Nomerỳ
Toko faha-14
29 Ho faty ka hiampatrampatra amin'ity taniefitra ity ianareo. Ianareo rehetra izay nanaovana fanisana, dia ny roapolo taona no ho miakatra fahizany, no ho faty satria efa nimonomonona tamiko.30 Mianiana Aho fa tsy hisy hiditra amin'ny tany izay efa nampanantenaiko hamponenana anareo ianareo, afa-tsy i Kaleba zanakalahin'i Jefone sy i Josoa zanakalahin'i Nona;
31 Fa ny zanakareo madinika izay voalazanareo fa ho lasan-ko babo kosa dia hoentiko mankany; ireo no hahafantatra ny tany izay tsy noraharahainareo.
32 Ianareo izany ho faty ka hiampatrampatra amin'ity taniefitra ity;
33 ny zanakareo kosa dia ho mpiandry ondry aty mandritra ny efapolo taona. Izy ireo no hizaka ny vokatry ny fivadihanareo mandrapahafatinareo rehetra aty an-taniefitra.
34 Efapolo andro no nisafoanareo ny tany; koa dia mandritra ny efapolo taona kosa no hitondranareo ny vokatry ny fahotanareo, izany hoe taona iray isaky ny andro iray. Ka dia ho fantatrareo tsara ny dikan'ny faniniako anareo.
35 Izaho TOMPO no efa niteny, ka mianiana Aho fa hataoko tokoa amin'ity fiangonana ratsy sy niodina tamiko ity izany: aty an-taniefitra no hiafarany sy hahafatesany.
36 Izao kosa ny amin'ny lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany ka nony tafaverina, dia nampimonomonona ny fiangonana hanome tsiny an'i Mosesy:
37 maty tampoka teo anatrehan'ny TOMPO ireny, satria nanao laza ratsy ny tany.
38 Fa i Josoa zanakalahin'i Nona sy i Kaleba zanakalahin'i Jefone no sisa velona tamin'ireo nandeha nisafo ny tany.
39 Nolazain'i Mosesy tamin'ny Israelita rehetra izany teny izany, ka dia nalahelo mafy ny vahoaka.
40 Ny ampitso vao maraina, dia niakatra tany an-tendrombohitra izy ireo sady nanao hoe: Tena nanota tokoa izahay, fa izao kosa dia vonona hiakatra hankany amin'ny toerana voatondron'ny TOMPO.
41 Fa hoy i Mosesy hoe: Inona no anton'izao? Mandika ny baikon'ny TOMPO ianareo ka tsy hahomby amin'izany mihitsy!
42 Aza miakatra mankany satria tsy momba anareo ny TOMPO fandrao horesen'ny fahavalonareo ianareo.
43 Eo anoloanareo ny Hamalekita sy ny Kanahanita, ka ho fatin'ny sabany ianareo. Efa niodina tamin'ny TOMPO ianareo, ka tsy homba anareo IZY.
44 Mbola nikiry niakatra hankeny an-tampon-tendrombohitra ihany ireo Israelita; nefa na i Mosesy na ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO dia samy tsy nihetsika teo an-toby.
45 Nidinan'ny Hamalekita sy ny Kanahanita izay nonina tamin'izany tendrombohitra izany izy ireo ka notafihiny ary nenjehiny hatrany Horma.
Toko faha-15
1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Rehefa tonga any amin'ny tany izay homeko anareo sady honenanareo ianareo,
3 dia hanao sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO, na koa sorona hafa ho fanalam-boady, na fanatitra an-tsitrapo, na fanatitra amin'ny fety. Hofidinareo hatao sorona amin'izany na omby na ondry na osy, ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY.
4 Izay hitondra izany sorona izany ho Ahy TOMPO, dia hanao fanatitra lafarinina telo kilao voaharo menaka iray litatra sy tapany
5 ary hanolotra divay iray litatra sy tapany miaraka amin'ny zanak'ondry hatao sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana.
6 Raha ondrilahy no hatao sorona, dia lafarinina enina kilao voaharo menaka roa litatra
7 ary divay roa litatra no haterina miaraka amin'ny ondrilahy; ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY izany.
8 Fa raha ombilahy no hatao sorona dorana manontolo na sorona fanalam-boady na sorom-pihavanana ho Ahy TOMPO,
9 dia lafarinina sivy kilao voaharo menaka telo litatra
10 ary divay telo litatra no haterina miaraka amin'ny ombilahy; ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY izany.
11 Izany no fomba hatao amin'ny fanaovana sorona omby na ondrilahy na zanak'ondry na zanak'osy anankiray.
12 Koa na firy na firy isan'ny biby haterinareo, dia tahaka izany koa no hanaovanareo azy tsirairay avy.
13 Hanaraka izany ny Israelita rehetra, rehefa manao sorona izay hanetona ho hanitra hankasitrahina ho Ahy TOMPO.
14 Ny vahiny na izay olona mipetraka ao aminareo, na koa ny valovotaka efa hatramin'ny taranaka maro nifandimby, dia samy hanaraka izany avokoa, rehefa manao sorona izay hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY.
15 Mitovy ihany ny fitsipika ho an'ny mpiray fiangonana, na ho anareo na ho an'ny vahiny izay eo aminareo, ary dia hanan-kery amin'ny taranaka rehetra mifandimby izany; tsy hisy hafa ianareo sy ny vahiny eo anatrehako.
16 Lalana sy fitsipika iray ihany no mifehy anareo sy izay vahiny eo aminareo.
17 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO
18 mba hamepetra ny Israelita hoe: Raha tonga any amin'ny tany izay itondrako anareo ianareo,
19 ka hihinana ny mofo voavoatra tao an-toerana, dia hakanareo ampahany ho fanatitra ho Ahy TOMPO aloha izany.
20 Ho santatry ny kobanareo, dia hanokana mofomamy iray avy amin'izany ianareo; tahaka ny fanokanana ampahan'ny vary voavely no hanokananareo izany.
21 Toy izany no anomezanareo ho Ahy TOMPO ny ampahany amin'ny santatry ny kobanareo; hatramin'ny taranakareo fara mandimby.
22 Mety ho tsy nahy no nandikanareo ny iray amin'ireo didy rehetra nolazaiko tamin'i Mosesy,
23 dia izay rehetra nandidiako anareo tamin'ny alalan'i Mosesy, nanomboka tamin'ny andro nanomezako ny didy ka hatramin'ny taranaka mifandimby.
24 Raha tsy nahy no nanotan'ny fiangonana ka tsy fantany, dia hanolotra amiko TOMPO ombilahy iray ny fiangonana tsivakivolo ho sorona dorana manontolo izay hanetona ho hanitra ankasitrahina ho AHY; hampombaina izany ny fanatitra lafarinina sy divay, araka ny fanao, ary koa osilahy iray ho sorona fanalana ny ota.
25 Avy eo ny mpisorona dia hanao ny fombam-pivavahana famelana ho an'ny fiangonana israelita ka ho voavela izy satria ota tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatitra amiko izy ireo, dia ny sorona levonina amin'ny afo ho Ahy TOMPO sy ny sorona fanalana ny ota eo anatrehako noho ny ota tsy nahy nataony.
26 Hahazo famelan-keloka ny fiangonana israelita tsivakivolo mbamin'ny vahiny mipetraka ao aminy satria ota tsy nahy no nahavoa ny olon-drehetra.
27 Raha olona tokana kosa no nanota tsy nahy, dia osivavy anankiray vao iray taona no hatolony ho sorona fanalana ny ota.
28 Avy eo ny mpisorona dia hanao ny fombam-pivavahana famelana eo anatrehako ho an'ilay olona nanota tsy nahy ka ho voavela ny fahotany.
29 Mitovy ihany ny lalana na amin'ny Israelita na amin'ny vahiny izay eo aminy, raha toa ka misy ny manota tsy nahy.
30 Fa raha Israelita na vahiny kosa no manao fanahy iniana manota ka manamavo Ahy TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan'ny vahoakako izy.
31 Tsy maintsy hofongorana tokoa izy satria nanamavo ny teniko sady nandika ny didiko, ka ny helony dia manaraka azy.
32 Raha tany an-taniefitra ny Israelita, dia nahatratra lehilahy iray nifako kitay tamin'ny andro sabata.
33 Izay nahatratra azy nifako kitay dia nitondra azy teo amin'i Mosesy sy i Aharona ary ny fiangonana iray manontolo.