Nomerỳ

Toko voalohany

24 Ny fokon'i Simehona: 59 300

34 Ny fokon'i Manase zanakalahin'i Josefa: 32 200

36 Ny fokon'i Benjamina: 35 400

38 Ny fokon'i Dana: 62 700

40 Ny fokon'i Asera: 41 500

42 Ny fokon'i Naftaly: 53 400

44 Ireo no vokatry ny fanisam-bahoaka izay nataon'i Mosesy sy i Aharona ary izy roambinifolo lahy filoham-pianakaviana solotenan'ny fokony avy.

45 Ka ny lehilahy israelita voaisa, feno roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana,

46 dia 603 550 no fitambarany.

47 Fa tsy mba natao fanisana niaraka tamin'ny Israelita hafa ny Levita.

48 Hoy manko ny TOMPO tamin'i Mosesy:

49 Aza isaina ny fokon'i Levy, ary aza anaovana fanisana miaraka amin'ny Israelita hafa izy.

50 Fa ampiandraiketo azy kosa ny fitandremana ny Fonena-masina izay nametrahana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ary koa ny fanaka sy ny kojakoja rehetra momba azy. Ireo no hitondra ny Fonena-masina mbamin'ny fanaka rehetra momba azy sy hanao fanompoam-pivavahana ao aminy ary hitoby manodidina azy.

51 Rehefa hiainga kosa ny Fonena-masina, dia ny Levita no hangorona azy; ary rehefa hijanona ny Fonena-masina, dia ny Levita no hanangana azy. Fa izay olon-kafa mitady hanatona eo dia hatao maty.

52 Ny Israelita dia samy hitoby eo amin'ny tobiny avy sy eo akaikin'ny vondron-tafiny avy.

53 Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonena-masina mba tsy hirehitra amin'ny fiangonan'ny Israelita ny fahatezerako.

54 Notanterahin'ny Israelita avokoa izany, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

Toko faha-2

1 Niteny tamin'i Mosesy sy i Aharona ny TOMPO nanao hoe:

2 Ny Israelita dia samy hitoby eo akaikin'ny vondron-tafiny sy ny fanevan'ny fokony avy. Ny toby dia tsy maintsy manodidina ny Tranolay fihaonana kanefa lavidavitra azy.

3 Amin'ny lafiny atsinanana no hisy ireo tafika lohalaharana mivondrona ao anatin'ny tobin'i Joda, ka ahitana mifanila ny tafika jodeanina sy jisakarita ary zebolonita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin'ny filoha anankiray avy amin'ny fokony araka izao: ho an'ny fokon'i Joda dia i Nahasona zanakalahin'i Haminadaba, miaraka amin'ny vatan-dehilahy 74 600; ho an'ny fokon'i Jisakara dia i Natanaela, zanakalahin'i Tsohara, miaraka amin'ny vatan-dehilahy 54 400; ho an'ny fokon'i Zebolona dia i Eliaba zanakalahin'i Helona, miaraka amin'ny vatan-dehilahy 57 400.

9 Ny vatan-dehilahy ao anatin'ny tobin'i Joda dia mitontaly 186 400. Ireo no mpialoha lalana ny vahoaka israelita.

10 Amin'ny lafiny atsimo no hisy ireo tafika mivondrona ao anatin'ny tobin'i Reobena, ka ahitana mifanila ny tafika reobenita sy simehonita ary gadita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin'ny filoha anankiray avy amin'ny fokony araka izao: ho an'ny fokon'i Reobena dia i Elitsora zanakalahin'i Sedeora miaraka amin'ny vatan-dehilahy 46 500; ho an'ny fokon'i Simehona dia i Selomiela zanakalahin'i Tsorisaday miaraka amin'ny vatan-dehilahy 59 300; ho an'ny fokon'i Gada dia i Eliafasa zanakalahin'i Dehoela miaraka amin'ny vatan-dehilahy 45 650.

16 Ny vatan-dehilahy ao anatin'ny tobin'i Reobena dia mitontaly 151 450. Ireo no mandeha faharoa.

17 Dia handroso ny Tranolay fihaonana sy ny andian'ny Levita eo anelanelan'ny vondron-tafika roa mialoha sy ny vondron-tafika roa manaraka. Handroso araka ny filaharany eo amin'izay itobiany ihany ny levita, ka hanaraka ny fanevan'ny tarika misy azy avy.

18 Amin'ny lafiny andrefana no hisy ireo tafika mivondrona ao amin'ny tobin'i Efraima, ka ahitana ny tafika efraimita sy manasita ary benjaminita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin'ny filoha anankiray avy amin'ny fokony araka izao: ho an'ny fokon'i Efraima dia i Elisama zanakalahin'i Hamihoda miaraka amin'ny vatan-dehilahy 40 500; ho an'ny fokon'i Manase dia i Gamaliela zanakalahin'i Pedahatsoro miaraka amin'ny vatan-dehilahy 32 200; ho an'ny fokon'i Benjamina dia i Abidana zanakalahin'i Gidehony miaraka amin'ny vatan-dehilahy 35 400.

24 Ny vatan-dehilahy ao anatin'ny tobin'i Efraima dia mitontaly 108 100. Ireo no mandeha fahatelo.

25 Amin'ny lafiny avaratra kosa no hisy ireo tafika mivondrona ao anatin'ny tobin'i Dana, izay ahitana mifanila ny tafika danita sy aserita ary naftalita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin'ny filoha anankiray avy amin'ny fokony araka izao: ho an'ny fokon'i Dana dia i Ahihezera zanakalahin'i Hamisaday miaraka amin'ny vatan-dehilahy 62 700; ho an'ny fokon'i Asera dia i Pagihiela zanakalahin'i Hokrana miaraka amin'ny vatan-dehilahy 41 500; ho an'ny fokon'i Naftaly dia i Ahira zanakalahin'i Henana miaraka amin'ny vatan-dehilahy 53 400.

31 Ny vatan-dehilahy ao anatin'ny tobin'i Dana dia mitontaly 157 600. Ireo kosa no ho vodilaharana. Dia samy handeha miaraka amin'ny fanevany avy ireo vondron-tafika efatra ireo.

32 Ny vatan-dehilahy israelita voaisa araka ny foko sy araka ny toby nisy ireo tafika dia tafakatra 603 550 ny fitambarany.

33 Ny Levita ihany no tsy natao fanisana niaraka tamin'ny Israelita hafa araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

34 Notanterahin'ny Israelita izany, araka ny nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy; ka araka ny fanevany avy no nitobiany ary araka ny foko sy ny tarika nisy azy avy no niaingany.

Toko faha-3

1 Ireto avy ny taranak'i Aharona sy i Mosesy tamin'ny andro nitenenan'ny TOMPO tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.

2 Nanan-janaka efatra mirahalahy i Aharona, ka i Nadaba no lahimatoa, ny sisa dia i Abiho sy i Elehazara ary i Itamara.

3 Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Aharona izay samy mpisorona voahosotra sy voatokana hanao ny fisoronana.

4 Maty teo anatrehan'ny TOMPO anefa i Nadaba sy Abiho fony nandoro vovo-javamanitra tsy sahaza Azy tany an-taniefitr'i Sinay. Samy tsy niteraka izy mirahalahy, koa dia i Elehazara sy i Itamara ihany no sisa nanao ny fisoronana teo anatrehan'i Aharona rainy.

6 Asaivo manatona ny fokon'i Levy ka apetraho eo ambany fahefan'i Aharona mpisorona mba hanampy azy.

7 Eo anoloan'ny Tranolay fihaonana no hanatanterahany ny asany ho an'i Aharona sy ho an'ny fiangonana manontolo, ka hanaovany ny fanompoana ao amin'ny Fonena-masina.

8 Hiandraikitra ny fanaka rehetra momba ny Tranolay fihaonana izy ary ho vonona hanompo ny Israelita ka hanatanteraka izany ao amin'ny Tranolay.

9 Koa homenao an'i Aharona sy ny zanany ny Levita; eny, homenao azy marina tokoa avy amin'ny Israelita ireo.

10 Hatsanganao hitandrina ny asa fisoronana i Aharona sy ny zanany; fa izay tsy mpisorona mitady hanatona kosa dia hatao maty.

11 Mbola niteny tamin'i Mosesy indray ny TOMPO ka nanao hoe:

12 Indro Aho efa nifidy ny Levita tamin'ny Israelita rehetra ho solon'ny lahimatoa rehetra voalohan-teraka aminy; koa dia Ahy ny Levita,

13 satria Ahy ny voalohan-teraka rehetra. Tamin'ny andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny voalohan-teraka rehetra tamin'ny Israelita ho Ahy, na olona izay na biby fiompy: Ahy ireo. Izaho no TOMPO.

14 Niteny tamin'i Mosesy tany an-taniefitr'i Sinay ny TOMPO ka nanao hoe:

15 Ataovy ny fanisana ny taranak'i Levy isam-pianakaviana sy isan-tarika avy, ka ny Levita lahy rehetra feno iray volana no ho miakatra no hoisainao.

16 Dia nataon'i Mosesy ny fanisana azy ireo, araka izay nandidian'ny TOMPO azy.

17 Ireto avy ny anaran'ny zanakalahin'i Levy: i Gersona, i Kehata ary i Merary.

18 Indreto kosa ny anaran'ny zanakalahin'i Gersona: i Libny sy i Simehy ka izy roa lahy no razan'ny tarika avy aminy.

19 Ary ny anaran'ny zanakalahin'i Kehata dia ireto avy: i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrona sy i Hoziela ka izy efa-dahy no razan'ny tarika avy aminy.

20 Ary ny zanakalahin'i Merary dia i Mahily sy i Mosy ka izy roa lahy no razan'ny tarika avy aminy. Izy valo lahy ireo no ipoiran'ny tariky ny Levita araka ny fianakaviambeny avy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9373