Nomerỳ

Toko faha-4

21 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:

22 Ataovy lisitra isam-pianakaviana sy isan-tarika koa ny taranak'i Gersona.

23 Hisainao ny lehilahy rehetra feno telopolo taona ka hatramin'ny dimampolo taona, dia ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin'ny Tranolay fihaonana.

24 Izao no asa hampiandraiketina ny tariky ny Gersonita:

25 hitondra ny lamba mandrakotra ny Fonena-masina sy ny Tranolay fihaonana, ny rakotra lambam-baravarana fidirana eo amin'ny Tranolay fihaonana,

26 ny fefilamban'ny kianja sy ny lambam-baravaran'ny vavahadin'ny kianja izay manodidina ny Fonena-masina sy ny alitara, ny tady mamaritra ny kianja ary ny kojakoja rehetra ho an'ny fanompoany, dia izay rehetra nomena azy hiasany.

27 Araka ny baikon'i Aharona sy ny zanany no hanaovan'ny Gersonita ny asa fanompoany, na momba ny fitondrana ireo entana izany, na momba ny fanatanterahana ny asa. Izy telo mianaka no hiteny aminy izay tokony hataony sy izay tokony hoentiny.

28 Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Gersonita tao amin'ny Tranolay fihaonana. I Itamara zanakalahin'i Aharona mpisorona no hanara-maso azy amin'izany.

29 Ataovy koa ny fanisana ny taranak'i Merary, isan-tarika sy isam-pianakaviana.

30 Hisainao ny lehilahy feno telopolo taona ka hatramin'ny dimampolo taona, izany hoe ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin'ny Tranolay fihaonana.

31 Izao no asa hampiandraiketina azy: dia ny hitondra ireo hazo fisaky ny Fonena-masina, ny barany, ny andriny, ny faladiany,

32 ny andrin'ny fefin'ny kianja mbamin'ny faladiany, ny tsatoka sy ny tady ary ny kojakoja rehetra ho an'ny fanompoany. Atao lisitra ny anaran'ireo zavatra izay hoentin'ny tsirairay avy.

33 Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Merarita tao amin'ny Tranolay fihaonana. I Itamara, zanakalahin'i Aharona mpisorona, no hanara-maso azy amin'izany.

34 Ary i Mosesy sy i Aharona mbamin'ny filohan'ny fiangonana nanisa ny Levita rehetra taranak'i Kehata sy i Gersona ary i Merary, isan-tarika sy isam-pianakaviana, dia izay lehilahy feno telopolo taona ka hatramin'ny dimampolo taona, izany hoe ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin'ny Tranolay fihaonana. Izany fanisana nataon'i Mosesy sy i Aharona izany dia araka izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy ka nahazoana ireto tarehimarika manaraka ireto: Fitambaran'ny Levita: vatan-dehilahy 8 580. Araka ny baikon'ny TOMPO sy teo ambany fitarihan'i Mosesy dia nankinina tamin'ny levita tsirairay avy ny asam-panompoana hiandraiketany sy ny entana hoentiny. Araka ny nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy no nanankinana izany.

Toko faha-5

1 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

2 mba handidy ny Israelita hoe: Aoka havoaka hiala ny toby avokoa izay rehetra marary hoditra, na voan'ny angatra, na maloto nikasi-paty!

3 Havoakanareo any ivelan'ny toby ireo na lahy na vavy mba tsy handotoany ny toby izay itoerako eo afovoany.

4 Nankatoavin'ny Israelita izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy, ka navokany any ivelan'ny toby avokoa izay rehetra maloto.

5 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

6 mba hamepetra ny Israelita hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy diso amin'ny TOMPO satria nanao izay mampalahelo olona, dia meloka tokoa tokoa izy.

7 Tsy maintsy hiaiky ny fahotana nataony izy ka hanonitra amin'ny tompony izay zavatra nalainy, miampy ny ampahadimin'ny vidiny.

8 Raha tahiny maty ilay tompon-javatra sady tsy manan-kavana akaiky hahazoana manonitra ilay zavatra, dia homena ny TOMPO io, izany hoe ho an'ny mpisorona; manginy fotsiny ny ondrilahy hatao sorom-panonerana ka hanaovana fombam-pivavahana famelan-keloka. 9 Ny fanatitra isan-karazany ataon'ny Israelita momba ny zava-masina izay arosony eo amin'ny mpisorona dia an'ny mpisorona.

10 Azy ny zava-masina aterin'ny olona tsirairay; ary na inona na inona omen'ny olona ny mpisorona dia azy koa.

11 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

12 mba hamepetra ny Israelita hoe: Mety hisy vehivavy nanitsakitsaka ny vadiny;

13 lehilahy hafa no nanao firaisana taminy ka nandoto azy, nefa tsy hitan'ny lahy izy fa niafina sady tsy misy vavolombelona hiampanga azy no tsy tratra am-bodiomby koa.

14 Dia saropiaro ny lahy ka miahiahy ny vadiny sady voaloto tokoa io; na saropiaro izy ka miahiahy ny vadiny saingy tsy voaloto kosa io.

15 Na ahoana na ahoana, dia hitondra ny vadiny eo amin'ny mpisorona ralehilahy ka hanolotra fanatitra noho ny amin-dravehivavy, dia lafarinina orza telo kilao. Tsy handrarahany menaka io lafarinina io sady tsy hasiany vovo-javamanitra satria fanatitra noho ny fahasaropiaro, fanati-piampangana natao hanehoana fahadisoana.

16 Ary hoentin'ny mpisorona eo amin'ny Toeramasina ravehivavy mba hiseho eo anatrehan'ny TOMPO.

17 Dia hisy rano manan-kasina halain'ny mpisorona amin'ny lovia tany ka hafangarony amin'ny vovoka noraofina teo amin'ny tanin'ny Fonena-masina.

18 Harakorakon'ny mpisorona ny volon'ilay vehivavy miseho eo anatrehan'ny TOMPO, ary hapetrany eo am-pelatanany ny fanati-piampangana, izany hoe ny fanati-pahasarotam-piaro. Fa ny mpisorona kosa hitana ny rano mangidy izay mitondra ozona.

19 Hampianiana an-dravehivavy izy ka hanao aminy hoe: Raha tsy marina fa nisy lehilahy niray taminao ka nandoto anao tamin'ny fanitsakitsahanao ny vadinao, dia afaka amin'ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao.

20 Fa raha voaloto tamin'ny nanitsakitsahanao ny vadinao kosa ianao, ka niray tamin'olon-kafa ankoatra ny vadinao,

21 dia hataon'ny TOMPO ohatry ny fanozonana sy fianianana eo amin'ny firenenao anie ianao; hataony momba koa anie ianao ary hampivontosiny ny kibonao;

22 ity rano mitondra ozona ity anie no hiditra ao an-kibonao ka hampivonto azy sy hahamomba anao! Dia hamaly ravehivavy hoe: 'Amen! Ho tanteraka anie izany!'

23 Horaiketin'ny mpisorona an-tsoratra izany tsitsika izany ka hasitriny ao anatin'ny rano mangidy ny taratasy mba hahavoafafa ny soratra.

24 Hampisotroiny an-dravehivavy ny rano mangidy mitondra ozona; ary io rano io dia hiditra ao an-kibony ka ho tonga mangidy aminy.

25 Alohan'ny hanomezana rano an-dravehivavy, dia halain'ny mpisorona eo an-tanan-dravehivavy ny fanati-pahasaropiaro, dia hahevahevany eo anatrehan'ny Tompo ary hoentiny eo amin'ny alitara.

26 Hangalan'ny mpisorona eran'ny tanana, ho fampahatsiarovana ny TOMPO izany fanatitra izany ka hodorany hanetona eo amin'ny alitara; izay vao hampisotroiny an-dravehivavy ny rano.

27 Rehefa avy nisotro izy, dia izao no hiseho: raha voaloto izy satria nanitsakitsaka tokoa ny vadiny, dia hiditra ao aminy hanjary mangidy ny rano mitondra ozona ka hampibontsina ny kibony sady hahatonga azy ho momba; ary ho ohatry ny fanozonana eo amin'ny fireneny ravehivavy.

28 Fa raha tsy voaloto kosa izy fa madio, dia tsy hanan-tsiny ka mbola afaka hiteraka.

29 Izany no lalana momba ny fahasaropiaro, raha misy vehivavy ratsy fitondrantena ka voaloto tamin'ny fanitsakitsahana ny vadiny

30 na misy lehilahy azon'ny fahasaropiaro ka miahiahy ny vadiny: hasain'ny lahy miseho eo anatrehan'ny TOMPO ravehivavy hampiharan'ny mpisorona izany fombam-pivavahana rehetra izany.

31 Tsy hanan-tsiny amin'izay ny lahy; fa ny vavy kosa raha meloka, dia handray ny vokatr'izany.

Toko faha-6

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady ho Nazirita mba hanokan-tena ho an'ny TOMPO,

3 dia hifady divay sy zava-pisotro misy alikaola izy; tsy hisotro vinaingitra natao tamin'ny divay na tamin'ny zava-pisotro misy alikaola izy; ary tsy hisotro rehefa mety ho ranom-boaloboka izy, na hihinana akory voaloboka lena na voaloboka maina.

4 Mandritra ny fotoana rehetra maha Nazirita azy dia tsy hihinan-javatra natao amin'ny voaloboka izy, eny, fa na dia ny voany mbamin'ny hodiny aza.

5 Mandritra ny fotoana rehetra anaovany voady, dia tsy hihety volo na hiharatra izy; fa mandra-pahatapitry ny fotoana izay hitokanany tena ho an'ny TOMPO, dia ho masina izy ka hamela ny volon-dohany sy ny volom-bavany haniry.

6 Mandritra izany fotoana rehetra itokanany tena ho an'ny TOMPO izany koa, dia tsy mahazo manakaiky fatin'olona izy;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9331