Apôkalipsỳ
Toko voalohany
19 Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay ankehitriny, na izay mbola ho avy any aoriana.20 Izao no hevi-miafina fonosin'ny kintana fito hitanao teo an-tanako havanana sy ny fitoeranjiro volamena fito: ny kintana fito dia ny anjelin'ny Fiangonana fito; ary ny fitoeranjiro fito dia ny Fiangonana fito.
Toko faha-2
1 Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Efeso: Izao no lazain'Ilay mihazona ny kintana fito eo an-tanany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fitoeranjiro volamena fito:2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny faharetanao, mbamin'ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy; efa nozahanao toetra ireo milaza ny tenany ho apostoly, kanjo tsiizy ary hitanao fa mpandainga ireo;
3 ary manana faharetana ianao, ka mizaka ny mafy noho ny amiko sady tsy ketraka.
4 Saingy izao no anomezako tsiny anao: nihemotra tamin'ilay fitiavanao tany am-boalohany ianao.
5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony mbola tsy lavo, dia ialao ny toe-dratsinao, ka ataovy indray ny asanao tany am-boalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho, ka hanaisotra ny fitoeranjironao amin'izay misy azy, raha toa tsy ialanao ny toe-dratsinao.
6 Izao kosa no anananao sitraka: ankahalainao ny asan'ireo Nikolaita, izay ankahalaiko ihany koa.
7 Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana! Izay maharesy dia havelako hihinana amin'ny voan'ilay hazo manome fiainana izay ao amin'ny sahan'Andriamanitra. Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Smirna:
8 Izao no lazain'ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray:
9 Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin'ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin'i Satana.
10 Aza matahotra na inona na inona amin'izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.
11 Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana. Izay maharesy dia tsy hiharan-doza avy amin'ny fahafatesana faharoa.
12 Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Pergamo: Izao no lazain'Ilay manana ny sabatra maranitra roa lela:
13 Fantatro izay onenanao, dia ao amin'izay itoeran'ny sezafiandrianan'i Satana. Mifikitra mafy amiko ianao ka tsy manda ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy aza, izay vavolombeloko sady lehilahy mahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'ity toerana onenan'i Satana ity.
14 Saingy izao no zavatra kely anomezako tsiny anao: misy eo aminao izay mifikitra amin'ny fampianaran'i Balahama, ilay nanome fo an'i Balaka hanisy fandrika mitaona ny Israelita amin'ny fahotana; ary dia voatarika tokoa ireo Israelita hihinan-kena natao fanatitra tamin'ny sampy sy hijangajanga.
15 Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mifikitra amin'ny fampianaran-dry zareo Nikolaita.
16 Koa ialao ny toe-dratsinao; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely an'ireo amin'ilay sabatra mivoaka avy eo am-bavako.
17 Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy; ary eo amin'io vato io dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany.
18 Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Tiatira: Izao no lazain'ilay Zanak'Andriamanitra, dia Ilay manana maso mivaivay tahaka ny lelafo sady manana tongotra mangirangirana tahaka ny varahina manganohano:
19 Fantatro ny asanao, ny fitiavanao, ny finoanao, ny fanompoanao, ary ny faharetanao; ary ny asanao farany izao dia be noho ny tany am-boalohany.
20 Saingy izao no anomezako tsiny anao: leferinao ilay vehivavy Jezebela izay milaza ny tenany ho mpaminany, ka dia mampianatra sy manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natao fanatitra tamin'ny sampy.
21 Efa nomeko andro io vehivavy io hialany amin'ny toe-dratsiny, saingy tsy mety miala amin'ny fijangajangany.
22 Indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay nanitsakitsa-bady taminy dia hozoim-pahoriana lehibe, raha toa tsy miala amin'ny asa nampianarin-dravehivavy azy.
23 Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo.
24 Fa ianareo sisa rehetra amin'ny Fiangonana any Tiatira dia tsy nanaraka izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe ?hevi-dalin'i Satana?; ka izao no lazaiko aminareo: tsy hovesarako entana hafa ianareo;
25 fa izay anananareo no tano mafy mandra-piaviko.
26 Izay maharesy ka mitandrina ny hanao ny asako hatramin'ny farany, dia homeko fahefana toy izay efa noraisiko tamin'ny Raiko: homeko fahefana amin'ny firenena izy, ka hifehy azy amin'ny tehim-by ary hanorotoro azy toy ny vilany tany. Homeko an'izay maharesy koa ny kintana fitarikandro.
29 Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.
Toko faha-3
1 Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Sardy: Izao no lazain'Ilay manana ny Fanahy Masina ombam-panomezana fito avy amin'Andriamanitra sy mitana ny kintana fito: Fantatro ny asanao; fantatro fa malaza hoe velona ianao, kanjo maty.2 Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa efa mila ho faty, satria tsy nisy nahitako lavorary eo anatrehan'Andriamanitro ny asanao.
3 Koa tsarovy izay fomba nandraisanao sy nihainoanao ny tenin'Andriamanitra ary dia tano izany ka ialao ny toe-dratsinao. Raha tsy miambina ianao, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao.
4 Kanefa eto Sardy ianao dia manana olona vitsivitsy izay tsy nandoto ny akanjony; ary miakanjo fotsy no hiara-mandeha amiko ireo, satria mendrika.
5 Izay maharesy dia hampiakanjoina akanjo fotsy toy izany koa; tsy hamono ny anarany ao amin'ny horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay Aho; ary hanaiky azy ho mpomba Ahy eo anatrehan'ny Raiko sy ny anjeliny.
6 Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.
7 Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin'i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha.
8 Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nanda Ahy.
9 Indro atolotro anao ny sasany avy amin'ireo olona mivavaka amin'i Satana: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao.
10 Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin'ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin'izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin'ny tany.
11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
12 Izay maharesy dia hataoko andry ao amin'ny tempolin'Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ilay tananan'Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra; ary hosoratako eo aminy koa ilay anarako vaovao.
13 Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.
14 Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Laodisia: Izao no lazain'ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'ny zavaboaarin'Andriamanitra:
15 Fantatro ny asanao; fantatro fa tsy mangatsiaka tsy mafana ianao; satriko ianao mangatsiaka na mafana.
16 Saingy noho ianao matimaty ka tsy mafana tsy mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao!
17 Hoy ianao hoe: manan-karena sy efa nihary fananam-be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mampalahelo, mahantra sy jamba ary mitanjaka.
18 Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan'ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao.
19 Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa ary, ka ialao ny toe-dratsinao.
20 Indro mijoro eo am-baravarana Aho, sady mandondona; ka raha misy olona mihaino ny feoko sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao an-tranony Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiara-misakafo amiko.
21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.