1 Petera
Toko faha-5
2 Aoka ianareo ho mpiandry ny andianondry napetrak'Andriamanitra hiandraiketanareo, ka hitandrina azy tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an'Andriamanitra: tsy amim-pitiavan-karena fa amin-jotom-po,3 tsy ho mpanjakazaka amin'ny anjara fiandrasana fa ho fakan-tahaka harahin'ny andianondry;
4 ka rehefa miseho ilay Filohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
5 Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina hoe: Toherin'Andriamanitra ny mpiavonavona fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.
6 Koa manetre tena eo ambany tana-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoanandro voatendriny.
7 Apetraho aminy avokoa ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.
8 Mahonona tena, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha manodidina anareo tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.
9 Finoana mafy orina entina manohitra azy, satria fantatrareo fa fijaliana toraka izany koa no iaretan'ny havanareo mpino eran'izao tontolo izao.
10 Rehefa avy niaritra fijaliana vetivety kosa ianareo, dia ilay Andriamanitra loharanon'ny fahasoavana rehetra, Izay niantso anareo ho amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'ny Kristy Jesoa, no handavorary sy hankahery anareo ary hanamafy sy hampiorina anareo.
11 Ho Azy Andriamanitra anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen.
12 Amin'ny alalan'i Silasy, rahalahy mahatoky, no nanoratako fohifohy taminareo; mananatra anareo aho sy manambara aminareo fa izany no tena fahasoavan'Andriamanitra, ka tomoera tsara amin'izany.
13 Manao veloma anareo ilay Fiangonana rahavavy eto Babilona, ilay Fiangonana voafidin'Andriamanitra miaraka amin'ny anareo. Manao veloma anareo koa i Marka zanako.
14 Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pifankatiavana. Ao aminareo rehetra tafaray amin'i Kristy ny fiadanana!
2 Petera
Toko voalohany
1 Avy amiko Simona Petera ity taratasy ity, dia izaho mpanompon'i Jesoa Kristy sady apostoliny. Mamangy anareo aho, dia ianareo izay nahazo finoana sarobidy tahaka ny anay, noho i Jesoa Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy antsika, efa niantra antsika.2 Hampitomboina ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana, vokatry ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy i Jesoa Tompontsika!
3 Ny hery maha Andriamanitra Azy no nanome antsika ny zavatra rehetra ilaina hahazoana ny fiainana sy hiraiketam-po amin'Andriamanitra, satria isika efa nampahalalain'i Jesoa Tompo an'Ilay niantso antsika noho ny voninahiny sy fahatsarany.
4 Izany voninahitr'Andriamanitra sy fahatsarany izany no nanomezana antsika ireo zavatra sarobidy sy lehibe tokoa nampanantenainy antsika, mba ho tonga mpiombona amin'ny fomban'Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin'ny fahalovana vokatry ny filandratsy mihanaka eo amin'izao tontolo izao.
5 Koa noho izany, aoka hiezaka mafy tokoa ianareo: ka ny finoanareo ombay hatsaram-panahy; ny hatsaram-panahinareo ombay fahalalana;
6 ny fahalalanareo ombay fahononam-po; ny fahononam-ponareo ombay faharetana; ny faharetanareo ombay firaiketam-po amin'Andriamanitra;
7 ny firaiketam-ponareo amin'Andriamanitra ombay fandalana ireo havana iray finoana; ny fandalanareo ny havana iray finoana ombay fitiavana ny olona rehetra.
8 Fa raha ireo toetra ireo no anananareo sy ampitomboinareo, dia hanjary mazoto sady mahavokatra ianareo amin'ny fahalalana bebe kokoa an'i Jesoa Kristy Tompontsika.
9 Fa izay tsy manana ireo toetra ireo kosa dia tsy mahajery lavitra ka naman'ny jamba, sady manadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany fahiny.
10 Koa amin'izany, ry havana, miezaha bebe kokoa hampitombina tsara ny fiantsoan'Andriamanitra anareo sy ny fifidianany anareo; satria raha manao izany ianareo, dia tsy ho solafaka amin'ny fahotana na oviana na oviana;
11 fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ao amin'ny Fanjakana maharitra mandrakizay, dia ny Fanjakan'i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika.
12 Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo an'izany zavatra izany aho, na dia efa mahalala aza ianareo sy efa miorina mafy amin'ny hafatra marim-pototra izay anananareo ankehitriny.
13 Saingy heveriko fa raha mbola amin'ity fiaina-mandalo ity koa aho, dia mety ny hanaitairako anareo amin'ny fampahatsiarovana izany.
14 Eny, fantatro fa ho avy faingana ny fanesorana ahy amin'ity fiaina-mandalo ity, araka ny efa nasehon'i Jesoa Kristy Tompontsika tamiko.
15 Ary dia hiezaka tokoa aho mba hisy hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva, rehefa maty aho.
16 Tsy angano tsara lahatra no narahinay, raha nampahafantatra anareo ny hery nampombana ny fiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany izahay.
17 Eny, nahazo haja amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray i Jesoa, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin'Andriamanitra be voninahitra indrindra nanao hoe: Ity no Zanako Malalako; Izy no sitrako.
18 Renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka tamin'i Jesoa tany an-tendrombohitra masina izahay.
19 Ary mafy orina kokoa ho antsika ny tenin'ireo mpaminanin'Andriamanitra; ka tsara raha ifantohanareo izany toy ny ifantohanareo amin'ny jiro mamiratra anaty toerana maizimaizina, mandra-pahazavan'ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro ao am-ponareo.
20 Izao anefa voalohany indrindra no tsara ho fantatrareo: ny fivoaboasana ny teny faminaniana rehetra raketin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;
21 satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona, fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona izay nentanin'ny Fanahy Masina.
Toko faha-2
1 Nisy mpaminany sandoka teo amin'ny vahoaka Israely; toy izany koa no hisian'ny mpampianatra sandoka eo aminareo: hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery izy ireo sady handa ny Tompo Izay nanavotra azy, ka hitarika fahaverezana tampoka ho an'ny tenany.2 Maro no hanaraka ny fitondrantena ratsiny, ka ireny no hanevatevana ny lalana voasoritr'ilay hafatra marim-pototra.
3 Tia harena loatra ry zareo ka hataony filam-bola ianareo amin'ny fampiasana teny mamitaka; saingy hatry ny ela dia tsy mitsahatra ny fanamelohana azy ary efa hihatra aminy koa ny fahaverezana.
4 Ireo anjely, fony nanota, dia tsy namindran'Andriamanitra fo, fa noroahiny ho any amin'ny toeran'ny maty ka natolony ho ao an-davaka maizina mangitsokitsoka izay itanana azy ho amin'ny fitsarana.
5 Izao tontolo izao koa fahiny dia tsy namindran'Andriamanitra fo, satria henika olona ratsy fanahy, ka nataony tonga teo amin'izao tontolo izao ny safodrano; i Noa valo mianaka ihany no narovan'Andriamanitra, noho i Noa mpitory ny fahamarinana soritan'Andriamanitra.
6 Ny tanana Sodoma sy Gomora dia nohelohin'Andriamanitra ka noravany nanjary lavenona ary nataony fananarana ho an'ireo tsy miraiki-po aminy momba izay loza mety hihatra.
7 Nafahan'Andriamanitra kosa i Lota, izay tia ny rariny ka ory dia ory noho ny fitondrantena ratsy nasehon'ny olona tsy miraharaha lalana;
8 satria io lehilahy tia ny rariny io, fony izy nitoetra teo anivon'ireo, dia nijaly mafy tokoa tao am-pony raha nahita sy nandre isan'andro vaky ny asa ratsy vitan'ireo.
9 Araka izany, dia hain'ny Tompo ny manala ny mpiraiki-po aminy ho afaka amin'ny fitsapana manjo azy, sy ny mitahiry ny ratsy fanahy mba hosazina amin'ny andro fitsarana,
10 indrindra fa ireo nizotra nanaram-po tamin'ny filandratsin'ny maha olona mpanota sy nanamavo ny maha Tompo an'i Kristy. Ireo mpampianatra sandoka ireo dia olona sahy zavatra sy mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hanevateva ireo atao hoe voninahitra;
11 kanefa ny anjely, izay mahery kokoa sy ambony fahefana noho ireo mpampianatra sandoka ireo aza, dia tsy mitondra fiampangana hanevateva eo anatrehan'ny Tompo ireo atao hoe voninahitra.
12 Ry zareo kosa dia manahaka ny biby tsy manan-tsaina, sady entim-pahazarana no teraka ho fisambotra sy ho famono; manevateva ny zavatra tsy fantany ireo, ka dia hovonoina tahaka ny amonoana ny biby tsy manan-tsaina:
13 eny, hiharan'ny ratsy izy ireo ho tambin'ny asa ratsiny. Ny heverin'ireo ho zava-mahafinaritra dia ny manao filibana antoandrobenanahary izao; feno tsiny amam-pondro ireo fa miliba sady manodoka anareo rehefa miara-mihinana aminareo.
14 Ny haka vadin'olona ary ny tsy hitsaha-manota amin'izany no imasoany; ny mpino tsy miorina tsara, angoleny; ary liana fitiavan-karena loatra ny fony: eny, olona hiharan'ny loza nambaran'Andriamanitra ireo!
15 Efa niala tamin'ny lala-mahitsy izy ireo ka nivily nanaraka ny lalana efa nizoran'i Balahama, zanakalahin'i Behora: i Balahama dia nankamamy ny tambin'ny asa ratsiny,
16 saingy voaanatra noho ny hadisoany; fa niteny hoatra ny olona ny boriky moana, vao nahasakana ilay mpaminany tsy hikiry amin'ny hadalany.