Levitîka

Toko faha-27

7 Olona enimpolo taona no ho miakatra: ho an'ny lehilahy, dia sekela 15; ho an'ny vehivavy, dia sekela folo.

8 Raha mahantra kosa ilay olona nivoady ka tsy mahaloa izay vola voatombanao haloany, dia hoentina eo anatrehan'ny mpisorona ilay olona natokana ho an'ny Tompo; araka izay fari-pananan'ilay nivoady no hanombanan'ny mpisorona ny vola haloa.

9 Raha biby fiompy anisan'ireo fanolotra sorona ho an'ny TOMPO no atao voady, dia ho voatokana ho an'ny TOMPO avokoa ny biby rehetra omena amin'izany.

10 Tsy azo ovana na atakalo izany, na tsara no hasolo ny ratsy na ratsy no hasolo ny tsara. Kanefa raha sendra misy biby anankiray natakalo biby hafa, dia samy ho voatokana ho an'Andriamanitra izy roroa.

11 Raha biby maloto tsy fanolotra sorona ho an'ny TOMPO kosa no atao voady, dia hoentina eo anatrehan'ny mpisorona ilay biby.

12 Ny mpisorona no hanombana ny vidiny araka ny hatsarany na haratsiny; dia izay tombam-bidy nataony no harahina.

13 Raha tian'ny tompony havotana ilay biby, dia ny tombam-bidiny tongoavina ampahadimy no haloany.

14 Raha trano no avahana hatokana ho an'ny TOMPO, dia hotombanan'ny mpisorona ny vidin'ilay trano araka ny hatsarany na haratsiny, dia izay tombam-bidy nataony no harahina.

15 Raha tian'ny tompony havotana ilay trano, dia ny tombam-bidiny tongoavina ampahadimy no haloany; dia ho azy ny trano.

16 Raha zara tany no avahana hatokana ho an'ny TOMPO, dia araka ny haben'ny voan-javatra famafy eo no hanombanana ny vidiny; ka ny voam-bary orza telonjato kilao dia tombanana ho sekela volafotsy dimampolo.

17 Raha manomboka amin'ny taona Jobily no anavahana tany hatokana ho an'ny Tompo, dia izany tombam-bidy izany no harahina.

18 Fa raha aorian'ny taona Jobily kosa no anavahana tany hatokana ho an'ny Tompo, dia ny isan'ny taona sisa mandra-pahatongan'ny taona Jobily no hameran'ny mpisorona ny vidiny, ka dia hahenany araka izany ny tombam-bidiny.

19 Raha tian'ny tompony havotana ny taniny, dia ny tombam-bidy tongoavana ampahadimy no haloany; dia hapetraka ho azy ny tany.

20 Raha tsy avotan'ny tompony kosa ny tany fa amidiny amin'olon-kafa, dia tsy azony avotana intsony.

21 Fa rehefa afaka teo an-tanan'ilay nividy azy io tany io amin'ny taona Jobily, dia voatokana ho an'ny TOMPO tahaka ny tany afoy ho Azy; ka ny mpisorona no hanjary tompony.

22 Raha tany novidina fa tsy zara tany no avahana hatokana ho an'ny TOMPO,

23 dia araka ny isan'ny taona sisa mandra-pahatongan'ny taona Jobily no hameran'ny mpisorona ny tombam-bidiny; ary androtr'io ihany no handoavan'ilay olona izany, dia hatokana ho an'ny TOMPO io vola io.

24 Amin'ny taona Jobily kosa dia hiverina amin'ilay nividianana azy ny tany, izany hoe amin'ilay tompon-dova.

25 Ny tombam-bidy rehetra dia araka ny sekela fampiasa ao amin'ny Toeramasina no hanaovana azy; ka milanja folo grama ny sekela iray.

26 Noho ny voalohan-teraky ny biby fiompy efa voatokana rahateo ho an'ny TOMPO, dia mazava loatra fa tsy azo avahan'ny isam-batan'olona mba hatokana ho an'ny TOMPO izany; koa na omby na ondry na osy, rehefa voalohan-teraka, dia an'ny TOMPO izany.

27 Raha voalohan-teraka amina biby maloto no hatokana ho an'ny TOMPO, dia azon'ny tompony avotana ilay biby, araka ny tombam-bidy tongoavina ampahadimy; fa raha tsy havotan'ny tompony izy, dia hamidy amin'olon-kafa araka ny tombam-bidiny.

28 Ny zavatra rehetra avahan'ny olona mba hafoy ho an'ny TOMPO, amin'izay ananany na olona na biby fiompy na zara tany, dia tsy ho azo amidy na avotana; ny zavatra rehetra, izay hafoy toy izany, dia zavatra voatokana tanteraka ho an'ny TOMPO.

29 Ny olona rehetra, izay hafoy ho an'ny TOMPO, dia tsy misy azo avotana fa hatao maty tokoa.

30 Ny ampahafolon'ny vokatry ny tany, na avy amin'ny tanim-bary na avy amin'ny saha, dia an'ny TOMPO; voatokana ho AZY izany.

31 Raha misy tian'ny tompony havotana io ampahafolon'ny vokatra io, dia ny tombam-bidy tongoavina ampahadimy no haloany.

32 Ny ampahafolon'ny biby fiompy, na omby na ondry na osy, izany hoe ny biby voamariky ny tehin'ny mpiandry azy, dia voatokana ho an'ny TOMPO.

33 Tsy ijerena ny tsara na ratsy izany sady tsy azo atakalo; kanefa raha sendra misy biby anankiray natakalo biby hafa, dia samy ho voatokana ho an'Andriamanitra izy roroa ka samy tsy misy azo avotana.

34 Ireo no didy nampitain'ny TOMPO tamin'i Mosesy ho an'ny Israelita, teo an-tendrombohitra Sinay.

Nomerỳ

Toko voalohany

1 Izao no nolazain'ny TOMPO tamin'i Mosesy tany an-taniefitr'i Sinay, tao amin'ny Tranolay fihaonana, ny andro voalohan'ny volana faharoa tamin'ny taona faharoa nialan'ny Israelita tany Ejipta:

2 Ataovy ny fanisana ny fiangonan'ny Israelita rehetra araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ka raiso tsirairay ny anaran'ny lehilahy rehetra,

3 dia izay vatan-dehilahy feno roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana. Ianao sy i Aharona no hanisa ireo araka ny tafika misy azy avy.

4 Aoka hisy lehilahy anankiray isam-poko, dia lehilahy izay tokony ho filoham-pianakaviana, mba hanampy anareo.

5 Ireto avy ny anaran'ireo lehilahy hanampy anareo: i Elitsora zanak'i Sedeora no avy amin'ny fokon'i Reobena;

6 i Selomiela zanak'i Tsorisaday no avy amin'ny fokon'i Simehona;

7 i Nahasona zanak'i Haminadaba no avy amin'ny fokon'i Joda;

8 i Natanaela zanak'i Tsohara no avy amin'ny fokon'i Jisakara;

9 I Eliaba zanak'i Helona no avy amin'ny fokon'i Zebolona;

10 i Elisama zanak'i Hamihoda no avy amin'ny fokon'i Efraima zanak'i Josefa; i Gamaliela zanak'i Pedahatsoro no avy amin'ny fokon'i Manase zanak'i Josefa;

11 I Abidaha zanak'i Gidehony no avy amin'ny fokon'i Benjamina;

12 i Ahihezera zanak'i Hamisaday no avy amin'ny fokon'i Dana;

13 i Pagihiela zanak'i Hokrana no avy amin'ny fokon'i Asera;

14 i Eliasafa zanak'i Dehoela no avy amin'ny fokon'i Gada;

15 Ahira zanak'i Henana no avy amin'ny fokon'i Naftaly.

16 Ireo no filoham-pianakaviana voafidin'ny fiangonana sady filohan'ny miaramilan'i Israely ihany koa.

17 Nalain'i Mosesy sy i Aharona ho lefiny ireo olona voatonona anarana ireo,

18 ka novoriny ny fiangonana manontolo tamin'ny andro voalohan'ny volana faharoa, dia nosoratany ny anaran'ny lehilahy israelita rehetra feno roapolo taona no ho miakatra araka ny fianakaviany sy ny fokony avy,

19 mifanaraka amin'ny nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy. Tao an-taniefitr'i Sinay no nanaovany ny fanisana.

20 Ny isam-pokon'i Israely no nanaovam-panisana araka ny tarika sy ny fianakaviany avy, ka nanoratana ny anaran'ny lehilahy rehetra feno roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana. Natomboka tamin'ny fokon'i Reobena lahimatoan'i Jakoba izany.

21 Toy izao manaraka izao ny isa azo:

22 Ny fokon'i Reobena: 46 500

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.983