Apôkalipsỳ

Toko faha-10

7 Fa amin'ny andro hitsofan'ilay anjely fahafito ny trompetrany, dia ho tanteraka ny zava-miafina nalahatr'Andriamanitra, araka ny teny soa nambarany tamin'ireo mpaminany mpanompony.

8 Ary niteny tamiko indray ilay feo efa reko avy tany an-danitra, nanao hoe: Mandehana, raiso ny horonamboky kely mivelatra eny an-tanan'ilay anjely mijoro eo amin'ny ranomasina sy eo amin'ny tany.

9 Dia nankeny amin'ilay anjely aho ka nanao taminy hoe: Mba omeo ahy iny horonamboky kely iny! Ary hoy izy tamiko: Raiso izy ka atelemo avokoa; hangidy ao an-kibonao izy, nefa ao am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.

10 Dia noraisiko ilay horonamboky kely teny an-tanan'ny anjely ka nateliko avokoa; ary mamy tahaka ny tantely izay tao am-bavako, nefa nony voateliko dia nangidy tao an-kiboko.

11 Tamin'izay dia nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy mitondra ny hafatr'Andriamanitra indray ianao ny amin'ny vahoaka maro sy firenena maro sy olona maro samy hafa fiteny ary mpanjaka maro.

Toko faha-11

1 Ary nomena volotara tahaka ny tehina fandrefesana aho, dia nilazana hoe: Mitsangana, ka refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara ary isao izay mivavaka ao.

2 Ny kianjan'ny tempoly, ilay eo ivelany, dia avelao ihany fa aza refesina; satria nomena ny hafa firenena izany, ka hanitsakitsaka ny tanana masina izy ireo mandritra ny 42 volana.

3 Ary homeko hery ny vavolombelona roa mpanambara Ahy, ka hitondra ny hafatro mandritra ny 1260 andro sady hitafy gony.

4 Ireo vavolombelona roa ireo no fototr'oliva anankiroa sy fitoeranjiro anankiroa, izay mijoro eo anatrehan'ilay Tompon'ny tany.

5 Ka raha misy mitady hanisy ratsy azy ireo, dia misy afo mivoaka avy ao am-bavany handevona ny fahavalony; ary tsy maintsy hovonoina ho faty toy izany izay mitady hanisy ratsy azy ireo.

6 Ireo no manam-pahefana hanidy ny lanitra, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana mandritra ny andro hampitany ny hafatr'Andriamanitra; sady manam-pahefana amin'ny rano, ka mahova azy ho ra; ary manam-pahefana hamely ny tany amin'ny loza rehetra isaky ny te hanao izany.

7 Ary rehefa nahavita fijoroana vavolombelona ireo olona roa ireo, dia hiadian'ilay biby miakatra avy amin'ny hantsambe ary ho resiny sy hataony maty.

8 Ka ny fatiny dia hiampatra eny an-dalamben'ilay tanana lehibe; io tanana io no nanomboana ny Tompony tamin'ny hazofijaliana sady antsoina koa hoe Sodoma na Ejipta araka ny heviny ara-panahy.

9 Vahoaka sy foko ary olona samy hafa fiteny sy firenena maro no misy mijery ny fatin'ireo mandritra ny telo andro sy tapany, sady tsy avela halevina izy.

10 Mifaly sy miravo ary mifanatitra fanomezana ny mponina ambonin'ny tany noho ny nahafatesan'ireo, fa nampiferinaina ny mponina ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo.

11 Taorian'ny telo andro sy tapany, dia nisy fofonaina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo faty ireo, ary nampijoro azy tamin'ny tongony; ka raiki-tahotra mafy izay olona nahita azy.

12 Dia nahare feo mahery avy tany an-danitra ireo mpaminany roa ireo, nanao taminy hoe: Miakara aty! Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona ireo, ary nahatazana azy ny fahavalony.

13 Tamin'izay fotoana izay dia nisy horohorontany mafy ka nirodana ny ampahafolon'ilay tanana ary olona fito arivo no matin'io horohorontany io. Raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an'ilay Andriamanitra monina ao an-danitra.

14 Lasa izay ny loza faharoa; indro hisosoka faingana ny loza fahatelo.

15 Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: Efa lasan'ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin'izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany!

16 Ary ny loholona 24 izay samy mipetraka eo ambony sezafiandrianany eo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka nitsaoka an'Andriamanitra

17 sady nanao hoe: Misaotra Anao izahay, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, noho Ianao naneho ny herinao lehibe ary noho Ianao efa manjaka.

18 Tezitra ireo firenena, kanefa tonga ny fahatezeranao sy ny fotoana hitsaranao ny maty; tonga ny fotoana hanomezanao valisoa ny mpaminany mpanomponao sy ny vahoakanao mbamin'ireo manaja Anao, na kely na lehibe; tonga ny fotoana hanimbanao izay olona manimba ny tany.

19 Dia novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka niseho teo anatin'ny tempolin'Andriamanitra ilay vata mirakitra ny fanekempihavanana nataony; ary nisy tselatra sy kotrokorana ary kotro-baratra sy horohorontany mbamin'ny havandra vaventy.

Toko faha-12

1 Ary nisy famantarana lehibe niseho teny amin'ny habakabaka, dia vehivavy anankiray: ny masoandro no toy ny lamba nisalorany, ny volana no teo an-tongony; ary kintana 12 no satroboninahitra teo amin'ny lohany.

2 Bevohoka ilay vehivavy sady mihetsi-jaza ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.

3 Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny amin'ny habakabaka: indro nisy dragona mena lehibe, manana loha fito sy tandroka folo, ary misy satroboninahitra iray avy isaky ny lohany.

4 Nifaoka ny ampahatelon'ny kintana eny amin'ny habakabaka ny rambon'ilay dragona, ka nanjera ireny tamin'ny tany. Teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka no nijanonan'ity dragona, mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka.

5 Dia teraka ravehivavy ka nahazo zazalahy, izay hifehy ny firenena rehetra amin'ny tehim-by ka nakarina faingana eo anilan'Andriamanitra sy eo anilan'ny sezafiandrianany.

6 Ravehivavy kosa nandositra nankany an-taniefitra, izay nisy toerana namboarin'Andriamanitra mba hamelomana azy mandritra ny 1260 andro.

7 Dia nisy ady nitranga tany an-danitra: i Mikaela sy ny anjeliny no niady tamin'ilay dragona; ary niady ilay dragona mbamin'ny anjeliny.

8 Kanefa resy ilay dragona, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony.

9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satana, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin'ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny.

10 Dia reko nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: Tonga izao ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakan'ilay Andriamanitsika, tonga izao ny fahefan'ilay Mesiany; satria nazera ilay mpiampanga an'ireo havantsika, dia ilay mpiampanga azy ireo andro aman'alina teo anatrehan'Andriamanitsika.

11 Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin'ny Zanakondry sy ny tenin'Andriamanitra nijoroan'izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza.

12 Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!

13 Rehefa hitan'ilay dragona fa voazera tamin'ny tany izy, dia ilay vehivavy niteraka ny zazalahy no nenjehiny.

14 Fa nomena eladroan'ny voromahery lehibe ravehivavy mba hanidinany hankany an-taniefitra, ho any amin'ny toerana izay amelomana azy mandritra ny telo taona sy tapany, ka ho voaaro amin'ny famelezan'ilay bibilava.

15 Ny vavan'ilay bibilava kosa namoaka rano toy ny riaka hanaraka an-dravehivavy mba hipaoka azy.

16 Kanjo novonjen'ny tany ravehivavy, fa nitresaka ny tany ka nitelina ny riaka izay nalefan'ny vavan'ilay dragona.

17 Dia tezitra tamin-dravehivavy ny dragona ka lasa nandeha tamin'ny taranany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny hafatra nijoroan'i Jesoa ho vavolombelona; ary nijanona teo amin'ny fasi-dranomasina ilay dragona.

Toko faha-13

1 Dia nahita biby anankiray nipoitra avy tany an-dranomasina aho; nanana tandroka folo sy loha fito izy; nisy satroboninahitra iray avy isaky ny tandrony; ary nisy anarana iray manevateva an'Andriamanitra isaky ny lohany.

2 Ilay biby izay hitako dia sahala amin'ny leoparda; saingy tahaka ny tongotr'orsa ny tongony, ary tahaka ny vavan'ny liona ny vavany. Nomen'ilay dragona azy ny heriny sy ny sezafiandrianany ary fahefana lehibe.

3 Ny anankiray tamin'ireo lohany fito dia toa voan'ny ratra ka nila ho faty, nefa sitrana ihany ilay ratra saika nahafaty azy; ary gaga ny tany tontolo ka nanaraka ilay biby.

4 Dia nivavaka teo anoloan'ilay dragona ny olona; satria izy no nanome fahefana ho an'ilay biby; ary nivavaka teo anoloan'ilay biby koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ilay biby, ary iza no afa-miady aminy?

5 Dia nomena vava midaondaona sy manevateva an'Andriamanitra ilay biby, sady nomena fahefana mba hiasa mandritra ny 42 volana.

6 Ary nanoka-bava izy hanevateva an'Andriamanitra, dia ny hanevateva ny anarany sy ny toerana fonenany mbamin'ireo mponina any an-danitra.

7 Navela hiady amin'ireo olona anisan'ny vahoakan'Andriamanitra sy handresy azy koa ilay biby, ary dia nomena fahefana tamin'ny fokom-pirenena sy ny vahoaka mbamin'ny olona samy hafa fiteny sy ny firenena rehetra.

8 Hivavaka eo anoloany daholo ny mponina ambonin'ny tany, izany hoe ny olona tsy voasoratra anarana ao amin'ny horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Io horonamboky io dia hatramin'ny fiandohan'izao tontolo izao no eo am-pelatanan'ilay Zanakondry Izay efa voavono ho faty.

9 Izay manan-tsofina, aoka hihaino!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.3584