Nomerỳ
Toko faha-18
30 Ary rehefa navahanareo izay ampahany tsara indrindra amin'izany rehetra izany, dia hotananareo ho anareo levita ny ambiny, tahaka ny itanan'ny Israelita hafa ny ambin'ny vokatra avy eo am-pamoloany sy ny vokatra avy eo amin'ny famiazany.31 Mahazo mihinana izany vokatra izany ianareo sy ny fianakavianareo amin'ny toerana izay tianareo, fa karamanareo izany noho ny asa fanompoanareo ao amin'ny Tranolay fihaonana.
32 Tsy manota akory ianareo amin'izany, rehefa ny ampahany tsara indrindra aminy no navahanareo; tsy handoto ny fanatitra masina entin'ny Israelita akory ianareo, ka dia tsy ho faty.
Toko faha-19
1 Niteny tamin'i Mosesy sy i Aharona ny TOMPO ka nampita2 ireto fepetran-dalana izay nandidiany ireto: Lazao ny Israelita hitondra ombivavy mena izay tsy misy kilema na tsininy ary tsy mbola nampitondraina zioga.
3 Ento any amin'i Elehazara mpisorona izany mba havoakany eny ivelan'ny toby, ary hovonoina eo anatrehany.
4 Hakan'i Elehazara mpisorona amin'ny fanondro ny ran'ilay ombivavy ka hafafiny impito manandrify ny Tranolay fihaonana.
5 Hodorana eo imasony ilay ombivavy miaraka amin'ny hodiny sy ny henany ary ny tsinainy.
6 Dia haka hazo sedera sy rantsana hisopa ary lamba jaky ny mpisorona ka hanipy azy eo amin'ny afo andoroana ilay ombivavy.
7 Avy eo dia hanasa ny fitafiany ny mpisorona ary hampandro ny tenany, izay vao hiditra ao amin'ny toby; nefa mbola haloto mandra-paharivan'ny andro izy.
8 Ilay handoro ny ombivavy kosa dia hanasa ny fitafiany sady hampandro ny tenany, saingy mbola haloto mandra-paharivan'ny andro.
9 Hangonin'ny lehilahy madio iray ny lavenon'ilay ombivavy ka hapetrany amin'ny toerana madio iray eo ivelan'ny toby. Hotehirizina ho an'ny fiangonan'ny Israelita ao izany hanomanana ny rano fanadiovana. Izany fombam-pivavahana izany dia tahaka ny sorona fanalana ny ota.
10 Hanasa ny fitafiany koa ilay hanangona ny lavenon'ny ombivavy, saingy mbola haloto mandra-paharivan'ny andro. Ho lalana raikitra izany ho an'ny Israelita sy ny vahiny valovotaka ao aminy.
11 Izay mikasika fatin'olona dia haloto mandritra ny fito andro.
12 Amin'ny andro fahatelo sy fahafito izy no hanadio ny tenany amin'ny rano fanadiovana, dia hadio; fa raha tsy manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo sy fahafito kosa izy, dia tsy hadio.
13 Izay mikasika fatin'olona, nefa tsy manadio ny tenany, dia mandoto ny Fonena-masin'ny Tompo, ka hoesorina tsy ho isan'ny vahoaka Israely. Koa satria tsy nofafazana rano fanadiovana izy, dia haloto; ary mbola hitoetra aminy ihany ny tsy fahadiovany.
14 Izao no fitsipika: raha misy olona maty an-day, izay rehetra miditra ao na ny olona rehetra efa ao rahateo dia haloto mandritra ny fito andro.
15 Ny fitoeran-javatra rehetra izay misokatra ka tsy misy sarony mifatotra aminy dia haloto.
16 Izay any an-tsaha, ka mandona olona matin-tsabatra na maty ho azy na koa mandona taolam-paty na fasana, dia haloto mandritra ny fito andro.
17 Mba anadiovana ny olona maloto, dia halaina ny lavenon'ilay ombivavy nodorana ho sorona fanalana ny ota ka hatao ao anaty tsangambava izay hasiana ranovelona.
18 Haka hisopa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka izany ao amin'ny rano, dia hofafazany ny lay misy ny maty sy ny fitoeran-javatra rehetra ary ny olona ao; na koa hofafazany rano izay sendra nikasika taolam-paty na olona maty novonoina na olona maty ho azy na fasana.
19 Hofafazan-drano toy izany ilay olona maloto amin'ny andro fahatelo sy fahafito, ka hadio amin'ny otany izy amin'ny andro fahafito. Hanasa ny fitafiany sy hampandro ny tenany izy aorian'izany, dia hadio rehefa hariva.
20 Fa izay olona naloto nefa tsy nanao fidiovan-tena dia hoesorina tsy ho isan'ny fiangonana israelita satria handoto ny Toeramasin'ny TOMPO izy; tsy nofafazana rano fanadiovana izy, ka dia maloto.
21 Ho lalana raikitra ho an'ny Israelita izany. Izay manao fafy rano amin'io rano fanadiovana io dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika io rano fandiovana io dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
22 Izay zavatra rehetra voakasiky ny olona maloto dia haloto; ary izay olona mikasika azy koa dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
Toko faha-20
1 Tonga tao amin'ny taniefitr'i Tsina ny fiangonan'i Israely iray manontolo tamin'ny volana voalohany; ary nijanona tao Kadesy ny vahoaka. Tao no nahafatesan'i Miriama sady nandevenana azy.2 Rehefa tsy nisy intsony ny rano ho an'ny fiangonana, dia nitangoronany i Mosesy sy i Aharona
3 ka nilany ady i Mosesy ka nataony hoe: Raha mba maty tamin'ny nahafatesan'ny mpiray firenena aminay teo anatrehan'ny TOMPO manko izahay!
4 Fa nahoana no nentinareo aty an-taniefitra izahay fiangonan'ny TOMPO? Mba hahafaty anay sy ny biby fiompinay aty ve?
5 Nahoana no nampialanareo tany Ejipta izahay ka nentinareo aty amin'ny tany ratsy aty, izay tsy azo amafazana akory sady tsy misy aviavy na voaloboka na ampongabendanitra na rano hosotroina akory?
6 Navelan'i Mosesy sy i Aharona teo ny Israelita fa lasa izy roa lahy nankeo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana ka niankohoka tamin'ny tany; ary niseho taminy ny voninahitry ny TOMPO.
8 Raiso ny tehinao, ka vorionao sy i Aharona rahalahinao ny Israelita. Eo imason'izy ireo no hitenenanareo amin'ny vatolampy, dia hanome rano izy. Eny, hampiboiboika rano ho azy ireo avy amin'io vato io ianao, ka hampisotro ny Israelita sy ny biby fiompiny!
9 Dia nalain'i Mosesy tao amin'ny Fonena-masin'ny TOMPO araka ny baiko azony ny tehiny.
10 Novorin'izy sy i Aharona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana ka noteneniny hoe: Henoinareo, ry mpiodina: Moa afaka hamoaka rano ho anareo avy amin'ity vato ity va izahay?
11 Ningain'i Mosesy ny tanany ka nokapohiny indroa tamin'ny tehiny ny vatolampy; dia niboiboika be ny rano ka samy nisotro avokoa ny olon-drehetra mbamin'ny biby fiompiny.
12 Fa niteny tamin'i Mosesy sy i Aharona ny TOMPO ka nanao hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo ka tsy naneho ny fahamasinako teo anatrehan'ny Israelita, dia tsy hitondra ity fiangonana ity ho any amin'ny tany izay omeko azy ianareo.
13 Eto no misy ny ranon'i Meriba satria nila ady tamin'ny TOMPO teto ny Israelita ka nanehoany ny fahamasinany.
14 Naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin'ny mpanjakan'i Edoma i Mosesy hilaza aminy hoe: Izao no lazain'ny israelita rahalahinao. Fantatrao ny fahoriana rehetra nahazo anay.
15 Nidina tany Ejipta ireo razanay ary nipetraka ela tany izahay, nefa dia nampahory anay sy ny razanay ny Ejiptianina.
16 Nitaraina tamin'ny TOMPO izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka anjely hamoaka anay avy tany Ejipta. Ary indreto izahay ankehitriny eto Kadesy, tanana ao amin'ny faritry ny taninao.
17 Koa mba avelao re izahay handeha hamaky eo amin'ny taninao. Tsy hamaky any amin'ny saha na ny tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro amin'ny ranom-pantsakana; fa iny arabe migodana iny ihany no hizoranay ka tsy hivilivily hiankavia na hiankavanana izahay mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
18 Fa hoy ny mpanjakan'i Edoma namaly azy: Tsy mahazo mandalo ny taniko ianareo; fa raha tsy izany, dia ady no hitsenako anareo.
19 Dia hoy ny Israelita taminy: Ny lalambe ihany no hiakaranay; koa raha hisotro amin'ny ranonao izahay sy ny biby fiompinay, dia haloanay aminao ny vidin'izany. Tokana ny zavatra angatahinay, dia ny handalo eo fotsiny ihany.
20 Fa novalian'ny mpanjakan'i Edoma hoe: Tsy mahazo mandalo eo ianareo. Dia nivoaka nitsena azy niaraka tamin'ny vahoaka marobe nirongo fiadiana ny Edomita.
21 Toy izany no tsy namelan'i Edomita ny Israelita handalo eo amin'ny taniny; koa dia lalan-kafa no nizorany.
22 Dia niala tao Kadesy ny fiangonan'i Israely iray manontolo ka tonga tao amin'ny tendrombohitra Hora,
23 amin'ny sisin-tanin'i Edoma. Tao ny TOMPO no niteny tamin'i Mosesy sy i Aharona ka nanao hoe:
24 Efa hampodina any amin'ny razany i Aharona, fa tsy hiditra any amin'ny tany izay nomeko ny Israelita satria tsy nankato ny teniko teo amin'ny ranon'i Meriba ianareo.
25 Koa ento, ry Mosesy, i Aharona sy i Elehazara zanany hiakatra eo an-tendrombohitra Hora.
26 Dia esory ny akanjo fisoronan'i Aharona ka ampanaovy an'i Elehazara zanany. Hody any amin'ny razany i Aharona ary eo no hahafatesany.