1 Jôhany

Toko faha-4

14 Ary izahay efa nahita ka dia vavolombelona manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an'izao tontolo izao ny Ray.

15 Na iza na iza manaiky an'i Jesoa ho Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ao anatiny Andriamanitra ary izy ao anatin'Andriamanitra.

16 Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra ao amin'ny fitiavana no mitoetra ao anatin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao anatiny.

17 Izao no mahalavorary ny fitiavana eo anivontsika: hanan-toky isika amin'ny andro fitsarana, satria tahaka an'i Kristy isika eto amin'izao tontolo izao.

18 Tsy mba manan-tahotra ny fitiavana, fa ny fitiavana lavorary mandroaka ny tahotra. Mifantoka amin'ny sazy manko ny tahotra, fa izay matahotra dia mbola tsy lavorary amin'ny fitiavana.

19 Tia isika, satria Andriamanitra no efa tia antsika mialoha.

20 Raha misy manao hoe: Manam-pitiavana an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny namana iray finoana, dia mpandainga izy; fa raha ny namana izay hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany?

21 Ary izao no didy azontsika tamin'i Kristy: izay manam-pitiavana an'Andriamanitra dia tsy maintsy manam-pitiavana ny namana iray finoana koa.

Toko faha-5

1 Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay Andriamanitra niteraka, dia tia izay naterak'Andriamanitra koa.

2 Ny ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny fanatontosantsika ireo didiny.

3 Eny, ny fitiavana an'Andriamanitra dia ny fitandremantsika ireo didiny; sady tsy mavesatra ireo didiny ireo,

4 satria izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao. Ary ny fitaovam-pandresena izay maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.

5 Iza moa no maharesy izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no ilay Zanak'Andriamanitra?

6 I Jesoa Kristy dia Ilay avy tamin'ny alalan'ny rano sy tamin'ny alalan'ny ra. Tsy tamin'ny rano ihany no nahatongavany, fa tamin'ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy Masina no vavolombelona manambara izany, satria ny Fanahy Masina no fahamarinana.

7 Fa ankehitriny, telo no vavolombelona manambara:

8 dia ny Fanahy Masina sy ny rano ary ny ra; sady mifanaraka tsara izy telo.

9 Raisintsika ny zavatra ambaran'ny olona; ary lehibe noho izany ny zavatra ambaran'Andriamanitra, satria ny zavatra ambaran'Andriamanitra dia izay efa nambarany momba ny Zanany.

10 Koa izay mino ilay Zanak'Andriamanitra no manana izany zavatra ambara izany ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra kosa dia efa nampandainga an'Andriamanitra, satria tsy nino ny zavatra nambarany momba ilay Zanany.

11 Ary ny zavatra nambara dia izao: fiaina-maharitra mandrakizay no efa nomen'Andriamanitra antsika ary ao amin'ilay Zanany izany fiainana izany.

12 Izay manana ny Zanaka no velona aina; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy velona aina.

13 Izany no voasoratro ho anareo izay mino ny anaran'ilay Zanak'Andriamanitra, mba hahafantaranareo fa velona aina mandrakizay ianareo.

14 Ary izao no toky ananantsika eo anatrehan'Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;

15 ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy na inona na inona angatahintsika, dia fantatsika koa fa azontsika izay angatahintsika aminy.

16 Raha misy mahita ny namana iray finoana manao ota tsy mahafaty, dia aoka izy hivavaka ho azy ary Andriamanitra no hanome azy fiainana: izay ny amin'ireo manao ota tsy mahafaty. Fa misy ota mahafaty, ka tsy mba ny amin'izany no ilazako hoe tokony hivavaka izy.

17 Ota avokoa ny asa ratsy rehetra, saingy misy ota tsy mahafaty.

18 Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota, satria arovan'ilay Zanak'Andriamanitra izy ka tsy voakasik'ilay Ratsy.

19 Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, fa izao tontolo izao kosa eo ambany fahefan'ilay Ratsy avokoa.

20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an'ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin'izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.

21 Rey anaka, mitandrema tena fandrao manompo sampy ianareo.

2 Jôhany

1 Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Andriambavy voafidin'Andriamanitra, ary mamangy an'ireo zanakao izay tiako marina tokoa; ary tsy izaho ihany no manam-pitiavana anareo fa izay rehetra mahalala ny hafatra marim-pototra koa,

2 satria mitoetra ao anatintsika ny hafatra marim-pototra sady homba antsika mandrakizay.

3 Homba antsika anie ny fahasoavana sy famindrampo amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaky ny Ray, noho isika vonton'ny hafatra marim-pototra sy ny fitiavana!

4 Faly tokoa aho tamin'ny nahitako ny zanakao sasany miaina ny hafatra marim-pototra, araka ny didy noraisintsika tamin'ny Ray.

5 Ary izao no angatahiko aminao ankehitriny, ry Andriambavy: aoka hifankatia isika! Tsy hoe didy vaovao no soratako aminao fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany ihany.

6 Ary izao no fitiavana, dia ny hiainantsika araka ireo didin'Andriamanitra. Ny didy, araka ny efa renareo hatramin'ny voalohany, dia ny hiainanareo amin'ny fitiavana.

7 Maro mantsy ny mpamitaka efa niely eran'izao tontolo izao: izy ireny dia tsy manaiky fa tonga olombelona tokoa i Jesoa Kristy. Izany no maha mpamitaka sy maha antikristy!

8 Mitandrema tena ianareo mba tsy hahavery ny vokatr'ireo asanareo sady mba handraisanareo valisoa feno.

9 Izay rehetra tsy mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy fa mihoa-pefy, dia tsy manana an'Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy no manana ny Ray sy ny Zanaka.

10 Raha misy olona tonga ao aminareo, ka tsy mitondra izao fampianarana izao, dia aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory;

11 fa izay miarahaba azy dia miombona amin'ny ratsy ataony.

12 Manan-javatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin'ny taratasy sy ny ranomainty izany. Fa manantena ho tonga aty aminareo aho ka hiresaka mifanatrika aminareo, mba ho feno ny hafaliantsika.

13 Ireo zanak'ilay rahavavinao, izay voafidin'Andriamanitra koa, dia manao veloma anao.

3 Jôhany

1 Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Gaio, hava-malala izay tiako marina tokoa.

2 Mangataka amin'Andriamanitra aho, rahavako, mba hambinina amin'ny zavatra rehetra ianao ary mba ho salama tsara, tahaka izay anambinana anao ara-panahy.

3 Faly tokoa aho, fony nisy havana iray finoana tonga ka nijoro ho vavolombelona nanambara tamiko fa mifikitra amin'ny hafatra marim-pototra ianao, araka ny efa iainanao an'izany.

4 Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny andrenesako fa miaina ny hafatra marim-pototra ireo zanako.

5 Asan'olona mahatoky, rahavako, no ataonao na inona na inona tontosainao amin'ny havana iray finoana, na dia vahiny mandalo aza izy.

6 Ireo no nanambara teo anatrehan'ny Fiangonana izany fitiavanao izany. Dia ho soa no hataonao, raha manatitra sy mamatsy azy ireo amin'ny diany ianao, araka izay fomba mendrika an'Andriamanitra;

7 fa ho voninahitr'i Kristy no niaingan'ireo sady tsy anekeny handray na inona na inona avy amin'ny tsy kristianina.

8 Koa isika no tokony hanohana ny olona toy ireny mba ho mpiara-miasa aminy hampiely ny hafatra marim-pototra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9467