Genesỳ
Toko faha-8
17 Avoahy koa ireo biby rehetra niaraka taminao, dia ny karazam-borona rehetra, ny biby rehetra isan-karazany na kely na lehibe, ary aoka hiparitaka eny ambonin'ny tany ireny, ka hitombo eny.18 Dia nivoaka avy tao amin'ny sambofiara i Noa sy ny vadiny sy ireo zanany lahy ary ireo vinantovaviny.
19 Avy eo dia nivoaka koa ireo biby rehetra sy ireo voro-manidina, ary ireo bibikely mihetsiketsika rehetra eny ambonin'ny tany araka ny karazany avy.
20 Dia nanangana alitara ho an'ny TOMPO i Noa, ka naka tamin'ireo biby fiompy sy voro-manidina madio rehetra ary nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho an'ny Tompo teo amin'ny alitara.
21 Ary nony ren'ny TOMPO ilay hanitra ankasitrahiny, dia hoy IZY anakampo hoe: Tsy mba hanozona ny tany intsony Aho noho ny amin'ny olombelona. Eny, manomboka amin'ny fahatanorany, dia mirona ho amin'ny ratsy ny fon'ny olombelona; koa tsy hamely ny miaina rehetra intsony toy izay nataoko Aho.
22 Raha mbola tany koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana mihitsy ny famafazana sy ny fijinjana, ny hafanana sy ny hatsiaka, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.
Toko faha-9
1 Ary Andriamanitra nitsodrano an'i Noa sy ireo zanany lahy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany.2 Hisy tahotra sy horohoro anareo ao amin'ny biby rehetra eny ambonin'ny tany mbamin'ny voro-manidina sy ny bibikely ary ao amin'ny trondro rehetra anaty ranomasina, satria nomena ho eo am-pelatananareo ireny.
3 Izay rehetra velona sy mihetsiketsika dia omeko ho sakafonareo avokoa tahaka ny nanomezako ny anana ho anareo.
4 Kanefa kosa ny nofo miaraka amin'ny ainy, izany hoe miaraka amin'ny rany, dia aza haninareo mihitsy.
5 Ary ny ranareo koa, izay ainareo, dia hadiniko amin'ny biby izay namono olona ho faty tahaka ny hanadinako ny olona namono ho faty ny olona toa azy. Eny, hadiniko ny momba ny ain'ny olona:
6 Izay mandatsaka ran'olona dia halatsak'olona koa ny rany, satria mitovy endrika amin'Andriamanitra no nanaovany ny olona.
7 Fa ianareo kosa dia maroa fara sy mihabetsaha eo amin'ny tany ary mitomboa be dia be eo aminy.
8 Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Noa sy ireo zanany lahy niaraka taminy:
9 Indro Aho hanorina ny fanekempihavanako aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo,
10 ary amin'ny zava-mananaina rehetra eo aminareo na ny vorona, na ny biby fiompy na ny bibidia, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny sambofiara niaraka taminareo.
11 Izao no fanekempihavanana haoriko aminareo: tsy hisy rano avy amin'ny safo-drano intsony handripaka ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony mandrakizay.
12 Dia mbola nampian'Andriamanitra hoe: Izao no ataoko mariky ny fanekempihavanantsika ho Ahy sy ho anareo ary ho an'ny zava-mananaina rehetra miaraka aminareo hatramin'ny taranaka fara mandimby.
13 Apetrako eny amin'ny rahona ny avako ho mariky ny fanekempihavanana eo amiko sy amin'ny tany.
14 Ka isaky ny mampivondrona rahona eny ambonin'ny tany Aho ka miseho ny avana,
15 dia hotsarovako ny fanekempihavanako taminareo sy tamin'ny zava-mananaina rehetra, izany hoe ny voaary rehetra; ka tsy hisy intsony rano hanjary safo-drano handringana ny voaary rehetra.
16 Ho eny amin'ny rahona ny avana ary hojereko mba hampahatsiaro Ahy ny fanekempihavanana mandrakizay eo amiko sy eo amin'ny zava-mananaina rehetra ary eo amin'ny voaary rehetra izay eny ambonin'ny tany.
17 Dia mbola naverin'Andriamanitra tamin'i Noa hoe: Izany no famantarana momba ny fanekempihavanana izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny voaary rehetra izay eny ambonin'ny tany.
18 Ny zanakalahin'i Noa, izay nivoaka avy tao amin'ny sambofiara, dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta. I Hama no rain'i Kanahana.
19 Izy telo lahy ireo no zanak'i Noa, ary avy tamin'ireo no niparitahan'ny olombelona eran-tany.
20 I Noa no mpiasa tany voalohany namboly voaloboka.
21 Nisotro divay izy ka mamo ary nitanjaka tao an-dainy;
22 I Hama rain'i Kanahana, rehefa nahita ny fitanjahan-drainy, dia lasa nampandre ireo rahalahiny roa tao ivelany.
23 Nalain'i Sema sy i Jafeta ny lamba ka nentiny an-tsoroka, ary nanao dia mianotra izy mirahalahy ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy. Fa nitodika nijery tany an-kafa ireo ka tsy nahita ny fitanjahan-drainy.
24 Ary nony efa nisava ny hamamoan'i Noa, ka fantany izay nataon'ny zanany faralahy taminy,
25 dia hoy izy hoe: Ho voaozona anie i Kanahana! Aoka izy ho faraidiny amin'ireo mpanompon'ny rahalahiny!
26 Dia mbola nampiany hoe: Hoderaina anie ny TOMPO, ilay Andriamanitr'i Sema! Aoka i Kanahana ho mpanompon'i Sema!
27 Hataon'Andriamanitra malalaka anie ny toeran'i Jafeta ka hanana fonenana ao amin'i Sema izy, ary aoka i Kanahana koa ho mpanompony!
28 Mbola velona 350 taona i Noa taorian'ny safo-drano.
29 Dia maty i Noa rehefa feno 950 taona.
Toko faha-10
1 Taorian'ny safo-drano dia niteraka zanakalahy maro i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanak'i Noa. Ireto no lisitry ny taranany:2 Ny zanakalahin'i Jafeta dia i Gomera sy i Magoga, i Maday sy Javana, i Tobala sy i Meseka ary i Tirasa.
3 Ny zanakalahin'i Gomera dia i Askenaza sy i Rifata ary i Togarma.
4 Ny zanakalahin'i Javana dia i Elisa sy i Tarsisy ary i Kitima sy i Rodanima.
5 Ireo no zanakalahin'i Jafeta sady niavian'ny firenen-tsamihafa niparitaka any amin'ny nosy maro; ka samy nanana ny taniny araka ny fiteniny avy sy nanana ny fireneny araka ny fokony avy izy.
6 Ny zanakalahin'i Hama dia i Kosy sy i Mitsiraima ary i Poto sy i Kanahana.
7 Ary ny zanakalahin'i Kosy dia i Seba sy i Havila, i Sabta sy i Rahema ary i Sabteka. Ny zanakalahin'i Rahema dia i Saba sy i Dedana.
8 I Kosy no rain'i Nimroda izay lehilahy mahery voalohany teto an-tany.
9 I Nimroda dia mpihaza mahery teo imason'ny TOMPO, ka niavian'ny ohabolana hoe: Sahala amin'i Nimroda, mpihaza mahery teo imason'ny TOMPO.
10 Ny tanana lehibe tao amin'ny fanjakany dia i Babela sy i Ereka ary i Akada sy i Kalne ao amin'ny tany Sinehara.
11 Niala tamin'izany tany izany i Nimroda ho any Asiria ary nanangana tanana, dia i Ninive sy i Rehobota-Hiry, i Kela,
12 ilay tanana lehibe, ary i Resena izay teo anelanelan'i Ninive sy i Kela.
13 I Mitsiraima no razamben'ireo olona tao Loda sy tao Henama, tao Lehava sy tao Neftoa
14 ary tao Patrosy mbamin'ireo Kaslohita sy Kaftorita izay niavian'ny Filistinina.
15 I Kanahana no rain'i Tsidona lahimatoany sy i Heta