Genesỳ

Toko faha-6

13 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Tapa-kevitra aho handringana ny olombelona. Fa noho ny aminy dia feno herisetra ny tany, koa hofongorako eto an-tany izy.

14 Noho izany, manaova fiara ho anao, mitovy amin'ny sambo lehibe vita amin'ny hazo kipreso, dia asio efitrefitra ka hosory dity ao anatiny sy eo ivelany.

15 Izao no hanaovanao azy: 150 metatra ny halavany, 25 metatra ny sakany ary 15 metatra ny haavony.

16 Tafoy izy, ka asio elanelany antsasa-metatra eo amin'ny tafo sy ny rindrin-kazo; voleo varavarana amin'ny lafiny iray, ary asio rihana telo ny sambofiara.

17 Indro Aho hahatonga safo-drano lehibe mba hamongorana izay rehetra manana aina aty ambany lanitra, ka ho levona avokoa izay rehetra eny ambonin'ny tany.

18 Fa hajoroko kosa ny fanekempihavanako aminao, ka hiditra ao amin'ny sambofiara ianao sy ny vadinao mbamin'ireo zanakao lahy sy ny vinantovavinao.

19 Itondray tsiroaroa avy ny zava-mananaina rehetra isan-karazany, dia lahy sy vavy; ka ampidiro ao an-tsambofiara mba hovelomina miaraka aminao.

20 Ny vorona isan-karazany ary ny biby hafa rehetra isan-karazany eto an-tany, na lehibe na kely, no hankeo aminao tsiroaroa mba hovelomina.

21 Ianao kosa, maka amin'ny karazan-tsakafo rehetra mety ho fihinana, ka angony eo aminao mba ho sakafonao sy ho sakafon'izy ireo koa.

22 Dia notanterahin'i Noa izany; ka araka izay rehetra efa nandidian'Andriamanitra azy no nataony.

Toko faha-7

1 Hoy ny TOMPO tamin'i Noa: -Midira ao anatin'ny sambofiara ianao sy ny ankohonanao, satria ianao irery no hitako fa marina teo anatrehako tamin'izao taranaka izao.

2 Maka biby madio mpivady fito isaky ny karazany avy, ary biby maloto mpivady iray ihany kosa isaky ny karazany avy, ka ento miaraka aminao;

3 toy izany koa ny amin'ny voro-manidina, maka mpivady fito isaky ny karazany avy: dia mba samy hamelona taranaka eo amin'ny velaran'ny tany tontolo ireny.

4 Fa herinandro sisa dia hampilatsaka ranonorana mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina amin'ny tany Aho, ka hofoanako eo amin'ny velaran'ny tany ireo zava-mananaina rehetra nataoko.

5 Dia nataon'i Noa izay rehetra nandidian'ny TOMPO azy.

6 Feno 600 taona i Noa raha tonga ny safo-drano lehibe teto ambonin'ny tany.

7 Niditra tao anaty sambofiara izy mbamin'ny vady aman-janany ary ireo vinantovaviny mba tsy ho tratry ny safo-drano.

8 Ny biby madio sy ny biby maloto ary ny voro-manidina sy ireo bibikely mihetsiketsika ambonin'ny tany koa

9 dia tonga tsiroaroa, lahy sy vavy, nankao amin'i Noa tao amin'ny sambofiara araka izay efa nandidian'Andriamanitra an'i Noa.

10 Nony afaka herinandro dia safotry ny ranobe ny tany.

11 Iny faha-600 taona niainan'i Noa iny, tamin'ny volana faharoa, andro faha-17, dia niboiboika be ny rano avy any ambanin'ny tany tamin'ireo loharano rehetra, ary nivoha nidanadana ny varavaran'ny lanitra.

12 Dia avy be ny orana teny ambonin'ny tany nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.

13 Tamin'io andro io no niditra tao amin'ny sambofiara i Noa sy ny vadiny ary koa i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanany lahy mbamin'ireo vinantovaviny telo;

14 niditra tao koa ireo bibidia amam-biby fiompy rehetra isan-karazany sy ireo bibikely rehetra isan-karazany mihetsiketsika ambonin'ny tany mbamin'ireo voro-manidina rehetra isan-karazany sy ireo bibikely rehetra manana elatra.

15 Samy tonga tsiroaroa teo amin'i Noa tao anatin'ny sambofiara ireo voaary rehetra manam-pofonaina.

16 Lahy sy vavy tamin'ireo zava-mananaina rehetra ireo no niditra tao, araka izay efa nandidian'Andriamanitra an'i Noa. Avy eo dia nohidin'ny TOMPO ny varavarana.

17 Naharitra efapolo andro ny safo-drano teny ambonin'ny tany. Rehefa nitombo ny rano, dia nanainga ny sambofiara, hitsinkafona hiala amin'ny tany.

18 Ary nihanahery ny rano sady nitombo be dia be, ka dia nandeha teny ambony rano ny sambofiara.

19 Ary nitombo be izaitsizy ny rano tety ambonin'ny tany ka naharakotra hatramin'ireo tendrombohitra avo indrindra taty ambanin'ny lanitra.

20 Tafakatra fito metatra sy sasany ambonin'ny tendrombohitra ny haavon'ny rano.

21 Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, izany hoe ny voro-manidina sy ny biby fiompy mbamin'ny bibidia, ny bibikely mihahohaho tambonin'ny tany, ary ny olombelona rehetra.

22 Maty avokoa izay rehetra nanam-pofonaina tamin'ny vavorona teny an-tanety.

23 Dia nofoanan'Andriamanitra ny zava-mananaina rehetra teny ambonin'ny tany, nanomboka tamin'ny olona ka hatramin'ny biby lehibe sy kely mbamin'ny voro-manidina; dia nofoanan'Andriamanitra tsy ho amin'ny tany ireny, fa i Noa irery ihany mbamin'izay niaraka taminy tao anatin'ny sambofiara no sisa tavela.

24 Naharitra 150 andro ny fahatondrahan'ny rano teny ambonin'ny tany.

Toko faha-8

1 Rehefa afaka izany, dia notsarovan'Andriamanitra i Noa sy ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao anatin'ny sambofiara; ka nampandalo rivo-mahery teny ambonin'ny tany Izy, dia niharitra ny rano.

2 Nihidy ny loharano niboiboika avy any ambanin'ny tany sy ny varavaran'ny lanitra, ary nitsahatra ny ranonorana.

3 Niala tsikelikely ny rano teny ambonin'ny tany, ary nihena nony afaka 150 andro.

4 Ary tamin'ny volana fahafito, andro faha-17, dia niantsona teo an-tendrombohitr'i Ararata ny sambofiara.

5 Dia mbola nihena hatrany ihany ny rano hatramin'ny volana fahafolo. Ka tamin'ny andro voalohan'ny volana fahafolo, dia tazana ny tampon'ireo tendrombohitra.

6 Nony afaka efapolo andro, dia novohan'i Noa ny varavarankelin'ny sambofiara izay nataony.

7 Dia nandefa goaika anankiray izy, nefa niverimberina nivoaka sy niditra io mandra-paharitran'ny rano teny ambonin'ny tany.

8 Dia nandefa voromahailala iray koa izy mba hahitany na efa nihena ny rano teny ambonin'ny tany na tsia.

9 Kanefa tsy nahita izay hametrahany ny tongony ilay voromahailala, ka niverina tany amin'i Noa teny an-tsambofiara, satria mbola feno rano tambonin'ny tany tontolo. Dia naninjitra ny tanany i Noa ka nandray ilay voromahailala ary nampiditra azy tao anaty sambofiara.

10 Mbola niandry herinandro izy vao nandefa ilay voromahailala fanindroany.

11 Fa niverina tany amin'i Noa ilay voromahailala, nony hariva, ka hita nitondra ravin'oliva maitso teny am-bavany. Dia fantatr'i Noa tamin'izany fa efa nihena ny rano tambonin'ny tany.

12 Dia mbola niandry herinandro indray izy vao nandefa ilay voromahailala izay tsy niverina intsony kosa.

13 Fa tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany, nony feno 601 taona i Noa, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany. Nesorin'i Noa ny tafon'ny sambofiara ka hitany fa efa maina ny velaran'ny tany.

14 Ary fony andro fahafito amby roapolo tamin'ny volana faharoa dia maina tanteraka ny tany.

15 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa:

16 Mivoaha tao amin'ny sambofiara ianao sy ny vadinao ary ireo zanakalahinao mbamin'ireo vinantovavinao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.1184