ary nasaina hovonoina ho faty izay manda tsy hanarakany fomba amam-panao grika. Ka efa tsinjo mialoha raha teo ny loza hitranga.

10 Ohatra, nisy vehivavy roa nampamora ny zanany, ka naiditra fitsarana. Voasazy ho taritaritina ampahibemaso eran'ny tanana izy roa vavy, sady nahantona tamin'ny nonony avy ny zanany, ary farany navarina avy any an-tampon'ny manda.

11 Nisy koa Jiosy hafa niara-nankany amin'ny zohy akaikin'i Jerosalema mba hankalaza an-tsokosoko ny andro sabata. Voampanga tamin'i Filipo ireo, ka nodoram-belona tao; tsy sahiny akory ny niaro tena, noho ny fanajana ny fahamasinan'izany andro izany.

12 Mihanta amin'izay hanana ity boky ity ho eo am-pelatanany ary aho mba tsy hety ho kivian'izany loza izany; aoka hihevitra kosa izy mba tsy ho fandravana fa ho fanabeazana ny firenentsika no nisian'ireo fanenjehana ireo.

13 Raha tsy avelan'Andriamanitra hitoetra ela tsy voasazy manko ny mpanota, fa ampiharany haingana ny famaizana, dia mariky ny hatsarampo lehibe izany.

14 Raha hanasazy ny firenen-kafa manko ilay TOMPO ambony indrindra, dia andrasany amim-paharetana tokoa izay hahatrarany mitafotafo ny fatran'ny haratsiany. Fa tsy toy izany kosa no heverin'Andriamanitra ho tokony hitondrana antsika;

15 tsy avelany hahatratra ny faratanjon'ny fahotantsika isika, vao hosaziny amin'ny fotoana farany.

16 Noho izany, tsy manala ny famindrampony amintsika na oviana na oviana Andriamanitra; tsy mandao ny vahoakany Izy, na dia manabe azy amin'ny zava-manahirana aza.

17 Ampy ho antsika ny mampahatsiaro izany zava-marina izany; ary manaraka ireo teny vitsivitsy ireo, dia aoka hiverenantsika ny tantara.

18 Tamin'ireo lohandohan'ny mpahay lalana, dia nisy an'i Elehazara; lehilahy efa nandroso taona izy io ary niendrika olona manan-kaja tokoa. Dia nosokafana an-keriny ny vavany hanerena azy hihinana henakisoa.

19 Kanefa naleony maty ombam-boninahitra toy izay velona omban-kenatra; naloany ny hena, dia nandroso an-tsitrapo nanatona ny toeram-pamonoana izy.

20 Izany no tokony hatao manoloana ny zava-mitranga: nahihatra aman'aina aza, dia aoka hanan-kerimpo handa ny sakafo voararan'ny lalanan'Andriamanitra tsy ho hanina.

21 Nifankahazo tamin'i Elehazara hatry ny ela kosa ireo lehilahy voatendry hitantana izany sakafon-tsorona manohitra ny lalana izany. Ka nalainy mangingina i Elehazara nampirisihiny hampitondra hena avelan'ny lalana ho haniny sy handrahoin'ny tenany ihany; dia eo am-pihinanana izany izy no mihatsaravelatsihy toa mihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian'ny mpanjaka.

22 Rehefa vitan'i Elehazara izany, dia ho afaka amin'ny fahafatesana izy ary hahita vokatsoa amin'ny fangorahana ateraky ny fisakaizany taminy efa elabe.

23 I Elehazara kosa nanapa-kevitra tamim-pahendrena, araka izay mendrika ny taonany sy ny haja amam-boninahitra maha anti-dahy sy mahafotsy volo azy ary koa mendrika ny toe-piainana lavorary narahiny hatramin'ny fahazazany ary indrindra indrindra mendrika ilay lalana masina naorin'Andriamanitra. Noho izany, ny handefasana azy faingana any amin'ny toeran'ny maty no nangatahiny.

24 Ka hoy izy hoe: -Tsy mety tokoa raha olona be taona toa ahy izao no hoe mihatsaravelatsihy; fandrao dia heverin'ny zatovo maro fa nanaraka ny fomban'ny vahiny i Elehazara nony efa sivifolo taona.

25 Amin'izany izy ireo, noho ny tenako mihatsaravelatsihy mba hanalava kely ny androm-piainako, dia ho diso lalana; ka ho voatototra henatra sy fahafaham-baraka ny fahanterako.

26 Ary na midify ny sazin'olombelona aza aho ankehitriny, dia tsy afa-miala ny fitsaran'ilay Andriamanitr'izao rehetra izao, na velona aho na maty.

27 Noho izany, raha amim-kerimpo no andaozako ity fiainana ity ankehitriny, dia hiseho ho mendrika ny fahanterako aho;

28 ary ohatra mahafatra-po no havelako harahin'ny zatovo amin'ny fahafatesana an-tsitrapo sy am-pahasahiana noho ny lalana mendri-panajana sy masina. Vao avy niteny izany i Elehazara, dia nizotra tsy am-pisalasalana nankao amin'ny toeram-pamonoana azy.

29 Noheverin'ireo mpitondra azy ho hadalana izany lahateny nataony izany, ka novany ho halozana ny fitiavana nasehony taminy.

30 Nony efa ho fatin'ny kapoka i Elehazara, dia nisento nanao hoe: -Ny TOMPO, Izay manana ny fahalalana masina, no mahita fa azoko natao ny nandositra ny fahafatesana; saingy ankehitriny dia velesina karavasy aho ka miaritra fampijaliana mafy amin'ny vatako, fa mandefitra izany an-kafaliana kosa aho amin'ny fanahiko noho ny fanajako ny TOMPO.

31 Toy izany no namoizan'i Elehazara ny ainy. Ka ny fahafatesany no namelany oha-kerimpo sy tsangambaton-katsaram-panahy, tsy ho an'ny zatovo ihany fa ho an'ny ankamaroan'ny mpiray firenena aminy koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0817