Apôkalipsỳ
Toko faha-19
1 Taorian'izany, dia nisy hoatra ny feo mafy navoakan'olona maro tany an-danitra, reko nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an'ilay Andriamanitsika;2 fa mahitsy sy ara-drariny ny fitsarana ataony, satria Izy efa nanameloka ilay vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin'ny fijangajangany, ary efa namaly azy noho ny ran'ireo mpanompon'Andriamanitra efa nalatsany.
3 Dia niteny indray ireo hoe: Haleloia! Fa miakatra mandrakizay mandrakizay ny setroka avy amin'ny fandoroana an'i Babilona!
4 Tamin'izay ny loholona 24 sy ny zava-miaina efatra dia niankohoka nitsaoka an'Andriamanitra, Izay mipetraka eo ambonin'ilay sezafiandrianana, ka nanao hoe: Amen! Haleloia!
5 Dia nisy feo nivoaka avy teo amin'ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: Derao ny Andriamanitsika, ianareo rehetra mpanompony sy ianareo manaja Azy, na ny kely na ny lehibe!
6 Ary nisy hoatra ny feon'olona maro, sy hoatra ny firohondrohon'ny ranobe, ary hoatra ny kotro-baratra mipoaka mafy, reko nanao hoe: Haleloia! Fa ny Tompo Andriamanitsika, ilay Tsitoha, dia efa nandray ny Fanjakany!
7 Aoka isika hifaly sy hiravo ary hanome voninahitra Azy, satria tonga ny fampakaram-badin'ilay Zanakondry; ary efa niomana ny vadiny,
8 ka akanjo madio mangatsakatsaka, natao tamin'ny kiran-drongony madinika, no natolotra hiakanjoany. (Fa izany akanjo rongony madinika izany dia tandindon'ny asa ara-drariny vitan'ny vahoakan'Andriamanitra).
9 Tamin'izay dia nisy anjely nanao tamiko hoe: Soraty! Sambatra izay voaantso amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanakondry! Ary hoy koa ny anjely tamiko: Teny marim-pototra avy amin'Andriamanitra ireo!
10 Dia niankohoka teo an-tongony aho mba hitsaoka azy, satria nilazany hoe: Tandremo, aza manao izany! Fa mpanompo miaraka aminao aho sady miaraka amin'ireo namanao iray finoana, izay mitana ny hafatra nijoroan'i Jesoa ho vavolombelona. Andriamanitra no tsaohy! Eny, ny Fanahy Masina Izay manentana hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra dia ahariharin'ny fijoroana ho vavolombelon'i Jesoa.
11 Dia nahita ny lanitra voasokatra aho, ka indro nisy soavaly fotsy niseho. Ilay mitaingina azy dia atao hoe Imahatoky sy Imahitsy. Ara-drariny no itsarany sy iadiany.
12 Tahaka ny lelafo ny masony; ary satroboninahitra maro no teo an-dohany. Izy dia manana anarana anankiray voasoratra, izay tsy nisy nahalala afa-tsy ny tenany ihany.
13 Miakanjo akanjo voahosin-dra Izy; ary ny anarany dia natao hoe: ilay Tenin'Andriamanitra.
14 Nanaraka Azy ny tafiky ny lanitra, ka samy nitaingina soavaly fotsy sy nitafy lamba rongony madinika sady fotsy no madio.
15 Misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavan'Ilay mitaingina soavaly, mba hamelezany ny firenena. Dia hifehy ny firenena amin'ny tehim-by Izy, sady hanitsaka ny famiazan-divay, dia ny divay manambara ny firehetam-pahatezeran'Andriamanitra Tsitoha.
16 Ary izao no anarana voasoratra teo amin'ny akanjobe nanarona ny feny: Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo.
17 Ary hitako nisy anjely anankiray nitsangana teo amin'ny masoandro. Niantso tamin'ny feo mahery io anjely io ka nanao tamin'ny voro-manidina rehetra teny ana habakabaka hoe: Avia, mivoria ianareo ho amin'ny fanasana lehibe ataon'Andriamanitra ho anareo,
18 ka hihinananareo ny nofon'ireo mpanjaka, ny nofon'ireo komandin-tafika, ny nofon'ireo mahery an'ady, ny nofon'ireo soavaly mbamin'ny an'ny mpitaingina azy, ary ny nofon'ny olona rehetra, na mpanompo na tsy mpanompo, na kely na lehibe.
19 Ary hitako nivory ilay biby sy ireo mpanjakan'ny tany mbamin'ny tafiny, mba hiady amin'Ilay mitaingina soavaly fotsy sy amin'ny tafiny.
20 Dia voasambotra ilay biby sy ilay mpaminany sandoka, izay nanao zava-mampitolagaga teo anatrehan'ilay biby mba hoenti-mamitaka ireo nandray ny mariky ny biby sy nivavaka tamin'ny sariny; ary natsipy velona ho any amin'ny farihy afo arehi-tsolifara ilay biby sy ilay mpaminany sandoka.
21 Ny olona sisa dia matin'ny sabatra nivoaka avy tamin'ny vavan'Ilay mitaingina soavaly fotsy, ka vokin'ny nofony avokoa ny vorona rehetra.
Toko faha-20
1 Ary hitako nisy anjely anankiray nidina avy tany an-danitra, izay nanana ny fanalahidin'ny hantsambe sy rojo vy lehibe teny an-tanany.2 Nosamborin'io anjely io ny dragona, dia ilay bibilava fahizay (izany hoe ny devoly na i Satana), ka nafatony arivo taona
3 sy natsipiny tao amin'ny hantsambe. Dia nohidian'ilay anjely ny hantsambe ary nasiany tombokase teo amboniny, mba tsy hahazoan'ny dragona mamitaka ireo firenena intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa tsy maintsy hovahana mandritra ny fotoana fohifohy izy aorian'izany.
4 Dia hitako nisy sezafiandrianana maro, izay nipetrahan'olona nomem-pahefana hitsara. Ary hitako ny fanahin'ireo notapahin-doha satria nitana ny hafatra nijoroan'i Jesoa ho vavolombelona sy nitory ny tenin'Andriamanitra: tsy mba nivavaka tamin'ny biby na tamin'ny sarin'ny biby ireo, sady tsy mba nandray ny marik'ilay biby teo amin'ny handriny na teo amin'ny tanany; efa velona ireo ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona.
5 (Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona, raha tsy efa tapitra ny arivo taona.) Izany no fitsanganana voalohany avy any amin'ny maty.
6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'izany fitsanganana voalohany izany; tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana ireo, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy ho mpisoron'i Kristy, ka hiara-manjaka amin'i Kristy arivo taona.
7 Rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana i Satana hiala amin'ny fonja nitoerany,
8 ka hivoaka hamitaka ireo firenena amin'ny vazan-tany efatra, mba hamory azy ho amin'ny ady: ireo firenena ireo dia i Goga sy i Magoga, izay tahaka ny fasi-dranomasina ny isany.
9 Ary niakatra nanerana ny lafin-tany izy rehetra, ka nanodidina ny toby nisy ny vahoakan'Andriamanitra sady nanodidina ny tanana lalain'Andriamanitra; kanjo nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandevona ireo firenena ireo.
10 Ny devoly izay namitaka azy ireo dia natsipy tany amin'ny farihy afo aman-tsolifara, izay efa nanipazana ilay biby sy ilay mpaminany sandoka; ary hampijalina andro aman'alina mandrakizay mandrakizay izy telo ireo.
11 Dia hitako ity sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany amana habakabaka dia nandositra teo anatrehany, ka tsy hita intsony izay toerana nisy azy.
12 Ary hitako ny maty rehetra, na ny lehibe na ny kely, tafajoro teo anoloan'io sezafiandrianana io. Dia nisy horonamboky maro novelarina; ary nisy horonamboky iray hafa koa novelarina, dia ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay; ka tamin'ny zavatra voasoratra tao anatin'ireo horonamboky ireo no nitsarana ny maty rehetra, araka ny asany avy.
13 Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy; Rafahafatesana sy ny Toeran'ny maty koa namoaka ny maty tao aminy; ka samy notsaraina araka ny asany avy ny maty rehetra.
14 Rafahafatesana sy ny Toeran'ny maty kosa natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany farihy afo izany no fahafatesana faharoa;
15 ka raha nisy olona tsy hita voasoratra tao anatin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.
Toko faha-21
1 Dia nahita habakabaka vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny habakabaka voalohany sy tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.2 Ary hitako nidina avy any an-danitra ny tanana masina avy tamin'Andriamanitra, dia i Jerosalema vaovao, voaomana tahaka ny ampakarina voahaingo hihaona amin'ny vadiny.
3 Ary nisy feo mahery reko avy teo amin'ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: Indro ny fonenan'Andriamanitra tonga eny amin'ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr'izy ireo.
4 Hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny mason'ireo vahoakany; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo na fitarainana na fahoriana intsony, fa efa lasa ny zavatra taloha.
5 Dia hoy Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana hoe: Indro havaoziko ny zavatra rehetra! Avy eo Izy no niteny tamiko hoe: Soraty, satria azo antoka sy marim-pototra ireo teny ireo.
6 Dia hoy indray Izy tamiko: Tanteraka ny zavatra rehetra! Izaho no Alfa sy Omega, fiandohana sy fiafarana. Izay mangetaheta dia hampisotroiko maimaimpoana amin'ny loharano miboiboika ranovelona.
7 Izay mandresy no hahazo izany lova izany; ka dia ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako.
8 Fa ny kanosa, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra, dia hanana ny anjarany any amin'ny farihy mirehitra afo aman-tsolifara: izany no fahafatesana faharoa.
9 Ary tonga ny anankiray tamin'ireo anjely fito izay nitondra lovia fito feno ny loza fito farany, ka nilaza tamiko hoe: Avia, fa hasehoko anao ilay ampakarina, dia ny vadin'ny Zanakondry!
10 Dia nahazo tsindrimandry avy amin'ny Fanahy Masina aho ka nentin'ny anjely tany amin'ity tendrombohitra sady lehibe no avo, ary nasehony ahy ny tanana masina avy tamin'Andriamanitra, dia i Jerosalema nidina avy any an-danitra
11 sady heniky ny voninahitr'Andriamanitra. Ny famirapiratan'ilay tanana masina dia tahaka ny an'ny vato sarobidy tokoa, dia ny vatosoa jaspa miendrika kristaly manganohano.
12 Nanana manda matevina sady avo izy, ary koa nanana vavahady 12; ka tamin'ireo vavahady ireo dia nisy anjely 12 sady nisy anarana voasoratra, dia ny anaran'ny foko 12 amin'ny Israelita:
13 vavahady telo eo atsinanana, vavahady telo eo avaratra, vavahady telo eo atsimo, vavahady telo eo andrefana.
14 Nisy vatofanorenana 12 ny mandan'ilay tanana; ka tamin'ireo vatofanorenana ireo dia nisy anarana 12, dia ny anaran'izy 12 lahy apostolin'ny Zanakondry.