Apôkalipsỳ
Toko faha-16
14 Fanahin-demony manao zava-mampitolagaga ireo fanahy maloto ireo, sady mankany amin'ny mpanjaka eran'ny tany tontolo mba hamory azy ho amin'ny ady hatao amin'ilay andro lehibe hitsaran'Andriamanitra Tsitoha.15 Indro avy toy ny mpangalatra Aho, hoy ny Tompo. Sambatra izay miari-tory sy mitandro ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana ka ho hita mitanjaka!
16 Dia novorin'ireo fanahy maloto ireo ny mpanjakan'ny tany ho any amin'ilay toerana atao hoe Harmagedona amin'ny teny hebreo.
17 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny rivotra ny anjely fahafito, ka reko nisy feo avy tao amin'ny tempoly; niainga avy teo amin'ny sezafiandrianana ilay feo ka nanao hoe: Vita!
18 Dia nisy tselatra sy kotrokorana aman-kotro-baratra; nisy koa horohorontany mafy, ka tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, satria tena horohorontany mafy sy mahery vaika.
19 Vaky ho telo toko ilay tanana lehibe; rava ireo tananan'ny firenena; tsy hadinon'Andriamanitra ny nanasazy an'i Babilona lehibe, ka nomeny azy ny tsatokaty feno divay, dia ny divay manambara ny firehetam-pahatezeran'Andriamanitra.
20 Ny nosy rehetra, nanjavona; ny tendrombohitra, tsy hita intsony;
21 ny olona, nilatsahan'ny havandra vaventy avy tany an-danitra, dia havandra milanja tokony ho efapolo kilao ny anankiray. Ary nanevateva an'Andriamanitra ny olona noho ny loza vokatry ny havandra, fa lehibe loatra izany loza izany!
Toko faha-17
1 Dia nanatona ahy ny anankiray tamin'ireo anjely fito izay nanana ny lovia fito, ka niteny tamiko nanao hoe: Avia aty fa hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga malaza ratsy, izay mipetraka eo ambonin'ny ranobe.2 Fa io vehivavy io no nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, ary nahaboboka ny mponina ambonin'ny tany tamin'ny divaim-pijangajangany.
3 Dia nahazo tsindrimandry avy amin'ny Fanahy Masina aho ka nentin'ny anjely ho any an-taniefitra, ary nahita vehivavy mitaingina biby. Mivolon-jaky ilay biby, rakotra anarana manevateva an'Andriamanitra ny tenany, sady nanana loha fito sy tandroka folo.
4 Ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla; teny an-tanany kosa nisy tsatokaty volamena feno fanazimbazimbana, dia ny zava-maloto vokatry ny fijangajangany;
5 ary nisy anarana voasoratra teo an-kandriny, dia anarana mifono hevi-miafina manao hoe: Izaho no Babilona lehibe, foiben'ny fijangajangana sy ny fanazimbazimbana eto ambonin'ny tany.
6 Hitako ravehivavy fa boboky ny ran'ireo vahoakan'Andriamanitra, boboky ny ran'ireo vavolombelona nanambara an'i Jesoa ka novonoina ho faty noho izany. Gaga dia gaga tokoa aho nahita an-dravehivavy;
7 ka hoy ny anjely tamiko: Nahoana no gaga ianao? Holazaiko anao ny hevi-miafina ny amin-dravehivavy sy ny amin'ilay biby fito loha sy folo tandroka mitondra azy.
8 Ny biby izay hitanao dia nanan-kery taloha, fa tsy manana intsony izao, ary efa hiakatra avy any amin'ny hantsambe mba hizotra ho amin'ny fandringanana. Dia ho gaga ny mponina ambonin'ny tany raha mahita ilay biby: satria nanan-kery izy io taloha, fa tsy manana intsony izao, nefa mbola hanan-kery indray. Ho gaga ny mponina ambonin'ny tany, izany hoe ny olona tsy voasoratra anarana ao amin'ny horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay; io horonamboky io dia nisy hatramin'ny fiandohan'izao tontolo izao.
9 Eto no ilana saina manam-pahendrena. Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dravehivavy; ary milaza mpanjaka fito koa ireo:
10 efa lavo ny dimy fa iray ihany no eo izao, ary ny iray mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy dia vetivety fotsiny no tsy maintsy hitoerany.
11 Ny biby, izay nanan-kery taloha nefa tsy manana intsony izao, dia ilay mpanjaka laharana fahavalo naman'ireo fito ireo ary mizotra ho amin'ny fandringanana.
12 Ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo tsy mbola nahazo fanjakana; kanefa handray fahefana maha mpanjaka izy ireo ka hanjaka mandritra ny adiny iray monja miaraka amin'ilay biby.
13 Miray hevitra ireo mpanjaka folo ireo ka manolotra ny hery sy ny fahefany ho an'ilay biby.
14 Hiady amin'ny Zanakondry izy rehetra, nefa haharesy azy ny Zanakondry satria Izy no Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka; ary haharesy miaraka amin'ny Zanakondry koa ireo olona voaantso sy voafidy, dia ireo mpino Azy.
15 Dia hoy koa ny anjely tamiko: Ny ranobe, izay hitanao ipetrahan'ilay vehivavy janga, dia vahoaka sy olona maro mbamin'ny firenena sy ny samy hafa fiteny.
16 Ny tandroka folo sy ny biby efa hitanao kosa no hankahala ilay vehivavy janga, ka hahatonga azy hanirery sy hampitanjaka azy ary hihinana ny nofony sy handevona ny tenany amin'ny afo.
17 Fa nanome fo azy ireo Andriamanitra hanatanteraka ny heviny, dia hevitra tokana: ny hanomezan'ireo ny fanjakany ho an'ilay biby, mandra-pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra.
18 Ravehivavy efa hitanao no ilay tanana lehibe izay manjaka amin'ireo mpanjakan'ny tany.
Toko faha-18
1 Taorian'izany, dia hitako nisy anjely anankiray hafa koa nidina avy tany an-danitra; nanana fahefana lehibe io anjely io ary nanazava ny tany tontolo ny famirapiratany.2 Dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Rava, rava i Babilona lehibe, ka tonga fonenan'ny demony, sy fieren'ny fanahy maloto rehetra, ary fieren'ny vorona amam-biby maloto rehetra halan'ny olona!
3 Fa ilay divain'ny fijangajangany mihoa-pampana no nisotroan'ny firenena rehetra; ka ny mpanjakan'ny tany dia nijangajanga taminy, ary ny mpandranto manerana ny tany efa tonga mpanankarena satria tia filibana loatra io tanana io.
4 Dia reko nisy feo iray hafa koa avy tany an-danitra nanao hoe: Miala amin'io tanana io ianareo, ry vahoakako, mba tsy hiombom-pahotana aminy ary mba tsy hiharan'ny loza hanjo azy;
5 satria efa niavosa nitehika tamin'ny lanitra ny fahotany ary tsy hadinon'Andriamanitra ny hanasazy ny ratsy nataony.
6 Mamalia azy araka izay nafitsony taminareo, ka ataovy avo sasaka noho izay vitany; ny tsatokaty, izay nasiany zava-pisotro mifangaro ho anareo, dia asio zava-pisotro mifangaro indroa heny ho azy;
7 toraka izay nitiavany voninahitra sy filibana no anomezo azy fanaintainana sy fisaonana. Fa izao no lazain'io tanana io anakampony: 'Mipetraka toy ny mpanjakavavy aho fa tsy mpitondratena, ka lavitra ahy raha izay fisaonana!'
8 Noho izany, anatin'ny indray andro monja no hiantontan'ny loza hanjo azy, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, sady handevonan'ny afo azy; satria mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.
9 Ny mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga tamin'i Babilona sy niara-niliba taminy dia hitomany azy sy handondon-tratra hisaona azy, rehefa hahita ny setroka vokatry ny fandoroana azy.
10 Hijanona eny lavitra eny izy ireo, satria raiki-tahotra noho ny fanaintainana mianjady amin'i Babilona, ka hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ry Babilona, tanana lehibe, tanana matanjaka! Satria tanaty adiny iray monja dia niharan'ny sazy ianao!
11 Ny mpandranto manerana ny tany koa dia mitomany sy misaona azy, satria tsy misy mpividy intsony ny entany:
12 dia volamena sy volafotsy; vatosoa sy perla; lamba rongony madinika sy lamba volomparasy; lamba landy sy lamba jaky; hazo mani-pofona isan-karazany; fanaka isan-karazany vita amin'ny ivoary sy hazo sarobidy mbamy halimo sy vy ary vatokaranana;
13 havozomamy sy hodi-kazo manitra; ilomanitra sy miora ary vovo-javamanitra; divay sy diloilo; lafarinina tsara toto sy varimbazaha; omby sy ondry; soavaly sy kalesy; ary mpanompo sy babo.
14 Hoy ireo mpandranto ireo amin'i Babilona: Ny vokatra soa nirin'ny fonao dia efa niala taminao; ary ny zava-tsarobidy sy marevaka rehetra dia efa levona lavitra anao, ka tsy ho hitanao intsony!
15 Ny mpandranto, izay nahazo harena tamin'i Babilona noho ireny entana ireny, dia hijanona eny lavitra eny, satria raiki-tahotra noho ny fanaintainana mianjady amin'i Babilona ka hitomany sy hisaona
16 sady hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ry tanana lehibe, izay nitafy lamba rongony madinika sy lamba volomparasy ary lamba jaky, sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla!
17 Satria tanaty adiny iray monja dia foana izany harem-be izany! Ny mpitondra sambo rehetra sy ny mpandeha sambo rehetra amin'iny faritra iny ary ny matilo mbamy izay rehetra manao raharaha eny an-dranomasina, dia nijanona teny lavitra teny koa;
18 ary niantsoantso izy rehetra, raha nahita ny setroka vokatry ny fandoroana an'i Babilona, ka nanao hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanana lehibe izany?
19 Dia nanipy vovoka hiraraka tamin'ny lohany izy ireo sady nitomany sy nisaona ka niantsoantso hoe: Indrisy! Indrisy! Ry tanana lehibe, izay rakotra zava-tsarobidy ka nampahazo harena ny olona rehetra manana sambo eny an-dranomasina! Satria tanaty adiny iray monja dia foana ianao!
20 Mifalia amin'ny manjo an'i Babilona ianao, ry lanitra, sy ianareo vahoakan'Andriamanitra mbamy ianareo apostoly sy mpaminany, satria efa nitsara azy Andriamanitra ka nanome rariny anareo!
21 Ary nisy anjely anankiray manan-kery, naka vato tahaka ny vato lehibe fikoseham-bary, dia nanipy azy tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izay i Babilona, ilay tanana lehibe, ka tsy ho hita intsony!
22 Dia tsy ho re ao aminao intsony ny mozika fanaon'ny mpitendry lokanga sy ny mpihira ary ny mpitsoka sodina sy ny mpitsoka trompetra; tsy ho hita ao aminao intsony ny mpiasa rehetra amin'ny taozavatra isan-karazany; tsy ho re ao aminao intsony ny feon'ny vato fikoseham-bary.
23 Tsy hamiratra ao aminao intsony ny fahazavan'ny jiro; tsy ho re ao aminao intsony ny feon'ny mpivady vao. Satria ny mpandrantonao no efa mpifehy ny tany, sady ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.
24 Hatsipy mafy toy izany i Babilona, satria tao aminy no nahitana ny ran'ireo mpaminany sy ny ran'ireo vahoakan'Andriamanitra ary ny ran'izay rehetra novonoina tety ambonin'ny tany!