Hebreo
Toko faha-4
3 Fa isika mpino kosa dia hiditra any amin'izany toeram-pitsaharana izany, araka ny voalazan'Andriamanitra hoe: Tezitra aho, ka nianiana hoe: Tsy hiditra mihitsy ao amin'ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo. Izany no teny nataon'Andriamanitra na dia efa vitany tamin'ny nahariany an'izao tontolo izao aza ny asany.4 Fa misy teny anankiray izay, ao amin'ny Soratra Masina, milaza ny andro fahafito manao hoe: Dia nitsahatra tamin'ny asany rehetra Andriamanitra tamin'ny andro fahafito.
5 Ary eto indray dia ny hoe: Tsy hiditra mihitsy ao amin'ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo.
6 Noho izany, ireo voalohany nandre ny Vaovao Mahafaly dia tsy tafiditra tao amin'izany toeram-pitsaharana izany, satria tsy nanaiky; fa mbola mahazo miditra ihany ny sasany.
7 Koa nametra andro anankiray indray Andriamanitra, andro anankiray antsoiny hoe anio. Izany kosa dia nolazainy taty aoriana elabe, tamin'ny alalan'i Davida, ao amin'ny andinin-tSoratra Masina voatonona teo hoe: Anio, raha renareo ny feon'Andriamanitra dia aza hamafisina ny fonareo.
8 Raha tahiny efa vitan'i Josoa ny fanomezana fitsaharana ny vahoaka, dia tsy ho nilaza andro hafa indray Andriamanitra taty aoriana.
9 Koa dia mbola misy fitsaharana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra, amin'ny andro fahafito.
10 Fa izay tafiditra ao amin'ny fitsaharana voaoman'Andriamanitra, dia mitsahatra amin'ny asany tahaka ny nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny Azy.
11 Koa aoka isika hazoto hiditra ao amin'izany fitsaharana izany, mba tsy hisy amintsika ho voan'ny tsy fanekena tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny.
12 Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra, sady maranitra noho ny sabatra roa lela ka maninteraka hatrany amin'ny fihaonan'ny aina sy ny fanahy ary hatrany amin'ny fihaonan'ny famavany sy ny tsoka; hainy tsaraina ny eritreritra amam-pisainan'ny fon'ny olona.
13 Tsy misy zavaboaary miafina amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imasony, ary Izy no hampamoaka antsika ny amin'izay ataontsika.
14 Aoka ary hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika, satria isika manana Mpisorombe tsy anoharana Izay lasa namakivaky ny lanitra, dia i Jesoa ilay Zanak'Andriamanitra.
15 Tsy mba Mpisorombe tsy afaka miara-mizaka ny fahalementsika no ananantsika, fa Mpisorombe efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika ihany, saingy tsy mba nanota.
16 Koa aoka isika hatoky hanatona ny sezafiandrianan'Andriamanitra, izay toeram-pahasoavana; eo no hahazoantsika famindrampo ary koa hahitantsika fahasoavana, ka hanampian'Andriamanitra antsika amin'ny fotoana ilantsika izany.
Toko faha-5
1 Fa ny mpisorombe rehetra dia alaina amin'ny olona, ka tendrena ho solotenan'ny olona eo amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Natao hanolotra fanatitra izy ary koa natao hanolotra sorona ho fanalana ny fahotana.2 Mahay mitondra mora ireo tsy mahalala sy maniasia izy, satria na ny tenany aza dia mba hodidinin'ny fahalemena koa.
3 Noho izany fahalemen'ny tenany izany, dia tsy maintsy manolotra sorona fanalana ny fahotana izy ho an'ny tenany koa, toy ny ataony ho an'ny vahoaka.
4 Ary tsy misy maka izany voninahitra maha mpisorombe izany ho an'ny tenany, afa-tsy izay voaantson'Andriamanitra tahaka an'i Aharona.
5 Dia toy izany koa i Kristy: tsy Izy no nanome voninahitra ny tenany ho tonga Mpisorombe, fa ilay Andriamanitra nilaza taminy hoe: Zanako Ianao, Ray niteraka Anao Aho manomboka anio!
6 Izany koa dia araka ny teny hafa nataon'Andriamanitra hoe: Ianao no Mpisorona mandrakizay, araka ny fomban'i Melkitsedeka!
7 I Jesoa, fahavelony teto an-tany, dia nanolotra fivavahana sy fitalahoana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin'Andriamanitra, Izay afa-mamonjy Azy tsy hiharan'ny fahafatesana; ary dia nohenoin'Andriamanitra izy, ka afaka tamin'ny tahotra ny ho faty.
8 Na dia Zanak'Andriamanitra aza Izy, dia nianatra nanoa tamin'ny fijaliana niaretany.
9 Nony efa tonga amin'izay fanaperana Izy, dia zary loharanom-pamonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manoa Azy,
10 ary dia nambaran'Andriamanitra ho Mpisorombe araka ny fomban'i Melkitsedeka.
11 Manan-kolazaina betsaka izahay ny amin'izany, saingy sarotra hazavaina aminareo satria votsa fandray zavatra ianareo.
12 Raha izay ela izay, dia tokony ho efa mpampianatra ianareo, kanefa dia mbola mila hampianarina indray ny abidim-pahalalana momba ireo tenin'Andriamanitra. Ronono no mbola ilainareo, fa tsy ventin-kanina.
13 Fa izay rehetra mivelona amin-dronono dia zaza ihany, ka tsy mbola mahatsapa ny zavatra diso sy marina.
14 Fa ho an'ny olon-dehibe ny ventin-kanina, dia ho an'ireo efa zatra nampiasa ny sainy hahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.
Toko faha-6
1 Noho izany, aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana momba an'i Kristy, fa aoka isika handroso amin'ny fampianarana sahaza ny olon-dehibe. Tsy hoe fanorenana indray no hataontsika: dia ny tokony hialana amin'ireo asa mitondra fahafatesana sy ny tokony hinoana an'Andriamanitra,2 ny fampianarana momba ny batisa samihafa sy ny fametrahan-tanana ary momba ny fitsanganan'ny maty ho velona sy ny fitsarana mandrakizay.
3 Fa ny mandroso amin'ny fampianarana sahaza ny olon-dehibe, izany no hataontsika raha avelan'Andriamanitra.
4 Ahoana kosa ny amin'ireo niverina tamin'ny toe-dratsy? Efa nohazavain'Andriamanitra indray mandeha ireo, efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra ary efa nandray anjara tamin'ny Fanahy Masina,
5 efa nahatsapa fa tsara ny tenin'Andriamanitra ary efa nahatsapa ny asa mahagaga vokatry ny fiainana ho avy,
6 kanefa dia niverina tamin'ny toe-dratsy. Tsy azo havaozina indray ireo mba hiala amin'ny toetra ratsiny, satria manombo ilay Zanak'Andriamanitra amin'ny hazofijaliana indray sady manolotra Azy halam-baraka.
7 Izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka mahavokatra anana tsara ho an'ny olona iasana azy, dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra.
8 Fa izay tany maniry tsilo sy songosongo kosa dia tsy misy antony sady efa hiharan'ny ozon'Andriamanitra; ary hodorana no hiafarany.
9 Na izany aza no teninay, ry hava-malala, dia zavatra tsara kokoa sady miantoka ny famonjena anareo no antenainay, raha ny aminareo.
10 Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin'ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo.
11 Ary dia irinay haneho fahazotoana toy izany hatramin'ny farany ianareo tsirairay avy, mba ho tanteraka tokoa ny zavatra antenainareo.
12 Tsy tianay ho ketraka ianareo fa mba hanahaka ireo mino sy maharitra ka manana anjara amin'ny soa nampanantenain'Andriamanitra.
13 Ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama dia nombam-pianianana. Ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany hianianan'Andriamanitra, dia nianiana tamin'ny tenany Izy
14 ka nanao hoe: Homba fitahiana anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro fara sy dimby anao.
15 Nanam-paharetana i Abrahama ka, araka izany, dia nahazo izay nampanantenain'Andriamanitra azy.
16 Raha mianiana ny olona, dia manao izany amin'ny anaran'izay lehibe noho ny tenany, ka ny fianianana no ho antoka mafy fa hitsahatra hatreo ny fifandirana.
17 Sitrak'Andriamanitra hiharihary tsara kokoa tamin'ireto natao handova ny soa nampanantenainy, fa tsy miova ny fikasany; ka dia notovonany fianianana ny fampanantenana nataony:
18 ireo zavatra anankiroa ireo dia tsy azo ovana sady tsy hain'Andriamanitra andaingana. Noho izany, isika izay mitady fiarovana ao amin'Andriamanitra dia mahazo fampirisihana mafy hitana tsara ny fanantenana natolotra antsika.
19 Toy ny vatofantsiky ny aintsika izany fanantenana izany ho antsika, fanantenana azo antoka sy mafy ary mamaky ny efitra lamban'ilay tempoly any an-danitra ka miditra hatrany anatin'ny Toeramasina Indrindra.
20 Ao i Jesoa no tafiditra nialoha antsika mba ho fanasoavana antsika, rehefa tonga Mpisorombe mandrakizay araka ny fomban'i Melkitsedeka.
Toko faha-7
1 Io Melkitsedeka io dia mpanjakan'i Salema ary mpisoron'ilay Andriamanitra avo indrindra. Fony i Abrahama niverina avy nandresy mpanjaka maro, dia i Melkitsedeka no nitsena azy sy nitsodrano azy;2 i Abrahama kosa nanome an'i Melkitsedeka ny ampahafolon'izay nananany rehetra. Ny hoe Melkitsedeka aloha dia midika ho mpanjaka tia rariny; ary izy koa dia mpanjakan'i Salema, izany hoe Mpanjaka mitondra fiadanana.