Hebreo
Toko voalohany
4 Tonga ambony lavitra noho ny anjely ny Zanaka, satria nandova anarana tsara noho ny an'ireo.5 Fa tsy nisy na oviana na oviana anjely nilazan'Andriamanitra hoe: Zanako Ianao, Ray niteraka Anao Aho manomboka anio! Ary koa hoe: Izaho ho Rainy, ary Izy ho Zanako!
6 Rehefa nampiditra ny Zanany lahimatoa ho eto amin'izao tontolo izao Andriamanitra, dia niteny hoe: Aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anatrehany!
7 Sady izao no voalazan'Andriamanitra momba ny anjely: Andriamanitra dia nanao ny anjeliny ho rivotra ary ny mpanompony ho lelafo.
8 Fa ny amin'ilay Zanaka kosa dia hoy Izy hoe: Ny sezafiandriananao, Andriamanitra o, dia maharitra mandrakizay mandrakizay; araka ny hitsiny no itondranao ny Fanjakanao.
9 Tia rariny Ianao fa halanao kosa ny ratsy; noho izany Andriamanitra, ilay Andriamanitrao, dia nifidy sy nanokana Anao fa tsy ireo namanao, ka nampidina diloilom-pifaliana teo an-dohanao.
10 Ary hoy koa Andriamanitra hoe: Ianao, Tompo o, no nanorina ny tany tamin'ny voalohany; ary ny lanitra dia asan'ny tananao.
11 Ireo ho levona, fa Ianao kosa maharitra. Ny tany sy ny lanitra dia ho tonta toy ny fitafiana
12 sy havalonao toy ny lamba, ka hovana toy ny fitafiana. Ianao kosa dia mbola Ianao ihany, ary tsy manam-pahataperana ny fiainanao.
13 Tsy misy na oviana na oviana anjely nilazan'Andriamanitra hoe: Mipetraha amin'ny sezafiandrianana eto ankavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!
14 Fa inona moa ny anjely? Fanahy manompo an'Andriamanitra izy rehetra, ka irahiny mba hanasoa ireo olona natao handray famonjena.
Toko faha-2
1 Izany no tokony hitandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao voatarika hiala amin'izany isika.2 Nanan-danja tokoa na dia ny hafatra nentin'anjely aza, ary izay rehetra nandika izany na tsy nanaiky izany dia nahazo sazy tandrify avy;
3 ka hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy raharahaintsika ny famonjen-dehibe toy izany? Ny Tompo mihitsy no efa nitory voalohany izany famonjena izany, ary nohamafisin'ireo izay nandre mba ho fanasoavana antsika.
4 Andriamanitra koa dia niara-nijoro ho vavolombelona tamin'ireo nandre ireo ka niantoka izany tamin'ny famantarana sy zava-mahatalanjona ary ny asa mahagaga isan-karazany, mbamin'ireo fanomezan'ny Fanahy Masina izay nozarazarain'Andriamanitra araka ny sitrapony.
5 Tsy teo ambany fahefan'anjely tsy akory no nametrahan'Andriamanitra izao fiainan-ko avy lazainay izao.
6 Fa ao amin'ny Soratra Masina ao, dia misy manambara manao hoe: Inona moa izay olombelona, Andriamanitra o, no mba tsarovanao? Inona moa izay zanak'olombelona no mba ahinao?
7 Nataonao ambany noho ny anjely nandritra ny fotoana fohifohy izy; dia nosatrohanao voninahitra sy haja;
8 ary ny zavatra rehetra napetrakao eo ambany fahefany sady nataonao eo ambany tongony. Raha voalaza fa ny zavatra rehetra dia napetrak'Andriamanitra eo ambany fahefan'ny olombelona, dia tsy nisy zavatra tsy napetrany eo ambany fahefany. Kanefa ankehitriny dia mbola tsy hitantsika hoe napetraka eo ambany fahefan'ny olombelona ny zavatra rehetra.
9 Izao no hitantsika: natao ambany noho ny anjely nandritra ny fotoana fohifohy i Jesoa, mba ho faty ho an'ny olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra; ary satria niaritra ny fahafatesana Izy, dia nosatrohan'Andriamanitra voninahitra sy haja.
10 Eny, Andriamanitra, Izay nahary ny zavatra rehetra sady anton'ny nahariana ny zavatra rehetra, dia te hitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra; ka rariny raha nataon'Andriamanitra ho tanteraka tamin'ny alalan'ny fijaliana tokoa i Jesoa, ilay mpitari-dalana azy ireo ho amin'ny famonjena.
11 Fa na i Jesoa nanadio ny olombelona ho afaka amin'ny fahotana, na ireo olombelona nodioviny, dia iray fiaviana avokoa. Noho izany, dia tsy menatra i Jesoa miantso azy ireo hoe zandriny,
12 fa hoy Izy: Hanambara Anao amin'ireo zandriko Aho, Andriamanitra o; eo afovoan'ny Fiangonana no hiderako Anao.
13 Izao koa no nataony hoe: Hatoky an'Andriamanitra Aho. Ary koa hoe: Indreto Aho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra Ahy.
14 Koa satria moa olombelona nofo aman-dra ireo zaza, dia tonga olombelona tahaka azy koa i Jesoa. Izany no nataony, dia ny mba handalovany amin'ny fahafatesana ka hahatonga ilay mitana ny herin'ny fahafatesana, izany hoe ny devoly, tsy hahavita na inona na inona intsony
15 ary koa ny mba hanafahany an'izay rehetra voagejan'ny tahotra ny fahafatesana ka nandevozina nandritra ny androm-piainany manontolo.
16 Miharihary tokoa fa tsy anjely velively no vonjen'i Jesoa, fa ireo taranak'i Abrahama.
17 Koa amin'ny zavatra rehetra dia tsy maintsy tahaka ireo zandriny Izy, ka ho tonga Mpisorombe mamindra fo sy mahatoky eo amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra, mba hanonitra ny heloky ny vahoaka.
18 Fa noho ny tenan'io Mpisorombe io niaritra fijaliana sy nalaim-panahy, dia mahavonjy izay rehetra alaim-panahy koa Izy.
Toko faha-3
1 Koa amin'izany, ry havana, efa voatokana ho an'Andriamanitra ianareo sady efa voaantsony hiombon'anjara amin'ny fiainana any an-danitra, ka diniho i Jesoa ilay irak'Andriamanitra sady Mpisorombe antoky ny finoana izay ekentsika.2 Fa i Jesoa dia nahatoky an'Andriamanitra teo amin'ny andraikitra nanendreny Azy, nahatoky tahaka an'i Mosesy izay voalazan'ny Soratra Masina hoe: Nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra manontolo izy.
3 Nefa mendri-boninahitra kokoa noho i Mosesy i Jesoa, satria ny mpanao trano dia mahazo haja bebe kokoa noho ny trano nataony.
4 Ny trano rehetra manko dia nisy mpanao azy, fa Andriamanitra kosa no nanao ny zavatra rehetra.
5 Ary i Mosesy dia nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra manontolo, araka ny maha mpanompo azy, ka natao hanambara ny zavatra izay holazain'Andriamanitra amin'ny ho avy.
6 Fa i Kristy kosa dia nahatoky araka ny maha Zanaka Azy, ka mifehy ny tranon'Andriamanitra; ary dia isika izany tranon'Andriamanitra izany, raha mitana ny fahasahiana sy ny fanantenana ireharehantsika.
7 Noho izany, araka izay lazain'ny Fanahy Masina hoe: Anio, raha renareo ny feon'Andriamanitra,
8 dia aza hamafisina ny fonareo, tahaka ny tamin'ny andro niodinan'ny razanareo tamin'Andriamanitra, tahaka ny tamin'ny andro nakana fanahy Azy tany an-taniefitra.
9 Tany no nakan'ny razanareo fanahy Ahy sy nizahany toetra Ahy, hoy Andriamanitra, na dia efa hitany aza ny asa vitako
10 nandritra ny efapolo taona. Izany no nahatezitra Ahy tamin'ireo olona ireo, ka hoy Aho hoe: 'Maniasia lalandava ny fisainany; tsy nahafantatra ny lalako ireo.'
11 Tezitra Aho ka nianiana hoe: Tsy hiditra mihitsy ao amin'ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo!
12 Tandremo, ry havana, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona.
13 Fa aoka ianareo hifampirisika isan'andro, dieny mbola misy ny hoe anio lazain'ny Soratra Masina, mba tsy hisy ho voafitaky ny fahotana ianareo ka ho tonga mafy fo.
14 Eny, efa tonga mpiombon-tsoa amin'i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin'ny farany ny toky izay nananantsika hatrany am-boalohany.
15 Izao no lazain'ny Soratra Masina: Anio, raha renareo ny feon'Andriamanitra, dia aza hamafisina ny fonareo, tahaka ny tamin'ny niodinan'ny razanareo tamin'Andriamanitra.
16 Iza moa ireo nandre ny feon'Andriamanitra nefa niodina taminy? Ireo rehetra nentin'i Mosesy niala tany Ejipta.
17 Ary iza no nahatezitra an'Andriamanitra nandritra ny efapolo taona? Ireo nanota ka niampatrampatra tany an-taniefitra ny fatiny.
18 Raha nianiana Andriamanitra nanao hoe: Tsy hiditra mihitsy ao amin'ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo, iza moa no lazainy? Ireo tsy nanaiky.
19 Koa dia hitantsika fa tsy tafiditra ireo satria tsy nino.
Toko faha-4
1 Mbola namelan'Andriamanitra fampanantenana isika fa hiditra ao amin'ny toeram-pitsaharana voaomany ho antsika; koa mitandrema isika mba tsy hisy aminareo tsy ho tody amin'izany.2 Efa nitoriana ny Vaovao Mahafaly isika, tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny. Ren'ireo ny hafatra, nefa tsy nahasoa azy, satria tsy mba anisan'izay nihaino izany tamim-pinoana ireo.