Hebreo

Toko faha-7

3 Tsy misy izay ahafantarana ny rain'i Melkitsedeka, na ny reniny, na izay tantaran-drazany ary tsy voalaza ny andro niandohany na ny fiafaran'ny fiainany; fa dia mitovy amin'ilay Zanak'Andriamanitra izy, ka mitoetra ho mpisorona mandrakizay.

4 Hevero ny fahalehibiazan'i Melkitsedeka! Fa i Abrahama razambentsika dia nanome azy ny ampahafolon-kareny avy amin'ireo zavatra tsara indrindra azony babo tany amin'ny ady.

5 Ireo mpisorona avy amin'ny taranak'i Levy no mahazo didy, araka ny lalana, handray ny ampahafolon-karena amin'ny vahoaka Israely, izany hoe amin'ny mpiray firenena aminy, izay terak'i Abrahama ihany koa.

6 Tsy mba taranak'i Levy i Melkitsedeka; nefa nandray ny ampahafolon-karen'i Abrahama izy ary dia nitsodrano an'ilay nahazo ny fampanantenan'Andriamanitra.

7 Ka tsy azo lavina fa izay mitsodrano dia lehibe noho ilay mandray tsodrano.

8 Ny taranak'i Levy, izay mandray ny ampahafolon-karena, dia olon-ko faty ihany; fa i Melkitsedeka kosa dia ambaran'ny Soratra Masina fa velona.

9 Azo lazaina aza fa, fony i Abrahama nandoa ny ampahafolon-kareny, dia anisan'ny nandoa koa i Levy izay rain'ny mpandray ampahafolon-karena.

10 Fa na dia tsy mbola nateraka akory aza i Levy tamin'izay, dia efa tao amin'io razambeny io ihany raha nitsena an'i Abrahama i Melkitsedeka.

11 Foto-javatra tamin'ny lalana nomena ny vahoaka Israely ny fisoronan'i Levy. Koa raha nahatratra ny fanaperana tokoa ny fisoronan'i Levy, dia ho tsy nilaina intsony ny hisehoana Mpisorona anankiray hafa indray, dia Mpisorona araka ny fomban'i Melkitsedeka fa tsy tendrena araka ny fomban'i Aharona;

12 satria raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy misy koa fiovan-dalana.

13 Ka ny Tompontsika, Izay iantefan'izany teny izany, dia hafa foko; ary tsy misy avy tamin'ny fokony mba nanao raharaha teo amin'ny alitara fisoronana.

14 Eny, fantatra mazava tsara fa avy amin'ny fokon'i Joda no nipoiran'ny Tompontsika; ary izany foko izany, rehefa niteny momba ny mpisorona i Mosesy, dia tsy mba voatonony velively.

15 Ary izao indray no vao mainka mampazava kokoa izany fiovan-javatra izany: nisy Mpisorona hafa niseho, izay mitovy amin'i Melkitsedeka.

16 Tsy lalana amam-pitsipika araka ny fomban'olombelona no nahatonga Azy ho Mpisorona, fa herim-piainana tsy manam-pahataperana;

17 satria izy no ijoroana ho vavolombelona hoe: Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban'i Melkitsedeka.

18 Koa izany no nahafoana ny didy taloha, noho izy nalemy sady tsy nahasoa.

19 Ny lalanan'i Mosesy dia tsy nahatafita na inona na inona amin'ny fanaperana; fa naiditra kosa ny fanantenana tsara lavitra, izay ahazoantsika manatona an'Andriamanitra.

20 Tao rahateo koa ilay fianianana nataon'Andriamanitra. Ireo mpisorona hafa dia tsy nombam-pianianana no tonga mpisorona.

21 Fa i Jesoa nombam-pianianana no tonga Mpisorona, fony Andriamanitra nilaza taminy hoe: Efa nianiana ny Tompo ka tsy hivadi-bolana: ?Ianao no Mpisorona mandrakizay.'

22 Izany no mahatonga an'i Jesoa ho antoky ny Fanekempihavanana tsara lavitra.

23 Izao koa no fahasamihafana hita: marobe ireo mpisorona hafa, satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra;

24 fa maharitra mandrakizay kosa i Jesoa ka tsy ifandimbiasana ny fisoronany.

25 Noho izany, dia mahavonjy tanteraka ireo manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay mba hangataka amin'Andriamanitra ho azy ireo.

26 Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin'ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.

27 Tsy mba tahaka ireo mpisorombe hafa Izy, ka tsy mila hanolotra sorona isan'andro ho fanalana ny fahotan'ny tenany aloha, vao ny an'ny vahoaka. Indray mandeha monja no nanoloran'i Jesoa sorona, dia tamin'ny nanolorany ny tenany.

28 Olona zoim-pahalemena no voatendrin'ny lalanan'i Mosesy ho mpisorombe; fa ny teny ombam-pianianana, izay notononin'Andriamanitra taty aorian'ny lalana, no nanendry ny Zanany ho Mpisorombe, dia ilay Zanany efa tonga amin'ny fanaperana mandrakizay.

Toko faha-8

1 Izao no vontoatin'ny zavatra lazainay: Mpisorombe toy izany no ananantsika, ary Mpisorombe efa mipetraka any an-danitra eo ankavanan'ny sezafiandrianan'ilay Andriamanitra lehibe.

2 Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny Toeramasina Izy, dia ao amin'ny tena tranolay izay naorin'ny Tompo fa tsy naorin'olombelona.

3 Ny mpisorombe rehetra dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona; ka dia tsy maintsy hanan-katolotra koa ilay Mpisorombentsika.

4 Raha ety an-tany Izy, dia tsy ho mpisorona akory, fa efa misy rahateo ireo mpisorona manolotra fanatitra araka ny lalana jiosy.

5 Ny fanompoam-pivavahana ataon'ireo mpisorona ireo dia sarintsary sy tandindon'ny ao an-danitra fotsiny; tahaka ny natoron'Andriamanitra tamin'i Mosesy ihany izany, fa nony efa hanao ny tranolay izy dia nilazan'Andriamanitra hoe: Tandremo mba ho araka ny ohatra nasehoko anao tany an-tendrombohitra no hanaovanao ny zavatra rehetra.

6 Fa ankehitriny i Jesoa dia nanankinana fanompoam-pivavahana tsara lavitra noho ny an'ireo mpisorona ireo, satria Izy no mpanalalana amin'ny Fanekempihavanana tsara lavitra izay miorina amin'ny fampanantenana tsara lavitra.

7 Raha tsy nanan-tsiny tokoa ilay Fanekempihavanana voalohany, dia tsy nilaina hisy faharoa hisolo azy.

8 Kanefa omen'Andriamanitra tsiny ny vahoakany, raha ilazany hoe: Indro fa avy ny andro, hoy ny Tompo, izay hanaovako Fanekempihavanana Vaovao amin'ny mponin'i Israely sy amin'ny mponin'i Joda.

9 Nefa tsy mba Fanekempihavanana mitovy amin'izay nataoko tamin'ny razany, tamin'ny andro nitantanako azy hivoaka ny tany Ejipta; tsy nahatritra tamin'izany Fanekempihavanana nataoko izany ireo, koa dia tsy niraharaha azy Aho, hoy ny Tompo.

10 Fa izao no Fanekempihavanana hataoko amin'ny vahoaka Israely rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Hataoko ao an-tsainy ny lalanako, ary hosoratako ao am-pony; dia ho Andriamanitr'ireo Aho, ary izy ho vahoakako!

11 Ka samy tsy hisy hampianatra ny mpiray firenena aminy na hampianatra ny havany intsony hanao hoe: 'Mahalala ny Tompo!' Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra.

12 Havelako tokoa ny helony ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

13 Matoa milaza Fanekempihavanana Vaovao Andriamanitra, dia nambarany ho efa tranainy ilay voalohany; fa izay efa tranainy sy mihatonta dia madiva ho levona.

Toko faha-9

1 Ny Fanekempihavanana voalohany dia nanana fitsipika momba ny fanompoam-pivavahana ary nanana Toeramasina tety an-tany.

2 Fa nisy tranolay voavoatra, dia ny tranolay voalohany izay antsoina hoe Toeramasina: tao no nisy ny fitoeran-jiro sy ny latabatra fametrahana ny mofo atolotra ho an'Andriamanitra.

3 Tambadiky ny efitra lamba faharoa, dia nisy tranolay izay antsoina hoe Toeramasina Indrindra:

4 tao no nisy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra ary ny vata mirakitra ny Fanekempihavanana, vata voapetaka takela-bolamena manontolo; ary tanatin'io vata io dia nisy ny siny volamena nitahirizana ny mana, ny tehin'i Aharona izay nitsiry, ary ny vatofisaka nanoratana ny Fanekempihavanana.

5 Teo ambonin'io vata io dia nisy sarina kerobima mamirapiratra izay nanaloka ny toerana fanaovana sorom-panonerana. Tsy ary voalaza amin'ny antsipiriany etoana ny zavatra rehetra!

6 Rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia ao amin'ny tranolay voalohany no idiran'ny mpisorona mandrakariva hanefa ny fanompoam-pivavahana;

7 fa ao amin'ny tranolay faharoa kosa dia ny mpisorombe irery ihany no miditra ao indray mandeha isan-taona, sady mitondra ram-biby hatolony an'Andriamanitra ho fanalana ny hadisoana tsy nahy vitan'ny tenany sy vitan'ny vahoaka.

8 Ahariharin'ny Fanahy Masina amin'izany fa mbola naseho ny lalana mankany amin'ny Toeramasina Indrindra, raha mbola ao koa ilay tranolay voalohany.

9 Izany dia fanoharana tandrifin'izao andro ankehitriny izao, ka manambara fa ny fanatitra aman-tsorona, atolotra araka izany fomba izany, dia tsy mahalavorary ny fieritreretan'ny olona manao fanompoam-pivavahana.

10 Zavatra momba ny hanina sy ny fisotro ary ny fidiovana samihafa ireo, dia fitsipika ivelambelany ihany izay voadidy hatao mandra-piavin'ny fotoanandro hanaovan'Andriamanitra ny zavatra rehetra.

11 Fa tonga kosa i Kristy ho Mpisorombe ny amin'ny zava-tsoa efa tanteraka ankehitriny. I Kristy dia namakivaky tranolay lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon'olombelona ka tsy mba isan'izao zavaboaary izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9496