Nomerỳ
Toko faha-15
34 Dia nambenana tsara izy satria tsy mbola tapaka izay sazy hampiharina aminy.35 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy. Tsy maintsy hatao maty izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan'ny toby ny fiangonana iray manontolo.
36 Dia navoakan'ny fiangonana iray manontolo teny ivelan'ny toby izy, ka notorahany vato ary maty. Izany manko no nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.
37 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO
38 mba hamepetra ny Israelita hoe: Aoka ianareo sy ny taranakareo mifandimby hanisy somotraviavy ny sisin'akanjonareo, ary koa kofehy volomparasy amin'ny somotraviavy.
39 Hitondra akanjo misy somotraviavy ianareo; koa raha mijery izany ianareo, dia hahatsiaro ny didiko rehetra ary hanatanteraka izany, ka tsy hety havilin'ny fonareo sy ny masonareo amin'ny fanompoan-tsampy.
40 Hahatsiaro sy hankato ny didiko rehetra ianareo ka ho voatokana ho Ahy.
41 Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo niala tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo. Eny, Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Toko faha-16
1 I Kora zanakalahin'i Jitsehara dia levita taranak'i Kehata; nitarika an'i Datana sy i Abirama zanakalahin'i Eliaba, ary i Ona zanakalahin'i Peleta izay samy taranak'i Reobena izay2 hikomy amin'i Mosesy. Nanampy azy ireo tamin'izany ny Israelita miisa 250 izay samy lohandoham-piangonana sady olom-boafidy ary manan-daza.
3 Nitangorona nanodidina an'i Mosesy sy i Aharona izy ireo ka nanao taminy hoe: Ampy ho anareo izay, fa masina avokoa ny olona rehetra ao amin'ny fiangonana sady eo afovoany ny TOMPO. Nahoana ianareo no mihevi-tena ho ambonin'ny mambra hafa ao amin'ny fiangonan'ny TOMPO?
4 Raha nandre izany i Mosesy, dia niankohoka tamin'ny tany
5 ka niteny tamin'i Kora sy ny namany hoe: Rahampitso dia hasehon'ny TOMPO izay Azy sy izay masina ary izay afaka manakaiky Azy; dia izay hofidiny no hampanakaikeziny Azy.
6 Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Maka fitaovana fandoroana zava-manitra,
7 dia asio vainafo ao anatin'ireny rahampitso ary andraraho vovo-javamanitra eo ambonin'izany eo anatrehan'ny TOMPO. Ho hita eo izay hofidin'ny TOMPO ka ho masina. Ampy izay, ry taranak'i Levy.
8 Dia hoy indray i Mosesy tamin'i Kora: Henoy, ry taranak'i Levy!
9 Tsy ampy anareo ve ny nanavahan'ilay Andriamanitr'i Israely anareo tamin'ny fiangonan'i Israely mba hahafahanareo manakaiky Azy, ka hanaovanareo ny asa fanompoana ao amin'ny Fonena-masin'ny TOMPO ary hankalazanareo ny fanompoam-pivavahana amin'ny anaran'ny fiangonan'i Israely?
10 Navelany hanakaiky Azy ianareo, ry Kora sy ny Levita rehetra rahalahinao, dia mbola mitady ny raharahan'ny mpisorona indray ve?
11 Izany ange ka ikomianao sy ny namanao rehetra amin'ny TOMPO, fa tsy dia amin'i Aharona loatra akory no imonomononanareo.
12 Dia nampiantsoin'i Mosesy i Datana sy i Abirama zanakalahin'i Eliaba, fa hoy ireo hoe: Tsy hiakatra any izahay!
13 Tsy ampy anao ve ny namoahanao anay nandao tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay aty an-taniefitra, no mbola mitady hibaiko anay indray ianao!
14 Tsy tany tondra-dronono sy tantely akory no nitondranao anay ary tsy saha na tanimboaloboka akory koa no nomenao ho fanananay! Heverinao ho poa-maso angaha ireo olona ireo? Tsia, tsy ho any izahay!
15 Tezitra aoka izany i Mosesy ka niteny tamin'ny TOMPO hoe: Aza raharahainao akory izay fanatitr'izy ireo! Fa tsy mba naka na dia boriky iray taminy akory aza aho, ary koa tsy mba nanisy ratsy na dia ny anankiray taminy akory aza.
16 Dia hoy i Mosesy tamin'i Kora: Tongava eo anatrehan'ny TOMPO ianao sy ny namanao rahampitso miaraka amin'i Aharona.
17 Samia maka ny fitaovana fandoroany zava-manitra ka manisy vovo-javamanitra ao anatiny ary samia mitondra ny azy avy eo anatrehan'ny TOMPO; dia fitaovana fandoroana zava-manitra 250 izany no fitambarany. Hitondra ny azy avy koa ianao sy i Aharona.
18 Samy naka ny fitaovana fandoroany zava-manitra izy rehetra ka nanisy vainafo sy nandraraka vovo-javamanitra tao anatiny; ary nijanona teo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana izy ireo niaraka tamin'i Mosesy sy i Aharona.
19 Novorin'i Kora ny fiangonana manontolo hankeo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin'ny fiangonana manontolo ny voninahitry ny TOMPO;
20 ary ny TOMPO niteny tamin'i Mosesy sy i Aharona hoe:
21 Miala ianareo amin'ireo andian'olona ireo fa handringana azy indray mipi-maso Aho.
22 Dia niankohoka tamin'ny tany i Mosesy sy i Aharona sady nanao hoe: Ry Andriamanitra o, Andriamanitra loharanom-piainan'ny voaary rehetra Ianao, ka hotezeranao ve ny fiangonana manontolo noho ny olona iray nanota?
23 Dia namaly an'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
24 Lazao ny fiangonana mba hanalavitra ny fonenan'i Kora sy i Datana ary i Abirama.
25 Dia nitsangana i Mosesy ka nankeo amin'i Datana sy i Abirama sady narahin'ny loholon'i Israely.
26 Niteny tamin'ny fiangonana izy nanao hoe: Halaviro ny lain'ireo ratsy fanahy ireo, ary aza mikasika izay azy akory, fandrao maty noho ny fahotany rehetra koa ianareo.
27 Nanalavitra ny manodidina ny fonenan'i Kora sy i Datana ary i Abirama ny vahoaka Dia nivoaka ny lainy i Datana sy i Abirama ka nijoro teo am-baravarana niaraka tamin'ny vady aman-janany rehetra.
28 Ary hoy i Mosesy hoe: Izao no hahafantaranareo fa ny TOMPO no naniraka ahy hanatanteraka ireny asa ireny fa tsy saim-pantatro no nanaovako izany.
29 Raha fahafatesana tsotra no hahafaty ireo olona ireo, ka izay hanjo ny besinimaro ihany no hihatra aminy, dia tsy ny TOMPO no naniraka ahy.
30 Fa raha manao zavatra tsy mbola fahita kosa ny TOMPO, ka hampisokatra ny tany hitelina azy ireo mbamin'ny fananany rehetra ary izy ireo hidina velona any amin'ny fonenan'ny maty, dia ho fantatrareo fa efa nanda ny TOMPO ireo olona ireo.
31 Raha vao tapitra voalazan'i Mosesy avokoa izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany nohitsahin'i Datana sy i Abirama.
32 Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin'ny fianakaviany ary koa nitelina an'i Kora sy ny olony rehetra mbamin'ny fananany rehetra.
33 Nidina velona tany amin'ny fonenan'ny maty izy ireo mbamin'izay azy rehetra, ary dia nandrakotra azy ny tany. Tsy hita intsony teo amin'ny fiangonana izy ireo.
34 Ny Israelita rehetra izay nanodidina azy, dia nandositra raha nandre ny fidradradradrany, satria natahotra fandrao hatelin'ny tany eo koa.
35 Ary nisy afo nalefan'ny TOMPO izay nandoro velona ireo lehilahy 250 nanatitra vovo-javamanitra.
Toko faha-17
1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:2 Lazao i Elehazara mpisorona zanakalahin'i Aharona mba hanala ny fitaovana fandoroana zava-manitra ao anaty forohona sy hanely lavitra ny vainafo satria zava-masina ireny fitaovana ireny.
3 Ny fitaovam-panembohan'ireo olona matin'ny fahotany ireo dia hatao takelaka manify handrakofana ny alitara, fa efa naterina teo anatrehako TOMPO ireny ka masina; ary dia ho marika fampitandremana ho an'ny Israelita izany.
4 Nalain'i Elehazara mpisorona ny fitaovam-panembohana halimo izay an'ireo olona nodorana velona ireo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny alitara.
5 Izany dia fahatsiarovana ho an'ny Israelita mba tsy ho olon-kafa ankoatra ny taranak'i Aharona no hanatona handoro ny vovo-javamanitra eo anatrehan'ny TOMPO; izay sahy hanao izany dia hiharan'ny nanjo an'i Kora sy ny namany, araka izay nambaran'ny TOMPO tamin'i Aharona tamin'ny alalan'i Mosesy.
6 Nony maraina dia nanakiana an'i Mosesy sy i Aharona ny fiangonana israelita manontolo ka nanao hoe: Ianareo no nahafaty ny vahoakan'ny TOMPO.
7 Nitangorona nanakiana an'i Mosesy sy i Aharona ny fiangonana, fa izy roa lahy kosa nitodika nijery tany amin'ny Tranolay fihaonana, ka indro hitany nanarona azy ny rahona izay nisehoan'ny voninahitry ny TOMPO.