2 Petera
Toko faha-2
17 Ireo mpampianatra sandoka ireo dia loharano ritra, zavona avoivoin'ny tafio-drivotra, ka ny haizim-pito no voatahiry ho azy ireo.18 Teny manodoka sy tsy misy heviny no ataony; ka ny filandratsin'ny maha olona mpanota, dia ny fitondrantena maloto, no entiny mamitaka ny olona izay vao nandao ny fiainana diso lalana.
19 Fahafahana no ampanantenain'ireo ny olona voasodokany; kanjo ny tenany aza andevozin'ny fahazaran-dratsy, fa izay resy dia andevozin'izay naharesy azy.
20 Ary raha misy olona efa niala tamin'ny faharatsian'izao tontolo izao, noho ny fahalalana tsara an'i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika, kanefa voasingotry ny faharatsiana indray ka resy, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany.
21 Aleo manko tsy nahafantatra ny lala-marina soritan'Andriamanitra izy, toy izay efa nahafantatra vao nihemotra mandao ny didy masina natolotra azy.
22 Efa mihatra aminy tokoa ilay ohabolana marina hoe: Ny alika no miverina amin'ny loany, ary ny hoe Ny kisoavavy voasasa no mihosim-potaka indray.
Toko faha-3
1 Ry hava-malala, ity izao no taratasy faharoa soratako ho anareo.2 Izy roroa dia samy entiko hampahatsiarovan-javatra anareo sy hanaitaitra ny eritreritra mahitsy anananareo; ka dia hotsarovana ny zavatra voalazan'ny mpaminany masina fahiny mbamin'ny didy nomen'ny Tompo sy Mpamonjy, didy izay nentin'ireo apostoly nirahina ho aty aminareo.
3 Izao no aoka ho fantatrareo voalohany indrindra: amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira tonga haniratsira anareo, dia olona miaina araka ny filandratsiny
4 ka hilaza hoe: Aiza ity fampanantenan'ny Tompo momba ny fiaviany? Efa nodimandry manko ny razantsika, kanefa ny zavatra rehetra dia maharitra tsy miova toy ny hatramin'ny nahariana an'izao tontolo izao ihany!
5 Eny, inian'ireo mpaniratsira ireo hadinoina fa hatramin'ny ela Andriamanitra no niteny nampisy ny habakabaka sy ny tany; ka ny tany dia nipoitra avy amin'ny rano sady ny rano koa no nampirafitra azy ho mafy.
6 Rano ihany koa no nandravana izao tontolo izao fahiny, dia tamin'ny safodrano.
7 Izao habakabaka sy tany ankehitriny izao kosa dia mbola ny tenin'Andriamanitra no mihazona azy, ka voatahiry hodorana amin'ny andro fitsarana izay natao hamerezana ny olona tsy niraiki-po tamin'Andriamanitra.
8 Kanefa izao zavatra izao, ry hava-malala, no aoka tsy hohadinoinareo: amin'ny Tompo, ny indray andro dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro.
9 Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany: saingy mahari-po aminareo Izy, satria tsy tiany hisy ho very fa mba hiroso hiala amin'ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra.
10 Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo; ary amin'izany dia hirimorimo mafy ka hanjavona ny habakabaka sady ho levon'ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy, ary hodorana avokoa ny tany sy izay taozavatra ao aminy.
11 Koa raha ho levona toy izany ary izao rehetra izao, dia ho olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondrantena masina sy ny firaiketam-po amin'Andriamanitra?
12 Sady andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian'ilay andron'Andriamanitra, izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan'ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy!
13 Kanefa isika, araka ny fampanantenan'Andriamanitra, dia miandry ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay honenan'ny fahamarinana soritan'Andriamanitra.
14 Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan'ny Tompo anareo.
15 Hevero fa ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ho famonjena anareo, toy ny voasoratr'i Paoly hava-malalantsika taminareo araka ny fahendrena nomen'Andriamanitra azy.
16 Toy izany koa no ataony ao amin'ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin'ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin'ny teny hafa raketin'ny Soratra Masina, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.
17 Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan'ny hevi-dison'ireo ratsy fanahy, ka hiala amin'izay iorenanareo.
18 Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an'i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.
1 Jôhany
Toko voalohany
1 Ny amin'ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin'ny voalohany, ka efa renay, efa hitan'ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain'ny tananay no ambaranay aminareo.2 Eny, efa naseho ny fiainana sady efa hitanay; ary tonga vavolombelony izahay ka manambara aminareo ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia ilay fiainana nitodika tany amin'ny Ray ka efa naseho taminay.
3 Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo fiombonana aminay koa; fa izahay dia miombona amin'ny Ray sy amin'i Jesoa Kristy Zanany.
4 Izany no soratanay aminareo, mba ho feno ny hafaliantsika.
5 Izao no hafatra renay tamin'i Jesoa Kristy, ka mba ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy mba misy haizina akory ao aminy.
6 Raha milaza ho manam-piombonana amin'Andriamanitra isika, nefa miaina ao amin'ny haizina, dia mandainga sady tsy manatanteraka ny hafatra marim-pototra.
7 Andriamanitra dia ao amin'ny mazava: ka raha miaina ao amin'ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran'i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny karazam-pahotana rehetra.
8 Raha milaza ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny hafatra marim-pototra.
9 Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mitana ny toky nomeny Andriamanitra sady miantra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin'ny ratsy isan-karazany.
10 Raha milaza ho tsy nanota isika, dia mampandainga an'Andriamanitra sady tsy ao anatintsika ny teniny.
Toko faha-2
1 Izany, rey anaka, no soratako aminareo, mba tsy hanotanareo. Kanefa raha misy olona manota, dia manana mpisolovava eo anilan'ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina.2 Izy no sorom-panonerana amelana ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an'izao tontolo izao koa.
3 Ny ahafantarantsika fa mahalala an'Andriamanitra isika, dia ny fitandremantsika ireo didiny.
4 Izay milaza ho mahalala an'Andriamanitra, nefa tsy mitandrina ireo didiny, dia mpandainga sady tsy ao anatin'izany olona izany ny hafatra marim-pototra.
5 Fa na iza na iza mitandrina ny tenin'Andriamanitra, dia lavorary ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa tafaray amin'Andriamanitra isika.
6 Izay milaza fa mitoetra ao anatin'Andriamanitra izy, dia tsy maintsy miaina toa izay niainan'i Kristy koa.
7 Ry hava-malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny voalohany; izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo.
8 Didy vaovao ihany koa no soratako aminareo, dia ilay hita marina eo amin'i Kristy sy eo aminareo, satria misava ny haizina ary efa mamiratra ny fahazavana tena izy.
9 Izay milaza fa ao amin'ny fahazavana izy, kanefa mankahala ny namany iray finoana, dia mbola ao amin'ny haizina ihany.
10 Izay tia ny namany iray finoana no mitoetra ao amin'ny fahazavana, ka tsy misy zavatra mitaona ny hafa amin'ny ratsy ao aminy.
11 Fa izay mankahala ny namany no ao amin'ny haizina: ao amin'ny haizina no andehanany ka tsy fantany izay alehany, satria voajamban'ny haizina ny masony.
12 Izao no soratako ho anareo rankizy: Voavela ny fahotanareo noho ny anaran'i Kristy!
13 Izao no soratako ho anareo ray aman-dreny: Efa nahalala Ilay nambara hatramin'ny voalohany ianareo! Izao no soratako ho anareo zatovo: Efa naharesy ilay Ratsy ianareo!
14 Izao no voasoratro ho anareo ankizy: Efa nahalala ny Ray ianareo! Izao no voasoratro ho anareo ray aman-dreny: Efa nahalala Ilay nambara hatramin'ny voalohany ianareo! Izao no voasoratro ho anareo zatovo: Mahery ianareo ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay Ratsy ianareo!
15 Aza mankamamy an'izao tontolo izao, na ny zavatra izay ao amin'izao tontolo izao. Raha misy olona mankamamy an'izao tontolo izao, dia tsy ao anatin'izany olona izany ny fitiavana ny Ray.
16 Satria ny zavatra rehetra izay ao amin'izao tontolo izao, izany hoe ny filandratsin'ny maha olona mpanota sy ny fitsiriritan-javatra hitan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao.