Apôkalipsỳ

Toko faha-21

15 Ilay anjely niteny tamiko dia nanana volotara volamena fandrefesana, mba handrefesana ny tanana sy ny vavahadiny ary ny mandany.

16 Miendrika efamira ny tanana, ka mitovy refy ny lafiny rehetra. Dia nandrefy ny tanana tamin'ny volotara ilay anjely, ka samy 12 000 stady avy ny lafiny efatra sy ny haavony;

17 ary norefesiny koa ny mandany, ka 144 hakiho ny hateviny araka ny refy mahazatra ny olona, izay refy nampiasain'ny anjely.

18 Vatosoa jaspa no nanaovana izany manda izany; ary ny tanana dia tena volamena madio toy ny fitaratra madio.

19 Ireo vato fanorenana ny mandan'ny tanana kosa dia voaravaka vatosoa isan-karazany: vato jaspa ny fanorenana voalohany, vato safira ny faharoa, vato kalsedoanina ny fahatelo, vato emeralda ny fahefatra,

20 vato sardoniksa ny fahadimy, vato sardoanina ny fahenina, vato krizolita ny fahafito, vato berila ny fahavalo, vato topaza ny fahasivy, vato krizopraso ny fahafolo, vato hiasinta ny faha-11, ary vato ametista ny faha-12.

21 Ny vavahady 12 dia perla 12, fa perla vongana iray ihany no nanaovana ny isam-bavahady; ary ny lalamben'ny tanana dia tena volamena madio toy ny fitaratra manganohano.

22 Tsy nahita tempoly tao amin'ilay tanana aho, satria ny Tompo Andriamanitra Tsitoha sy ny Zanakondry no tempoliny.

23 Ny tanana tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra ao aminy: fa ny voninahitr'Andriamanitra no efa manazava azy, ary ny Zanakondry no jiro manilo azy.

24 Handeha amin'ny fahazavan'ilay tanana ny firenena rehetra: ary ny mpanjakan'ny tany dia hitondra ny voninahiny ho ao anatiny.

25 Hisokatra tontolo andro ny vavahadin'ny tanana, (satria tsy mba hisy alina ao aminy).

26 Ny voninahitra sy ny zava-tsoan'ny firenena rehetra dia hoentina ho ao anatiny;

27 ary tsy mba hiditra ao mihitsy ny zavatra maloto na ny olona mpanazimbazimba na ny mpandainga; fa ny hany miditra ao dia ireo olona voasoratra anarana anatin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay: io horonamboky io dia teo am-pelatanan'ny Zanakondry.

Toko faha-22

1 Dia nasehon'ny anjely tamiko ity onin-dranovelona manganohano toy ny vato kristaly, nivoaka avy teo amin'ilay sezafiandrianana ipetrahan'Andriamanitra sady ipetrahan'ny Zanakondry.

2 Teo anelanelan'ny lalamben'ny tanana etsy an-kilany ary ny ony etsy an-daniny, dia nisy hazo anankiray manome fiainana: io hazo io dia mamoa voa in-12 isan-taona, izany hoe indray mandeha isam-bolana; ary ny raviny dia hanasitranana ny firenena.

3 Ka tsy hisy zavatra hiharan'ny loza nambaran'Andriamanitra intsony. Ilay sezafiandrianana, ipetrahan'Andriamanitra sady ipetrahan'ny Zanakondry, no ho ao an-tanana; ka dia hanompo an'Andriamanitra ireo mpanompony

4 sy hahita ny tavany ary hanana ny anaran'Andriamanitra voasoratra eo amin'ny handriny.

5 Tsy hisy alina intsony ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro ireo mpanompon'Andriamanitra, satria hohazavain'ny Tompo Andriamanitra izy rehetra sady hanjaka mandrakizay mandrakizay.

6 Dia hoy ilay anjely tamiko: Azo antoka sy marim-pototra ireo teny ireo! Ary ny Tompo Andriamanitra, Izay manentana ireo mpaminany, no efa naniraka ny anjeliny haneho amin'ireo mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.

7 Indro avy faingana Aho, hoy i Jesoa. Sambatra izay mitandrina ny teny faminaniana raketin'ity boky ity!

8 Izaho Johany no nahare sady nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sady nahita aho, dia niankohoka teo an-tongotr'ilay anjely mba hitsaoka azy,

9 saingy nilazany hoe: Tandremo, aza manao izany! Fa mpanompo miaraka aminao aho sady miaraka amin'ireo mpaminany namanao sy izay mitandrina ny teny raketin'ity boky ity. Andriamanitra no tsaohy!

10 Dia hoy koa ny anjely tamiko: Aza afenina ny teny faminaniana raketin'ity boky ity, satria antomotra ny fotoanandro hahatanterahan'ireo zavatra ireo.

11 Izay manao ny tsy rariny, aoka mbola hanao ny tsy rariny hatrany; ary izay ratsy toetra, aoka hiharatsy toetra hatrany. Izay tia rariny, aoka hanao ny rariny hatrany; ary izay masina, aoka hihamasina hatrany!

12 Indro avy faingana Aho, hoy i Jesoa; ary miaraka amiko ny valin'asa, mba hamaliako ny olona rehetra araka izay nataony avy.

13 Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.

14 Sambatra izay manasa ny akanjony, mba ho afa-mihinana amin'ny voan'ilay hazo manome fiainana sy ho afa-miditra amin'ny vavahady mankao amin'ilay tanana.

15 Fa any ivelany kosa izay manana toe-panahy maharikoriko: dia ny mpanao ody ratsy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sy mpandainga.

16 Izaho Jesoa dia efa naniraka ny anjeliko hijoro vavolombelona aminareo ka hanambara izany zavatra izany eo anivon'ireo Fiangonana. Izaho no solofo sy taranak'i Davida, ary kintana fitarikandro mamirapiratra.

17 Ary hoy ny Fanahy Masina sy ny ampakarina hoe: Avia! Izay mahare, aoka hanao hoe: Avia! Izay mangetaheta, aoka ho avy; izay maniry ranovelona, aoka hanovo maimaimpoana amin'izany!

18 Izaho Johany dia manao fampitandremana amin'izay rehetra mandre ny teny faminaniana raketin'ity boky ity: raha misy manampy ireo, dia hampiharan'Andriamanitra ny loza voasoratra ato anatin'ity boky ity;

19 ary raha misy manaisotra teny amin'ity boky faminaniana ity, dia hoesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazo manome fiainana sy ny anjarany ao amin'ny tanana masina araka izay voasoratra ato anatin'ity boky ity.

20 Hoy Ilay mijoro vavolombelon'ireo zavatra ireo hoe: Eny, ho avy faingana Aho! Amen! Avia, ry Jesoa Tompo!

21 Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Tompo!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0148