Nomerỳ
Toko faha-9
21 Indraindray kosa ny rahona dia tsy mijanona afa-tsy ny hariva ka hatramin'ny maraina ihany; koa rehefa miakatra izy ny maraina, dia miainga ny Israelita. Ary na indray andro sy indray alina aza no ijanonan'ny rahona, rehefa miakatra izy dia miainga ny Israelita.22 Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin'ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.
23 Baikon'ny TOMPO no nitobiany, ary baikon'ny TOMPO no niaingany. Nitandrina ny fanompoana ny TOMPO araka ny baiko nomeny tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo.
Toko faha-10
1 Hoy indray ny TOMPO tamin'i Mosesy:2 Manaova trompetra volafotsy roa tsara voatefy, izay hataonao fiantsoana ny fiangonana sy fampiaingana ny toby.
3 Rehefa tsofiny miaraka izy ireo, dia hiangona eo aminao eo anoloan'ny Tranolay fihaonana ny fiangonana iray manontolo.
4 Fa raha ny anankiray ihany no tsofina, dia ireo tompon'andraikitra mpifehy arivo amin'ny israelita ihany no hiangona eo aminao.
5 Raha arahina hoby kosa ny fitsofana ny trompetra, dia hiainga ireo izay nitoby teo atsinanan'ny Tranolay fihaonana.
6 Raha miverina fanindroany ny fitsofana trompetra arahina hoby, dia izay nitoby teo atsimo no hiainga. Fitsofana trompetra arahin-koby no mariky ny fiaingana.
7 Ary raha ny fiangonana kosa no antsoina hivory, dia fitsofana lavareny no atao fa tsy arahina hoby akory
8 Ireo mpisorona taranak'i Aharona ihany no hitsoka ny trompetra; lalana raikitra ho anareo sy ny taranakareo izany.
9 Raha hiantafika hiady amin'ny fahavalo izay mamely eo amin'ny taninareo ianareo, dia hotsofina ny trompetra sady arahina hoby mba hampahatsiarovanareo Ahy TOMPO Andriamanitrareo hitsimbinako anareo ka hamonjeko anareo ho afaka amin'ny fahavalonareo.
10 Ary amin'ny andro fety sy ny andro fifaliana ary amin'ny andro voalohan'ny volana dia hotsofinareo ny trompetra, rehefa manao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ianareo. Hataonareo izany ho fampahatsiarovana Ahy Andriamanitrareo hitsimbinako anareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
11 Tamin'ny andro faha-roapolon'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa nialana tany Ejipta, dia niakatra ny rahona niala teo ambonin'ny Tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana.
12 Ary niainga tao amin'ny taniefitr'i Sinay ny Israelita. Tany an-taniefitr'i Parana kosa no nijanona ny rahona.
13 Izany no fiaingana voalohany nataon'ny Israelita, araka ny baikon'ny TOMPO nampitain'i Mosesy.
14 Ny fanevan'i Joda mbamin'ny antokon-tafiny no niainga voalohany. Ny tafiky ny taranak'i Joda dia notarihin'i Nahasona, zanakalahin'i Haminadaba;
15 ny an'ny fokon'i Jisakara dia notarihin'i Natanaela, zanakalahin'i Tsohara;
16 ary ny an'ny fokon'i Zebolona dia notarihin'i Eliaba, zanakalahin'i Helona.
17 Nahorona ny Fonena-masina, dia niainga nitondra azy ny taranak'i Gersona sy ny taranak'i Merary.
18 Ny fanevan'i Reobena mbamin'ny antokon-tafiny no nanainga nanaraka ireo: ny tafiky ny taranak'i Reobena dia notarihin'i Elitsora, zanakalahin'i Sedeora;
19 ny an'ny fokon'i Simehona dia notarihin'i Selomiela, zanakalahin'i Tsorisaday;
20 ny an'ny fokon'i Gada dia notarihin'i Eliasafa, zanakalahin'i Dehoela.
21 Ny niainga manaraka dia ny Kehatita nitondra ny fitaovana masina; ny levita sasany dia nanangana ny tranolay mandra-pahatongan'izy ireo.
22 Ny fanevan'i Efraima mbamin'ny antokon-tafiny no nanainga manaraka; ny tafiky ny taranak'i Efraima dia notarihin'i Elisama, zanakalahin'i Hamihoda;
23 ny an'ny fokon'i Manase dia notarihin'i Gamaliela, zanakalahin'i Pedahatsoro;
24 ny an'ny fokon'i Benjamina dia notarihin'Abidana, zanakalahin'i Gidehony.
25 Ny fanevan'i Dana mbamin'ny antokon-tafiny no nanainga farany. Izy ireo no vodilaharana; ny tafiky ny taranak'i Dana dia notarihin'i Ahihezera, zanakalahin'i Hamisaday;
26 ny an'ny fokon'i Asera dia notarihin'i Pagihiela, zanakalahin'i Hokrana;
27 ary ny an'ny fokon'i Naftaly dia notarihin'i Ahira, zanakalahin'i Henana.
28 Izany no filaharan'ny Israelita mbamin'ny antokon-tafiny avy, rehefa niainga izy.
29 Hoy i Mosesy tamin'i Hobaba zanakalahin'i Rehoela izay terak'i Midiana sady rafozandahin'i Mosesy: Mandeha hankany amin'ny tany izay nolazain'ny TOMPO homena anay izahay. Ndeha hiaraka aminay ianao fa homenay anjara amin'ny zava-tsoa nampanantenain'ny TOMPO ho an'i Israely.
30 Fa hoy izy namaly azy: Tsy handeha aho, fa hody any amin'ny taniko sy ny havako.
31 Dia hoy i Mosesy hoe: Aza ilaozanao izahay, fa ianao mahafantatra izay toerana azonay itobiana any an-taniefitra, koa dia ho mpitari-dalana anay ianao.
32 Raha miaraka aminay ianao, dia homenay anjara amin'ny zava-tsoa hatolotry ny TOMPO anay.
33 Niala tao an-tendrombohitry ny TOMPO ireo Israelita ka nandeha lalana telo andro. Nialoha azy ireo tamin'izany lalana telo andro izany ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO mba hitady izay toerana hahafahan'ny vahoaka mitoby.
34 Teo ambonin'ny Israelita mba hanaloka azy ny rahon'ny TOMPO nandritra ny andro, tamin'ny fotoana izay niaingany.
35 Rehefa niainga ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: Mitsangana, TOMPO o, aoka hihahaka ny fahavalonao, ary handositra anao ny mpankahala!
36 Rehefa nijanona kosa ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: TOMPO o, miverena eo anivon'ny fianakaviana anarivoarivon'i Israely.
Toko faha-11
1 Indray andro dia nanao fitarainana tamin'ny TOMPO ireo Israelita. Rehefa nahare izany ny TOMPO, dia tezitra mafy ary nandefa ny afony ka nandoro ny vahoaka sy nandevona ny sisin'ny toby.2 Dia nitalaho sy nikiakiaka tamin'i Mosesy ny vahoaka; koa nifona tamin'ny TOMPO i Mosesy, dia maty ny afo.
3 Ny anaran'izany toerana izany dia natao hoe Tabihera na Fandoroana, satria teo ny Israelita no voadoron'ny afon'ny TOMPO.
4 Nisy vahiny maro samy hafa fiaviana tafaharo tamin'ny Israelita izay liana te hihinan-kena aoka izany; ary ny Israelita koa dia nanomboka nitaraina indray ka nitomany hoe: Iza no hanome hena hohaninay?
5 Tsaroanay ny trondro nohanina maimaimpoana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe, ny tongolo isan-karazany.
6 Izao anefa maina ny tenda; tsy misy na inona na inona mba hitanay afa-tsy ny mana ihany!
7 Ny mana dia mitovy amin'ny voan-drafy sady miloko mavofotsy tahaka ny bidelioma.
8 Amin'ny alina no nilatsaka teo amin'ny toby miaraka amin'ando izy. Amin'ny maraina kosa dia miparitaka manangona azy ny olona; totoina amin'ny vatobe fikosehana na amin'ny laona izany, dia ahandroina amin'ny vilany na atao mofo. Mitovy amin'ny an'ny mofomamy misy menaka ny tsirony.
10 Ren'i Mosesy fa samy nitomany isam-pianakaviany teo am-baravaran'ny lainy avy ny vahoaka. Nirehitra aoka izany ny fahatezeran'ny TOMPO. Ary nalahelo mafy i Mosesy
11 ka niteny tamin'ny TOMPO hoe: Nahoana izaho mpanomponao no ampahorianao toy izao? ary nahoana no tsy anehoanao hatsarampo aho fa ampitondrainao enta-mavesatra amin'ny fitondrana ity firenena manontolo ity?
12 Moa ve izaho no torontoronina an'ireo vahoaka rehetra ireo! Sa izaho ve no niteraka azy no ilazanao hoe: Trotroy eo an-tratranao toy ny fitrotron'ny mpitaiza zaza izy, mandra-pahatonga azy any amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razany fa homena azy.