Genesỳ
Toko faha-12
2 Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an'ny hafa ianao.3 Hotahiko izay mitahy anao, fa hozoniko kosa izay manozona anao. Amin'ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra eran-tany.
4 Dia nandeha araka izay nolazain'ny TOMPO taminy i Abrama, ary niaraka taminy koa i Lota. Tokony ho 75 taona i Abrama fony izy niala tany Harana.
5 Nalain'i Abrama i Saray vadiny sy i Lota zana-drahalahiny, ary nentiny ny harena rehetra voaangony mbamin'ireo mpanompo rehetra novidiny tao Harana. Dia niainga izy ka nankany amin'ny tany Kanahana. Dia tonga tany Kanahana ry i Abrama mianakavy.
6 Ary i Abrama namakivaky ny tany hatrany amin'ny hazo oakan'i More, any Sekema. Ny Kanahanita no nipetraka tamin'iny faritra iny tamin'izany.
7 Niseho tamin'i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: Homeko ny taranakao ity tany ity. Dia nanorina alitara ho an'ny TOMPO i Abrama teo amin'io toerana izay nisehoan'ny TOMPO taminy io.
8 Avy eo izy dia niainga ho any amin'ny faritra be havoana any atsinanan'i Betela, ary nanorina ny lainy teo anelanelan'i Betela tao andrefana sy i Hay tao atsinanana. Nanorina alitara iray ho an'ny TOMPO teo koa izy ka nivavaka sady niantso an'Andriamanitra hoe TOMPO.
9 Dia nandeha i Abrama ka nifindrafindra toby nihazo ny faritra atsimo.
10 Ary nisy mosary tao amin'ny tany; ka rehefa nihamafy izany, dia nidina tany Ejipta ry i Abrama.
11 Ary nony efa akaiky ho tonga tany Ejipta ry zareo, dia hoy i Abrama tamin'i Saray vadiny: -Etsy ange, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao.
12 Koa raha vao mahita anao ny Ejiptianina, dia hanao hoe io no vadiny; dia hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
13 Koa aoka holazainao amin'ireo fa anabaviko ianao mba horaisiny tsara aho noho ny aminao, ary hovelominy noho ny aminao!
14 Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan'ireo Ejiptianina fa tena tsara tarehy tokoa ravehivavy.
15 Nahita azy ny manamboninahitry ny Farao ka lasa nidera azy tany amin'ny Farao; koa nampanalaina ho any an-dapan'ny Farao ilay ramatoa.
16 Noho ny aminy dia nasian'ny Farao soa i Abrama ka nomeny ondry aman'osy sy omby, mpanompo lahy sy vavy mbamin'ny boriky sy rameva.
17 Fa ny TOMPO namely loza goavana ny Farao sy ny ankohonany noho ny amin'i Saray, vadin'i Abrama.
18 Dia nampiantso an'i Abrama ny Farao ka nanao taminy hoe: -Inona ity nataonao tamiko? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
19 Nahoana moa no nolazainao fa anabavinao izy, ka dia nalaiko ho vadiko? Izao ankehitriny izao, iny raiso ny vadinao ka mandehana!
20 Nobaikoin'ny Farao ireo mpanompony mba handefa an'i Abrama sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra.
Toko faha-13
1 Avy any Ejipta i Abrama dia niverina nankany Negeva niaraka tamin'ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra. Niaraka taminy koa i Lota.2 Nanan-karena tokoa i Abrama, fa nanana biby fiompy sy volafotsy ary volamena betsaka.
3 Nandeha izy nifindrafindra avy tao Negeva ka hatrany Betela, teo amin'ny toerana izay efa nitobiany tamin'ny voalohany, teo anelanelan'i Betela sy i Hay.
4 Ka dia tamin'ilay toerana nanorenan'i Abrama alitara voalohany no nivavahany sady niantsoany an'Andriamanitra hoe TOMPO.
5 Ary i Lota izay niara-dia tamin'i Abrama koa dia nanana andian'omby aman'ondry sy tranolay maro.
6 Noho ny hamaroan'ny olona sy ny biby fiompy, dia tsy ampy hitoeran'izy roa lahy miaraka ny tany satria mbola nonina tao koa ny Kanahanita sy ny Perizita. Koa nisy fifandirana teo amin'ny mpiandry biby fiompin'i Abrama sy ny an'i Lota.
8 Dia hoy i Abrama tamin'i Lota: -Aoka tsy hisy fifandirana amintsika na amin'ny mpiandry ireo biby fiompintsika, satria olona mpihavana isika.
9 Moa tsy eo anatrehanao ve ny faritra manontolo? Koa aoka hisaraka eto isika. Fa raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; ary raha hianatsimo kosa ianao, izaho hianavaratra.
10 Dia nitazana i Lota ka nahatsinjo ny faritanin'i Jordana manontolo. Talohan'ny nandravan'ny TOMPO an'i Sodoma sy i Gomora, izany faritany izany mandra-pahatonga any Tsohara dia tahaka ny zaridainan'ny TOMPO, tahaka ny lohasahan'i Neily.
11 Koa nofidin'i Lota ho azy ny faritanin'i Jordana ka nikisaka niantsinanana izy. Toy izany no nisarahan'izy roa lahy.
12 I Abrama nipetraka tao amin'ny tany Kanahana, fa i Lota kosa nitoby tao amin'ireo tanana amin'ny faritanin'i Jordana ka nametraka ny lainy hatrany Sodoma.
13 Ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy toetra sady nanota mafy tamin'ny TOMPO.
14 Dia nitenenan'ny TOMPO i Abrama, rehefa avy nisaraka tamin'i Lota izy, ka nataony hoe: -Mitazana, avy eo amin'izay misy anao, ka mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana;
15 fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay ny tany manontolo izay tazanao.
16 Hohamaroiko tahaka ny vovo-tany ny taranakao ka tsy ho hita isa, tahaka ny tsy ahazoan'ny olona manisa ny vovo-tany.
17 Miainga ka mandehana mamakivaky ny tany amin'ny sakany sy lavany, fa homeko anao izy.
18 Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin'ny hazo oakan'i Mamre, akaikin'i Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'ny TOMPO.
Toko faha-14
1 Tamin'izany andro izany, i Amrafela mpanjakan'i Sinehara, i Arioka mpanjakan'i Elasara, i Kedorlahomera mpanjakan'i Helama, ary i Tidehala mpanjakan'i Goima,2 dia niady tamin'i Bera mpanjakan'i Sodoma sy i Birsa mpanjakan'i Gomora sy i Sinaba mpanjakan'i Adma sy i Semebera mpanjakan'i Tseboima ary ny mpanjakan'i Bela na hoe Tsohara.
3 Izy rehetra ireo dia nifamotoana tao amin'ny lohasahan'ny Sidima, izay rakotry ny Ranomasina Maty ankehitriny.
4 Nandritra ny roa ambin'ny folo taona izy ireo dia nanompo an'i Kedorlahomera fa tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo kosa izy dia nikomy.
5 Tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo dia tonga i Kedorlahomera mbamin'ireo mpanjaka nomba azy ka nandresy ireo Refaita tao Hastarota-Karnaima sy ny Zozita tao Hama sy ireo Emita tao amin'ny lemak'i Kiriataima
6 ary ireo Horita tao an-tendrombohitr'i Sehira ka hatrany Ely-Parana izay akaikin'ny taniefitra.
7 Avy eo dia niverina ho any Haina-Mispata na hoe Kadesy izy ireo, ka namely izay rehetra teny an-tsahan'ny Hamalekita mbamin'ireo Amorita izay nonina tao Hatsetsona-Tamara.
8 Dia niroso ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora sy ny mpanjakan'i Adma sy ny mpanjakan'i Tseboima ary ny mpanjakan'i Bela na hoe Tsohara, ka nandahatra ny tafiny hiady tamin'ireo tao an-dohasahan'i Sidima,
9 izany hoe i Kedorlahomera mpanjakan'i Helama, sy i Tidehala mpanjakan'i Goima, sy i Amrafela mpanjakan'i Sinehara, ary i Arioka mpanjakan'i Elasara; mpanjaka dimy mikatroka amin'ny efatra.
10 Nisy lava-drano betsaka nandrevo tao amin'ny lohasahan'i Sidima, ka rahefa nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy i Gomora, dia nianjera tao ary ireo sisa kosa nandositra tany an-tendrombohitra.
11 Nofaohin'ireo mpandresy avokoa ny haren'ny tao Sodoma sy tao Gomora mbamin'ny sakafo rehetra, dia lasa izy ireo.
12 Nofaohiny niaraka tamin'ireo koa i Lota zana-drahalahin'i Abrama izay nonina tao Sodoma mbamin'ny fananany dia lasa izy ireo.
13 Ary nisy lehilahy iray afa-nandositra, dia tonga nanambara ny vaovao tamin'i Abrama ilay Hebreo nonina an-day tao amin'ny hazo oakan'i Mamre, izay Amorita rahalahin'i Eskola sy i Hanera; fa izy telo lahy dia efa vita fihavanana tamin'i Abrama.
14 Nony ren'i Abrama fa babo ny zana-drahalahiny, dia novoriny ireo valo ambin'ny folo sy telonjato lahy mpomba azy avy tao amin'ny fianakaviany; ka nanenjika ny fahavalo hatrany Dana izy.