Genesỳ

Toko faha-22

6 Dia nalain'i Abrahama ny kitay hanaovana sorona ka natataony an'i Itsehaka zanany; fa izy kosa nitondra ny vainafo sy ny antsy. Ary raha mbola niara-nandeha izy mianaka,

7 dia hoy i Itsehaka tamin'i Abrahama rainy: -Dada o! Ka novaliany hoe: -Mihaino anao aho, anaka. Ary hoy i Itsehaka hoe: -Indreo ny vainafo sy ny kitay, fa aiza kosa ny zanak'ondry hatao sorona dorana manontolo?

8 Fa namaly azy i Abrahama hoe: -Andriamanitra no hahita izay zanak'ondry hatao sorona dorana manontolo, anaka! Dia niara-nanohy ny diany izy mianaka.

9 Rehefa tonga teo amin'ny toerana izay voatondron'Andriamanitra izy ireo, dia nanorina alitara teo i Abrahama sady nandahatra ny kitay. Dia namatotra an'i Itsehaka zanany izy, ka nametraka azy teo amin'ny alitara, teo ambony kitay.

10 Ary naninji-tanana handray ny antsy i Abrahama mba hamonoana ny zanany.

11 Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjelin'ny TOMPO ka nanao hoe: -Abrahama o! Abrahama o! Hoy kosa ny navalin'i Abrahama azy: -Inty aho.

12 Dia hoy indray ilay anjely: -Aza maninji-tanana amin'io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.

13 Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr'ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon'ny zanany lahy.

14 Dia nataon'i Abrahama hoe Ny TOMPO no hahita ny anaran'izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita.

15 Ary ny anjelin'ny TOMPO niantso an'i Abrahama fanindroany avy tany an-danitra

16 ka nanao taminy hoe: -Izao no lazain'ny TOMPO noho ianao nanao izany zavatra izany, ka tsy niaro ny zanakao lahitokanao tamiko, dia ny tenako no ianianako

17 fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tananan'ireo fahavalony.

18 Amin'ny alalan'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany, satria ianao nihaino ny feoko.

19 Dia niverina nankeny amin'ny zatovony i Abrahama. Niainga izy rehetra ka niaraka nankany Beera-Seba; dia teo no niorim-ponenana i Abrahama.

20 Taorian'izany, dia ren'i Abrahama fa tera-dahy maro tamin'i Nahora rahalahiny koa i Milka:

21 dia i Hotsa lahimatoa sy i Boza rahalahiny, i Kemoela rain'i Arama,

22 i Keseda sy i Hazao, i Pildasy sy i Jildafa ary i Betoela.

23 Izy valo lahy no naterak'i Milka tamin'i Nahora rahalahin'i Abrahama. I Betoela no rain'i Rebeka.

24 Mbola nanana vadikely natao hoe Reoma i Nahora ka niterahany an'i Teba sy i Gahama ary i Tahasa sy i Maheka.

Toko faha-23

1 Rehefa niaina 127 taona i Sara,

2 dia maty tao Kiriata-Arba, izany hoe tao Hebrona, any amin'ny tany Kanahana. Dia tonga i Abrahama mba hisaona sy hitomany an'i Sara.

3 Dia nitsangana niala teo amin'ny faty izy ary lasa niteny tamin'ny terak'i Heta hoe:

4 -Vahiny sy mpifindra monina ihany aho eto aminareo. Omeo toeram-pandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny vadiko.

5 Dia namaly azy ny terak'i Heta hoe:

6 -Tompokolahy o, mba mihainoa anay: filoha notahin'Andriamanitra ianao teto anivonay, koa aleveno ao amin'izay fasana tsara indrindra eto aminay ny vadinao. Tsy hisy aminay hisakana ny fasany tsy handevenana ny razana.

7 Nitsangana i Abrahama ka niankohoka teo anoloan'ny terak'i Heta, vahoaka tompon-tany,

8 ka niteny tamin'ireo hoe: -Raha ekenareo tokoa ary ny handevenana ny vadiko eto, dia anaovy fanelanelanana amin'i Hefrona zanakalahin'i Tsohara aho

9 mba hanomezany ahy ny lava-bato ao Makpela amin'ny sisin'ny sahany. Aoka ho amin'ny tena vidiny no hanomezany azy ho ahy eto anatrehanareo ho toeram-pandevenana.

10 Ary i Hefrona ilay Hetita tamin'izay dia nipetraka teo anivon'ny olona tafavory. Koa namaly an'i Abrahama izy mba ho ren'ny Hetita rehetra tonga teo am-bavahadin'ny tanana, ka nanao hoe:

11 -Tsia, tompokolahy, fa henoy aho! Ny saha dia omeko anao ary ny lava-bato izay eo aminy koa dia omeko anao; eto imason'ireto mpiray foko amiko no anomezako azy maimaim-poana; koa aleveno ao ny fatin'ny vadinao.

12 Fa niankohoka teo anatrehan'ny vahoaka tompon-tany indray i Abrahama,

13 dia niteny tamin'i Hefrona mba ho ren'ny besinimaro ka nanao hoe: -Raha marina fa hihaino ahy tokoa ianao, mba raiso avy amiko ny vidin'ny saha efa natolotro; dia haleviko ao tokoa ny fatin'ny vadiko.

14 Dia namaly an'i Abrahama indray i Hefrona hoe:

15 -Tompokolahy o, henoy aho! Izay tany lanjambidy efajato sekela volafotsy ve dia ho inona amiko sy aminao? Fa aleveno ny fatin'ny vadinao.

16 Dia nifanaraka tamin'i Hefrona i Abrahama ka nandoa ny vola izay voalazany teo anatrehan'ireto Hetita, dia sekela volafotsy efajato fampiasa amin'ny mpivarotra.

17 Koa ny sahan'i Hefrona izay tao Makpela akaikin'i Mamre, izany hoe ny saha sy ilay lava-bato tao aminy mbamin'ny hazo rehetra tao anatin'ny faritra manodidina azy, dia natao varo-maty

18 tamin'i Abrahama mba ho fananany. Vavolombelon'izany ny Hetita rehetra tonga nivory teo am-bavahadin'ny tanana.

19 Taorian'izany i Abrahama dia nandevina ny fatin'ny Sara vadiny, tao amin'ilay lava-bato tao amin'ny saha Makpela akaikin'i Mamre, izany hoe Hebrona ao amin'ny tany Kanahana.

20 Koa ny saha sy ilay lava-bato ao aminy dia nataon'ny terak'i Heta varo-maty tamin'i Abrahama mba ho toeram-pandevenana.

Toko faha-24

1 Ary efa tena antitra be i Abrahama, sady notahin'ny TOMPO tamin'ny zavatra rehetra.

2 Indray andro dia hoy i Abrahama tamin'ilay mpanompony tranainy indrindra tao an-tranony, izay mpifehy ny fananany rehetra: -Apetraho ato ambany feko ny tananao,

3 ka mianiana amin'ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ianao fa tsy haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kanahanita izay miara-monina amiko.

4 Fa handeha ho any amin'ny tany fiaviako sy amin'ny havako ianao, ka haka vady ho an'i Itsehaka zanako.

5 Dia namaly azy ilay mpanompo hoe: -Angamba tsy te hiaraka amiko ho aty amin'ity tany ity razazavavy, koa moa tsy maintsy haveriko any amin'ny tany izay efa nilaozanao ve ny zanakao?

6 Dia hoy i Abrahama namaly azy: -Tandremo tsara mba tsy haverinao any ny zanako.

7 Ny TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, no naka ahy tao an-tranon'ny raiko sy tao an-tanindrazako. Niteny tamiko Izy sady nianiana tamiko fa hanome ity tany ity ho an'ny taranako. Izy no haniraka ny anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an'ny zanako.

8 Raha tsy manaiky hanaraka anao ilay razazavavy, dia afaka amin'izao fianianana izao ianao; fa ny zanako kosa aza entinao miverina any.

9 Dia napetrak'ilay mpanompo tao ambany fen'i Abrahama tompony ny tanany, ary nianiana taminy momba io raharaha io izy.

10 Dia naka rameva folo tamin'ny ramevan'ny tompony izy sady nitondra izay zavatra tsara indrindra nananan'ny tompony, dia niainga hankany Mezopotamia ambony, any amin'ny tananan'i Nahora.

11 Nony tonga teo akaikin'ny fantsakana teo ivelan'ny tanana izy, dia nampandohalika ny rameva, fa fotoana hariva fivoahan'ny vehivavy mantsaka tamin'izay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8845