Nomerỳ

Toko faha-11

13 Aiza no hahitako hena homena ireo vahoaka rehetra ireo izay mitomany amiko hoe: Omeo hena izahay hohaninay?

14 Tsy zakako samirery ireo vahoaka rehetra ireo fa mavesatra loatra amiko.

15 Raha toy izany no hanaovanao ahy, dia vonoy mihitsy aho ho faty. Izany ahay no hanehoanao hatsarampo amiko; fa aza avela hahita ny fahoriako intsony aho.

16 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Anangony fitopolo lahy amin'ny loholon'i Israely aho, dia izay fantatrao fa loholona sy tompon'andraikitra amin'ny vahoaka. Ento miaraka aminao ao amin'ny Tranolay fihaonana izy.

17 Fa hidina eo Aho ka hiteny aminao; ary haka amin'ny fanahy izay nomeko anao Aho ka hametraka izany amin'izy ireo mba hiarahany mitondra aminao ity firenena ity; koa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.

18 Ny amin'ny vahoaka kosa dia izao no holazainao azy: Diovy ny tenanareo ho amin'ny rahampitso, fa hahazo hena hohanina ianareo, satria ny TOMPO efa nandre ny fitarainanareo hoe: 'Iza no hanome hena hohaninay? Fa sambatra izahay tany Ejipta'. Homen'ny TOMPO hena ianareo, ka hihinana tokoa ianareo.

19 Tsy andro iray na roa na koa andro dimy na folo na roapolo aza no hihinananareo izany,

20 fa iray volana maninjitra manda-pahafeno hatreny am-bavoronareo ka hampaharikoriko anareo. Ho sazinareo izany noho ny nandavanareo ny TOMPO Izay eo aminareo sy ny nitomanianareo teo anatrehany hoe: 'Nahoana re no niala tany Ejipta izahay?'

21 Dia hoy i Mosesy hoe: Ireo vahoaka manodidina ahy ireo dia ahitana miaramila mpandeha an-tongotra misy andiany eninjato, ka hoy Ianao hoe: Homeko hena izy ka hihinana izany iray volana maninjitra!

22 Fa na dia ny ondry aman'osy ary ny ombiny rehetra aza no hovonoina ho azy ireo, dia tsy ho ampy azy izany. Na ny trondro rehetra any an-dranomasina aza no haratoina ho azy ireo, dia mbola tsy ho ampy azy koa.

23 Fa hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Ary ny heriko, moa mba misy fetrany va? Ho hitanao izao ankehitriny izao na ho tanteraka aminao ny teniko na tsia.

24 Nisinda kely i Mosesy ka nilaza ny tenin'ny TOMPO tamin'ny vahoaka. Nangoniny avy eo ireo fitopolo lahy tamin'ny loholom-bahoaka, dia napetrany nanodidina ny Tranolay fihaonana.

25 Ary nidina teo amin'ny rahona ny TOMPO ka niresaka tamin'i Mosesy. Nangalany ny fanahy tamin'i Mosesy ka nanomezany ho an'ny loholona fitopolo lahy. Ary raha vao nipetraka tamin'izy ireo ny fanahy, dia nanomboka naminany izy ireo, nefa tsy notohizany izany.

26 Fa nisy olona anankiroa nijanona tao an-toby, i Eldada no anaran'ny iray ary i Medada kosa ny iray; anisan'ny loholona fitopolo lahy izy ireo, nefa tsy mba lasa nankany amin'ny Tranolay. Nahazo ny fanahy koa izy ireo ary dia naminany tao an-toby.

27 Nihazakazaka nampandre an'i Mosesy ny tovolahy iray ka nanao hoe: Maminany ao an-toby i Eldada sy i Medada.

28 Dia loa-bolana i Josoa, zanakalahin'i Nona sady mpanompon'i Mosesy hatramin'ny fahatanorany, ka nanao hoe: Ry Mosesy tompoko, mba rarao re izy roa lahy.

29 Fa hoy i Mosesy taminy: Moa mialona azy noho ny amiko ve ianao? Enga anie homen'ny TOMPO ny Fanahiny avokoa ny vahoakany rehetra ka ho tonga mpaminany!

30 Dia niverina nankao an-toby indray i Mosesy sy ireto loholona.

31 Fa ny TOMPO nampitsoka rivotra mifofofofo avy any an-dranomasina izay nitondra papelika ka nampihahaka ireny teo amin'ny toby. Feno azy avokoa ny manodidina ny toby tokony ho lalana indray andro ary tokony ho iray metatra miala amin'ny tany ny hateviny.

32 Dia nitsangana tontolo andro sy tontolo alina ary koa ny ampitso tontolo ny vahoaka mba hanangona papelika; ary izay nahangona kely indrindra no nanana aman-taonina. Dia nahahiny ho maina manodidina ny toby ireny.

33 Fa raha mbola tsy voatsako tao am-bavany akory ny hena, dia nirehi-pahatezerana tamin'ny vahoaka ny TOMPO, ka namely azy tamin'ny areti-mandringana.

34 Dia natao hoe Kibroty-Taava na hoe Fasan'ny Fahalian-kanina ny anaran'izany toerana izany, satria teo no nandevenana ireo olona lian-kena.

35 Dia niala tao Kibroty-Taava ny Israelita ka nankany Hatserota ary nitoby tao.

Toko faha-12

1 Nanome tsiny an'i Mosesy i Miriama sy i Aharona noho ny nanambadiany vehivavy kosita, fa nampakatra vehivavy kosita tokoa izy.

2 Hoy izy mianadahy hoe: I Mosesy ihany ve no nitenenan'ny TOMPO, fa tsy izahay koa? Dia ren'ny TOMPO izany.

3 I Mosesy kosa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona hafa rehetra ambonin'ny tany.

4 Tampoka teo dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy sy i Aharona ary i Miriama: Mankanesa ianareo telo mianadahy ao amin'ny Tranolay fihaonana. Dia nankany izy ireo.

5 Nidina tanatin'ny andry rahona ny TOMPO ka nijoro teo am-baravaran'ny Tranolay ary niantso an'i Aharona sy i Miriama. Dia samy nandroso izy mianadahy,

6 ka hoy ny TOMPO taminy: Henoy tsara ny teniko: Raha misy mpaminany eo aminareo, dia amin'ny fahitana no isehoako aminy, ary amin'ny nofy no itenenako aminy.

7 Fa tsy mba toy izany kosa i Mosesy mpanompoko izay olona mahatoky tamin'ny fiandraiketana ny tranoko manontolo.

8 Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny teny mazava fa tsy miafina; ary mahita Ahy TOMPO miseho aminy izy; koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko?

9 Tezitra mafy tamin'izy mianadahy ny TOMPO ka lasa nandeha.

10 Rehefa nisandratra ho eo ambonin'ny Tranolay ny rahona, dia indro feno pentina fotsy toa oram-panala i Miriama fa boka. Nijery azy i Aharona ka nahita fa boka ny anabaviny.

11 Ka hoy i Aharona tamin'i Mosesy: Meloka izahay, tompoko, koa aoka re tsy havalinao aminay izany toetran'adala amam-pahotanay izany!

12 Aoka re i Miriama tsy ho toy ny zazarano tsy azo izay lany sasaka ny nofony raha vao teraka!

13 Nitaraina tamin'ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: Andriamanitra o, mba sitrano re izy!

14 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Raha nororan-drainy ny tavany, moa tsy ho menatra herinandro va izy? Avaho mandritra ny fito andro any ivelan'ny toby izy. Fa aorian'izany izy vao afaka miditra ao indray.

15 Dia navahana tany ivelan'ny toby nandritra ny herinandro i Miriama, ary tsy niainga ny Israelita, raha tsy efa nandray ny toerany indray izy.

16 Rehefa izany, dia niala tao Hatserota ny vahoaka ka nitoby tao an-taniefitr'i Parana.

Toko faha-13

1 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:

2 Mandefasa lehilahy hisafo ny tany Kanahana izay omeko ny Israelita. Lehilahy iray isam-pokony avy no halefanareo, ka izy rehetra dia hotsongaina amin'ireo mpiandraikitra azy.

3 Dia nalefan'i Mosesy avy eo an-taniefitr'i Parana araka ny baikon'ny TOMPO ireo. Samy lohandohan'ny Israelita avokoa izy rehetra.

4 Toy izao avy ny anarany: I Samoa zanakalahin'i Zakora, avy amin'ny fokon'i Reobena;

5 I Safata zanakalahin'i Hory, avy amin'ny fokon'i Simehona;

6 I Kaleba zanakalahin'i Jefone, avy amin'ny fokon'i Joda;

7 I Jigala zanakalahin'i Josefa, avy amin'ny fokon'i Jisakara;

8 I Hosea zanakalahin'i Nona, avy amin'ny fokon'i Efraima;

9 I Palty zanakalahin'i Rafo, avy amin'ny fokon'i Benjamina;

10 I Gadiela zanakalahin'i Sody, avy amin'ny fokon'i Zebolona;

11 I Gady zanakalahin'i Sosy, avy amin'ny fokon'i Manase zanak'i Josefa;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0332