Genesỳ
Toko faha-18
28 Angamba tsy ampy dimampolo ny olo-marina fa latsaka dimy, dia horavanao ve ny tanana manontolo noho ny amin'ny dimy? Ka namaly ny Tompo hoe: -Tsy handrava ny tanana Aho, raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao!29 Mbola niteny taminy indray i Abrahama hoe: -Angamba tsy hahitana afa-tsy efapolo ao! Dia novalian'ny Tompo hoe: -Tsy handrava ny tanana Aho noho ny amin'ny olo-marina efapolo.
30 Fa niteny indray i Abrahama hoe: -Aoka tsy ho sosotra Ianao, Tompo o, raha mbola hiteny aho. Angamba tsy hahitana afa-tsy telopolo ao. Ka novalian'ny Tompo hoe: -Tsy handrava ny tanana Aho, raha mahita olo-marina telopolo ao.
31 Dia hoy ihany i Abrahama: -Miangavy re, Tompo o, fa mbola sahy hiteny aminao ihany aho; angamba tsy hahitana afa-tsy roapolo ao. Fa novalian'ny Tompo hoe: -Tsy handrava ny tanana Aho noho ny amin'ny olo-marina roapolo.
32 Ka hoy indray i Abrahama: -Miangavy re, Tompo o, aoka tsy ho tezitra Ianao fa hiteny farany aho. Angamba tsy hahitana afa-tsy folo ao. Ary novalian'ny Tompo hoe: -Tsy handrava ny tanana Aho noho ny amin'ireo folo.
33 Rehefa nahavita ny resaka nataony tamin'i Abrahama ny TOMPO, dia lasa; fa i Abrahama kosa niverina any amin'ny fonenany.
Toko faha-19
1 Nony hariva dia tonga tao Sodoma ireo anjely roa. Nipetraka teo am-bavahadin'ny tanana i Lota tamin'izay. Raha vao nahita ireo izy, dia nitsangana hitsena azy ary niankohoka teo anatrehany2 sady niteny hoe: -Miangavy re, Tompoko, mba mivilia hiantrano ao amiko ianareo; ka sasao ny tongotrareo, ary mandria anio alina fa rahampitso maraina no hanohy ny dia ianareo. Ka hoy ny navalin'ireo anjely roa hoe: -Tsia, fa ho eto an-kianja ihany izahay no handany ny alina.
3 Fa noteren'i Lota fatratra izy, ka nivily ary niditra tao an-tranony. Dia nanamboarany sakafo sy nanendasany mofo tsy misy leviora ireo, ka nihinana.
4 Fa raha tsy mbola nandry akory ireo, dia efa voahodidin'ny lehilahy tao an-tananan'i Sodoma ny trano; teo avokoa na ny antitra na ny tanora, tsy nisy avakavaka.
5 Dia niantso an'i Lota ireo ka nanao taminy hoe: -Aiza ireo lehilahy tonga teto aminao izao hariva izao? Avoahy aty izy hanaovanay firaisana.
6 Dia nivoaka nankeo an-tokonana i Lota, ka nanakatona ny varavarana teo ivohony,
7 ary niteny tamin'ireo hoe: -Tsia, ry havako, aoka tsy hanao ratsy ianareo.
8 Manana zanakavavy roa mbola virijiny aho; hoentiko eto aminareo ireo hanaovanareo izay sitrakareo hatao aminy. Fa aza manao na inona na inona amin'ireo olona ireo, satria vahiniko ireo ary ao ambany tafon-tranoko.
9 Fa hoy ny navalin'ireo azy: -Miala teo ianao, ianao izay tonga hivahiny indray ve no hanao lalana ho anay ankehitriny! Hasianay ratsy lavitra noho ireo ianao. Dia nanosika mafy an'i Lota ireo mba hisesika hamaky ny varavarana.
10 Ary naninji-tanana ireto anjely mba hampiditra an'i Lota hankao an-trano ho eo akaikiny; ary nohidiany ny varavarana.
11 Fa ireo lehilahy teo am-baravaran'ny trano kosa nasiany fahajambana na ny kely na ny lehibe ka tsy nahita ny varavarana hidirana.
12 Ary hoy ireo anjely tamin'i Lota: -Mbola misy fianakavianao ve eto, toy ny vinantolahy na zanakalahy na zanakavavy na havana hafa? Ento mivoaka ny tanana ireo,
13 satria lehibe ny fitarainana tonga eo anatrehan'ny TOMPO momba ny mponina ao aminy; koa nirahin'ny TOMPO izahay handrava azy.
14 Dia nivoaka ny trano i Lota mba hiteny amin'ireo vinantony izay hanambady ny zanany vavy ka nanao hoe: -Miainga, ialao ity toerana ity fa horavan'ny TOMPO ny tanana. Saingy noheverin'ireo vinantony ho manao kivazivazy i Lota.
15 Ary raha vao nangiran-dratsy ny andro, dia nandodona an'i Lota ireto anjely ka nanao hoe: -Miainga, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy fandrao ho levona noho ny amin'ny fahotan'ity tanana ity ianareo.
16 Raha mbola nitaredretra i Lota, dia notantanan'ny anjely izy mbamin'ny vady aman-janany ho any ivelan'ny tanana noho ny famindrampon'ny TOMPO taminy.
17 Ary nony efa tafavoakany tany ivelan'ny tanana izy mianakavy, dia hoy ny anjely anankiray tamin'i Lota: -Avoty ny ainao ka aza miherika any aoriana ary aza mijanonjanona na aiza na aiza ato amin'ny faritany; mandosira eny an-tendrombohitra, fandrao levona ianao.
18 Fa hoy i Lota taminy: -Tsia, Tompoko, aza atao izany izahay!
19 Marina fa nahita fitia teo imasonao aho ary lehibe ny famindramponao tamiko tamin'ny namonjenao ny aiko. Kanefa tsy ho afaka mandositra hatrany an-tendrombohitra akory aho, dia ho tratry ny loza ka ho faty.
20 Indro eto misy tanana kely akaiky azo andosirana tsara, ka avelao aho hialoka ao. Tsy zavatra bitika ve io angatahiko io, dia ho voavonjy ny aiko?
21 Ka hoy ilay anjely anankiray hoe: -Eny ary, fa efa nekeko koa ny fangatahanao ka tsy hokasihiko ny tanana izay voalazanao.
22 Mandehana faingana miery ao, satria tsy afaka hanao na inona na inona aho ambara-pahatonganao ao. Izany no antony niantsoana io tanana io hoe Tsohara.
23 Efa niposaka ny masoandro no tonga tao Tsohara i Lota.
24 Tamin'izay indrindra ny TOMPO no nampidina afo sy solifara avy tany an-danitra handoroana an'i Sodoma sy i Gomora,
25 ka nandevona ireo tanana ireo sy ny mponina rehetra tao aminy ary ny faritany manontolo sy ny zava-maniry rehetra tao aminy.
26 Ary niherika tany aoriana kosa ny vadin'i Lota ka nanjary andry vongan-tsira.
27 Ary nifoha maraina i Abrahama nony ampitso, ka nankany amin'ny toerana nifanatrehany tamin'ny TOMPO.
28 Ary raha nitodika nijery an'i Sodoma sy i Gomora mbamin'ny velaram-paritany manontolo manodidina izy, dia nahita ny setroka niakatra avy ao amin'ny tany toy ny setroky ny lafaoro.
29 Nony noravan'Andriamanitra ireo tanana tamin'ny faritany nipetrahan'i Lota, dia nahatsiaro an'i Abrahama Izy ka namela an'i Lota hiala tao amin'ny lozam-paharavana.
30 Natahotra ny hijanona tao Tsohara i Lota, koa nandao ny tanana mba handeha honina any an-tendrombohitra. Niaraka taminy koa ny zanany roa vavy; ary nipetraka tao amin'ny zohy izy telo mianaka.
31 Indray andro, dia hoy ilay zokiny tamin-jandriny: -Antitra ity ny raintsika, ary tsy misy lehilahy eto amin'ny faritany mba hanambady antsika araka ny fanaon'ny tany rehetra.
32 Noho izany, andeha hampisotrointsika divay ny raintsika, dia handry aminy isika ka hanan-taranaka avy amin'ny raintsika.
33 Dia nampisotroin'izy roa divay ny rainy ny alin'io, ary avy ilay zokiny ka nandry tamin-drainy; nefa tsy fantatr'i Lota mihitsy izay nandrian-drazazavavy na izay nifohazany.
34 Nony ampitso dia hoy ilay zokiny tamin-jandriny: -Indro efa nandry tamin'ny raiko aho halina! Andeha hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia tongava ianao handry aminy, dia hamelona taranaka avy amin'ny raintsika isika.
35 Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin'iny alina iny, ary avy ilay zandriny ka nandry taminy; nefa tsy fantatr'i Lota mihitsy izay nandrian-drazazavavy na izay nifohazany.
36 Koa bevohoka tamin-drainy ny zanak'i Lota roa vavy.
37 Niteraka zazalahy ilay zokiny, ka ny anarany nataony hoe Moaba. Izy no razamben'ireto Moabita ankehitriny ireto.
38 Niteraka zazalahy ihany koa ilay zandriny, ka ny anarany nataony hoe Bena-Hamy. Izy no razamben'ireto Hamonita ankehitriny ireto.
Toko faha-20
1 Niala teo i Abrahama nankany amin'ny faritany atsimo, ka nonina tao anelanelan'i Kadesy sy i Soro, ary nivahiny tao Gerara.2 Nolazain'i Abrahama fa anabaviny i Sara vadiny; koa naniraka haka an'i Sara i Abimeleka, mpanjakan'i Gerara.
3 Niseho nofy tamin'i Abimeleka anefa Andriamanitra nony alina ka nanao taminy hoe: -Indro ho faty ianao noho ny amin'ny vehivavy izay nalainao, fa manam-bady izy io.
4 I Abimeleka anefa tsy mbola nanatona akaiky an-dravehivavy akory, ka nilaza hoe: -Tompo o, moa haringanao koa va ny tenako sy ny fireneko na dia tsy diso aza izahay?
5 Moa tsy Abrahama va no nilaza tamiko an'i Sara hoe anabaviny? Ary moa tsy ravehivavy io va no nilaza tamiko an'i Abrahama hoe anadahiny? Koa tamin'ny fo tsotra sy tanana madio no nanaovako izany.
6 Mbola tamin'io nofy io ihany no nilazan'Andriamanitra tamin'i Abimeleka hoe: -Izaho koa dia mahalala fa tamin'ny fo tsotra no nanaovanao izany. Izaho ihany koa no nisakana anao tsy hanota amiko. Izany no tsy namelako anao hikasika azy.