Nomerỳ

Toko faha-23

24 Indro io vahoaka io fa mitsangana toy ny bibidia masiaka, ary mijoro tahaka ny liona, izay tsy mandry raha tsy voky remby sy mamon'ny ran'ny biby voahazany.

25 Dia hoy i Balaka tamin'i Balahama: Rehefa tsy hanozona ny Israelita ianao, dia aoka mba tsy hitsodrano azy kosa!

26 Fa hoy ny navalin'i Balahama azy: Moa tsy efa niteny taminao ve aho fa izay rehetra holazain'ny TOMPO ihany no hataoko?

27 Dia hoy koa i Balaka tamin'i Balahama: Andao fa hoentiko any amin'ny toeran-kafa indray ianao; angamba hoeken'Andriamanitra amin'izay ny hanozonanao io vahoaka io any.

28 Dia nentin'i Balaka i Balahama ho eo an-tampon'i Pehora izay manoloana ny taniefitra.

29 Ary hoy i Balahama tamin'i Balaka: Manangana alitara fito eto ho ahy ary manomana vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito eo.

30 Dia nataon'i Balaka izay nolazain'i Balahama ka nanatitra vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray isan'alitara izy.

Toko faha-24

1 Hitan'i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano an'ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny.

2 Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra izy,

3 dia nanao izao tononkalo izao: Teny hentitr'i Balahama, zanakalahin'i Behora, teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery

4 sady mandre ny tenin'Andriamanitra no mahita izay asehon'ilay Tsitoha, rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy ka tonga mahiratra fijery. 5 Akory ny hatsaran'ny lainareo, ry taranak'i Jakoba; endrey ny hasoan'ny fonenanareo, ry vahoaka Israelita!

6 Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny, mandrobona tahaka ny zaridaina amoron'ny ony, velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera nambolen'ny TOMPO teo amoron'ny sakeli-drano,

7 mitobaka toy ny rano avy amin'ny fanovozana ka manondraka tsara ny saha voafafy. Mahery noho i Agaga ny mpanjaka israelita ka hihamatanjaka hatrany ny fanjakany.

8 Nentin'Andriamanitra niala tany Ejipta izany vahoaka izany, ka manan-kery tsy hay tohaina tahaka ny an'ny omby dia. Mandevona ny hafa firenena fahavalony izy, ka manapatapaka ny taolany sy mandoadoaka azy amin'ny zana-tsipika.

9 Mamita-mandry toy ny liona na tahakan'ny bibidia masiaka izy, koa zovy no sahy hanaitra azy? Eny hotahina anie izay hitsodrano anao, ry Israely, ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!

10 Vinitra aoka izany tamin'i Balahama i Balaka ka niteha-tanana handrahona azy sady nanao taminy hoe: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa fanintelony izao ianao no nitsodrano azy.

11 Noho izany, dia mandehana mody any amin'ny taninao any! Nampanantena aho ny hanome voninahitra mitafotafo anao, nefa indro ny TOMPO fa nisakana ny hahazoanao izany.

12 Dia hoy i Balahama tamin'i Balaka: Efa voalazako tamin'ireo iraka nalefanao tany amiko

13 fa na dia homenao volafotsy sy volamena mahafeno ny tranonao aza aho, dia tsy afaka handika ny didin'ny TOMPO ka hitondra soa na loza araka izay nahim-poko; fa izay holazain'ny TOMPO ihany no holazaiko.

14 koa ankehitriny, handeha aho hody any amin'ny fireneko. Nefa alohan'izany, dia avia fa tiako hampahafantarina anao izay hataon'ny Israelita amin'ny vahoakanao indray andro any.

15 Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahama: Teny hentitr'i Balahama, zanakalahin'i Behora, teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery

16 sady mandre ny tenin'Andriamanitra no mahita izay asehon'ilay Tsitoha, rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy. ka tonga mahiratra fijery.

17 Izao no hitako, saingy tsy mbola ankehitriny no hisehoany; izao no tazako, saingy mbola any aoriana lavitra no hitrangany; Misy kintana mipoitra avy amin'ny taranak'i Jakoba, misy mpanjaka mipongatra avy amin'ny Israelita ka ny tehim-panjakany no mamely ny fihirifan'ny Moabita sy ny lohan'ny mpanakorontana rehetra.

18 Lasan'io mpanjaka io koa i Sehira, tanin'ny Edomita fahavalony. Maneho ny heriny kosa ny Israelita,

19 fa misy mpanapaka hiseho avy amin'ny taranak'i Jakoba ka handringana ny sisa velona afa-mandositra avy ao Sehira.

20 Nahita ny Hamalekita i Balahama ka nanonona izao teny izao: Ny Hamalekita no lohalaharana amin'ny hafa firenena rehetra; fa ho lany ringana no hiafarany.

21 Nahita ny Kenita koa i Balahama ka nanonona izao teny izao: Mafy orina ny fonenanareo, ry Kenita, ka azo antoka tahaka ny akanim-borona izay voavoatra ambony vatolampy.

22 Kanefa holevon'ny afo ny fonenanareo; ary ny Asirianina no hambabo anareo.

23 Dia mbola nanonona izao teny izao indray i Balahama hoe: Indrisy! zovy moa no afaka ho velona, rehefa Andriamanitra no manao famaizana!

24 Hisy sambo avy any Kitima, mitondra olona hampahory ny Asirianina sy hampahory ny taranak'i Hebera; nefa ho lany ringana koa no hiafaran'ireo mpampahory ireo.

25 Taorian'izany i Balahama dia niainga ka niverina nody tany aminy; fa i Balaka kosa nizotra lalan-kafa.

Toko faha-25

1 Nitoby tao Sitima ny Israelita ka nanomboka nijangajanga tamin'ny vehivavy moabita,

2 izay nitarika azy hanao sorona amin'ireo andriamaniny.

3 Nanolo-tena hivavaka tao Bahala-Pehora ny Israelita, ka nirehetan'ny fahatezeran'ny Tompo.

4 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Alao ny filohan'ny vahoaka; dia eo anoloako no anantony azy manatrika ny masoandro, mba hampitony ny fahatezerako mirehitra aminareo Israelita.

5 Dia hoy i Mosesy tamin'ny mpitsara israelita: Aoka ianareo tsirairay avy samy hamono hahafaty ny olom-peheziny izay nanolo-tena hivavaka tao Bahala-Pehora!

6 Tamin'izay fotoana izay, dia nisy lehilahy israelita iray nitondra vehivavy midianita hankeo amin'ny mpiray foko aminy, teo imason'i Mosesy sy ny Fiangonana israelita manontolo izay nitomany teo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana.

7 Raha nahita izany i Pinehasa, zanakalahin'i Elehazara sady zafikelin'i Aharona mpisorona, dia nitsangana teo anivon'ny Fiangonana ka nandray lefona;

8 narahiny hatrany an-dainy ilay lehilahy israelita ka nolefoniny niaraka tamin'ny vadiny tao. Dia nitsahatra ny areti-mandringana namely ny Israelita.

9 Ireo matin'io areti-mandringana io dia nahatratra 24000.

10 Ary niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:

11 I Pinehasa, zanakalahin'i Elehazara sady zafikelin'i Aharona mpisorona, no nampiala ny fahatezerako tamin'ny Israelita satria niseho ho saro-piaro momba Ahy teo anivon'izy ireo; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Israelita, na dia saro-piaro amin'ny maha Andriamanitra Ahy aza Aho.

12 Noho izany, dia lazao an'i Pinehasa fa omeko azy ny fanekempihavanako ho loharanom-piadanana;

13 izany fanekempihavanana izany dia hahatonga ny tenany sy ny taranany ho mpisorona hatrany, satria niseho ho saro-piaro momba Ahy i Pinehasa ka nahazo famelan-keloka ho an'ny Israelita.

14 Ilay Israelita, izay novonoina ho faty niaraka tamin'ilay vehivavy midianita, dia i Zimry zanakalahin'i Salo sady filoham-pianakaviana simehonita.

15 Ary ilay vehivavy midianita maty kosa dia i Kozby, zanakavavin'i Tsora izay filoham-pianakaviana midianita.

16 Niteny tamin'i Mosesy indray ny TOMPO ka nanao hoe:

17 Tafiho ny Midianita ka aringano,

18 fa fahavalo mpamitaka anareo tamin'ny raharahan'i Pehora sy tamin'ny raharahan'i Kozby izay zanakavavin'ny manampahefana midianita anankiray, ka maty novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana vokatry ny raharahan'i Pehora.

Toko faha-26

1 Taorian'io loza io, dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy ary tamin'i Elehazara mpisorona sady zanakalahin'i Aharona:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.202