Genesỳ

Toko voalohany

1 Tamin'ny fiandohana, fony Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.

2 dia tsy nisy endriny sady foana ny tany fa ny haizina no nandrakotra ny lalina, ary ny Fanahin'Andriamanitra no nanomba tambonin'ny rano.

3 Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia mazava. Dia nisy mazava.

4 Hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava, koa nosarahiny ny mazava sy ny haizina.

5 Ny mazava nantsoin'Andriamanitra hoe andro, fa ny haizina kosa nantsoiny hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro voalohany.

6 Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia habakabaka mba hampisaraka ny rano ho antonta roa.

7 Dia tanteraka izany. Nataon'Andriamanitra ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ho antonta roa, dia ny rano ambanin'ny habakabaka sy ny rano ambonin'ny habakabaka.

8 Ary ny habakabaka nantsoin'Andriamanitra hoe lanitra. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro faharoa.

9 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka hihandrona amin'ny toerana iray ny rano ety ambanin'ny lanitra ka ho hita ny toerana maina! Dia tanteraka izany.

10 Ny toerana maina dia nantsoin'Andriamanitra hoe tany, ary ny rano nihandrona kosa nantsoiny hoe ranomasina; ka hitany fa tsara izany.

11 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany ho rakotra zava-maitso: zava-maniry misy voa famafy, hazo fihinam-boa isan-karazany eny ambonin'ny tany izay samy manana ny voany avy! Dia tanteraka izany.

12 Fa ny tany nampitsimoka zava-maitso: zava-maniry misy voa famafy isan-karazany, hazo vokatra voankazo izay misy voany na taolany isan-karazany; ka hitan'Andriamanitra fa tsara izany.

13 Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahatelo.

14 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka hisy fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra mba hampiavaka ny andro sy ny alina sady ho marika hamantarana ny fety mbamin'ny andro sy ny taona!

15 Ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra izy mba hanazava ny ety ambonin'ny tany. Dia tanteraka izany.

16 Ary Andriamanitra nanao ny loharanom-panazavana roa lehibe: ny lehibe kokoa dia ny masoandro mba hanapaka ny andro, ary ny kely kokoa dia ny volana mba hanapaka ny alina; dia nanao ireo kintana ihany koa Izy.

17 Napetrak'Andriamanitra teny amin'ny habakabaky ny lanitra ireny mba hanazava ny ety ambonin'ny tany

18 sy hanapaka ny andro sy ny alina ary hampisaraka ny mazava sy ny haizina. Ka hitan'Andriamanitra fa tsara izany.

19 Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahefatra.

20 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny rano ho feno zava-miaina mihetsiketsika isan-karazany, ary aoka ny vorona hanidintsidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra!

21 Dia noarin'Andriamanitra ireo fanano anaty ranomasina sy ireo zava-miaina rehetra isan-karazany mihetsiketsika sady miriaria ao anaty rano, ary koa ireo voro-manidina isan-karazany. Ka hitan'Andriamanitra fa tsara izany.

22 Dia nitsodrano azy Andriamanitra nanao hoe: Aoka ireo zava-miaina ao anaty rano hiteraka maro sy hihabetsaka ary hameno ny ranomasina; ary aoka ny voro-manidina hihabetsaka eny ambonin'ny tany!

23 Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahadimy.

24 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-miaina isan-karazany: biby fiompy, biby madinika mandady ary bibidia, samy araka ny karazany avy. Dia tanteraka izany.

25 Nataon'Andriamanitra avokoa ny bibidia isan-karazany, ny biby fiompy isan-karazany, ary ny biby madinika isan-karazany mandady amin'ny tany; ka hitan'Andriamanitra fa tsara izany.

26 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka isika hanao olombelona mitovy endrika amintsika sy manahaka antsika; ary aoka hanjakany ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra, ny biby fiompy sy bibidia rehetra eto an-tany ary koa ny biby madinika rehetra mandady amin'ny tany!

27 Dia nahary ny olombelona mitovy endrika aminy tokoa Andriamanitra; lehilahy sy vehivavy no nahariany azy.

28 Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin'ny tany.

29 Ary hoy koa Izy hoe: Indro omeko ho anareo eran'ny tany tontolo ny zava-maniry rehetra mamokatra voa, ary ny hazo rehetra mamokatra voankazo: ireny voanjavatra sy voankazo fihinana ireny no ho sakafonareo.

30 Ary ny omeko ny ahi-maitso rehetra ho sakafony kosa dia ny biby rehetra eto an-tany sy ny voro-manidina rehetra eny an-danitra ary ny biby madinika rehetra mandady amin'ny tany, izany hoe ny manam-pofonaina rehetra. Dia tanteraka izany.

31 Ary hitan'Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.

Toko faha-2

1 Dia vita ny lanitra sy ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy.

2 Rehefa vitan'Andriamanitra ny asany, dia nitsahatra tamin'izay rehetra nataony Izy tamin'ny andro fahafito.

3 Koa notahin'Andriamanitra sady natokany ny andro fahafito satria io no nitsaharany tamin'ny asany rehetra maha mpahary Azy.

4 Izany no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny naharian'Andriamanitra azy. Fony nanao ny tany sy ny lanitra ny TOMPO Andriamanitra,

5 dia tsy mbola nisy kirihitra ny tany, ary tsy nisy ahitra nitsimoka akory, satria tsy mbola nampilatsaka orana tamin'ny tany ny TOMPO Andriamanitra ary tsy mbola nisy olombelona hiasa ny tany.

6 Fa loharano nifantsitsitra avy tao amin'ny tany ihany no nanondraka ny velaran-tany manontolo.

7 Ary vovoka avy amin'ny tany no nalain'ny TOMPO Andriamanitra, ka nanamboarany olombelona anankiray. Nitsofany fofonaina mahavelona tao am-bavorony, dia tonga manana aina raolombelona.

8 Avy eo dia novolen'ny TOMPO Andriamanitra zaridaina tao Hedena, tany atsinanana, mba hametrahany an-draolombelona izay namboariny.

9 Nampaniry karazan-kazo tsara tarehy fihinam-boa teo amin'ny tany ny TOMPO Andriamanitra, ka nataony teo afovoan'ny zaridaina ny hazon'aina sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.

10 Ary nisy ony iray nivoaka avy tao Hedena ka nanondraka ny zaridaina. Hatreo izy no nizara ho sampana efatra.

11 I Pisona no anaran'ny sampan-drano voalohany; io no manodidina ny tany Havila manontolo izay misy ny volamena,

12 ary tsara ny volamena tamin'io tany io; tao koa ny ditin-kazo mani-pofona sy ny vatosoa.

13 I Gihona no anaran'ny sampan-drano faharoa, izay manodidina ny tany Kosy  manontolo.

14 I Tigra no anaran'ny sampan-drano fahatelo mandalo any atsinanan'i Asiria. Ary i Eofrata no anaran'ny sampan-drano fahefatra.

15 Ary nalain'ny TOMPO Andriamanitra raolombelona ka napetrany tao amin'ny zaridainan'i Hedena mba hanolokolo sy hitandrina azy.

16 Ary IZY nandidy an-draolombelona hoe: Azonao ihinanana avokoa ny voa avy amin'ny hazo rehetra ao amin'ny zaridaina;

17 afa-tsy ny avy amin'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, satria amin'ny andro izay hihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.

18 Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: Tsy tsara raha irery raolombelona, fa aoka hanaovako mpanampy sahaza azy izy.

19 Tany no nanaovan'ny TOMPO Andriamanitra ny karazam-bibidia sy voro-manidina rehetra, ka dia nentiny teo amin-draolombelona ireny hahitany izay anarana hiantsoany azy. Ary dia izay hanononan-dralehilahy azy no ho anarany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.842