1 Jôhany

Toko faha-2

17 Mandalo izao tontolo izao sy ny filandratsy itaomany, fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

18 Rey anaka, izao no fotoanandro farany. Araka ny efa renareo dia ho avy ilay antikristy, sady maro ny antikristy efa tonga sahady; ka izany no ahafantarantsika fa izao no fotoanandro farany.

19 Avy tamintsika ihany ireo no niala, saingy tsy namantsika; satria raha namantsika tokoa ireo, dia ho naharitra niaraka tamintsika. Fa ireo no niala, dia mba hampiharihary fa tsy namantsika avokoa ny olona rehetra.

20 Ianareo kosa dia manana ny Fanahy Masina avy amin'i Kristy ary mahafantatra izany avokoa ianareo.

21 Tsy noho ianareo tsy mahafantatra ny hafatra marim-pototra no nanoratako taminareo, fa noho ianareo mahafantatra izany; ary fantatrareo koa fa tsy misy lainga avy amin'ilay hafatra marim-pototra.

22 Iza no mpandainga, raha tsy izay manda an'i Jesoa tsy ho Kristy? Izy no ilay antikristy, manda ny Ray sy ny Zanaka.

23 Izay rehetra manda ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.

24 Ianareo kosa, dia ny hafatra izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo ny hafatra izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao anatin'ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo.

25 Ary ny zavatra nampanantenain'i Kristy antsika dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.

26 Izany no voasoratro ho anareo, dia ny amin'ireo mitady hamitaka anareo.

27 Ianareo kosa, dia ny Fanahy Masina efa noraisinareo avy tamin'i Kristy no mitoetra ao anatinareo, ka tsy mila hampianarin'olona ianareo. Fa ny Fanahy Masina avy amin'i Kristy no mampianatra anareo ny amin'ny zavatra rehetra, ary zavatra marim-pototra fa tsy lainga no ampianariny; ka tomoera ao anatin'i Kristy ianareo, araka ny nampianaran'ny Fanahy Masina anareo.

28 Eny, rey anaka, tomoera ao anatin'i Kristy ianareo mba hananantsika toky rahatrizay hiseho Izy ary mba tsy ho voaroaka lavitra Azy isika amin'ny andro hiaviany ka ho afa-baraka.

29 Raha fantatrareo fa marina Andriamanitra, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina soritany koa dia naterak'Andriamanitra.

Toko faha-3

1 Endrey ity haben'ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika: fa nantsoina hoe zanak'Andriamanitra isika, sady zanany tokoa! Izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy nahalala an'Andriamanitra.

2 Ry hava-malala, zanak'Andriamanitra isika ankehitriny, kanefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika rahatrizay. Saingy fantatsika fa rahatrizay hiseho i Kristy, dia ho tahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny maha Izy Azy.

3 Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina amin'i Kristy izany dia mitandrin-tena hanana toetra madio mba hadio toetra tahaka Azy.

4 Izay rehetra manota dia mandika ny lalanan'Andriamanitra, fa ny ota no fandikana ny lalanan'Andriamanitra.

5 Fantatrareo kosa fa i Jesoa Kristy no niseho, dia mba hanala ny ota, ary tsy mba misy ota ao aminy.

6 Izay rehetra miray amin'i Kristy dia tsy manota; izay rehetra manota, dia tsy nahita Azy na nahalala Azy.

7 Rey anaka, aza avela hisy hamitaka anareo; izay manao ny marina soritan'Andriamanitra ihany no marina tahaka an'i Jesoa Kristy koa.

8 Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly dia mpanota hatrany am-boalohany. Ary ny anton'ny nisehoan'ilay Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly.

9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota, satria ilay voa nafafin'Andriamanitra no mitoetra ao anatiny; ary tsy mahay manota izy satria naterak'Andriamanitra.

10 Izany no mampiavaka miharihary ireo zanak'Andriamanitra amin'ireo olona andevozin'ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina soritany sy izay tsy tia ny namana iray finoana.

11 Izao manko no hafatra efa renareo hatramin'ny voalohany: aoka isika hifankatia!

12 Fa tsy hanao tahaka an'i Kaina izay avy amin'ilay Ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary inona no anton'ny namonoan'i Kaina azy? Dia satria ratsy ny asan'i Kaina, fa marina kosa ny an'ny rahalahiny.

13 Aza gaga, ry havana, raha ankahalain'izao tontolo izao ianareo.

14 Fantatsika fa tafafindra avy tamin'ny fahafatesana mba hiditra ao amin'ny fiainana isika, satria tia ireo namana iray finoana. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin'ny fahafatesana ihany.

15 Izay rehetra mankahala ny namany iray finoana dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiaina-maharitra mandrakizay mitoetra ao anatiny.

16 Izao no ahafantarantsika ny fitiavana: i Jesoa Kristy dia nahafoy ny ainy hamonjeny antsika; ary isika koa dia mba tokony hahafoy ny aintsika hamonjena ny namana.

17 Na iza na iza manan-karena eto amin'izao tontolo izao, ary mahita ny namany mahantra nefa mihirim-belona tsy mangoraka azy, ahoana no itoeran'ny fitiavan'Andriamanitra ao anatiny?

18 Rey anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny tsara lahatra fotsiny isika, fa ho tia amin'ny asa sy araka ny tena marina.

19 Izany no hahafantarantsika fa mpiandany amin'ny marina isika. Izany no hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehan'Andriamanitra,

20 raha toa manameloka antsika ny fontsika: Andriamanitra manko dia fantatsika fa lehibe noho ny fontsika sady mahalala ny zavatra rehetra.

21 Ry hava-malala, raha toa tsy manameloka antsika ny fontsika, dia manan-toky eo anatrehan'Andriamanitra isika;

22 ary na inona na inona angatahintsika dia azontsika avy aminy, satria mitandrina ireo didiny sy manao izay ankasitrahina eo imasony isika.

23 Ary ny didin'Andriamanitra dia ny hinoantsika ny anaran'i Jesoa Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomen'i Kristy antsika.

24 Izay mitandrina ireo didin'Andriamanitra no mitoetra ao anatin'Andriamanitra ary Andriamanitra kosa ao anatiny; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao anatintsika Andriamanitra, dia ny Fanahy Masina Izay nomeny antsika.

Toko faha-4

1 Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin'Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran'izao tontolo izao.

2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: ny olona rehetra manaiky fa efa tonga olombelona tokoa i Jesoa Kristy, dia manana ny Fanahy avy amin'Andriamanitra;

3 ny olona rehetra tsy manaiky an'i Jesoa araka izany, dia tsy manana ny Fanahy avy amin'Andriamanitra: ny fanahy ananany dia ny fanahin'ilay antikristy, izay renareo fa ho avy ary efa eo amin'izao tontolo izao sahady aza ankehitriny.

4 Rey anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy an'ireny mpaminany sandoka ireny; satria lehibe ny Fanahy Masina izay ao anatinareo noho ny fanahy izay ao amin'izao tontolo izao.

5 Ireny mpaminany sandoka ireny dia anisan'izao tontolo izao, ka izany no itenenany zavatra avy amin'izao tontolo izao sy ihainoan'izao tontolo izao azy.

6 Fa izahay kosa dia avy amin'Andriamanitra; ka izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay, fa izay tsy avy amin'Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny Fanahy fahamarinana sy ny fanahy fahadisoan-kevitra.

7 Ry hava-malala, aoka hifankatia isika, fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra.

8 Izay tsy tia dia tsy mahalala an'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.

9 Izao no nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany antsika: nirahiny ho eo amin'izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahavelona antsika amin'ny alalany.

10 Izao no fitiavana: tsy hoe isika no nitia an'Andriamanitra; fa Izy no nitia antsika, ka naniraka ny Zanany lahitokana ho sorom-panonerana hamelana ny fahotantsika.

11 Ry hava-malala, raha toy izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia koa isika.

12 Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa raha mifankatia isika, dia mitoetra ao anatintsika Andriamanitra, ary lavorary ao anatintsika ny fitiavana Azy.

13 Ny ahafantarantsika fa mitoetra ao anatin'Andriamanitra isika ary Izy ao anatintsika, dia ny Fanahiny efa nomeny antsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9066