Nomerỳ
Toko faha-3
21 I Gersona no razan'ny Gersonita izay misy tarika roa, dia ny Libnita sy ny Simehita.22 Rehefa natao fanisana ny lehilahy rehetra tao aminy, izay feno iray volana no ho miakatra, dia nahatratra 7 500.
23 Nitoby teo ivohon'ny Fonena-masina, teo andrefany, ny Gersonita.
24 I Eliasafa zanakalahin'i Laela no filoham-pianakaviamben'ny Gersonita.
25 Niandraikitra ny amin'ny Tranolay fihaonana no raharahan'i Gersonita; dia ny Fonena-masina, ny lay, ny firakony, ny lambam-baravaran'ny Tranolay fihaonana,
26 ny fefilamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny kianja izay manodidina ny Fonena-masina sy ny alitara, ary ny tadin'ny lay. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Gersonita.
27 I Kehata no razan'ny Kehatita izay misy tarika efatra, dia ny Hamramita sy ny Jitseharita ary ny Hebronita sy ny Hozielita.
28 Rehefa natao fanisana ny lehilahy rehetra tao aminy, izay feno iray volana no ho miakatra, dia 8 600. Ireo no mpikarakara ny Fonena-masina.
29 Nitoby teo amin'ny lafy atsimon'ny Fonena-masina ny Kehatita.
30 I Elisafana zanakalahin'i Hoziela no filoham-pianakaviamben'ny Kehatita.
31 Ny Kehatita no miandraikitra ny Vatamasina, ny latabatra masina, ny fitoeran-jiro sy ny alitara roa ary ny fanaky ny Toeramasina izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Kehatita.
32 I Elehazara, zanakalahin'i Aharona mpisorona, no filoha faratampon'ny Levita; izy no mpiandraikitra ireo olona mikarakara ny fanompoana ao amin'ny Toeramasina.
33 I Merary no razan'ny Merarita izay nisy tarika roa dia ny Mahilita sy ny Mosita.
34 Rehefa natao fanisana ny lehilahy rehetra tao aminy, izay feno iray volana no ho miakatra, dia 6 200.
35 I Tsoriela zanakalahin'i Abihaila no filoham-pianakaviamben'ny Merarita. Nitoby teo amin'ny lafy avaratry ny Fonena-masina izy ireo.
36 Ny Merarita no miandraikitra ny hazo fisaka amin'ny Tranolay; ny barany, ny andriny mbamin'ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Merarita.
37 Mbola izy ireo koa no niandraikitra ny andry manodidina ny kianja masina mbamin'ny faladiany sy ny tsatoka ary ny tady.
38 I Mosesy sy i Aharona ary ny zanakalahin'i Aharona dia nitoby teo anoloana atsinanan'ny Tranolay fihaonana eo amin'ny fiposahan'ny masoandro. Izy ireo no miandraikitra ny fiambenana ny Toeramasina amin'ny anaran'ny Israelita. Izay tsy mpisorona mitady hanatona eo dia hatao maty.
39 Ny fitambaran'ny lehilahy levita rehetra feno iray volana no ho miakatra, nisain'i Mosesy sy i Aharona isan-tarika araka ny didin'ny TOMPO, dia nahatratra 22 000.
40 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Isao ny lahimatoa rehetra, eo amin'ny Israelita, dia izay feno iray volana no ho miakatra, ka ataovy lisitra ny anarany:
41 Hatokanao ho Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Israelita fa Izaho no TOMPO; dia tahaka izany koa, ny biby fiompin'ny Levita no ho solon'ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra eo amin'ny Israelita.
42 Dia nisain'i Mosesy araka ny nandidian'ny TOMPO azy ny lahimatoa rehetra teo amin'ny Israelita,
43 dia izay feno iray volana no ho miakatra; ka nahatratra 22 273 ny fitambarany araka ny lisitry ny anarany.
44 Hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy:
45 Atokano ho Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Israelita fa Izaho no TOMPO; dia tahaka izany koa, ny biby fiompin'ny Levita no ho solon'ny voalohan-teraky ny biby fiompin'ny Israelita.
46 Ho fanavotana ny lahimatoa miisa 273 eo amin'ny Israelita, izany hoe ireo lahimatoa izay nihoatra tamin'ny isan'ny Levita,
47 dia hakanao sekela dimy isan'olona; ka araka ny sekela fampiasa ao amin'ny Toeramasina, izany hoe sekela iray milanja folo grama, no hangalanao azy.
48 Homenao an'i Aharona sy ny zanany io vola io ho avotr'ireo lahimatoa mihoatra isa ireo.
49 Nangonin'i Mosesy ny vola avotra izay nomen'ireo mihoatra isa noho ny voaavotry ny Levita ireo.
50 Vola denary 1 365 no voaangony tamin'ny lahimatoan'ny Israelita, araka ny sekela fampiasa ao amin'ny Toeramasina;
51 dia natolotr'i Mosesy an'i Aharona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny didy nampitain'ny TOMPO tamin'i Mosesy.
Toko faha-4
1 Niteny tamin'i Mosesy sy i Aharona ny TOMPO ka nanao hoe:2 Eo amin'ny samy Levita, dia ataovy lisitra isan-tarika sy isam-pianakaviana ny taranak'i Kehata, feno telopolo taona ka hatramin'ny dimampolo taona, izany hoe ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin'ny Tranolay fihaonana.
4 Ny miandraikitra ireo fanaka masina indrindra no asan'ny taranak'i Kehata ao amin'ny Tranolay fihaonana.
5 Rehefa hiainga ny Israelita dia ho avy i Aharona sy ny zanany hanala ny lamba mampisaraka amin'ny Toeramasina ka handrakofany ny Vatamasina misy ny Didy folo;
6 hasiany lamba hoditra manify eo ambonin'izany, dia hamelarany lamba volomparasy indray eo ambonin'io, vao hapetrany ny bao filanjana azy.
7 Hamelatra lamba volomparasy eo amin'ny latabatry ny mofo aseho izy ka hametraka ny lovia, ny kaopy, ny tsatokaty ary ny zinga fampidinan-divay; hapetrany eo koa ny mofo izay haseho lalandava eo anatrehako.
8 Eo ambonin'izany rehetra izany no hamelarany lamba jaky izay horakofany lamba hoditra manify; izay vao hapetrany ny bao filanjana ny latabatra.
9 Haka lamba volomparasy izy handrakofany ny fitoeran-jiro mbamin'ny jiro sy ny kojakojany rehetra: dia ny hetin-jiro sy ny fitoeran-davenona ary ny tavoaran-diloilo.
10 Hataony ao anaty saronan-koditra mafy izany ka hapetrany amin'ny filanjana azy.
11 Hamelatra lamba volomparasy eo amin'ny alitara volamena izy, ka handrakotra izany amin'ny lamba hoditra mafy, ary izay vao hapetrany ny bao.
12 Haka ny fanaka litorjika rehetra fampiasa amin'ny fanompoam-pivavahana ao amin'ny Toeramasina izy, ka hofonosiny lamba volomparasy sady horakofany lamba hoditra mafy, ary dia hapetrany amin'ny filanjana azy.
13 Hoesoriny ny lavenona eo amin'ny alitara ka hamelarany lamba volomparasy eo.
14 Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin'ny fanaovan-tsorona, dia ny fitondrana afo, ny fitrebika, ny sotron'afo, ny zinga famafazana ary ny kojakoja rehetra momba ny alitara. Hovelarana ny lamba mafy eo ambonin'izany, ary hapetrany ny bao.
15 Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan'i Aharona sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin'izay ny taranak'i Kehata hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan'ny taranak'i Kehata ny amin'ny Tranolay fihaonana.
16 I Elehazara zanakalahin'i Aharona mpisorona no miandraikitra ny diloilon-jiro, ny ditin-kazo manitra, ny fanatitra hohanina fanao isan'andro ary ny diloilo fanosorana; miandraikitra ny Fonena-masina manontolo sy ny ao anatiny rehetra izy, na ny fitaovana masina izany na ny kojakoja rehetra momba azy.
17 Hoy indray ny TOMPO tamin'i Mosesy sy i Aharona:
18 Tandremo izay tsy hahafongotra ny tariky ny Kehatita tsy ho isan'ny Levita.
19 Izao no hataonareo aminy mba hahavelona fa tsy hahafaty azy raha manakaiky izay fitaovana masina indrindra izy: i Aharona sy ny zanany ihany no hametraka azy ireo amin'ny andraikiny sy amin'izay tokony hoentiny avy.
20 Koa tsy ho avy hijery ny fitaovana masina na dia kely akory aza izy ireo sao maty.