1 Petera
Toko faha-2
18 Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amim-panajana tanteraka, tsy ny tsara fanahy sy ny malemy paika ihany fa ny sarotiny koa;19 satria izao no ankasitrahin'Andriamanitra: ny miaritra fampahoriana mihatra tsy an-drariny, noho ny fieritreretanao an'Andriamanitra.
20 Inona tokoa moa no lazanareo, raha tahiny manao hadisoana ianareo no kapohina ka mandefitra? Fa raha tahiny manao soa ianareo no nampahorina ka mandefitra, dia izany no ankasitrahin'Andriamanitra.
21 Eny, izany no niantsoan'Andriamanitra anareo; fa i Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany:
22 i Kristy tsy nanota akory sady tsy mba niloa-bava hilaza fitaka;
23 notevatevaina Izy, nefa tsy mba nanevateva; nijaly Izy, nefa tsy mba nandrahona, fa nanankin-tena tamin'Andriamanitra Izay mitsara ara-drariny;
24 ny tenan'i Kristy no nitondra ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, mba hitsaharantsika amin'ny fahotana ka hivelomantsika hanao ny marina; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
25 Eny, efa toy ny ondry nania ianareo, nefa ankehitriny dia tafaverina amin'ilay mpiandry sy mpitandrina ny fanahinareo.
Toko faha-3
1 Toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo; ka raha tahiny misy tsy mety mino ny tenin'Andriamanitra, dia mba ho voataonan'ny fitondrantenan'ny vavy izy; na tsy misy teny lazainareo aza, dia ho voataona izy2 rehefa mahita ny fitondrantenanareo madio sy feno fanajana azy.
3 Aoka ny haingonareo tsy ho zavatra ivelany fotsiny, toy ny taovolo sy ny firava-bolamena ary ny didy akanjo;
4 fa aoka ny haingonareo ho zavatra miafina ao am-po, dia ny haingo tsy mety simba vokatry ny halemem-panahy sy ny toetra tony: izany no tena sarobidy eo imason'Andriamanitra.
5 Tahaka izany manko ny fihaingon'ireo vehivavy fahiny anisan'ny vahoakan'Andriamanitra: sady nanantena an'Andriamanitra izy no nanaiky ny vadiny;
6 tahaka an'i Sara izay nanaiky an'i Abrahama sy niantso azy hoe tompoko. Zanak'i Sara ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.
7 Toy izany koa, ianareo lehilahy, mahaiza miara-mitoetra amin'ny vadinareo izay malemy paika kokoa noho ianareo araka ny efa fantatrareo; manehoa fanajana azy fa mpiombona anjara amin'ilay fiainana nomen'Andriamanitra ianareo mivady. Izany atao, mba tsy hisy zavatra hanampontsampona ny fivavahanareo.
8 Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena.
9 Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin'Andriamanitra hanana anjara amin'ny soa nampanantenainy.
10 Fa izao no tenin'ny Soratra Masina: Izay te hankamamy fiainana sy te hahita andro soa, aoka izy hitsaha-miteny ratsy ary hitsaha-milaza fitaka;
11 aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa, aoka hitady fihavanana tsy an-kiato;
12 satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina sy mihaino ny fitarainany, fa tezitra kosa amin'ny mpanao ratsy.
13 Iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'ny tsara ianareo?
14 Raha tahiny manao ny marina aza ianareo no ampahorina, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan'ny olona, ary aza mangorohoro amin'izany;
15 fa i Kristy no hajao ho Tompo ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin'ny fanantenana ao anatinareo,
16 saingy ataovy amin-kalemem-panahy sy amim-panajana izany. Manana fieritreretana mahitsy; ka rehefa misy zavatra anendrikendrehana anareo, dia ho menatra izay mpanaratsy ny fitondrantena tsara anentanan'i Kristy anareo.
17 Eny, raha izany no sitrapon'Andriamanitra, dia aleo mitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa toy izay amin'ny fanaovan-dratsy.
18 Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra. Novonoina tao amin'ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina.
19 Nomban'ny Fanahy Masina Izy ka lasa nitoriteny tamin'ireo fanahy voagadra,
20 dia ireo fanahin'ny olona tsy nanaiky an'Andriamanitra, fony Andriamanitra nampiseho ny fahari-pony tamin'ny andro nanamboaran'i Noa ny sambofiara. Olona vitsy ihany anefa, dia i Noa valo mianaka, no tafiditra tao anaty sambofiara ka voavonjy tamin'ny rano.
21 Io rano io no tandindon'ny batisa izay amonjena anareo ankehitriny; ka tsy fanesorana lotom-batana ny batisa, fa toky omen'ny fieritreretana madio hitodika amin'Andriamanitra. Ny batisa no amonjena anareo amin'ny alalan'i Jesoa Kristy tafatsangana ho velona,
22 dia Ilay efa lasa any an-danitra sy mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra, ka eken'ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.
Toko faha-4
1 Noho i Kristy efa nijaly tao amin'ny nofo, dia raiso ho fiadianareo koa ny toe-tsaina nananany; satria izay olona nijaly tao amin'ny nofo dia nampitsaharina tamin'ny ota,2 ka tamin'ny androny sisa eto an-tany dia tsy araka ny filandratsin'ny olombelona intsony no tokony hiainany fa araka ny sitrapon'Andriamanitra.
3 Eny, fotoana maharitra ihany tamin'ny lasa no nanaovanareo ny zavatra fanaon'ny mpanompo sampy, ka nizoranareo tamin'ny fihetsika tsy maotina, ny fanirian-dratsy, ny fahamamoana, ny fihinanam-be loatra, ny fisotroana tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy izay tsy fanao.
4 Amin'izany dia gaga ireo mpanompo sampy satria tsy dodona intsony ianareo ny hiaraka aminy mba hanarampo amin'ny filibana, ka dia tevatevainy;
5 nefa hampamoahin'Ilay vonona hitsara ny velona sy ny maty izy ireo.
6 Fa izany no nitoriana ny Vaovao Mahafaly tamin'izay maty aza: mba ho velona araka ny fomban'Andriamanitra izy ao amin'ny fanahy, rehefa notsaraina tao amin'ny nofo araka ny fomban'ny olona.
7 Antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre, mahonona tena mba ho afa-mivavaka.
8 Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, satria ny fitiavana no mikosoka ny fahotana maro niavosa.
9 Mifampiantranoa ka aza asiana monomonona.
10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, mova tsy mpitandrim-pananana mitantana tsara ny fanomezana maro samy hafa avy amin'Andriamanitra.
11 Izay mitoriteny, aoka ho toy ny milaza ireo hafatr'Andriamanitra; izay manompo, aoka ho araka ny hery ampombain'Andriamanitra azy; ka dia amin'ny zavatra rehetra no hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, fa an'Andriamanitra ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen.
12 Ry hava-malala, aza gaga amin'ny fanenjehana mivaivay miseho teo aminareo sady mihatra aminareo mba ho fizahan-toetra, ka hihevitra izany ho zava-tsy fahita midona aminareo.
13 Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin'ny andro hisehoan'ny voninahiny.
14 Sambatra ianareo raha haratsina amin'ny maha mpianatr'i Kristy anareo; fa ny Fanahy Masina be voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, no mitoetra eo aminareo.
15 Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin'ny raharahan'olona;
16 fa raha amin'ny maha kristianina azy no ijaliany, dia aoka izy tsy ho menatra fa hanome voninahitra an'Andriamanitra noho izany anarana entiny izany.
17 Tonga ny fotoanandro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy mety mino ny Vaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra?
18 Fa hoy ny Soratra Masina: Raha saika tsy voavonjy ny marina, inona no hanjo ny tsy mpivavaka sy ny mpanota?
19 Koa izay miaritra fijaliana araka ny sitrapon'Andriamanitra, aoka hanao soa hatrany sy hanankin-tena amin'Ilay mitana ny toky nomeny, dia ny Mpahary azy.
Toko faha-5
1 Mananatra ny loholom-piangonana eo aminareo aho, dia izaho loholona tahaka azy ireo sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary koa mpiombona amin'ny voninahitra efa haseho.