2 Timôty

Toko voalohany

8 Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika; aza menatra ny amiko ihany koa, dia izaho voafonja noho ny aminy. Fa aoka hiaretanao fijaliana miaraka amiko ny Vaovao Mahafaly, araka ny hery omen'Andriamanitra anao.

9 Andriamanitra no namonjy antsika sy niantso antsika ho vahoakany, tsy noho ny asa vitantsika fa noho ny fandaharan'ny tenany ihany ary noho ny fahasoavany. Efa nomeny antsika tao amin'i Kristy Jesoa izany fahasoavana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao;

10 kanefa naharihariny antsika ankehitriny tamin'ny nisehoan'ilay Mpamonjy antsika, dia i Kristy Jesoa Izay nanafoana ny herin'ny fahafatesana sy nanambara mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana tamin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly.

11 Ny hitory izany Vaovao Mahafaly izany no nanendren'Andriamanitra ahy ho apostoly sy ho mpampianatra;

12 ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin'ny andro fitsarana.

13 Ireo teny efa renao tamiko no ataovy fenitra ho anao, ka tano mafy amin'ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa.

14 Ny Fanahy Masina Izay mitoetra ao anatintsika no itahirizo ilay raki-tsoa nankinina taminao.

15 Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Azia, ka isan'ireny ry i Figelo sy i Hermozena.

16 Ny Tompo anie hamindra fo amin'ny ankohonan'i Onesiforo fa namelombelona ny fanahiko matetika izy sady tsy nahamenatra azy ny figadrako!

17 Fa nony tonga teto Roma i Onesiforo, dia nazoto nitady ahy; ka tsy navelany aho, raha tsy hitany.

18 Mba hataon'ny Tompo hahita ny famindrampony anie izy amin'ny andro fitsarana! Fantatrao tsara dia tsara koa ny fikarakarana rehetra nataony tamiko tao Efeso.

Toko faha-2

1 Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny alalan'ny fahasoavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa.

2 Ireo zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia ankino amin'ny olona mahatoky, izay afaka mampianatra ny sasany koa.

3 Aoka hiaritra fijaliana miaraka amiko ianao, toy ny miaramila tsaran'i Kristy Jesoa.

4 Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin'ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin'izay mandatsaka azy hiantafika.

5 Ny mpanao fanatanjahan-tena dia tsy mahazo satroboninahi-pandresena raha tsy manezaka araka ny fitsipika.

6 Ny mpamboly izay misasatra no tokony ho voalohany mandray izay anjarany amin'ny vokatra.

7 Saino izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina momba ny zavatra rehetra ianao.

8 Tsarovy i Jesoa Kristy, Izay nipoitra avy amin'ny taranak'i Davida sady efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty, araka ny Vaovao Mahafaly toriko.

9 Noho ny fitoriako izany Vaovao Mahafaly izany no ijaliako, ary igadrako toy ny mpanao ratsy aza. Kanefa ny tenin'Andriamanitra tsy mba voagadra.

10 Izany no iaretako ny mafy rehetra ho fanasoavana ireo olomboafidin'Andriamanitra, mba hahazoan'ireo koa famonjena, dia ilay ao amin'i Kristy Jesoa, mbamin'ny voninahitra maharitra mandrakizay.

11 Azo antoka izao teny izao: Raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia hiara-belona aminy koa;

12 raha miaritra ny mafy isika, dia hiara-manjaka aminy koa; fa raha lavintsika Izy, dia mba holaviny koa isika;

13 raha mivadika aminy isika, Izy dia mahatoky hatrany satria tsy afa-manda ny tenany.

14 Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'Andriamanitra izy mba tsy hiady teny; satria tsy mahasoa izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.

15 Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason'Andriamanitra, ka ho mpiasa tsy mahazo henatra amin'ny asany, mamoaka tsara ny teny momba ny fampianarana marim-pototra.

16 Halaviro ny taria poaka aty sady manazimba fivavahana; fa ny mpanao ireny dia vao mainka handroso amin'ny haratsiam-panahy.

17 Ary ny fampianaran-dry zareo dia toy ny vay homamiadana mandany ny nofo. Isan'ireny ry i Himeneo sy i Fileto:

18 efa nivaona niala tamin'ny fampianarana marim-pototra izy roa lahy sady manimba ny finoan'ny sasany, raha milaza fa zavatra efa tanteraka sahady ny fitsanganantsika ho velona.

19 Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady voasokitra eo ny teny hoe: Fantatry ny Tompo ireo Azy, sy ny hoe Aoka hiala amin'ny ratsy avokoa ny olona rehetra mitonona ho mpanaja ny Tompo!

20 Tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao anaty lapa soa anankiray fa misy fanaka hazo sy tanimanga koa; iretsy voalohany dia fanaka mihaja fa ireto faharoa kosa dia fanaka tsotsotra.

21 Izay olona miezaka hadio fo ka miala amin'ireo haratsiana ireo dia ho tahaka ny fanaka mihaja, satria voatokana ho an'ny Tompo izy sady misy ampiasany azy ary voavoatra hanao asa soa isan-karazany.

22 Andosiro ny zava-dratsy ironan'ny tanora fanahy; fa aoka ny rariny, ny finoana, ny fitiavana ary ny fihavanana no hiarahanao mikatsaka amin'ireo olona miantso ny Tompo amin'ny fo mahitsy.

23 Aza miraharaha izay fanontaniana adaladala sy tsy misy heviny, satria fantatrao fa mahatonga ady izany;

24 fa ny mpanompon'ny Tompo dia tsy tokony ho fiadina, fa tokony halemy fanahy amin'ny olona rehetra, hahay mampianatra, hahalefitra,

25 ho mora fo raha mananatra ny mpanohitra azy: hataon'Andriamanitra miala amin'ny toe-dratsy angamba ireny mpanohitra ireny mba hahalala ny fampianarana marim-pototra;

26 ary hody ny sain'ireo ka ho afaka amin'ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanaraka ny sitrapony.

Toko faha-3

1 Aoka ho fantatrao fa any am-parany any dia hisy fotoana sarotra;

2 satria ho tia tena ny olona, ho matimatim-bola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpanevateva an'Andriamanitra, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay mankasitraka, tsy hanaja ny zavatra masina,

3 tsy hifaditra ovana, tsy hitsimbina fihavanana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, hisetrasetra, hankahala ny tsara,

4 ho mpamadika, ho kirina, ho mpieboebo, hankamamy ny fahafinaretana toy izay hankamamy an'Andriamanitra,

5 hitana ny endrika ivelany isehoan'ny fivavahana nefa manda ny heriny. Halaviro ireny olona ireny!

6 Fa isan'ireny izay misokosoko miditra an-tranon'olona ka mambabo vehivavy adala ivangongoam-pahotana sy ifandroritam-pilana maro,

7 vehivavy mianatra lalandava nefa tsy afaka hahalala ny fampianarana marim-pototra na oviana na oviana.

8 Tahaka ny nanoheran-dry i Jana sy i Jambra an'i Mosesy no anoheran-dry zareo ny fampianarana marim-pototra; fa ireo dia olona efa maloto saina, ary ny finoany efa tsy azo antoka.

9 Kanefa tsy handroso intsony ireo, satria haseho amin'ny olona rehetra toy ny an'i Jana sy i Jambra koa ny hadalany.

10 Fa ianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny foto-pisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,

11 ny fanenjehana ahy ary ny fijaliana nanjo ahy. Fantatrao avokoa izay nihatra tamiko tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Listra, mbamin'ireo fanenjehana nianjady tamiko; kanefa dia nafahan'ny Tompo tamin'izany rehetra izany aho.

12 Eny, izay te hiaina araka ny maha mpivavaka tafaray amin'i Kristy Jesoa dia hoenjehina.

13 Fa ny olona ratsy fanahy sy mpanoloky dia vao mainka hiharatsy hatrany, sady mamitaka no voafitaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9229