2 Timôty
Toko faha-3
14 Ianao kosa, mahareta tsara amin'izay nianaranao sy nekenao tokoa; satria fantatrao ireo olona nampianatra anao izany.15 Hatramin'ny fahazazanao no efa nahalalanao ny Soratra Masina izay manome fahendrena anao hahazoanao famonjena, noho ny finoanao an'i Kristy Jesoa.
16 Ny Soratra Masina rehetra dia nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra sady mahasoa hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny,
17 mba hahatonga ny olon'Andriamanitra ho tsara ofana sy ary fitaovana hanao asa soa isan-karazany.
Toko faha-4
1 Izao no anafatrafarako anao mafy eo anatrehan'Andriamanitra sy eo anatrehan'i Kristy Jesoa, Ilay hitsara ny velona sy ny maty, ary koa noho ny andro hisehoan'i Kristy sy hahatongavan'ny Fanjakany:2 torio ny tenin'Andriamanitra, ka mazotoa amin'izany na handray azy ny olona na tsy handray, mandrese lahatra, mananara mafy, mampirisiha omban'ny fahari-po sy ny fahaiza-mampianatra hatrany.
3 Eny, ho avy ny andro tsy hahazakan'ny olona intsony ny fampianarana tsy misy tomika; fa mpampianatra araka ny maha diavolana ny fony no havoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy.
4 Tsy hihaino ny fampianarana marim-pototra intsony ny olona fa hiala amin'izany ka hivily lalana ho amin'ny anganongano.
5 Fa ianao kosa, aoka hahafehy tena amin'ny zavatra rehetra, zakao ny fijaliana, tontosao ny asa maha mpitory Vaovao Mahafaly anao, ataovy lavorary ny fanompoanao amin'Andriamanitra.
6 Fa izaho moa dia efa halatsa-dra ho sorona araraka, efa mby akaiky ny fotoanandro hialako amin'izao fiainana izao.
7 Ny ady tsara no efa vitako, tratrako ny tanjon'ny fihazakazahana, voatanako ny finoana.
8 Ka ny miandry ahy izao dia ny satroboninahi-pandresena natokana ho an'izay manao ny marina. Ny Tompo, ilay mpitsara ara-drariny, dia hanome ahy izany satroboninahi-pandresena izany amin'ny andro fitsarana; ary tsy izaho ihany no homeny izany, fa izay rehetra miandry am-pitiavana ny hisehoany koa.
9 Ataovy mihitsy izay hahatongavanao faingana aty amiko.
10 Fa i Damasy efa nandao ahy, satria mankamamy an'izao fiainana ankehitriny izao izy ka lasa nankany Tesalonika. I Kresensa dia lasa any Galatia ary i Tito any Dalmatia.
11 I Lioka no hany eto amiko. Alao i Marka ary ento miaraka aminao, fa afaka manampy ahy amin'ny raharaha izy.
12 Nirahiko ho any Efeso i Tisiko.
13 Rehefa mankaty ianao, dia ento ilay akanjobe tavelako tao amin'i Karpo tany Troasy; ento koa ireo bokiko, indrindra ireo boky hoditra.
14 Raha i Aleksandra mpanefy varahina, dia betsaka ny ratsy nafitsony ahy; ny Tompo no hamely azy araka izay vitany.
15 Mitandrema koa ianao aminy, fa notoheriny mafy tokoa ny teninay.
16 Fony aho nandaha-teny hiarovako tena tamin'ny voalohany, dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa ny olona. Tsy hotanan'Andriamanitra ho hadisoany anie izany!
17 Kanefa dia nijoro teo anilako ny Tompo ka nanome hery ahy mba hahatontosako soa aman-tsara ny fitorian-teny sady handrenesan'ireo rehetra hafa firenena izany; ary dia afaka teo am-bavan'ny liona aho.
18 Hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra afitsoka ahy ny Tompo ka hampandroso ahy soa aman-tsara ao amin'ny Fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.
19 Veloma any amin'i Prisila sy i Akoila, ary any amin'ny ankohonan'i Onesiforo.
20 Nijanona any Korinto i Erasta; ary i Trofimo dia navelako ao Mileto fa narary.
21 Ataovy mihitsy izay hahatongavanao aty alohan'ny ririnina. Manao veloma anao i Eobola sy i Podensa, i Lino sy i Klaodia ary ny havana rehetra iray finoana.
22 Homba anao anie ny Tompo! Homba anareo anie ny fahasoavan'Andriamanitra!
Tito
Toko voalohany
1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho mpanompon'Andriamanitra sy apostolin'i Jesoa Kristy. Nirahina aho hampandroso ny finoan'ireo olom-boafidin'Andriamanitra ary hampahalala azy ny fampianarana marim-pototra mifanaraka amin'ny fivavahantsika,2 dia fivavahana miorina amin'ny fanantenana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Ilay Andriamanitra tsy mba mandainga dia nampanantena antsika izany fiainana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao;
3 ka tamin'ny fotoanandro voatendriny no nahariharin'Andriamanitra ny teniny, dia ny hafatra izay nankinina tamiko ka toriko araka ny baikon'Andriamanitra Mpamonjy antsika.
4 Mamangy anao aho, ry Tito, dia ianao izay tena zanako ao amin'ny finoana iombonantsika. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Mpamonjy antsika!
5 Navelako tany Kreta ianao mba handaminanao izay mbola tokony halamina ary mba hanendrenao loholom-piangonana isan-tanana, araka ny fepetra nomeko anao:
6 ny loholona dia tokony ho lehilahy tsy manan-tsiny, tsy mampirafy; ary ny zanany dia tokony ho mpino, tsy azo ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy na ho maditra.
7 Eny, ny mpitondra Fiangonana dia mpandraharaha ny asan'Andriamanitra, ka tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpidoroka, tsy mahery vaika, tsy maloto fila harena;
8 tokony hahay mandray vahiny, hankamamy ny toetra tsara, hahafehy tena, ho tia rariny, ho masina, hahonon-tena;
9 ary tokony hitana mafy ny hafatra azo antoka mifanaraka amin'ny foto-pampianarana. Amin'izay, ny mpitondra Fiangonana dia ho afaka hampirisika momba ny fampianarana tsy misy tomika sady handresy lahatra ireo mpanohitra izany.
10 Fa maro tokoa, indrindra tamin'ireo Jiosy tonga kristianina, no mikomy sy manodoka ny olona amin'ny taria poaka aty.
11 Tsy maintsy tampenam-bava ireo fa mampisavorovoro fianakaviana maro, satria mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina mba hahazoan-karena amin'ny fomba maloto.
12 Kretoa anankiray izay heverin'izy samy Kretoa ho mpisolo vava an'Andriamanitra no efa nilaza hoe: Mpandainga mandrakariva ny Kretoa, biby masiaka, kamo be tenda!
13 Azo antoka izany zavatra ijoroany ho vavolombelona izany. Koa reseo lahatra ireo mba hanana finoana tsy misy tomika,
14 mba tsy hifikitra intsony amin'angano jiosy sy didy nataon'olona izay niala tamin'ny fampianarana marim-pototra.
15 Madio avokoa ny zavatra rehetra amin'ny olona madio; fa tsy misy madio na inona na inona amin'ny olona voaloto sady tsy mino, satria samy efa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
16 Miaiky izy fa mahalala an'Andriamanitra, nefa manda Azy amin'ny ataony; ka olona mpanimbazimba sady tsy mba manoa ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.
Toko faha-2
1 Fa ianao kosa, dia izay mifanaraka amin'ny fampianarana tsy misy tomika no lazao.2 Anaro ny lehilahy zokiolona mba hahalala onony amin'ny fisotro, ho maotina, hahafehy tena, tsy hisy tomika amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana.
3 Anaro toy izany koa ny vehivavy zokiolona mba hanana fitondrantena sahaza ny olona masim-piainana, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be. Ireo vehivavy zokiolona dia tokony hanome anatra tsara
4 ka hanoro ny vehivavy tanora ho tia vady aman-janaka,
5 hahafehy tena, hadio toetra, hahakojakoja tokantrano, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hanevateva ny tenin'Andriamanitra.
6 Anaro toy izany koa ny lehilahy tanora mba hahafehy tena.
7 Amin'ny zavatra rehetra dia aoka ny tenanao ho ohatra amin'ny asa tsara; aoka ny fampianaranao ho madio sy maotina:
8 teny tsy misy tomika sady tsy azo kianina ampiasaina, mba ho menatra ny mpanohitra anao, noho izy tsy hanan-kitenenan-dratsy antsika.