Nomerỳ

Toko faha-6

7 na dia ny fatin-drainy sy ny reniny ary ny mpiray tampo aminy aza, dia aoka tsy hahaloto azy satria efa entiny eo an-dohany ny marika maha voatokana ny tenany ho an'Andriamanitra!

8 Mandritra ny fotoana rehetra anaovany voady dia ho masina ho an'ny TOMPO izy.

9 Raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mahaloto ny fanokanan-tenany, dia hanaratra ny lohany amin'ny andro fidiovany izy, izany hoe afaka herinandro.

10 Amin'ny andro manaraka kosa no hitondrany domohina roa na voromahailala roa eo amin'ny mpisorona, eo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana.

11 Haterin'ny mpisorona ho sorona fanalana ny ota ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho sorona dorana manontolo. Dia hataony amin'ilay olona ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny ota vokatr'ilay faty; amin'io andro io izy dia ho masina indray ka hamela ny lohany hitsiry volo.

12 Hamerina tanteraka indray ny fanokanan-tenany ho an'ny TOMPO izy, ka hitondra ondrilahy iray taona izy ho sorom-panonerana. Tsy hoisaina ireo andro teo aloha satria voaloto ny naha nazirita azy.

13 Izao no lalana ny amin'ny nazirita, rehefa tapitra ny andro naha nazirita azy. Hoentina mankeo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana izy

14 ary hitondra sorona ho an'ny TOMPO, dia ondrilahikely iray taona tsy misy kilema ho sorona dorana manontolo sy ondrivavikely iray taona tsy misy kilema ho sorona fanalana ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho sorom-pihavanana.

15 Hitondra mofo tsy misy leviora iray harona koa izy, dia mofomamy nofetaina menaka sy mofo manify tsy misy leviora sady voahoso-menaka mbamin'ny fanatitra lafarinina sy divay ampombaina ny sorona.

16 Hoentin'ny mpisorona eo anatrehan'ny TOMPO ireo fanatitra ireo, vao hatolony ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo.

17 Ny ondrilahy kosa dia hatolony amin'ny TOMPO ho sorom-pihavanana miaraka amin'ny mofo tsy misy leviora iray harona. Ary hatolony farany ny fanatitra lafarinina sy divay.

18 Dia hanaratra ny lohany eo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana ilay nanokan-tena; ary halainy izany volon-dohany izany ka hatsipiny ao anatin'ny afo izay mirehitra eo ambanin'ilay sorom-pihavanana.

19 Horaisin'ny mpisorony kosa ny sorok'ilay ondrilahy rehefa masaka, ary samy hakany iray avy ny mofomamy sy ny mofo manify tsy misy leviora ao anaty harona; ka hataony eo an-tanan'ilay nanokan-tena ireo, rehefa avy niharatra ny mariky ny naha nazirita azy izy.

20 Dia hasehon'ny mpisorona amin'ny TOMPO ireo sady hahevahevany ho fanolorana azy; zava-masina miverina amin'ny mpisorona ihany izany, fanampin'ny tratra nahevahevany sy ny fen'ondry navahany. Rehefa izany vao mahazo misotro divay indray ilay nazirita afa-boady.

21 Izany no lalana ny amin'ny Nazirita izay nivoady; izany no fanomezana atolony ho an'ny TOMPO noho ny naha nazirita azy, ankoatra izay mety ho takatry ny fananany. Hanaraka ny voady notononiny izy amin'izany, ka hanao araka ny lalana momba ny fanokanan-tena nirosoany.

22 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO mba hamepetra an'i Aharona sy ny zanany hoe:

23 Izao no teny hataonareo rehefa mitsodrano ny Israelita ianareo:

24 Hitahy sy hiaro anareo anie ny TOMPO!

25 Hijery anareo amin-kamorampo anie ny TOMPO ka hiantra anareo!

26 Handray anareo amin-kazavampo anie ny TOMPO ka hanome anareo fiadanana!

27 Rehefa hanonona ny anarako amin'ny Israelita toy izany ny mpisorona, dia hitahy azy tokoa Aho.

Toko faha-7

1 Tamin'ny andro namitan'i Mosesy ny fananganana ny Fonena-masina no nanosorany sy nanokanany azy niaraka tamin'ny kojakoja rehetra momba azy; nohosorany sy notokanany tahaka izany koa ny alitara mbamin'ny kojakoja rehetra momba azy.

2 Avy eo dia niroso ireo filoham-pianakaviambe tamin'ny fokon'i Israely, izany hoe ireo nitarika ny fanisana.

3 Nitondra fanomezana teo anatrehan'ny TOMPO ireo, dia sarety enina mirakotra sy omby 12 ka sarety iray no avy amin'ny filoha roa ary omby iray no avy amin'ny filoha iray. Nentiny teo anoloan'ny Fonena-masina avokoa ireo.

5 Raiso ireo fanomezana entiny eto aminao ireo fa ilaina amin'ny asa fanompoana momba ny Tranolay fihaonana izany, ka omeo ny Levita, samy araka ny ilany azy avy.

6 Dia noraisin'i Mosesy ny sarety sy ny omby ka nomeny ny Levita.

7 Nomeny sarety roa sy omby efatra ny taranak'i Gersona, araka ny ilainy amin'ny asany.

8 Ny sarety efatra sisa sy ny omby valo kosa dia nomeny ny taranak'i Merary tamin'ny alalan'i Itamara mpisorona sady zanakalahin'i Aharona, araka ny ilainy amin'ny asany.

9 Fa ny taranak'i Kehata kosa tsy mba nomeny, satria izy ireo no tompon'andraikitra momba ny fitaovana masina, ka tsy maintsy milanja izany eo an-tsoroka.

10 Tamin'ny andro nanosorana ny alitara, dia ireo filoham-pianakaviambe koa no nitondra fanomezana ho fitokanana azy. Samy nitondra ny fanomezany avy teo anoloan'ny alitara izy ireo.

11 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Aoka hifandimby hitondra ny fanomezany isan'andro avy ireo filoha ireo amin'ny fanokanana ny alitara!

12 Toy izao manaraka izao ny fahatongavany nitondra ny fanomezany:

13 tamin'ny andro voalohany dia i Nahasona zanakalahin'i Hadaba, avy amin'ny fokon'i Joda;

18 tamin'ny andro faharoa dia i Natanaela zanakalahin'i Tsohara, avy amin'ny fokon'i Jisakara;

24 tamin'ny andro fahatelo dia i Eliaba zanakalahin'i Helona, avy amin'ny fokon'i Zebolona;

30 tamin'ny andro fahefatra dia i Elitsora zanakalahin'i Sedeora, avy amin'ny fokon'i Reobena;

36 tamin'ny andro fahadimy dia i Selomiela zanakalahin'i Tsorisaday, avy amin'ny fokon'i Simehona;

42 tamin'ny andro fahenina dia i Eliasafa zanakalahin'i Dehoela, avy amin'ny fokon'i Gada;

48 tamin'ny andro fahafito dia i Elisama zanakalahin'i Hamihoda, avy amin'ny fokon'i Efraima;

54 tamin'ny andro fahavalo dia i Gamaliela zanakalahin'i Pedahatsoro, avy amin'ny fokon'i Manase;

60 tamin'ny andro fahasivy dia i Abidana zanakalahin'i Gidehony, avy amin'ny fokon'i Benjamina;

66 tamin'ny andro fahafolo dia i Ahihezera zanakalahin'i Hamisaday, avy amin'ny fokon'i Dana;

72 tamin'ny andro faha-11 dia i Pagihiela zanakalahin'i Hokrana, avy amin'ny fokon'i Asera;

78 ary tamin'ny andro faha-12 dia i Ahira zanakalahin'i Henana, avy amin'ny fokon'i Naftaly.

79 Ireto manaraka ireto kosa ny fanomezana nentin'ny filoham-pianakaviana tsirairay avy:

80 lovia volafotsy iray milanja 1300 grama, tsatokaty volafotsy famafazana iray milanja 700 grama araka ny ventin-danja fampiasa ao amin'ny Toeramasina; ireo fitaovana ireo dia samy feno lafarinina tsara toto sy voafeta menaka ho fanatitra;

81 zinga volamena iray milanja 100 grama feno vovo-javamanitra;

82 vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahikely iray izay iray taona avy, samy hatao sorona dorana manontolo;

83 osilahy iray hatao sorona fanalana ny ota; ary ombilahy roa, ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahikely dimy izay iray taona avy, samy hatao sorom-pihavanana.

84 Ireto ny fitambaran'ny fanomezana natolotr'ireo filoham-pianakaviamben'i Israely tamin'ny andro nanosorana sy nanokanana ny alitara: lovia volafotsy 12, kaopy volafotsy famafazana 12, lovia kely volamena 12,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8868