Nomerỳ
Toko faha-17
8 Dia nankeo anoloan'ny Tranolay fihaonana i Mosesy sy i Aharona.9 Ary niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
10 Miala ianareo amin'io fiangonana io fa handringana azy indray mipi-maso Aho. Dia niankohoka tamin'ny tany izy roa lahy,
11 ary hoy i Mosesy tamin'i Aharona: Raiso ny fitaovam-panembohana, dia asio vainafo avy amin'ny alitara sy vovo-javamanitra ary mankanesa haingana eo amin'ny fiangonana ka manaova ny fombam-pivavahana hahazoany famelan-keloka. Fa efa nisafoaka ny fahatezeran'ny TOMPO ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
12 Noraisin'i Aharona araka ny tenin'i Mosesy ny fitaovana fandoroana zava-manitra, dia nilomay nankeo afovoan'ny fiangonana izy; ary indro fa efa niantomboka tamin'ny vahoaka ny loza. Nandoro vovo-javamanitra teo izy ka nanao ny fombam-pivavahana hahazoam-pamelan-keloka ho an'ny vahoaka.
13 Nijoro teo anelanelan'ny maty sy ny velona izy, dia nitsahatra ny loza mandringana.
14 Kanefa 14 700 no niharan-doza, afa-tsy ireo efa maty tamin'ny raharahan'i Kora.
15 Dia niverina teo amin'i Mosesy teo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana i Aharona, nony efa nitsahatra ny loza.
16 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
17 Lazao ny Israelita mba hanolotra tehina iray ho anao isam-pokony avy, izany hoe hahazo tehina roambinifolo avy amin'ny filohan'ny foko rehetra ianao. Hosoratanao eo amin'ny tehiny avy ny anarany,
18 afa-tsy ny an'ny fokon'i Levy izay hametrahanao ny anaran'i Aharona, satria tehina iray ihany isaky ny filoham-poko.
19 Hapetrakao ao amin'ny Tranolay fihaonana ireo tehina ireo, eo anoloan'ny Vatamasina itahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana, dia ilay toerana ihaonako aminareo.
20 Hitsimoka ny tehin'ilay lehilahy hofidiko, koa dia hampanginiko ny fanakianan'ny Israelita anareo eo anatrehako.
21 Niteny tamin'ny Israelita i Mosesy, dia samy nanatitra tehina iray avy isam-poko ny filoha rehetra; koa dia nahazo tehina roambinifolo izy, ary ny tehin'i Aharona dia teo afovoan'ny tehin'izy ireo.
22 Napetrak'i Mosesy teo anatrehan'ny TOMPO tao amin'ny Tranolay nisy ny Vatamasina ireo tehina.
23 Ny ampitso dia niditra tao amin'ny Tranolay i Mosesy, ka nahita fa ny tehin'i Aharona izay anisan'ny fokon'i Levy dia nitsimoka sy namony ary namoa voankazo masaka.
24 Nalain'i Mosesy teo anatrehan'ny TOMPO avokoa ny tehina ka nasehony tamin'ny Israelita rehetra. Nahita izany izy ireo ka samy naka ny tehiny avy.
25 Dia hoy indray ny TOMPO tamin'i Mosesy: Avereno eo anoloan'ny Vatamasina ny tehin'i Aharona; hotahirizina eo izany mba hampahatsiaro ny Israelita fa vahoaka mpiodina izy. Izany no hampitsaharanao ny fanakianany Ahy, dia tsy ho faty izy.
26 Dia notanterahin'i Mosesy araka izay nandidian'ny TOMPO hataony izany.
27 Niteny tamin'i Mosesy ny Israelita ka nanao hoe: Indro fa ho faty izahay, ho ringana izahay; eny, ho ringana avokoa izahay rehetra.
28 Na zovy na zovy manakaiky ny Fonena-masin'ny TOMPO dia tsy maintsy maty! Koa ho faty tsy misy miangana avokoa va izahay rehetra?
Toko faha-18
1 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Aharona: Ianao sy ny taranakao ary ny taranak'i Levy razambenao no hitambesaran'ny heloka atao amin'ny Toeramasina. Fa ianao sy ny taranakao irery ihany no ho tompon'andraikitry ny heloka ataonareo amin'ny fisoronana.2 Ento miaraka aminao koa ireo levita mpiray foko aminao, fa izy ireo no ho mpanampy anao sy ho mpanomponao rehefa mankeo amin'ny Tranolay misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ianao sy ny taranakao;
3 hanompo anao sy hikarakara ny Tranolay manontolo izy, nefa tsy hanakaiky ny fanaky ny Toeramasina sy ny alitara fandrao maty na ny tenany na ny tenanareo.
4 Ho mpanampy anareo amin'ny fanompoana rehetra sy ny asa hatao ao amin'ny Tranolay fihaonana izy. Ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.
5 Hotanterahinareo ao amin'ny Toeramasina sy eo amin'ny alitara ny asa fanompoanareo mba tsy hirehetan'ny fahatezerako intsony amin'ny Israelita.
6 Indro efa nofidiko tamin'ny Israelita ny Levita mpiray foko aminareo; koa dia Ahy TOMPO izy ireo ka hatolotro anareo mba hanao ny fanompoana ao amin'ny Tranolay fihaonana.
7 Fa ianao sy ny taranakao kosa dia hanatanteraka ny fisoronanareo eo amin'ny alitara sy ao amin'ny Toeramasina Indrindra, ao ambadiky ny efitra lamba. Izaho no hanome anareo maimaimpoana izany asa fisoronana izany; raha misy olon-kafa manakaiky eo dia tsy maintsy maty izy.
8 Niteny tamin'i Aharona ny TOMPO ka nanao hoe: Indro efa nampiandraiketiko anao ny fanatitra masina rehetra aterin'ny Israelita ho Ahy; omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny taranakao izany.
9 Ireto avy no horaisinareo amin'ny fanatitra masina indrindra, afa-tsy izay zavatra dorana: ny fanomezana rehetra hataon'ny Israelita amiko, izany hoe ny fanatitra lafarinina rehetra sy ny sorona rehetra fanalana ny ota ary ny sorom-panonerana rehetra; ireo fanatitra masina indrindra ireo dia ho anao sy ny taranakao,
10 ka hataonareo sakafo. Ny lehilahy rehetra ao amin'ny ankohonanareo ihany no mahazo mihinana azy satria sakafo masina izany.
11 Ary ireto koa dia ho anareo: ireo ampahany nalana tamin'ny fanomezan'ny Israelita, dia ny fanatitra rehetra ahevaheva; omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny taranakao lahy sy vavy izany. Izay rehetra madio ao amin'ny ankohonanareo dia mahazo mihinana izany.
12 Homeko anareo koa ny tsara indrindra amin'ny menaka sy ny divay vaovao ary ny vary sy ny voamaina izay aterin'ny Israelita ho voaloham-bokatra ho Ahy TOMPO.
13 Eny, ho anareo avokoa ny santa-bokatry ny taniny, izay hateriny amiko. Izay rehetra madio ao an-tranonareo dia afaka hihinana izany.
14 Ny zavatra rehetra natokan'ny Israelita ho Ahy dia raikitra ho anareo koa.
15 Farany dia ho anareo avokoa ny voalohan-teraka rehetra izay aterina ho Ahy TOMPO, na olona izany na biby; kanefa dia havotanareo ny voalohan-teraky ny olona sy ny voalohan-teraky ny biby maloto.
16 Ny fanavotana ny zaza, izay azo aloa rehefa feno iray volana izy, dia vola sekela dimy araka ny sekela masina izay milanja folo grama.
17 Fa tsy mba havotanao kosa ny voalohan-teraky ny omby na ny ondry na ny osy satria voatokana ho Ahy ireny. Hararakao eo amin'ny alitara ny rany ary hodoranao manontolo ny saborany ka hanetona ho hanitra ankasitrahina ho AHY izany.
18 Avy eo ny henany dia ho anareo, tahaka ny maha anareo koa ny tratrany izay fanatitra ahevaheva sy ny feny havanana.
19 Omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy izay fanatitra masina rehetra avahan'ny Israelita ho Ahy TOMPO. Ho anao sy ho an'ny taranakao dia ho fanekempihavanana maharitra sady tsy azo ovana izany eo anatrehako.
20 Dia hoy indray ny TOMPO tamin'i Aharona: Tsy mba hahazo fananana sy anjara ianao eo amin'ny tanin'ireo Israelita, fa Izaho no anjaranao sy fanananao eo anivon'ny Israelita hafa.
21 Ary hoy koa ny TOMPO hoe: Ny levita kosa dia omeko ny fahafolon-karena rehetra voaangona amin'ny Israelita noho ny asam-panompoany ao amin'ny Tranolay fihaonana.
22 Koa tsy mahazo manakaiky ny Tranolay fihaonana intsony ny Israelita fandrao hitambesaran-keloka hahafaty azy izy.
23 Ny levita ihany no hanatanteraka ny fanompoana momba ny Tranolay fihaonana, ary izy ihany no itambesaran'ny hadisoana vitany ao. Ho lalana raikitra eo amin'ny taranakareo hatrany izany. Tsy handray faritany ho lova eo anivon'ny Israelita ny levita,
24 fa homeko ho anjarany kosa ny fahafolon-karena izay aterin'ny Israelita ho Ahy TOMPO; izany no nilazako taminy fa tsy handray faritany ho lova eo anivon'ny Israelita izy.
25 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO
26 mba hamepetra ny levita hoe: Rehefa mandray avy amin'ny Israelita ny fahafolon-karena izay efa homeko ho anjaranareo ianareo, dia anokany ampahafolony izany ho Ahy TOMPO.
27 Izay hatokanareo dia hisaina mitovy amin'ny fanatitra avahan'ny olona ho Ahy amin'ny vary sy ny voamaina na ny divay vaovao.
28 Toy izany no hanateranareo fanatitra ho Ahy TOMPO, avy amin'ny fahafolon-karena izay horaisinareo amin'ny Israelita. Koa haterinareo amin'i Aharona mpisorona izany fanomezana ho AHY izany.
29 Amin'ny zavatra rehetra azonareo no hanavahanareo tsy misy banga ny ampahany tsara indrindra izay hatokanareo ho Ahy TOMPO.