Apôkalipsỳ
Toko faha-7
8 Avy tamin'ny fokon'i Zebolona: 12 000. Avy tamin'ny fokon'i Josefa: 12 000. Avy tamin'ny fokon'i Benjamina: 12 000 no voaisy tombokase.9 Taorian'izany, dia indreo hitako nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny vahoaka mbamin'ny olona samy hafa fiteny rehetra, niakanjo fotsy lava sy nitana sampan-drofia teny an-tanany. Nijoro teo anoloan'ny sezafiandrianana sy ny Zanakondry ireo,
10 sady niantso tamin'ny feo mahery nanao hoe: Ny famonjena dia an'ilay Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambony sezafiandrianana, ary koa an'ny Zanakondry!
11 Dia nanodidina ny sezafiandrianana sy ireo loholona ary ny zava-miaina efatra ny anjely rehetra ka niankohoka teo anoloan'ny sezafiandrianana sady nitsaoka an'Andriamanitra
12 nanao hoe: Amen! An'Andriamanitsika ny dera sy ny voninahitra amam-pahendrena, ny saotra sy ny haja ary ny fahefana sy ny hery, mandrakizay mandrakizay! Amen.
13 Dia niteny tamiko ny anankiray tamin'ny loholona nanao hoe: Iza moa ireo miakanjo fotsy lava ireo ary avy taiza no niaviany?
14 Ka novaliako hoe: Ianao, tompoko, no mahalala! Dia hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe ka nanasa sy namotsy ny akanjony tamin'ny ra nafoin'ilay Zanakondry.
15 Noho izany, dia mitoetra eo anoloan'ny sezafiandrianan'Andriamanitra izy ireo ka manompo an'Andriamanitra andro aman'alina ao an-tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana dia hiara-monina aminy ka hiaro azy.
16 Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana.
17 Fa ny Zanakondry Izay mipetraka eo afovoan'ny sezafiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharano velona; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony.
Toko faha-8
1 Rehefa novahan'ny Zanakondry ny tombokase fahafito, dia nangina tokony ho antsasak'adiny ny tao an-danitra.2 Dia hitako ireo anjely fito izay mijoro eo anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.
3 Ary nisy anjely anankiray hafa koa tonga nijoro teo anilan'ny alitara sady nitondra lovia volamena fandoroana vovo-javamanitra; dia nomena vovo-javamanitra betsaka izy mba hatolony miaraka amin'ny vavaka ataon'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra, eo ambonin'ny alitara volamena izay manoloana ny sezafiandrianan'Andriamanitra.
4 Ary ny eton'ny vovo-javamanitra, miaraka amin'ny vavaka ataon'ny vahoakan'Andriamanitra, dia niakatra avy tamin'ny tanan'ilay anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra.
5 Ary noraisin'ilay anjely ny lovia fandoroana vovo-javamanitra, nofenoiny vainafo mirehitra avy teo amin'ny alitara ka natsipiny ho eny amin'ny tany: dia nisy kotro-baratra sy kotrokorana aman-tselatra ary horohorontany.
6 Dia niomana hitsoka trompetra ireo anjely fito izay nanana ny trompetra fito.
7 Nitsoka trompetra ilay anjely voalohany, dia nisy havandra sy afo niharo ra nalatsaka tamin'ny tany; ka may ny ampahatelon'ny tany, may ny ampahatelon'ny hazo ary may ny ahi-maitso rehetra.
8 Nitsoka trompetra ilay anjely faharoa, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo nazera tany anaty ranomasina ka nanjary mena toy ny ra ny ampahatelon'ny ranomasina;
9 maty ny zava-miaina tao an-dranomasina ary rava ny ampahatelon'ireo sambo.
10 Nitsoka trompetra ilay anjely fahatelo, dia nisy kintana anankiray lehibe, mirehitra toy ny fanilo, nilatsaka avy tany an-danitra ary nianjera tamin'ny ampahatelon'ireo ony sy tamin'ireo loharano.
11 Ny anaran'ilay kintana dia atao hoe Ipoizimangidy; ka tonga mangidy sady voapoizina ny ampahatelon'ny rano rehetra, ary maro ny olona maty noho ny fisotroana rano voapoizina.
12 Nitsoka trompetra ilay anjely fahefatra, dia niharan-doza ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ireo kintana rehetra, mba tsy hamiratra intsony mandritra ny ampahatelom-potoana famiratany; ka tsy nisy hazavan'ny masoandro intsony nandritra ny ampahatelon'ny antoandro, ary tsy nisy hazavan'ny volana aman-kintana toy izany koa nandritra ny ampahatelon'ny alina.
13 Dia nahita voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny habakabaka aho ary nahare azy niantso tamin'ny feo mahery hoe: Loza! Loza! Loza ho an'ireo monina eny ambonin'ny tany noho ny feon'ny trompetra sisa efa hotsofin'ireo anjely telo!
Toko faha-9
1 Dia nitsoka trompetra ilay anjely fahadimy; ka hitako nisy kintana anankiray avy tany an-danitra, nilatsaka tety an-tany; ary nomena io kintana io ny fanalahidin'ny vavalavaky ny hantsambe.2 Dia nosokafany ny vavalavak'ilay hantsambe, ka nisy setroka niakatra avy ao tahaka ny setroka avoakan'ny lafaoro lehibe; ary nihamaizina ny masoandro sy ny habakabaka noho ny setroka navoakan'ny vavalavaka.
3 Ary nisy valala navoakan'io setroka io mba hankamin'ny tany sady nomena hery toy ny an'ny maingoka ety an-tany.
4 Dia nilazana ny valala mba tsy hamely ny ahitra amin'ny tany na ny zava-maitso na ny hazo, fa ny olona tsy manana ny tombokasen'Andriamanitra eo an-kandriny ihany.
5 Kanefa tsy navela hahafaty ireo olona ireo ny valala fa ny hampanaintaina azy dimy volana ihany; ary ny fanaintainana nafitsony dia tahaka ny fanaintainana afitsoky ny maingoka rehefa manindrona olona.
6 Amin'izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa handositra lavitra azy ny fahafatesana.
7 Ny endrik'ireo valala ireo dia mitovy amin'ny soavaly vonon-kiady; toa satroboninahitra volamena no teny an-dohany ary tahaka ny tavan'olona ny tavany.
8 Manana volo tahaka ny volom-behivavy izy ireo, ary ny nifiny dia tahaka ny an'ny liona.
9 Manana fiarovantratra tahaka ny akanjo vy fiarovantratra izy ireo; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy tarihin-tsoavaly maro miriotra hiady.
10 Manana rambo sy fanindrona tahaka ny an'ny maingoka izy ireo; ary ny rambony no misy ny hery entiny hamely ny olona mandritra ny dimy volana.
11 Manana mpanjaka ireo valala ireo, dia ilay anjely mifehy ny hantsambe; ka ny anaran'io anjely io amin'ny teny hebreo dia Abadona ary amin'ny teny grika dia Apoliona (izany hoe Mpandrava).
12 Lasa izay ny loza voalohany; fa aorian'izany, indreo hisosoka ny loza roa hafa.
13 Dia nitsoka trompetra ilay anjely fahenina, ka nisy feo reko nivoaka avy tamin'ny zoro efatry ny alitara volamena izay teo anatrehan'Andriamanitra.
14 Ary hoy ilay feo tamin'ny anjely fahenina nitana trompetra: Vahao ny anjely efatra mifatotra eo akaikin'ny Eofrata, ony lehibe!
15 Dia novahana ireo anjely efatra ireo; fa voaomana ho amin'izany ora sy andro ary volana sy taona izany rahateo izy ireo, mba hahafaty ny ampahatelon'ny olombelona.
16 Ary ny isan'ny miaramila an-tsoavaly dia roanjato tapitrisa, fa nahare ny isany aho.
17 Ary toy izao no nahitako ny soavaly sy ny mpitaingina azy, nandritra ny fahitana: ny mpitaingina dia manana fiarovantratra mena toy ny afo sy manga toy ny vatosoa safira ary mavo toy ny solifara; ny soavaly kosa dia tahaka ny lohan-diona ny lohany, ary nivoaka afo aman-tsetroka sy solifara ny vavany.
18 Ireo loza telo ireo, izany hoe ny afo aman-tsetroka sy solifara izay nivoaka avy tamin'ny vavan-tsoavaly, no nahafaty ny ampahatelon'ny olombelona.
19 Fa ny herin'ny soavaly dia eo amin'ny vavany sy ny rambony; satria toy ny bibilava ny rambony ka misy loha izay entiny mamely.
20 Kanefa ny olombelona, sisa tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy niova toetra hiala tamin'ireo andriamanitra voatran'ny tanany, ka tsy nitsaha-nivavaka tamin'ny demony sy tamin'ny sampy volamena sy volafotsy sy halimo ary vato aman-kazo, sampy izay tsy afaka mijery na mandre na mamindra;
21 ary tsy niova toetra koa izy ireo hiala amin'ny vonoana olona na ny ody ratsy na ny fijangajangana na ny halatra fanaony.
Toko faha-10
1 Dia hitako nisy anjely anankiray hafa manan-kery, nidina avy tany an-danitra: ka rahona no toy ny lamba nisalorany; voahodidin'avana ny lohany; namiratra tahaka ny masoandro ny tavany; mivaivay tahaka ny andry afo ny tongony;2 ary nitana horonamboky kely mivelatra izy teny an-tanany. Nasabakan'io anjely io ny tongony, ka ny ankavanana napetrany teo amin'ny ranomasina ary ny ankavia napetrany teo amin'ny tany.
3 Dia niantso tamin'ny feo mahery sahala amin'ny liona mierona izy; ka nony avy niantso izy, dia nirefodrefotra namaly azy ny kotro-baratra fito.
4 Ary rehefa namaly azy ny kotro-baratra fito, dia ndeha hanoratra aho; kanjo reko nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Tano ho anao izay voalazan'ny kotro-baratra fito, fa aza soratana!
5 Ary ny anjely, izay efa hitako nijoro teo amin'ny ranomasina sy teo amin'ny tany, dia nanangana ny tanany ankavanana ho amin'ny lanitra
6 sady nianiana tamin'Ilay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny habakabaka mbamin'izay ao aminy, sy ny tany mbamin'izay ao aminy, ary ny ranomasina mbamin'izay ao aminy; ka hoy ilay anjely hoe: Tsy hisy hataka andro intsony!