1 Timôty
Toko faha-5
4 Raha manana zanaka aman-jafy ilay vehivavy mpitondratena, dia aoka ireo aloha hianatra haneho ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fianakaviany ka hamaly babena ny ray aman-dreniny na ny raibe aman-drenibeny, fa izany no ankasitrahin'Andriamanitra.5 Ny vehivavy, tena mpitondratena tokoa sady tsy mana-mpiahy, dia efa nametraka ny fanantenany amin'Andriamanitra, ka mivavaka hatrany ary mangataka hampian'Andriamanitra andro aman'alina.
6 Fa ny mpitondratena, manaram-po amin'ny fahafinaretana, dia efa maty fanahy mbola velona.
7 Izany no anafatrafaro ny vehivavy mpitondratena sy ny fianakaviany, mba tsy hananany tsiny.
8 Fa raha misy tsy mahakarakara ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy kokoa noho ny tsy mpino.
9 Aza atao lisitra ho isan'ny vehivavy mpitondratena afa-tsy izay mihoatra ny enimpolo taona sady indray mandeha ihany no nanambady,
10 ary tsara laza amin'ny asa soa vitany; vehivavy nitaiza tsara ny zanany, nampiantrano vahiny, nanasa ny tongotr'ireo namana kristianina, nanampy ny nozoim-pahoriana, nazoto tamin'ny asa soa isan-karazany.
11 Aza ekena ho anaty lisitra ireo mpitondratena mbola tanora, satria rehefa voan'ny filam-pahafinaretana izy dia miala amin'i Kristy ary te hanambady indray;
12 ka manjary meloka ireo, satria mivadika tamin'ilay toky nomeny an'i Kristy tam-boalohany.
13 Ary tsy vitan'izany, fa mianatra mandany andro miriorio mitety tranon'olona koa ireo; ary tsy hoe mandany andro fotsiny, fa mipentsompentsona, manao zavatra tsisy antony etsy sy eroa miresaka zavatra tsy tokony horesahina.
14 Koa tiako mba hanambady indray ireo vehivavy mpitondratena mbola tanora, ka dia hanan-janaka sy hitondra ny tokantranony mba tsy hohararaotin'ny fahavalontsika hitenenan-dratsy antsika.
15 Efa nisy sasantsasany nivily sahady nanaraka an'i Satana.
16 Raha misy vehivavy mpino, manan-kavana mpitondratena, dia aoka izy hanampy azy; fa tsy hamela azy hanahirana ny Fiangonana; amin'izay ny Fiangonana dia ho afa-manampy ireo tena mpitondratena.
17 Aoka ny loholona tsara fitondra ny Fiangonana handray valin-kasasarana avo roa heny, indrindra fa ireo mikely aina amin'ny fitorian-teny sy ny fampianarana.
18 Fa hoy ny Soratra Masina hoe: Aza akombona ny vavan'ny omby mively vary, ary koa hoe: Mendrika hahazo ny karamany ny mpiasa.
19 Aza mandray teny fiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo.
20 Izay loholona manota dia teneno eo anatrehan'ny besinimaro mba hatahotra koa ny sasany.
21 Eo imason'Andriamanitra sy i Kristy Jesoa ary ny anjely masina no ameperako mafy anao: tandremo tsara ireo torohevitra ireo, ka tsy hisy fizahan-tavan'olona na fiangarana amin'izay ataonao.
22 Aza maika loatra mametra-tanana amin'olona mba hanokana azy amin'ny asan'ny Tompo. Aza miombona ota amin'ny sasany; tahirizo madio ny tenanao.
23 Aoka tsy dia ho rano fotsiny ihany no ho fisotronao, fa misotroa divay kely koa noho ny ambavafonao ary noho ny fahosaosanao matetika.
24 Miharihary ny fahotan'ny olona sasany, dieny alohan'ny famotopotorana; fa ny an'ny sasany kosa aty aorian'ny famotopotorana vao miseho.
25 Miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary na izay tsy miharihary avy hatrany aza, dia tsy hay afenina.
Toko faha-6
1 Aoka ny mpanompo rehetra fehezin'olona hanao ny tompony ho mendri-kaja tanteraka, mba tsy hanevatevana ny anaran'Andriamanitra sy ny fampianarantsika.2 Ny mpanompo, manana tompo kristianina, dia tsy tokony hanao tsinontsinona azy satria hoe rahalahiny ihany; fa vao mainka tokony hanompo azy tsara aza, satria mpino malalany no anaovany soa. Ireo zavatra ireo no ampianaro sy ampirisiho.
3 Raha misy manao fampianarana hafa, ka tsy manaiky ny teny tsy misy tomika nambaran'i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fampianarana mifanaraka amin'ny fivavahantsika,
4 dia mieboebo foana ary tsy mahalala na inona na inona, fa adalan'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny; vokatr'izany: fialonana, fifandirana, fanevatevana, ahiahy ratsy,
5 ary fifanoherana tsy misy farany eo amin'ny olona efa ratsy saina sady efa tsy mahalala ny hafatra marim-pototra intsony. Heveriny fa ny fivavahana dia atao ho filan-karena.
6 Eny, harem-be tokoa ny fivavahana ho an'ny olona mahay mianina amin'izay ananany;
7 satria tsy nitondra na inona na inona isika nanketo amin'izao tontolo izao ary tsy hahatondra na inona na inona miala eto.
8 Koa rehefa mba manan-kohanina sy hitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.
9 Fa izay te hanan-karena, dia voan'ny fakampanahy sy ny fandriky ny filana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandetika ny olona hihitsoka ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana.
10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra; ny olona sasany, fatra-pitady izany, dia efa tafavily niala tamin'ny finoana, ka nandefon-tena tamin'ny fijaliana maro.
11 Fa ianao kosa, ry lehilahin'Andriamanitra, halaviro ireo zava-dratsy ireo. Katsaho ny rariny, ny firaiketam-po amin'Andriamanitra, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana ary ny fahalemem-panahy.
12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazony ny fiaina-maharitra mandrakizay, fa ho any amin'izany fiainana izany no niantsoan'Andriamanitra anao fony ianao nanambara ilay fiekem-pinoana fatratra teo anatrehan'ny vavolombelona maro.
13 Izao no anafatrafarako anao eo anatrehan'ilay Andriamanitra fototr'ain'ny zavatra rehetra sy eo anatrehan'i Kristy Jesoa Izay nanambara fiekem-pinoana fatratra nanoloana an'i Ponty Pilato:
14 tandremo tsy hanan-tsiny amam-pondro izany baiko izany mandra-piavin'ilay andro hisehoan'ilay Jesoa Kristy Tompontsika.
15 Fa ny hisehoan'i Kristy, amin'ny fotoana voatendry, dia hotanterahin'Andriamanitra, ilay Andriana tokana sady loharanom-pahasambarana, ilay Mpanjakan'ny mpanjaka sady Tompon'ny Tompo:
16 Izy ihany no tsy mety maty, mitoetra ao amin'ny hazavana tsy hay akaikezina; tsy misy olombelona nahita maso Azy hatrizay hatrizay, ary tsy misy afaka hahita maso Azy; ho Azy anie ny haja sy ny fanjakana mandrakizay! Amen.
17 Anaro ireo mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin'ny harena tsy mateza, fa amin'Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika.
18 Anaro ireo mpanankarena mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, mba halala-tanana ary mba ho vonona hifampizara amin'ny hafa;
19 dia hamory raki-tsoa ho an'ny tenany izy hanorenany tsara ny ho avy, ka hahazoany ny tena fiainana.
20 Tahirizo tsara, ry Timoty, ny raki-tsoa nankinina taminao; fadio ny taria poaka aty sady manazimba fivavahana; fadio ny fanoheran-kevitra avy amin'ilay antsoina foana hoe Fahalalana, kanjo tsy izy.
21 Nihambo hanana izany fahalalana izany ny sasany, ka nihataka tamin'ny finoana. Homba anareo anie ny fahasoavan'Andriamanitra!
2 Timôty
Toko voalohany
1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra mba hitory ny fiainana nampanantenaina izay ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa.2 Mamangy anao aho, ry Timoty zanako malala. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Tompontsika!
3 Velom-pisaorana an'Andriamanitra aho, dia Andriamanitra Izay tompoiko amin'ny fieritreretana mahitsy toy ny nataon'ireo razako. Velom-pisaorana Azy aho rehefa mahatsiaro anao tsy tapaka amin'ny fivavahana ataoko andro aman'alina.
4 Tsaroako ny ranomasonao, ka tsy andriko mihitsy ny hahitako anao mba ho safononoka ny hafaliako.
5 Tsahiviko ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, dia ilay finoana efa nananan'i Loisa renibenao sy i Eonika reninao talohanao. Azoko antoka fa anananao koa izany.
6 Izany no ampahatsiarovako ny hamelombelomanao indray ilay fanomezam-pahasoavana narotsak'Andriamanitra tao anatinao, fony aho nametra-tanana taminao.
7 Tsy mba fanahy mahatonga ho kanosa no efa nomen'Andriamanitra antsika, fa ilay Fanahiny mahatonga antsika ho feno hery sy be fitiavana ary mahay mifehy tena.