Nomerỳ
Toko faha-7
85 ka 1300 grama avy no lanjan'ny lovia volafotsy iray ary fitonjato grama avy no lanjan'ny kaopy volafotsy iray. Ny fitambaran'ireo fanaka volafotsy ireo dia 24 kilao araka ny ventin-danja fampiasa ao amin'ny Toeramasina.86 Zato grama no lanjan'ny lovia kely volamena iray, ka ny lanjan'ny zinga 12 mitambatra dia 1200 grama araka ny ventin-danja fampiasa ao amin'ny Toeramasina.
87 Ireo biby rehetra natao sorona dorana manontolo dia vantotr'ombilahy 12, ondrilahy 12, ondrilahikely 12 izay iray taona avy miaraka amin'ny fanatitra momba azy; osilahy 12 no natao sorona fanalana ny ota.
88 Ny biby rehetra natao sorom-pihavanana kosa dia ombilahy 24, ondrilahy 60, osilahy 60, ondrilahikely 60 izay iray taona avy. Ireo no fanomezana natolotra ho fanokanana ny alitara rehefa voahosotra izy.
89 Rehefa niditra tao amin'ny Tranolay fihaonana i Mosesy mba hiresaka amin'ny TOMPO, dia nandre feo niteny taminy avy teo anelanelan'ny kerobima roa izy, dia teo ambonin'ny rakotry ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana; ary niresahan'ny TOMPO i Mosesy.
Toko faha-8
1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO2 mba hanafatrafatra an'i Aharona hoe: Rehefa mandrehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy izay hanazavany ny manoloana ny fitoeran-jiro.
3 Dia nataon'i Aharona izany ka napetrany ny jiro fito mba hahazava ny manoloana ny fitoeran-jiro, araka ny nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.
4 Ny fitoeran-jiro dia volamena voatefy hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny voniny. Araka izay endrika efa nasehon'ny TOMPO an'i Mosesy no nanaovana ny fitoeran-jiro.
6 Avaho amin'ny Israelita hafa ny Levita, dia diovy izy.
7 Izao no hataonao hanadiovana azy: fafazo rano fanadiovana izy, asaovy haratany ny tenany iray manontolo ary aoka hosasany ny fitafiany, dia hadio izy.
8 Asaovy maka vantotr'ombilahy iray mbamin'ny fanatitra momba azy izy, dia lafarinina voatoto tsara sy voaharo menaka; ary haka vantotr'ombilahy iray kosa ianao ho sorona fanalana ny ota.
9 Vorio ny fiangonan'ny Israelita rehetra, dia hasainao mankeo anoloan'ny Tranolay fihaonana ny Levita.
10 Ento eo anatrehako TOMPO ireo Levita, ary hametra-tanana aminy kosa ny Israelita.
11 Hanolotra ny Levita eo anatrehako i Aharona ho toy ny fanatitra ahevaheva, mba hanao ny asa fanompoana AHY.
12 Dia hametra-tanana amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa ny Levita, ka ny iray hataonao sorona fanalana ny ota ary ny iray ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO, alohan'ny hanaovana amin'ny Levita ny fombam-pivavahana famelan-keloka.
13 Ajoroy eo anatrehan'i Aharona sy ny zanany ny Levita, ka ataovy toy ny fanatitra ahevaheva atolotra AHY.
14 Dia toy izany no hanavahanao amin'ny Israelita hafa ny Levita mba ho Ahy.
15 Rehefa afaka izany, dia hiroso ny asa fanompoana ao amin'ny Tranolay fihaonana ny Levita. Hodiovina sy hataonao ho toy ny fanatitra ahevaheva voatolotra ho Ahy ary ny Levita,
16 satria efa nomena Ahy avy tamin'ny Israelita mihitsy izy ireo mba ho solon'ny lahy voalohan-teraka rehetra, dia ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Israelita.
17 Eny, Ahy ny voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Israelita, na olona izany na biby; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny lahimatoa israelita ho Ahy.
18 Fa ny Levita kosa no nalaiko ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny Israelita.
19 Ary natolotro an'i Aharona sy ny zanany ny Levita hisolo ny Israelita mba hanao ny fanompoana ao amin'ny Tranolay fihaonana sy hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka azy ireo; dia tsy hisy loza hanjo ny Israelita intsony raha manakaiky ny Toeramasina izy ireo.
20 Dia notanterahin'i Mosesy sy i Aharona mbamin'ny Fiangonan'ny Israelita rehetra tamin'ny Levita izany; dia araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataon'ny Israelita taminy.
21 Nandio ny tenany ary nanasa ny fitafiany ny Levita ka naterin'i Aharona ho toy ny fanatitra ahevaheva atolotra ny TOMPO izy ireo sady nanaovany ny fombam-pivavahana famelan-keloka mba hanadiovany azy ireo.
22 Rehefa izany vao afaka nandeha nanao ny asa fanompoany tao amin'ny Tranolay fihaonana teo anatrehan'i Aharona sy ny zanany ny Levita. Araka izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy momba ny Levita no natao taminy.
23 Dia niteny tamin'i Mosesy indray ny TOMPO ka nanao hoe:
24 Izao no fepetra mikasika ny Levita: Feno 25 taona izy vao manomboka mirotsaka amin'ny asam-panompoana ao amin'ny Tranolay fihaonana.
25 Fa rehefa feno dimampolo taona kosa dia handao ny asa ka tsy hanao fanompoana intsony.
26 Kanefa afaka hanampy ny mpiray foko aminy izy hiambina ny Tranolay fihaonana, na dia tsy hanana asa manokana aza. Izany no hataonao amin'ny Levita momba ny fanompoany.
Toko faha-9
1 Niteny tamin'i Mosesy tany an-taniefitr'i Sinay ny TOMPO tamin'ny volana voalohan'ny taona faharoa nialan'ny Israelita tany Ejipta ka nanao hoe:2 Aoka ny Israelita hankalaza ny fetin'ny Paska amin'ny andro voatondro;
3 dia ny harivan'ny andro faha-14 amin'ity volana ity no hankalazanareo azy, araka ny lalana sy ny fanao rehetra momba azy.
4 Notenenin'i Mosesy ny Israelita mba hankalaza ny Paska;
5 dia nankalaza ny Paska tany an-taniefitr'i Sinay ireo ny harivan'ny andro faha-14 tamin'ny volana voalohany. Nataon'ny Israelita araka izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy izany.
6 Tamin'izay andro izay anefa dia nisy olona sasany voaloton'ny fatin'olona ka tsy nahazo nankalaza ny Paska. Koa dia nankany amin'i Mosesy sy i Aharona izy androtr'io ihany
7 ka niteny taminy hoe: Voaloton'ny fatin'olona izahay. Koa nahoana no rarana tsy hahazo mitondra ny fanatitray ho an'ny TOMPO amin'ny andro voatondro toy ny Israelita rehetra?
8 Fa hoy i Mosesy tamin'izy ireo: Andraso aloha mandra-pahafantatro izay andidian'ny TOMPO ny momba anareo.
9 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO
10 mba hamepetra ny Israelita hoe: Raha misy aminareo na amin'ny taranakareo voaloton'ny fatin'olona na lasa nandeha an-tany lavitra, dia mbola hankalaza ny Paska ho fanajana Ahy TOMPO ihany koa izy,
11 saingy ny harivan'ny andro faha-14 amin'ny volana faharoa kosa no hankalazany izany. Hihinana ny zanak'ondry miaraka amin'ny mofo tsy misy leviora sy ny anana mangidy izy.
12 Tsy hasiany sisa ho tra-maraina izany, ary tsy hotapahiny ny taolany; araka ny lalana rehetra momba ny Paska no hankalazany izany.
13 Fa raha misy kosa olona tsy voaloto sady tsy nandeha an-tany lavitra nefa tsy mankalaza ny Paska, dia hofongorana tsy ho isan'ny fiangonan'i Israely izy, satria tsy nitondra ny fanatitra ho Ahy TOMPO tamin'ny andro voatondro. Hizaka ny vokatry ny fahotany izany olona izany.
14 Ary raha misy vahiny eo aminareo ka te hankalaza ny Paska ho fanajana AHY, dia hanaraka ny fomba fanao amin'ny Paska izy. Mitovy ihany ny lalana na amin'ny vahiny izany na amin'ny Israelita.
15 Tamin'ny andro nananganana ny Fonena-masina, dia nisy rahona nandrakotra ny Tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Amin'ny hariva izy io dia mazava toy ny afo eo ambonin'ny Tranolay mandra-maraina.
16 Dia toy izany mandrakariva, fa norakofan-drahona ny Fonena-masina nefa mazava toy ny afo ilay rahona amin'ny alina.
17 Isaky ny miakatra miala amin'ny Tranolay ny rahona, dia miainga ny Israelita, ary eo amin'izay ijanonan'ny rahona no itobiany indray.
18 Baikon'ny TOMPO izany no iaingan'ny Israelita ary baikon'ny TOMPO koa no itobiany; fa arakaraka ny nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny Fonena-masina no nitobiany.
19 Raha nijanona ela teo ny rahona, dia nankato ny didin'ny TOMPO ny Israelita ka tsy nandeha.
20 Indraindray dia andro vitsivitsy ihany no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny Fonena-masina, koa baikon'ny TOMPO ihany no itobiany, ary baikon'ny TOMPO ihany no iaingany.