Genesỳ

Toko faha-14

15 Natsitokotokon'i Abrama ireo mpanompony mba hanafihana azy amin'ny alina. Dia resiny ireo mpanjaka, ka nenjehiny hatrany Hoba, any avaratr'i Damasy.

16 Tafaveriny avokoa ny harena rehetra nobaboina sy i Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananany ary ireo vehivavy mbamin'ny olon-kafa rehetra.

17 Ary rehefa niverina avy nandresy an'i Kedorlahomera sy ireo mpanjaka nomba azy i Abrama, dia niainga ny mpanjakan'i Sodoma mba hitsena azy tao an-dohasahan'i Save, izany hoe tao an-dohasahan'ny mpanjaka.

18 Dia nitondra mofo sy divay i Melkitsedeka mpanjakan'i Salema sady mpisoron'ilay Andriamanitra avo indrindra,

19 ary nitsodrano an'i Abrama hoe: -Hotahin'Andriamanitra avo indrindra mpanao ny lanitra sy ny tany anie i Abrama!

20 Hoderaina anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao! Dia nomen'i Abrama an'i Melkitsedeka ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.

21 Ary ny mpanjakan'i Sodoma dia niteny tamin'i Abrama hoe: -Omeo ahy ny olona fa ento ho anao kosa ny harena.

22 Fa namaly azy i Abrama hoe: -Atsangako amin'ny TOMPO Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany ny tanako

23 hianianako fa tsy mba handray avy amin'izay rehetra anao aho, na dia singan-kofehy na fehin-kapa iray aza. Sao manko lazainao hoe: Izaho no nampanankarena an'i Abrama.

24 Izay nohanin'ireo zatovoko ihany no hotazoniko. Ary ny anjaran'ireo lehilahy niaraka tamiko, izany hoe ny an'i Hanera sy i Eskola ary i Mamre, dia izy ireo ihany no handray izany.

Toko faha-15

1 Taorian'ireo zavatra ireo, dia niseho tamin'i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: -Aza matahotra ianao, ry Abrama, fa Izaho no mpiaro anao; ary ny valisoanao dia ho lehibe tokoa.

2 Fa namaly i Abrama hoe: -Ry Tompo ANDRIANANAHARY o,

3 inona no homenao ahy? Izaho ity ho faty tsy manan-taranaka; ary i Elihezera, mpitandrina ny ato an-tranoko, no handova ahy, satria ianao tsy nanome ahy taranaka.

4 Fa hoy ny TOMPO taminy: -Tsy handova anao izy, fa ilay haterakao ihany no handova anao.

5 Dia nentin'ny TOMPO nivoaka teny ivelan'ny tranolay izy ka nilazany hoe: -Jereo ange ny lanitra ary isao ny kintana, raha afaka manisa azy ianao! Dia mbola nampiany hoe: -Ho toy izany ny taranakao!

6 Ary i Abrama nino ny TOMPO; dia naneken'ny TOMPO azy ho marina izany.

7 Ka hoy indray Izy taminy: -Izaho TOMPO no nampivoaka anao avy tany Ora any Babilonia mba hanomezako anao ity tany ity ho fanananao.

8 Fa nanontany kosa i Abrama hoe: -Ry Tompo ANDRIANANAHARY o, amin'ny fomba ahoana moa no hahalalako fa ho lasako ity tany ity?

9 Dia novaliany hoe: -Itondray vantotr'ombivavy iray sy osivavy iray sy ondrilahy iray samy telo taona Aho ary koa domohina sy voromahailala iray avy.

10 Dia nentin'i Abrama teo amin'ny TOMPO ireo rehetra ireo, ary nosasahiny teo afovoany afa-tsy ny vorona ka napetrany mifanatrika ny tapany avy.

11 Ary nidina teo ambonin'ireo ny vorona mpihaza ka noroahin'i Abrama.

12 Nony efa hilentika ny masoandro, dia renoky ny torimaso lalina i Abrama, ka indro nisy haizina lehibe mampatahotra nanarona azy.

13 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Abrama: -Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin'ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalina mandritra ny efajato taona.

14 Avy eo kosa dia hofaiziko ny firenena izay notompoiny, ka hiainga mitondra fananam-be avy any ireo taranakao.

15 Ianao kosa ho faty amim-piadanana ka halevina, rehefa tratra antitra tsara.

16 Amin'ny taranakao fahefatra vao hiverina eto izy ireo, satria mandraka androany dia tsy mbola feno ny heloky ny Amorita handroahako azy.

17 Nony efa nilentika ny masoandro, dia nisy haizim-be mikitroka; ary indro nisy fatana midona-tsetroka sy fanilo mirehitra namaky teo anivon'ireo biby voasasaka.

18 Tamin'izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana tamin'i Abrama, ka niteny hoe: -Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin'ny ranon-driakan'i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe

19 izany hoe ny tany onenan'ireto foko ireto: ny Kenita sy ny Kenizita, ny Kadmonita

20 sy ny Hetita, ny Perizita sy ny Refaita,

21 ny Amorita sy ny Kanahanita ary ny Girgasita sy ny Jebosita.

Toko faha-16

1 Ary i Saray, vadin'i Abrama, dia tsy niteraka fa momba; nefa nanana mpanompovavy ejiptianina atao hoe Hagara izy

2 ka niteny tamin'i Abrama hoe: -Indro efa tsy nanome zanaka ahy ny TOMPO. Koa mba mandehana re any amin'ny mpanompovaviko; angamba hanan-janaka avy aminy aho. Dia neken'i Abrama ny soso-kevitr'i Saray.

3 Nalain'i Saray vadin'i Abrama i Hagara izay Ejiptianina mpanompovaviny ka nomeny an'i Abrama mba hovadiny; ary efa folo taona no nipetrahan'i Abrama tao amin'ny tany Kanahana tamin'izay.

4 Dia niray tamin'i Hagara i Abrama ka nitoe-jaza ravehivavy. Rehefa nahita ny tenany bevohoka i Hagara, dia nanao tsinontsinona ny tompovaviny.

5 Ary hoy i Saray tamin'i Abrama: -Manodiava anao ny fahoriako! Nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko; ka nony nahita ny tenany bevohoka izy, dia nanao tsinontsinona ahy. Koa aoka ny TOMPO no hitsara ahy sy ianao!

6 Fa namaly i Abrama nanao hoe: -Indro ny mpanompovavinao, eo ambany fahefanao izy ka ataovy izay tianao hatao aminy. Dia nampahorin'i Saray i Hagara ka nitsoaka nandositra.

7 Hitan'ny anjelin'ny TOMPO teo akaikin'ny loharano iray tao an-taniefitra izy, dia teo amin'ny lalana mankany Sora,

8 ka nanontaniany hoe: -Ry Hagara, mpanompovavin'i Saray, avy taiza ianao, ary hankaiza? Dia namaly izy hoe: -Nandositra tsy ho eo anatrehan'i Saray tompovaviko aho.

9 Fa hoy ilay anjelin'ny TOMPO taminy: -Miverena any amin'ny tompovavinao, ka maneke ny fahefany.

10 Homen'ny TOMPO taranaka marobe tsy tambo isaina ianao.

11 Indro efa bevohoka ianao, ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataonao hoe Jismahela, satria nohenoin'ny TOMPO ny fitarainanao.

12 Ho toy ny boriky tsy folaka ny zanakao, ary hiady amin'ny olona rehetra sy hiadian'ny olona rehetra izy, nefa dia hitoetra misintaka amin'ny rahalahiny rehetra.

13 Dia hoy i Hagara anakampo: Moa nahita marina Ilay mahita ahy ve aho! Ary dia nomeny ny TOMPO Izay niteny taminy izao anarana izao: Ianao no ilay Andriamanitra mahita ahy.

14 Izany no niantsoana ilay fantsakana teo anelanelan'i Kadesy sy i Bareda hoe fantsakan'i Lahay-Roy na fantsakan'Ilay Velona mahita ahy.

15 Dia niteraka zazalahy i Hagara ka nataon'i Abrama hoe Jismahela ny anarany.

16 Efa enina amby valopolo taona i Abrama, raha niteraka io zazalahy io ho azy i Hagara.

Toko faha-17

1 Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan' ny TOMPO ka nitenenany hoe: -Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;

2 fa hotolorako ny fanekempihavanako ianao, ary hohamaroiko fatratra.

3 Dia niankohoka i Abrama; ary hoy indray Andriamanitra taminy:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.1483