Apôkalipsỳ

Toko faha-3

22 Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.

Toko faha-4

1 Taorian'izany, dia indro hitako nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo tany am-boalohany, izay efa reko niteny tamiko tahaka ny feon-trompetra, no nanao tamiko hoe: Miakara aty, dia hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy manaraka.

2 Niaraka tamin'izay dia nahazo tsindrimandry avy amin'ny Fanahy Masina aho. Ka indro nisy sezafiandrianana anankiray tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo ambonin'io sezafiandrianana io.

3 Ny tarehin'Ilay nipetraka dia namiratra tahaka ny vatosoa jaspa sy sardoanina; ary avana miendrika vatosoa emeralda no nanodidina ilay sezafiandrianana.

4 Nanotrona io sezafiandrianana io dia nisy sezafiandrianana hafa 24; ary teo ambonin'ireo sezafiandrianana ireo dia nisy loholona 24 nipetraka, niakanjo akanjo fotsy sady nisatroka satroboninahitra volamena.

5 Tselatra sy feo ary kotro-baratra no nivoaka avy tamin'ilay sezafiandrianana afovoany; ary nisy jiro fito mirehitra teo anoloany, dia ny Fanahy Masina ombam-panomezana fito avy amin'Andriamanitra.

6 Teo anoloan'ilay sezafiandrianana afovoany dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vatosoa kristaly. Namefy akaiky an'ilay sezafiandrianana afovoany isaky ny lafiny avy dia nisy zava-miaina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.

7 Ny zava-miaina voalohany dia tahaka ny liona; ny zava-miaina faharoa dia tahaka ny vantotr'ombalahy; ny zava-miaina fahatelo dia manan-tava tahaka ny an'ny olona; ary ny zava-miaina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.

8 Ireo zava-miaina efatra ireo dia samy manana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany manontolo teo ivelany sy tao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman'alina izy efatra manao hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha Ilay taloha sy ankehitriny ary avy!

9 Omen'ireo zava-miaina voninahitra sy haja ary saotra Ilay mipetraka eo ambonin'ny sezafiandrianana afovoany, dia ilay Velona mandrakizay mandrakizay. Ary isaky ny manao izany izy efatra,

10 dia miankohoka eo anoloan'Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana afovoany koa ireo loholona 24, mitsaoka ilay Velona mandrakizay mandrakizay sady manipy ny satroboninahiny eo anoloan'ilay sezafiandrianana ka manao hoe:

11 Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery. Fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, sady noho ny sitraponao no nisiany sy naha ary azy.

Toko faha-5

1 Dia hitako nisy horonamboky teny an-tanana ankavanan'Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana; ka io horonamboky io dia voasoratra anatiny sy ivohony sady voaisy tombokase fito.

2 Ary indro nisy anjely manan-kery nanao antso avo tamin'ny feo mafy hoe: Iza no mendrika hamaha ireo tombokase sy hanokatra ny horonamboky?

3 Kanefa tsy nisy, na tany an-danitra, na tety an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny horonamboky na nahajery izay raketiny.

4 Koa nitomany mafy aho, satria tsy hita izay mendrika hanokatra ny horonamboky sy hijery izay raketiny.

5 Dia hoy ny anankiray tamin'ireo loholona tamiko: Aoka izay ny ranomasonao! Indro ny liona avy amin'ny fokon'i Joda, dia ilay solofon'i Davida mpanjaka, fa nahazo fandresena ka afaka hamaha ireo tombokase sy hanokatra ny horonamboky.

6 Dia hitako nisy Zanakondry nijoro teo anelanelan'ilay sezafiandrianana mbamin'ny zava-miaina efatra an-kilany sy ireo loholona an-daniny. Tahaka ny efa voavono ho faty io Zanakondry io, ary nanana tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy Masina ombam-panomezana fito avy amin'Andriamanitra, Izay efa nirahina hankany amin'ny tany tontolo.

7 Dia nandroso ilay Zanakondry ka nandray ny horonamboky teny an-tanana ankavanan'Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana.

8 Rehefa nandray ny horonamboky Izy, dia niankohoka teo anoloan'ny Zanakondry ny zava-miaina efatra sy ny loholona 24. Samy nanana lokanga anankiray avy ny loholona ary koa lovia volamena feno vovo-javamanitra, dia ireo lovia tandindon'ny vavaka ataon'ny vahoakan'Andriamanitra.

9 Ary nandredona hira vaovao ho an'ny Zanakondry ny loholona ka nanao hoe: Ianao no mendrika handray ny horonamboky sy hamaha ny tombokaseny. Efa voavono ho faty Ianao, ka ny ranao nafoinao no nanavotanao olona ho an'Andriamanitra, dia olona avy tamin'ny foko amam-piteny samy hafa sy avy tamin'ny vahoaka amam-pirenena samy hafa.

10 Ary nataonao fanjaka-mpisorona ireo mba hanompo an'Andriamanitsika sy hanjaka ety ambonin'ny tany.

11 Dia nahita aho sady nandre ny anjely maro, miisa arivoarivo sy alinalina. Nanodidina ilay sezafiandrianana sy ny zava-miaina ary ny loholona ireo,

12 ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Ny Zanakondry, Izay efa voavono ho faty, no mendrika handray ny fahefana sy ny harena, ny fahendrena sy ny hery, ny haja sy ny voninahitra ary ny dera.

13 Ary ny voaary tontolo eny ana habakabaka sy ety an-tany ary any ambanin'ny tany sy any an-dranomasina, izany hoe ny zavatra rehetra ao anatin'ireo, dia reko samy nanao hoe: An'Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana sy an'ny Zanakondry ny dera sy ny haja ary ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay!

14 Dia novalian'ny zava-miaina efatra hoe: Amen! Ary ny loholona kosa niankohoka sy nitsaoka.

Toko faha-6

1 Ary izao no hitako. Rehefa novahan'ny Zanakondry ny voalohany tamin'ireo tombokase fito, dia reko niteny mafy toy ny kotro-baratra ny anankiray tamin'ny zava-miaina efatra, nanao hoe: Avia!

2 Dia indro hitako nisy soavaly fotsy, ary ilay nitaingina azy dia nanana tsipika; nomena satroboninahitra izy, ka lasa nandeha toy ny efa naharesy sady mbola haharesy.

3 Rehefa novahan'ny Zanakondry ny tombokase faharoa, dia reko ny zava-miaina faharoa nanao hoe: Avia!

4 Dia soavaly mena kosa no nipoitra; ary ilay nitaingina azy dia nomena sabatra lehibe ary navela hanaisotra ny fihavanana hiala amin'ny tany mba hifamonoan'ny olona.

5 Rehefa novahan'ny Zanakondry ny tombokase fahatelo, dia reko ny zava-miaina fahatelo nanao hoe: Avia! Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly mainty; ary ilay nitaingina azy dia nitana mizana teny an-tanany.

6 Sady reko toa nisy feo avy tao afovoan'ny zava-miaina efatra nanao hoe: Ataovy denary iray ny varimbazaha iray kilao ary denary iray ny orza telo kilao; saingy aza mbola asondro-bidy ny menaka sy ny divay.

7 Rehefa novahan'ny Zanakondry ny tombokase fahefatra, dia reko ny zava-miaina fahefatra nanao hoe: Avia!

8 Dia indro hitako nisy soavaly hatsatra; ary ilay nitaingina azy dia natao hoe Rafahafatesana izay niaraka tamin'ny Toeran'ny maty. Nomena fahefana tamin'ny ampahefatry ny tany izy ireo, hamono amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mifindra sy ny bibidia ety an-tany.

9 Rehefa novahan'ny Zanakondry ny tombokase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny fanahin'ireo voavono ho faty satria nitory ny tenin'Andriamanitra sy nitana ny hafatra nijoroan'i Kristy ho vavolombelona.

10 Ary niantso tamin'ny feo mahery izy rehetra nanao hoe: Ry Tompo masina sy marina o, rahoviana no hotsarainao ny mponina eny ambonin'ny tany ka hovalianao ny ranay nalatsany?

11 Dia samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina mbola niala sasatra fotoana fohy mandra-pahafeno ny isan'ireo mpanompo namany sy ireo havana iray finoana, izay efa hovonoina tahaka azy koa.

12 Ary nijery aho rehefa novahan'ny Zanakondry ny tombokase fahenina, ka nisy horohorontany mahery vaika; tonga mainty tahaka ny akanjo volon'osy ny masoandro; tonga mena tahaka ny ra ny volana manontolo;

13 ary ny kintan'ny habakabaka dia niraraka tamin'ny tany, tahaka ireo voa manta ahintsan'ny aviavy hozongozonin'ny rivo-mahery.

14 Dia lasa tsy hita teo tahaka ny boky voahorona ny habakabaka; ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny toerany.

15 Ny mpanjakan'ny tany, ireo lehibe sy ireo komandin-tafika, ireo mpanankarena sy ireo lehilahy matanjaka, mbamin'ny olona rehetra na mpanompo na tsy mpanompo, dia lasa niery tany anatin'ny zohy sy tany ambanin'ny vatolampy teny an-tendrombohitra,

16 ka nilaza tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy hoe: Ianjerao izahay ary afeno lavitry ny tavan'Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana sy lavitry ny hatezeran'ny Zanakondry;

17 fa tonga ny andro lehibe isehoan'ny hatezeran'Andriamanitra mbamin'ny an'ny Zanakondry, ka iza no mahatanty izany?

Toko faha-7

1 Taorian'izany, dia hitako nisy anjely efatra nijoro teo amin'ny vazan-tany efatra sady nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany mba tsy hisy rivotra hitsoka na amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo iray akory aza.

2 Ary hitako nisy anjely iray hafa koa niakatra avy any atsinanana sady nitana ny tombokasen'ilay Andriamanitra velona. Dia niantso tamin'ny feo mahery an'ireo anjely efatra navela hanimba ny tany aman-dranomasina io anjely io

3 nanao hoe: Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo ianareo, mandra-panisinay tombokase eo an-kandrin'ireo mpanompon'Andriamanitsika.

4 Ary reko ny isan'izay voaisy tombokase teo an-kandrina: ka 144 000 no voaisy tombokase, avy tamin'ny fitambaram-pokon'ireo israelita.

5 Avy tamin'ny fokon'i Joda: 12 000 no voaisy tombokase. Avy amin'ny fokon'i Reobena: 12 000. Avy tamin'ny fokon'i Gada: 12 000.

6 Avy tamin'ny fokon'i Asera: 12 000. Avy tamin'ny fokon'i Naftaly: 12 000. Avy tamin'ny fokon'i Manase: 12 000.

7 Avy tamin'ny fokon'i Simehona: 12 000. Avy tamin'ny fokon'i Levy: 12 000. Avy tamin'ny fokon'i Jisakara: 12 000.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9095