Apôkalipsỳ
Toko faha-13
10 Raha misy natao ho amin'ny fahababoana, dia hankany amin'ny fahababoana izy; raha misy natao ho fatin'ny sabatra, dia ho fatin'ny sabatra izy. Amin'izany no ilana ny faharetana sy ny finoana eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra.11 Dia nahita biby anankiray hafa nipoitra avy tamin'ny tany aho: nanana tandroka roa tahaka ny an'ny ondrikely izy sady nierona tahaka ny dragona.
12 Ampiasainy avokoa ny fahefan'ilay biby voalohany ka asehony eo anatrehany; ary ny tany mbamin'izay mponina ao aminy dia asainy mivavaka eo anoloan'ilay biby voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay ratra saiky nahafaty azy.
13 Manao zava-dehibe mampitolagaga ity biby faharoa ity, ka hatramin'ny mampidina afo avy any an-danitra ho ety an-tany eo imason'ny olona aza dia vitany;
14 ary mamitaka ny mponina ambonin'ny tany izy amin'ny zava-mampitolagaga nomena hataony eo anatrehan'ilay biby voalohany. Milaza amin'ny mponina ambonin'ny tany koa ny biby faharoa mba hanao sary ho fanajana ilay biby voalohany, izay voaratran'ny sabatra nefa velona ihany.
15 Dia navela hanisy aina ny sarin'ilay biby voalohany izy, mba hahatonga ny sariny hiteny ka hampamono izay rehetra tsy mivavaka eo anoloany.
16 Ary ny olona rehetra, na kely na lehibe, na manankarena na mahantra, na mpanompo na tsy mpanompo, dia noteren'ny biby faharoa handray marika eo amin'ny tanany ankavanana na eo amin'ny handriny;
17 ka tsy misy mahazo mividy na mivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ilay biby voalohany na ny isa mifandraika amin'ny anarany.
18 Eto no ilana fahendrena! Izay manan-tsaina, aoka hanombantombana ny isa mifandraika amin'ilay biby, fa isa milaza olona izany; ary 666 no isa mifandraika aminy.
Toko faha-14
1 Dia indro hitako nijoro teo an-tendrombohitra Tsiona ny Zanakondry; ary nisy olona 144 000 nomba Azy, samy manana ny anaran'ny Zanakondry sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny.2 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, dia feo mireondreona tahaka ny akon'ny rian-drano sy ny kotro-baratra mafy. Ny feo izay reko dia tahaka ny mozikan'ireo mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
3 Ireo olona 144 000 ireo dia niventy toa hira vaovao teo anoloan'ny sezafiandrianana sy teo anatrehan'ireo zava-miaina efatra ary teo anatrehan'ireo loholona; ka tsy nisy nahay nianatra izany hira izany, afa-tsy ireo olona 144 000 izay efa navotana niala tamin'ny tany.
4 Ireo no tsy nandoto tena tamin'ny fomban-tsampy, satria madio toetra. Ireo no mpanaraka ny Zanakondry na aiza na aiza alehany. Ireo no efa navotana avy tamin'ny olona, mba ho santa-bokatra atolotra ho an'Andriamanitra sy ho an'ny Zanakondry.
5 Ireo no tsy nandrenesan-dainga teo am-bavany, satria tsy manan-tsiny.
6 Ary hitako nisy anjely anankiray hafa koa nanidina teny amin'ny habakabaka farany ambony. Io anjely io dia nanana hafatra soa maharitra mandrakizay hotoriny amin'izay monina ambonin'ny tany, dia amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena mbamin'ny olona samy hafa fiteny sy ny vahoaka isan-tokony;
7 ka hoy izy tamin'ny feo mahery hoe: Manaja an'Andriamanitra ka manomeza voninahitra Azy, fa tonga ny andro fitsarany! Mitsaoha an'Ilay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'ny loharano.
8 Nanaraka an'io dia nisy anjely faharoa nanao hoe: Rava, rava i Babilona lehibe, izay nampisotro ny firenena rehetra tamin'ny divainy, dia ny divain'ny fijangajangany mihoa-pampana!
9 Nanaraka an'ireo anjely anankiroa ireo dia nisy anjely fahatelo nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy mivavaka amin'ilay biby sy ny sariny, ka mandray ny marik'ilay biby eo amin'ny handriny na eo amin'ny tanany,
10 dia izy koa no hisotro ny divain'ny haviniran'Andriamanitra, divay izay efa naidina tsy misy fangarony ao anatin'ny tsatokaty fisotroana ny hatezeran'Andriamanitra; sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanakondry izy.
11 Miakatra mandrakizay mandrakizay ny setrok'ilay afo mampijaly azy ary tsy mba manam-pitoniana na andro na alina izay olona mivavaka amin'ilay biby sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.
12 Amin'izany no ilana ny faharetana eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra, dia eo amin'izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny finoana niainan'i Jesoa.
13 Ary reko nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Soraty izao: Sambatra ireo maty, izay maty amin'ny fanompoana ny Tompo manomboka izao! Eny, hoy ny Fanahy Masina, aoka izy ireo hahazo fitoniana amin'ny fisasarany, fa ny asany manaraka azy.
14 Dia indro hitako nisy rahona fotsy, ka ilay nipetraka teo ambonin'io rahona io dia sahala amin'ny Zanak'olona; satroboninahitra volamena no teny an-dohany, ary antsy maranitra fijinjana no teny an-tanany.
15 Dia nisy anjely anankiray nivoaka avy tao amin'ny tempoly, sady niantso tamin'ny feo mahery ka nanao tamin'Ilay nipetraka teo ambony rahona hoe: Ampiasao ny antsy fijinjanao, ka mijinja; fa tonga ny taom-pijinjana, satria toy ny vokatra efa masaka dia masaka ny tany.
16 Dia naroson'Ilay nipetraka teo ambony rahona teny amin'ny tany ny antsy fijinjany, ka voajinja ny tany.
17 Ary nisy anjely anankiray hafa nivoaka avy tao amin'ny tempoly any an-danitra; izy koa dia nanana antsy maranitra fijinjana.
18 Ary nisy anjely anankiray hafa koa nipoitra avy teo amin'ny alitara, dia anjely manam-pahefana amin'ny afo. Niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao tamin'ilay anjely manana antsy maranitra fijinjana hoe: Ampiasao ny antsy fijinjanao ka otoazy ny sampahom-boaloboka eny amin'ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.
19 Dia naroson'ilay anjely teny amin'ny tany ny antsy fijinjany, ka notoazany avokoa ny voaloboky ny tany, ary natsipiny tao anatin'ny famiazana goavana, dia ny famiazana manambara ny haviniran'Andriamanitra.
20 Nohosena ny famiazana izay ivelan'ny tanana; ka nivoaka ra ny famiazana, dia ra nitobaka hatrany amin'ny telonjato kilaometatra ary nahatratra iray metatra sy sasany ny halaliny.
Toko faha-15
1 Ary hitako nisy famantarana anankiray hafa tany an-danitra, famantarana sady lehibe no mahagaga: dia anjely fito izay nanana ny loza fito farany, satria amin'ireo loza ireo no hiseho faran'izay mafy indrindra ny haviniran'Andriamanitra.2 Ary hitako nisy toa ranomasina fitaratra miharo afo; ka izay olona naharesy an'ilay biby sy ny sariny ary ny isa mifandraika amin'ny anarany dia nijoro teo amoron'io ranomasina fitaratra io sady nitana ny lokanga nomen'Andriamanitra azy.
3 Ary miventy ny hiran'i Mosesy mpanompon'Andriamanitra sy ny hiran'ny Zanakondry izy ireo manao hoe: Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha! Ara-drariny sy mahitsy ny fandaharanao ry Mpanjakan'ny firenena!
4 Iza no tsy hanaja Anao, ry Tompo? Iza no tsy hanome voninahitra Anao? Satria Ianao irery no masina, ka ho avy ny firenena rehetra hiankohoka eo anatrehanao, fa efa naharihary ny fitsaranao ara-drariny.
5 Taorian'izany, dia hitako novohana tany an-danitra ny tempoly nisy ilay fonena-masina itahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana;
6 ary ny anjely fito izay nitana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin'ny tempoly; akanjo madio mangatsakatsaka natao tamin'ny kiran-drongony no niakanjoany ary fehikibo volamena no nietrany.
7 Dia nomen'ny anankiray tamin'ny zava-miaina efatra an'ireo anjely fito ny lovia volamena fito, feno ny haviniran'ilay Andriamanitra velona mandrakizay mandrakizay.
8 Ary ny tempoly dia feno setroka avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny; ka tsy nisy afaka niditra tao amin'ny tempoly, mandra-pahatapitry ny loza fito nentin'ny anjely fito.
Toko faha-16
1 Dia reko nisy feo mahery avy tao amin'ny tempoly nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, araraho amin'ny tany ny ao anatin'ireo lovia fito feno ny haviniran'Andriamanitra.2 Dia nandeha ny anjely voalohany nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny tany; ka nisy vay mandoza sady mampahory nihatra tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny biby sy nivavaka tamin'ny sariny.
3 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina ny anjely faharoa, ka tonga ra ny ranomasina, dia ra manahaka ny ran'olona novonoina; ary maty avokoa ny miaina rehetra tao aminy.
4 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny ony sy ny loharano ny anjely fahatelo, ka tonga ra ny rano.
5 Ary reko ny anjely manam-pahefana amin'ny rano nanao hoe: Ara-drariny tokoa no nataonao, ry Ilay ankehitriny sy taloha, dia ilay Masina; ara-drariny tokoa no nataonao raha nitsara toy izany Ianao.
6 Fa ny ran'ireo anisan'ny vahoakan'Andriamanitra sy ny ran'ireo mpaminany no nalatsak'ireny olona ireny; ka dia ra kosa no efa nomenao hosotroiny, ary mendrika azy izany.
7 Dia reko nisy feo avy tao amin'ny alitara nanao hoe: Eny, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha, mahitsy sy ara-drariny ny fitsaranao!
8 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny masoandro ny anjely fahefatra, ka navela handoro ny olona tamin'ny afony ny masoandro.
9 Ary main'ny hafanana be ny olona; kanefa ny manevateva ny anaran'Andriamanitra Izay manam-pahefana amin'ireny loza ireny no nataony, fa tsy ny miala amin'ny toe-dratsiny mba hanome voninahitra an'Andriamanitra.
10 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny sezafiandrianan'ilay biby ny anjely fahadimy; ka tonga maizina ny fanjakan'ilay biby ary nanaiki-dela ny olona noho ny fanaintainana.
11 Kanefa ny manevateva ilay Andriamanitra monina ao an-danitra no nataony noho ny fanaintainana sy ny vay nanjo azy fa tsy ny miova toetra miala amin'ny asa ratsiny.
12 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin'i Eofrata, ony lehibe, ny anjely fahenina; ka ritra ny ranony, hanomanan-dalana ho an'ny mpanjaka avy any atsinanana.
13 Ary nisy fanahy maloto anankitelo, tahaka ny sahona, hitako nivoaka avy tany am-bavan'ny dragona sy avy tany am-bavan'ilay biby ary avy tany am-bavan'ilay mpaminany sandoka.