3 Jôhany

Toko faha-5

9 Efa nanoratra tamin'ny Fiangonana ihany aho; saingy i Diotrefa, izay te hanjakazaka olona, no tsy nankato anay.

10 Noho izany, rehefa tonga aho, dia hotsarovako ny asa ataony, amin'izy mibedibedy foana manaratsy anay; sady tsy afa-pon'izany, fa ny tenany tsy mety mandray ireo havana iray finoana, ary izay te handray ireo koa sakanany sy roahiny hiala amin'ny Fiangonana.

11 Aza maka tahaka ny ratsy, rahavako, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; izay manao ny ratsy kosa tsy mba nahita an'Andriamanitra.

12 Ny amin'i Demetry dia ny olona rehetra sy ny hafatra marim-pototra iainany no vavolombelon'ny mahatsara laza azy. Izahay koa dia vavolombelon'izany, ary fantatrao fa azo antoka ny fijoroanay ho vavolombelona.

13 Manan-javatra maro hosoratana aminao aho, nefa tsy tiako hatao amin'ny ranomainty sy ny penina izany.

14 Fa manantena hahita anao faingana aho, ka dia hiresaka hifanatrika isika.

15 Ho aminao anie ny fiadanana! Manao veloma anao ireo sakaiza aty. Veloma any amin'ireo sakaiza tsirairay avy.

Joda

Toko voalohany

1 Avy amiko Joda ity taratasy ity, dia izaho mpanompon'i Jesoa Kristy sady rahalahin'i Jakoba. Mamangy anareo voaantson'Andriamanitra aho, dia ianareo tiavin'Andriamanitra Ray sy tahiriziny ho an'i Jesoa Kristy.

2 Hampitomboina ao aminareo anie ny famindrampo sy ny fiadanana ary ny fitiavana!

3 Ry hava-malala, teo am-piezahana mafy hanoratra ho anareo ny amin'ny famonjena iombonantsika aho no nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, mba hampirisika anareo hikely aina hiaro ny finoana izay efa natolotra tanteraka tamin'ny vahoakan'Andriamanitra.

4 Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko eo aminareo: dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fampianarana fitondrantena maloto, ka manda an'i Jesoa Kristy, ilay Andrian-tokana sady Tompontsika. Hatry ny ela no efa voalazan'ny Soratra Masina mialoha ny fanamelohana hihatra amin'ireny olona ireny.

5 Na dia efa fantatrareo aza ny zavatra rehetra, dia tiako hampahatsiarovina anareo ireto: rehefa novonjen'ny Tompo tanteraka ho afaka tany Ejipta ny vahokany, dia naringany ihany taty aoriana izay tsy nino,

6 ary ny anjely izay tsy nitana ny fiamboniana nomena azy fa nandao ny fonenany, dia tazonin'ny Tompo am-patorana mandrakizay ao anaty haizina mandra-pahatongan'ny andro lehibe hanamelohana azy;

7 toy izany koa ny mponina tao Sodoma sy Gomora mbamin'ireo tanana manodidina: nanao fitondrantena maloto izy ireo ary lasa nivarilavo amin'ny zavatra tsy tokony hatao, ka raiso ho fananarana satria afo maharitra mandrakizay no sazy mihatra aminy.

8 Toy izany koa ireo mpampianatra sandoka ireo: mirediredy ka mandoto ny nofony sady manda ny maha Tompo an'i Kristy ary manevateva ireo atao hoe voninahitra.

9 Kanefa na i Mikaela arkanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra momba ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy nanevateva nanameloka ny devoly fa nanao taminy hoe: Aoka hofaizin'ny Tompo ianao!

10 Ireo olona ireo kosa dia manevateva ny zavatra tsy fantany akory, sady manimba tena amin'ny zavatra fantany ara-pahazarana fotsiny tahaka ny ahalalan'ny biby tsy manan-tsaina.

11 Hahita loza ireo, fa nizotra tamin'ny lalana efa nizoran'i Kaina, nihitsoka tamin'ny hadisoana efa nahavoa an'i Balahama mba hahazoana tamby, ary efa ringana tamin'ny fikomiana nataony toy ny naharingana an'i Kora.

12 Ireo no mandrava ny firindran'ny sakafom-pifankatiavana ataonareo, fa miara-mihinana aminareo tsy amin-tahotra sady mpiandry mamahan-tena. Toy ny rahona faohin-drivotra ireo ka tsy mahalatsaka orana; toy ny hazo fararano tsy misy voany sady voaongotra, ka indroa maty;

13 toy ny onjan-dranomasina misamboaravoara ka mamorivory henatra vokatry ny ataony; toy ny tain-kintana mirenireny, ka voatahiry mandrakizay ho an'ny haizina mangitsokitsoka.

14 I Henoka, ilay taranaka fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany koa ny amin'ireo olona ireo, ka nilaza hoe: Indro tonga ny Tompo, otronin'ny anjely masiny tsy tambo isaina,

15 mba hitsara ny olona rehetra; ka hampiaiky ny ratsy fanahy rehetra Izy noho ny asa ratsy rehetra mbamin'ny teny ratsy rehetra nataon'ireo mpanota ratsy fanahy ireo hanoherana ny Tompo.

16 Ireo mpampianatra sandoka ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy lava, sady miaina araka ny filandratsiny no miavonavom-piteny, ka mandoka olona mba hahazoany tombon-tsoa.

17 Ianareo kosa, ry hava-malala, tsarovy ny teny efa nolazain'ireo apostolin'i Jesoa Kristy Tompontsika;

18 satria izao no voalazany taminareo: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, hiaina araka ny filan'ny haratsiam-panahiny.

19 Ireo mpampianatra sandoka ireo no mahatonga fisaratsarahana, satria entin'ny maha olombelona ihany fa tsy mba manana ny Fanahin'Andriamanitra.

20 Ianareo kosa, ry hava-malala, ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoana masina indrindra efa anananareo, ka mivavaha omban'ny herin'ny Fanahy Masina;

21 mitahiriza tena ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ka mahandrasa ny famindrampon'i Jesoa Kristy Tompontsika hahazoanareo fiaina-maharitra mandrakizay.

22 Reseo lahatra ny sasany izay miahanahana;

23 ny sasany indray, sariho ho afaka amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany kosa amindrao fo, saingy mitandrema tsara ka ankahalao na dia ny akanjo voaloton'ny maha olona mpanota azy aza.

24 Ho an'Andriamanitra tokana anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay miaro anareo tsy ho solafaka amin'ny fahotana, Izy no mahay mampijoro anareo tsy hanan-tsiny ka haheni-karavoana anareo eo anoloan'ny voninahiny;

25 Izy no Mpamonjy antsika amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika. Eny, ho an'Andriamanitra tokana anie ny voninahitra sy ny laza ary ny fanjakana sy ny fahefana hatramy talohan'ny taona rehetra sy ankehitriny ary mandrakizay! Amen.

Apôkalipsỳ

1 Fanambarana nataon'i Jesoa Kristy no aroso amin'ity boky ity. Izany fanambarana izany dia nomen'Andriamanitra Azy mba hanehoan'i Jesoa Kristy amin'ireo mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. I Jesoa Kristy, tamin'ny alalan'ny anjely izay nirahiny, no nampahalala izany tamin'i Johany.

2 Io Johany io no vavolombelona nampita ny teny avy amin'Andriamanitra sy ny hafatra nijoroan'i Jesoa Kristy ho vavolombelona, dia ny zavatra rehetra efa hitany.

3 Sambatra izay mamaky sy ireo mihaino ny tenin'ity faminaniana ity, ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoanandro hahatanterahan'ireo zavatra ireo.

4 Avy amiko Johany ireto taratasy ireto, ary mamangy ny Fiangonana fito ao amin'ny faritany Azia aho. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Ilay ankehitriny sy taloha ary avy; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ny Fanahy Masina, ombam-panomezana fito, Izay eo anoloan'ny sezafiandrianan'Andriamanitra;

5 ary ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, ilay Zanaka lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona avy tany amin'ny maty, ary ilay filohan'ny mpanjakan'ny tany! Tia antsika i Jesoa Kristy ka efa namaha antsika tamin'ny fatoran'ny fahotantsika fony Izy nahafoy ny rany,

6 ary efa nahatonga antsika ho fanjaka-mpisorona hanompo an'Andriamanitra Rainy. Ho an'i Jesoa Kristy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay! Amen.

7 Indro i Jesoa Kristy, tamy eo amin'ny rahona, ka hahita maso Azy ny olona rehetra, na dia ireo nandefona Azy aza, ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, izany tokoa!

8 Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, ilay Tsitoha.

9 I Johany havanareo aho. Tafaray amin'i Jesoa aho ka mpiombona anjara amin'ny fahoriany sy ny fanjakany ary ny faharetany miaraka aminareo. Napetraka tao amin'ny nosy antsoina hoe Patmo aho satria nitory ny tenin'Andriamanitra sy nitana ny hafatra nijoroan'i Jesoa ho vavolombelona.

10 Nahazo tsindrimandry avy amin'ny Fanahy Masina aho tamin'ny andron'ny Tompo, ka nahare feo mahery tao ivohoko, dia feo mahery tahaka ny feon-trompetra

11 nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty ho boky ka ampitondray any amin'ny Fiangonana fito: dia any Efeso, Smirna, Pergamo, Tiatira, Sardy, Filadelfia, ary Laodisia.

12 Dia nitodika aho hizaha izay olona niteny tamiko. Ka rehefa tafatodika aho, dia nahita fitoeranjiro volamena fito,

13 ary teo afovoan'ireo fitoeranjiro ireo dia nisy tahatahaka ny Zanak'olona, niakanjo akanjo lava, nanao etra volamena manodidina ny tratrany;

14 ny lohany sy ny volondohany dia fotsy tahaka ny volonondry fotsy na tahaka ny orampanala; ny masony mivaivay tahaka ny lelafo;

15 ny tongony mangirangirana tahaka ny halimo manganohano, hoatra ilay halimo voadio tamin'ny memy afo; ary ny feony midoboka tahaka ny firohondrohon'ny ranobe.

16 Nitana kintana fito teny an-tanany ankavanana Izy, nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany ary ny tarehiny dia manelatrelatra tahaka ny masoandro faran'ny mamirapiratra.

17 Vao nahita ny Zanak'olona aho, dia lavo niankohoka toy ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa nametraka teo amboniko ny tanany ankavanana Izy ka nanao hoe: Aoka izay ny tahotra! Izaho no Voalohany sy Farany,

18 dia ilay Velona; efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manam-pahefana amin'ny fahafatesana sy amin'ny Toeran'ny maty.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9934