Genesỳ

Toko faha-20

7 Koa ankehitriny avereno amin'ny vadiny ravehivavy. Mpaminany izy ka hivavaka ho anao, dia tsy ho faty ianao. Fa raha tsy averinao kosa izy, dia fantaro fa ho faty tokoa ianao sy izay rehetra anao.

8 Dia nifoha vao maraina be i Abimeleka, ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara ny zavatra rehetra taminy; dia raiki-tahotra mafy ireo olona ireo.

9 Nampiantso an'i Abrahama i Abimeleka, ka nanao taminy hoe: -Inona izao nataonao anay izao? Inona no fahotana nataoko taminao no dia saika nampidiranao heloka lehibe toy izao ny tenako sy ny fanjakako? Zavatra tsy fanao no nataonao tamiko.

10 Inona, hoy aho, no kendrenao tamin'ny nanaovanao izao zavatra izao?

11 Namaly kosa i Abrahama hoe: -Nihevitra anakampo aho fa tsy misy olona matahotra an'Andriamanitra amin'ity toerana ity, koa hovonoin'ireo aho noho ny amin'ny vadiko.

12 Marina ihany anefa fa anabaviko izy, iray ray izahay; saingy tsy iray reny amiko izy, ka izany no nahatonga azy ho vadiko.

13 Rehefa nasain'Andriamanitra nandao ny tranon-draiko aho, dia hoy aho tamin'ny vadiko: Izao no rohim-pihavanana hampiasainao amiko: Any amin'ny toerana rehetra izay halehantsika dia lazao hoe anadahinao aho.

14 Dia naka ondry sy osy aman'omby ary mpanompolahy sy mpanompovavy i Abimeleka, ka nomeny an'i Abrahama; naveriny taminy koa i Sara vadiny.

15 Ary hoy i Abimeleka tamin'i Abrahama: -Indro mivoha ho anao ny taniko, koa mipetraha amin'izay mahafinaritra ny masonao.

16 Hoy kosa izy tamin'i Sara: -Hitanao fa nomeko volafotsy arivo ny anadahinao mba ho tampi-maso amin'izay rehetra havanao fa tsy manantsiny ianao amin'izao raharaha izao.

17 Nataon'ny TOMPO momba koa ny vehivavy rehetra tao an-tranon'i Abimeleka noho ilay raharahan'i Sara vadin'i Abrahama. Dia nivavaka tamin'Andriamanitra i Abrahama; koa nositranin'Andriamanitra i Abimeleka sy ny vadiny ary ireo mpanompovaviny, ka afa-niteraka indray.

Toko faha-21

1 Nitahy an'i Sara ny TOMPO ka notanterahiny taminy tokoa izay nampanantenainy.

2 Dia nitoe-jaza i Sara na dia efa antitra aza i Abrahama, ary niteraka zazalahy izy tamin'ny fotoana izay efa nambaran'Andriamanitra taminy.

3 Nataon'i Abrahama hoe Itsehaka ny anaran'ilay zazalahy naterak'i Sara ho azy.

4 Noforan'i Abrahama i Itsehaka zanany lahy, rehefa feno valo andro araka izay efa nandidian'Andriamanitra azy.

5 Ary efa feno zato taona i Abrahama tamin'ny nahaterahan'i Itsehaka zanany lahy.

6 Dia nilaza i Sara hoe: -Nanao izay nampihomehy ahy Andriamanitra, ary izay rehetra mandre ny momba an'i Itsehaka dia hihomehy miaraka amiko.

7 Ary hoy koa izy hoe: -Iza moa no afaka hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza i Sara? Kanjo niteraka zazalahy ho azy tamin'ny fahanterany aho.

8 Rehefa lehibe ny zaza, dia nosarahi-nono. Koa nanao fanasana lehibe i Abrahama noho izany.

9 Indray andro dia hitan'i Sara nilalao ny zanakalahin'i Hagara ejiptianina, izay naterany ho an'i Abrahama;

10 ka hoy i Sara tamin'i Abrahama: -Roahy io mpanompovavy io sy ny zanany, satria tsy tokony handova miaraka amin'i Itsehaka zanako ny zanany.

11 Nampalahelo an'i Abrahama loatra izany teny izany, satria zanany koa i Jismahela.

12 Nefa hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: -Aza malahelo ny amin'ny zazalahy sy ny mpanompovavinao, fa ekeo izay rehetra nolazain'i Sara taminao; amin'ny alalan'i Itsehaka manko no hisian'ny taranaka hitondra ny anaranao.

13 Kanefa ilay zanakalahin'ny mpanompovavinao koa dia hataoko tonga firenena, satria taranakao izy.

14 Dia nifoha vao maraina be i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano; dia nomeny an'i Hagara izany sady napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza. Dia nalefan'i Abrahama izy mianaka ka nandeha nirenireny tao an-taniefitr'i Beera-Seba.

15 Rehefa tapitra ny rano tao amin'ny siny hoditra, dia navelan'i Hagara teo am-pototry ny hazo iray ny zaza;

16 dia lasa izy nipetraka tandrifiny tery lavidavitra tokony ho tratry ny zana-tsipika, fa hoy izy anakampo hoe: Aza hitako anie izay hahafatesan'ny zaza. Fony nipetraka tandrifin'ny zaza izy, dia nanandra-peo nitomany.

17 Nefa henon'Andriamanitra ny kiakiakan'ny zaza; koa niantso an'i Hagara avy any an-danitra ny anjelin'Andriamanitra nanao taminy hoe: -Inona no mahazo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa henon'Andriamanitra ny kiakiakan'ny zaza eo amin'ny toerany eo.

18 Mitsangana, ndeha areno ny zaza ka tantano; fa hataoko tonga firenena lehibe izy.

19 Dia nataon'Andriamanitra nahiratra ny mason'i Hagara, ka nahatazana lavaka fantsakana. Dia lasa izy nameno rano ny siny hoditra ary nampisotro rano ny zaza.

20 Ary nomban'Andriamanitra ny zaza ka nihalehibe, ary nonina tany an-taniefitra ka lasa mpandefa tsipika mahay.

21 Nangalan-dreniny vady avy tany Ejipta izy ary nonina tao an-taniefitr'i Parana.

22 Tamin'izany fotoana izany dia nankany amin'i Abrahama i Abimeleka, niaraka tamin'i Pikola lehiben'ny tafiny, ka nanao taminy hoe: -Homba anao anie Andriamanitra amin'izay rehetra hataonao.

23 Ankehitriny ianiano amin'Andriamanitra aho fa tsy hamadika ahy na ny zanako na ny taranako ianao. Fa ho tahaka ny soa izay nataoko taminao no hataonao amiko sy amin'ity tany izay ivahinianao ity.

24 Dia hoy i Abrahama hoe: -Ianianako izany!

25 Ary nitarainan'i Abrahama i Abimeleka noho ilay lavaka fantsakana nalain'ireo mpanompon'i Abimeleka an-keriny.

26 Fa namaly azy i Abimeleka hoe: -Tsy fantatro izay nanao izany zavatra izany, ary ianao koa tsy nanambara tamiko sady izao aho vao mandre izany.

27 Dia naka ny ondry aman'osy sy omby i Abrahama, ka nomeny an'i Abimeleka; dia nanao fifanekena izy roa lahy.

28 Ary nanavaka ondrivavy kely fito i Abrahama

29 ka nanontanian'i Abimeleka hoe: -Nahoana no avahanao ireo ondrivavy kely fito ireo?

30 Dia namaly i Abrahama hoe: -Mba ekeo avy amin'ny tanako ireo ho vavolombelona amiko fa izaho no nandavaka ilay fantsakana.

31 Izany no niantsoana io toerana io hoe Beera-Seba, satria teo izy roa lahy no nanao fianianana.

32 Nanao fifanekena tao Beera-Seba i Abrahama sy i Abimeleka; avy eo dia niainga i Abimeleka sy i Pikola, lehiben'ny tafiny, ka lasa niverina nankany amin'ny tanin'ny Filistinina.

33 Ary i Abrahama namboly hazo voamadilo tao Beera-Seba, ka teo no nivavahany tamin'ilay Andriamanitra mandrakizay sy niantsoany Azy hoe TOMPO.

34 Naharitra ela ny fivahinian'i Abrahama tao amin'ny tanin'ny Filistinina.

Toko faha-22

1 Taorian'izany toe-javatra izany, dia nizaha toetra an'i Abrahama Andriamanitra ka niantso azy hoe: -Ry Abrahama! Dia namaly i Abrahama hoe: -Inty aho.

2 Dia hoy Andriamanitra hoe: -Ento i Itsehaka zanakao lahitokana izay tianao; dia mandehana any amin'ny tany Moria eo ambonin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko anao, ka atolory ho sorona dorana eo izy.

3 Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin'ny toerana izay voatondron'Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehaka zanany lahy.

4 Nony afaka ampitso maraina dia tazan'i Abrahama tery lavitra tery ny tendrombohitra izay halehany.

5 Koa hoy izy tamin'ireo zatovony roa lahy: -Mijanona eto ianareo miaraka amin'ny boriky, fa izaho sy ny zazalahy handeha hatreny an-tendrombohitra mba hivavaka amin'Andriamanitra, dia hiverina aty aminareo indray.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.949