Nomerỳ
Toko faha-20
27 Dia nanao araka izay nandidian'ny TOMPO azy i Mosesy, ary teo imason'ny fiangonana iray manontolo no niakaran'izy telo mianaka ny tendrombohitra Hora.28 Nesorin'i Mosesy ny akanjo fisoronana teny amin'i Aharona ka nampanaovina an'i Elehazara zanany; ary maty teo an-tampon'ny tendrombohitra i Aharona. Avy eo i Mosesy sy i Elehazara dia nidina ny tendrombohitra.
29 Rehefa tsinjon'ny fiangonana manontolo fa maty i Aharona, dia nisaona azy nandritra ny telopolo andro ny taranak'i Israely rehetra.
Toko faha-21
1 Rehefa ren'ilay Kanahanita mpanjakan'i Harada, izay nonina tany amin'ny faritra atsimo, fa tonga avy tamin'ny lalan'i Atarima ny Israelita, dia notafihiny ireo ary nobaboiny ny sasany taminy.2 Koa nivoady tamin'ny TOMPO ireo Israelita ka nanao hoe: Raha atolotrao eo an-tananay io firenena io, dia hataonay levona ny tananany.
3 Nohenoin'ny TOMPO ny voadin'ny Israelita ka natolony azy ny Kanahanita. Dia nataon'ny Israelita levona izy ireo mbamin'ny tananany; ary ny anaran'izany toerana izany dia natao hoe Horma.
4 Niala tao an-tendrombohitra Hora ny Israelita, ka nihazo tamin'ny lalan'ny Ranomasin'ny Volotara hanodidina ny tanin'i Edoma. Teny an-dalana anefa dia very toky ny vahoaka.
5 Koa nanomboka nanakiana an'Andriamanitra sy i Mosesy ny olona nanao hoe: Nahoana no nentinareo niala tany Ejipta mba ho faty aty an-taniefitra izahay? Aty anefa tsy misy na mofo na rano, ary efa leon'itony mofomofo ratsy na hoe mana itony izahay.
6 Koa nandefasan'ny TOMPO bibilava misy poizina ny vahoaka; ary nokekerin'ireo bibilava ireo ny Israelita ka marobe no maty noho izany.
7 Dia nankeo amin'i Mosesy ny vahoaka sisa ka nanao hoe: Efa nanota izahay fa nanome tsiny ny TOMPO sy ny tenanao. Koa ifony re ny TOMPO mba hanala ireo bibilava ireo aminay. Dia nifona ho an'ny vahoaka i Mosesy.
8 Ary hoy ny TOMPO taminy: Manaova bibilava varahina dia ahantony amin'ny hazo lava fa izay rehetra voakaikitra, ka mijery izany, dia ho velona sady afa-doza.
9 Dia nanao bibilava varahina i Mosesy ka nahantony tamin'ny hazo lava. Ary nisy olona voakaikitry ny bibilava misy poizina ka mijery ilay bibilava varahina, dia velona.
10 Niainga ny Israelita ka nitoby tao Obota.
11 Niala teo Obota izy, dia nitoby tao Hije-Habarima ao amin'ny taniefitra atsinanan'i Moaba.
12 Niala teo izy, dia nitoby teo amoron'ny ranon-driaka Zareda.
13 Niala teo indray izy, dia nitoby tao an-dafin'ny renirano Arnona izay mipoitra any amin'ny faritanin'ny Amorita ary mamakivaky ny taniefitra, vao manamorona ny sisin-tanin'i Moaba ka mampisaraka ny faritry ny Moabita sy ny faritry ny Amorita.
14 Izany no ilazana ao amin'ny Bokin'ireo adin'ny TOMPO hoe:...i Vaheba any Sofa sy ny sakeli-dranony; i Arnona
15 izay omban'ny sakeli-dranony ka mitsontsorika mankany Hara ary manaraka ny sisin-tanin'i Moaba...
16 Niala teo indray ny Israelita, dia nankany Beera (na hoe Fantsakana). Teo no nitenenan'ny TOMPO tamin'i Mosesy hoe: Angony ny vahoaka fa homeko rano.
17 Tamin'izay indrindra no nihiran'ny Israelita izao hira izao: Aoka ianao hiboiboika rano, ry fantsakana, ka hanaovanay fihobiana!
18 Fantsakana nohadin'ireo filoha nomban'ny tehim-pahefany; fantsakana nolavahan'ireo loholona nomban'ny tehim-pifehezany. Rehefa niala tao an-taniefitra ny Israelita, dia nankany Matana.
19 Niala teo Matana izy, dia nankany Mahaliela; niala teo, dia nankany Bamota;
20 ary farany, rehefa niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha mamaky ny tanin'i Moaba, ka tafapaka hatrany an-tampon'i Pisga izay ahatazanana ny taniefitra.
21 Naniraka olona nankany amin'i Sihona mpanjakan'ny Amorita ny Israelita nanao hoe:
22 Mba avelao re izahay hamaky eo amin'ny taninao. Tsy hamaky any amin'ny saha na ny tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro amin'ny ranom-pantsakana; fa ny lalam-panjakana ihany no hizoranay mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
23 Nefa i Sihona tsy namela ny Israelita hamaky eo amin'ny taniny; fa nangoniny avokoa ny tafiny rehetra, ka lasa izy nitsena ny Israelita hatrany Jahatsa, any an-taniefitra ary niady taminy tao.
24 Nasian'ny Israelita tamin'ny lelan-tsabatra kosa i Sihona ka azony ny taniny voafaritr'i Arnona ao atsimo sy i Jaboka ao avaratra ary ny sisin-tanin'ny Hamonita, dia ilay sisin-tany ao atsinanana.
25 Nalain'ny Israelita avokoa ny tananan'ny Amorita ka nonenany hatramin'i Hesbona sy ny tanana manodidina azy.
26 I Hesbona no renivohitr'i Sihona mpanjakan'ny Amorita, rehefa avy niady tamin'ny mpanjakan'i Moaba teo aloha izy ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnona.
27 Izany no nanaovan'ny poety hoe: Mankanesa ao Hesbona ianareo. Enga anie ho voatsangana indray ary ho voaorina, toy ny teo aloha ilay renivohitr'i Sihona!
28 Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, nisy lelafo avy tao an-drenivohitr'i Sihona ka nandevona an'i Hara-Moaba, sy ireo tompon'ny havoan'i Arnona.
29 Loza no nihatra taminao, ry Moaba! Ringana ianao, ry firenena izay mpivavaka tamin'i Kemosy! Na ny lehilahy izay nikasa handositra na ny vehivavy dia samy nafoin'i Kemosy ho babon'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita.
30 Kanefa notifirinay zana-tsipika ny Amorita. Rava i Hesbona hatrany Dibona. Nofoananay avokoa hatrany Nofa ary hatrany Medeba mihitsy aza.
31 Toy izany no nitoeran'ny Israelita teo amin'ny tanin'ny Amorita.
32 Naniraka olona hisafo an'i Jahezera i Mosesy; dia nalain'ny Israelita izany tanana izany sy ireo tanana kely miankina aminy ary noroahiny ny Amorita izay nipetraka tao.
33 Avy eo dia nivily lalana nankany Basana ireo Israelita. Dia tamy nitsena azy i Hoga, mpanjakan'i Basana, sy ny tafiny manontolo mba hiady aminy tao Edrehy.
34 Ka hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Aza matahotra azy, fa hatolotro eo an-tananao izy sy ny tafiny manontolo ary ny taniny; ka tahaka ny nanaovanao an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tao Hesbona, no hataonao aminy.
35 Dia nasian'ny Israelita tsy nisy niangana i Hoga sy ny zanany ary ny tafiny manontolo, ka lasany ny taniny.
Toko faha-22
1 Niainga indray ny Israelita ka nitoby tao amin'ny lemak'i Moaba, teo an-dafy atsinanan'i Jordana tandrifin'i Jerikao.2 I Balaka, zanakalahin'i Tsipora, no mpanjakan'i Moaba tamin'izay fotoana izay. Fantany tsara izay rehetra nataon'ny Israelita tamin'ny Amorita; ka raiki-tahotra mafy izy sy ny Moabita sady nangorohoro nahita ny Israelita izay vahoaka marobe. Dia hoy ity mpanjaka tamin'ny loholon'ny Midianita: Ankehitriny ireto vahoaka marobe ireto dia hanimba ny faritra rehetra manodidina antsika, toy ny firaokan'ny omby ny ahitra eny an-tsaha!
5 Dia naniraka olona i Balaka hankany amin'i Balahama zanakalahin'i Behora any Petora amoron'ny ony Eofrata, any amin'ny tanin'ny Hamavita; ka izao no teny nampitondrainy ho an'i Balahama: Misy vahoaka niala tany Ejipta tonga eto amiko, ary mandrakotra ny taniko sady mitoby eto anatrehako.
6 Koa mba tongava aty re ianao hanozona io vahoaka io, fa mahery noho izaho izy; angamba haharesy azy aho amin'izay ka haharoaka azy hiala amin'ny tany. Satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatsodrano ary izay ozoninao dia voaozona.
7 Dia lasa ireo loholona moabita sy midianita nitondra izay hanakaramana ilay mpanao fankatoavana. Rehefa tonga tany amin'i Balahama ireo, dia nilaza ny tenin'i Balaka.
8 Ary hoy i Balahama tamin'ny iraka: Mandria eto anio alina ianareo fa homeko valin-teny araka izay holazain'ny TOMPO amiko. Dia nijanona tao amin'i Balahama ireo olo-manan-kajan'i Moaba.
9 Ary nankao amin'i Balahama kosa Andriamanitra ka nanontany azy hoe: Iza moa ireo lehilahy tonga ato aminao ireo?
10 Dia hoy i Balahama tamin'Andriamanitra: I Balaka zanakalahin'i Tsipora sy mpanjakan'i Moaba no naniraka olona hiteny amiko hoe:
11 Ilay vahoaka izay niala tany Ejipta dia mandrakotra ny taniko. Koa mba tongava aty re ianao, hanozona azy; angamba haharesy azy aho amin'izay ka haharoaka azy.
12 Ary hoy i Andriamanitra tamin'i Balahama: Tsy handeha hiaraka aminy ianao ary tsy hanozona koa io vahoaka izay efa notahiko io.
13 Ny ampitso maraina, rehefa nifoha i Balahama, dia niteny tamin'ireo olo-manan-kaja nirahin'i Balaka hoe: Miverena any amin'ny taninareo, fa tsy navelan'ny TOMPO hiaraka aminareo aho.
14 Dia lasa ireo olo-manan-kajan'i Moaba niverina tany amin'i Balaka, ka nilaza taminy hoe: Tsy nety niaraka taminay i Balahama.