Genesỳ
Toko faha-17
4 -Amiko, dia izao no fanekempihavanako aminao: Hanjary razamben'ny firenena maro ianao.5 Tsy hatao hoe Abrama intsony ny anaranao fa hanjary Abrahama, satria hataoko razamben'ny firenena maro ianao.
6 Hataoko maro taranaka fatratra ianao ka hanjary firenena maro, sady hisy mpanjaka hipoitra avy aminao.
7 Hajoroko ny fanekempihavanako aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao; ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany, ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
8 Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany Kanahana manontolo, dia izao tany ivahinianao izao, ho fananany mandrakizay; ary ho Andriamanitr'izy ireo Aho.
9 Dia hoy koa Andriamanitra tamin'i Abrahama: -Hitandrina ny fanekempihavanako ianao sy ny taranakao mandimby anao hatrany hatrany.
10 Izao no fepetra izay takiko hotandremanareo, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
11 Ny famorana anareo no ho famantarana ny fanekempihavanana ifanaovako aminareo.
12 Hoforana ny zazalahy rehetra eo aminareo isaky ny taranaka mifandimby, rehefa feno valo andro; tahaka izany koa ireo mpanompo teraka ao an-tranonao na novidinao vola ka tsy isan'ny fokonao.
13 Hoforana ny mpanompo teraka tao aminao sy ireo novidinao vola mba hitoetra eo amin'ny nofonareo ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay ny mariky ny fanekempihavanako.
14 Fa izay lehilahy tsy voafora eo amin'ny nofony dia hoesorina tsy ho eo amin'ny fireneny, satria tsy nanaja ny fanekempihavanako.
15 Dia hoy koa Andriamanitra tamin'i Abrahama: -I Saray vadinao dia tsy hantsoina intsony hoe Saray; fa hatao hoe Sara ny anarany.
16 Hotahiko izy ary homeko zanakalahy avy aminy koa ianao. Hotahiko izy ka ho tonga razamben'ny firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy amin'ny taranany.
17 Dia niankohoka tamin'ny tany i Abrahama sady nihomehy, satria hoy izy anakampo hoe: Moa mbola hisy zaza teraka avy amin'ny lehilahy zato taona ve? Ary i Sara efa sivifolo taona ve dia mbola hiteraka?
18 Koa hoy i Abrahama tamin'Andriamanitra: -Enga anie i Jismahela no ho velona eo anatrehanao!
19 Fa namaly Andriamanitra hoe: -Tsia, fa i Sara vadinao dia hiteraka zazalahy ho anao ka ny anarany hataonao hoe Itsehaka. Hotanako ny fanekempihavanako aminy sy amin'ny taranany mandimby azy ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay.
20 Ary ny momba an'i Jismahela dia efa nohenoiko ny hatakao; indro hotahiko izy, ka hataoko maro anaka ary hampitomboiko fatratra ny taranany. Hiteraka andriana 12 izy sady ho razamben'ny firenen-dehibe iray.
21 Fa ny fanekempihavanako kosa dia haoriko amin'i Itsehaka, izay haterak'i Sara ho anao amin'ny herintaona toy izao.
22 Rehefa vitan'Andriamanitra ny resaka nifanaovany tamin'i Abrahama, dia nandao azy Izy.
23 Dia nalain'i Abrahama i Jismahela zanany lahy sy ireo mpanompony rehetra na izay teraka tao aminy na izay novidiny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; ka noforany avokoa ireo iny andro iny ihany araka izay nandidian'Andriamanitra azy.
24 Efa 99 taona i Abrahama, raha noforana;
25 ary i Jismahela kosa dia efa 13 taona.
26 Andro iray ihany no namorana azy mianaka,
27 mbamin'ny lehilahy rehetra tao an-tranon'i Abrahama, na ireo mpanompo teraka tao an-trano na ireo novidiny vola tamin'ny vahiny.
Toko faha-18
1 Niseho tamin'i Abrahama tao amin'ny hazo oakan'i Mamre ny TOMPO, raha nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy fa nafana ny andro. 2 Nanopy maso i Abrahama ka nahita lehilahy telo nijoro nanandrify azy. Raha nahita ireo izy, dia nihazakazaka avy teo an-dainy mba hitsena azy sady niankohoka teo anatrehany.3 Ka ny anankiray tamin'ireo no nilazany hoe: -Tompoko, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, dia aza lalovana fotsiny.
4 Fa aoka hakana rano kely hanasanareo tongotra, ka hiala sasatra eto am-pototr'ity hazo ity ianareo.
5 Izaho kosa handroso sakafo hohaninareo mba hampody hery anareo; avy eo vao hanohy ny dianareo ianareo, satria efa nandalo teto amiko tokoa. Dia namaly izy telo lahy hoe: -Tanteraho araka izay nambaranao ary.
6 Koa niverina faingana ho any an-day i Abrahama hilaza amin'i Sara hoe: -Haingana maka lafarinina tsara indrindra intelon'ny famarana ka manendasa mofo.
7 Avy teo i Abrahama dia nihazakazaka nankany amin'ny andian'ombiny ary naka zanak'omby matavy tsara ka nomeny ny mpanompony mba hamboariny haingana.
8 Dia nalainy ny dibera sy ronono ary ny zanak'omby efa voavoatra ka narosony tamin'ireo vahiny. Dia nihinana ireo fa i Abrahama kosa nitsangana teo akaikiny teo am-pototry ny hazo.
9 Ary nanontany izy telo lahy hoe: -Aiza i Sara vadinao? Ka hoy ny navaliny azy: -Indro ao an-day izy.
10 Dia nilaza ny iray tamin'ny vahiny hoe: -Hiverina eto aminao aho amin'ny herintaona toy izao, ka hitera-dahy i Sara vadinao. I Sara anefa tamin'izay dia nihaino teo am-baravaran'ny tranolay, tao an-damosin'i Abrahama.
11 Samy antitra i Abrahama sy i Sara fa samy nandroso taona; ary i Sara dia efa nitsahatra tamin'ny fadimbolana.
12 Koa nihomehy anakampo i Sara nanao hoe: Dia mbola hisy fahafinaretana ho ahy ve amin'izao fahanterako izao sady efa antitra koa ny vadiko?
13 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Abrahama: -Nahoana moa no mihomehy i Sara? Nahoana izy no manao anakampo hoe: Marina ve fa hiteraka tokoa ity izaho efa antitra ity?
14 Moa misy zavatra tsy hain'ny TOMPO tanterahina ve? Koa rehefa miverina eto aminao aho amin'ny herintaona toy izao, dia hanan-janaka lahy i Sara.
15 Fa nanda noho ny tahotra i Sara ka nanao hoe: -Tsy nihomehy aho. Hoy kosa ny TOMPO hoe: -Tsia, fa nihomehy ianao.
16 Dia nitsangana niala teo ireo lehilahy vahiny ka nitazana an'i Sodoma, ary i Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.
17 Dia hoy ny TOMPO anakampo hoe: Moa hafeniko an'i Abrahama ve izay hataoko?
18 Tsy maintsy ho tonga razamben'ny firenena lehibe sy matanjaka izy; ary amin'ny alalany no hitahiako ny firenena rehetra eto an-tany.
19 Nofidiko izy mba handidiany ireo zanany sy ny taranany hitandrina ny didiko ka hanao ny rariny sy ny hitsiny mba hotanterahiko amin'i Abrahama izay rehetra efa nampanantenaiko momba azy.
20 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Abrahama: -Betsaka ny fitarainana momba an'i Sodoma sy i Gomora; ary mavesatra loatra ny fahotany.
21 Koa voatery hidina Aho mba hijery raha toa ka araka ny fitarainana tonga any amiko tokoa no nataony. Ho fantatro raha nanao izany rehetra izany izy na tsia.
22 Ny roa tamin'ireo lehilahy vahiny dia niainga ka nankany Sodoma, fa ny TOMPO kosa mbola nijanona niaraka tamin'i Abrahama.
23 Koa nanatona i Abrahama sady nanao hoe: -Dia haringanao tokoa miaraka amin'ny meloka ve ny marina?
24 Angamba mety hisy olo-marina dimampolo ao Sodoma. Koa haringanao ve io tanana io? Moa tsy havelanao heloka ve izy noho ireo olo-marina dimampolo ao aminy?
25 Tsia, sanatria aminao ny hanao izany! Raha hovonoinao miaraka amin'ny meloka ny marina, dia hitovy ny marina sy ny meloka. Sanatria Anao izany! Ianao Izay mpitsara ny tany tontolo ve no tsy hitandro ny rariny.
26 Dia namaly ny TOMPO hoe: -Raha mahita olo-marina dimampolo ao Sodoma Aho, dia havelako heloka ny tanana manontolo noho ny amin'ireo.
27 Fa hoy indray i Abrahama: -Miangavy re, Tompo o, fa mbola sahy hiteny aminao ihany aho, na dia vovoka sy lavenona aza.