Tito

Toko faha-2

9 Anaro koa ny mpanompo mba hanaiky ny tompony, ka hanao izay sitraky ny tompony amin'ny zavatra rehetra: tsy hamalivaly azy,

10 tsy hangalatra ny zavany, fa haneho toetra mahatoky tokoa, mba hahazo voninahitra amin'ny zavatra rehetra ny fampianarana momba ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika.

11 Fa Andriamanitra efa naneho ny fahasoavany, izay loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra.

12 Izany fahasoavana izany dia mitaiza antsika handa ny toetra tsy miraharaha an'Andriamanitra sy handa ny filan'izao tontolo izao, fa ho velona mahafehy tena sy mandala ny rariny ary tia vavaka mandritra izao fiainana ankehitriny izao.

13 Toy izany no tokony hiandrasantsika ny hasambarana antenaintsika sy ny andro hisehoan'ny voninahitr'i Jesoa Kristy, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika.

14 I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.

15 Izany lazaina sy ananarana ary andresena lahatra omban'ny fahefana rehetra anananao. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao.

Toko faha-3

1 Ampahatsiarovy ny mpino mba hanaiky ny mpitondra sy ny manampahefana, hanoa azy ka ho vonona hanatontosa izay rehetra mety ho asa soa.

2 Aoka ny mpino tsy hanevateva olona, tsy ho fiadina, fa handefitra, haneho halemem-panahy lalandava amin'ny olona rehetra.

3 Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin'ny filana sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin'ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain'olona no mankahala olona.

4 Fa nony efa naneho ny hamoram-pony sy ny fitiavany olona ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika,

5 dia novonjeny isika, tsy noho ny asa marina vitantsika, fa noho ny famindrampony tamintsika. Ny namonjeny antsika dia tamin'ny alalan'ny rano fampandroana izay nanomezan'ny Fanahy Masina antsika fahateraham-baovao sy fiainam-baovao.

6 Fa nandrotsahan'Andriamanitra be dia be ny Fanahy Masina isika tamin'ny alalan'i Kristy Jesoa Mpamonjy antsika,

7 hahatonga antsika ho marina eo anatrehan'Andriamanitra noho ny fahasoavan'i Kristy sy hahatonga antsika hanana anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay efa antenaintsika.

8 Teny azo antoka izany! Tiako hoantitranterinao ireo zavatra ireo mba himasoan'ny mpino an'Andriamanitra hiezaka manao asa tsara; izany no tsara sady mahasoa ny olona.

9 Fa halaviro ny fanontaniana adaladala, ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana sy ady momba ny lalana jiosy; satria sady tsy mahasoa izany no zava-poana.

10 Ny olona mpampisara-bazana dia anaro indray mandeha sy fanindroany; ka rehefa tsy laitra anarina, dia ialao.

11 Fantatrao manko fa ny olona toy izany dia efa mivaona ka sady manota no manamelo-tena rahateo.

12 Rehefa halefako aty aminao i Artema na i Tisiko, dia ataovy mihitsy izay hahatongavanao aty amiko aty Nikopoly; fa ao no efa nokasaiko handaniana ny ririnina.

13 Ampio mihitsy i Zena mpahay lalana sy i Apolao amin'ny dia ataony, mba tsy ho orin-javatra izy roa lahy.

14 Aoka ny olontsika hiezaka hanao asa tsara koa mba ho afa-manampy rehefa misy mahatery, fandrao tsy hisy vokany ny fiainany.

15 Manao veloma anao izay rehetra miaraka amiko eto. Veloma any amin'ireo mandray anay ho sakaizany ao amin'ny finoana. Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'Andriamanitra!

Filemôna

Toko voalohany

1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho voafonja noho ny amin'i Kristy Jesoa. Mamangy anao aho, ry Filemona, ary mamangy anao i Timoty havantsika, dia ianao izay malalanay sy mpiara-miasa aminay.

2 Mamangy koa an'i Apia anabavinay sy i Arkipo mpiara-miady aminay ary ny Fiangonana mivory ao an-tranonao izahay.

3 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

4 Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitro aho, ry Filemona malala, rehefa mahatsiaro anao amin'ny fivavahako

5 satria reko ny fitiavanao ny vahoakan'Andriamanitra rehetra sy ny finoanao an'i Jesoa Tompo.

6 Ary izao no angatahiko amin'Andriamanitra: ny fiombonanao aminay amin'ny alalan'ny finoana anie hampisy fahalalana tsara ny soa rehetra ananantsika, noho isika tafaray amin'i Kristy.

7 Ry rahalahy, nampifaly ahy fatratra sady nampahery ahy ny fitiavanao satria efa novelombelominao ny fon'ny vahoakan'Andriamanitra.

8 Noho izany, na dia azoko atao tsara aza, araka ny fahefana nomen'i Kristy ahy, ny handidy anao ny amin'izay tokony hataonao,

9 dia aleoko manao fiangaviana aminao noho ny fifankatiavantsika. Eny, izaho Paoly dia efa antitra sady voafonja noho ny amin'i Kristy Jesoa ankehitriny;

10 ka fiangaviana no ataoko aminao ho an'i Onesimo, izay zanako naterako ara-panahy tato am-ponja.

11 Tsy nahasoa anao izy fahiny, fa ankehitriny kosa mahasoa antsika, dia izaho sy ianao.

12 Asaiko mody aty aminao indray izy, ilay toy ny sombinaiko.

13 Satriko ihany ny mitana azy eto amiko, izao aho voafonja noho ny amin'ny Vaovao Mahafaly izao, mba ho solonao mikarakara ahy.

14 Kanefa tsy te hanao na inona na inona aho raha tsy teny ierana aminao; tsy tiako ny hanoavanao ahy tsy sazoka fa mba ho nahim-ponao tokoa.

15 Angamba ny nahatafasaraka an'i Onesimo taminao vetivety dia ny hanananao azy maharitra;

16 saingy tsy toy ny mpanompo intsony no hanananao azy, fa tsara lavitra noho izany, dia toy ny rahalahy malala. Rahalahy malala tokoa izy ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny maha olona azy na amin'ny maha mpanara-dia ny Tompo azy.

17 Koa raha heverinao ho namanao tokoa aho, dia raiso i Onesimo tahaka ny andraisanao ahy.

18 Raha misy ratsy nataony anao na misy trosa anananao aminy, dia ahy ny andraikitra.

19 Ny tanako mihitsy no anoratako ireto teny ireto: izaho Paoly no hanonitra izany! Tsy te hilaza aminao akory aho, fa ianao koa anie ka ananako trosa mihoatra noho izany, dia ny maha kristianina anao.

20 Eny, ry rahalahy, efa mpanara-dia ny Tompo ianao ka enga anie ho azoko aminao izay angatahiko; velombelomy ny foko noho ianao rahalahiko ao amin'i Kristy.

21 Matoky aho fa hanaiky izay angatahiko ianao, ka izany no andefasako taratasy aminao, sady fantatro fa hanao mihoatra aza ianao.

22 Ary mba anomano efitrano koa aho; satria antenaiko fa noho ny vavaka ataonareo, dia haverin'Andriamanitra ho eo aminareo aho.

23 Manao veloma anao i Epafra, izay miara-voafonja amiko noho izy tafaray amin'i Kristy Jesoa;

24 manao veloma anao koa i Marka, i Aristarka, i Demasy, ary i Lioka izay samy mpiara-miasa amiko.

25 Homba anareo anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo!

Hebreo

1 Efa imbetsaka ary tamin'ny fomba samihafa no nitenenan'Andriamanitra fahiny tamin'ny razantsika tamin'ny alalan'ireo mpaminany;

2 fa amin'izao andro farany izao kosa dia tamin'ny alalan'ny Zanany no nitenenany tamintsika. Io Zanany io no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao, ary notendreny koa ho mpandova ny zavatra rehetra.

3 Taratra mamirapiratry ny voninahitr'Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban'Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin'ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin'ny avo indrindra eo ankavanan'ilay Andriamanitra lehibe.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9137