1 Timôty
Toko faha-2
1 Hafatrafarako voalohany indrindra ary ny hanaovana fangatahana sy fivavahana ary fitalahoana sy fisaorana amin'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra;2 mivavaha ho an'ireo filoham-pirenena sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika miadana sy mandry feizay omban'ny firaiketam-po tanteraka amin'Andriamanitra sy ny fitondrantena maotina.
3 Izany no tsara sady sitrak'Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
4 Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahalalan'izy rehetra ny finoana marina.
5 Satria iray Andriamanitra, iray koa ny mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia i Kristy Jesoa Izay olona
6 nanolo-tena ho fanavotana ny olona rehetra: izany no porofo mby amin'ny fotoanandrony tokoa fa tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra Andriamanitra.
7 Ary ny hitory izany no nanendrena ahy ho mpitoriteny sady apostoly, ho mpampianatra ny finoana tena izy amin'ny hafa firenena. Milaza ny marina aho fa tsy mandainga.
8 Tiako mba hivavaka ny lehilahy na aiza na aiza, ka hanandra-tanana hanao izany amin'ny fo madio, tsy misy fahatezerana na fifandirana.
9 Toraka izany koa ny vehivavy: tiako mba hihaingo maotina tsara sy mahalala onony izy ireo ka hitondra fitafiana mendrika, tsy hanao taovolo mihaitraitra, tsy hirenty volamena na vatosoa na fitafiana sarobidy,
10 fa hiravaka asa soa mifanentana amin'ny vehivavy mankato ny fivavahana amin'Andriamanitra.
11 Aoka ny vehivavy mba hahay mandray fampianarana amim-panginana ka hanaiky tanteraka.
12 Tsy mamela azy hampianatra aho na hanjakazaka amin'ny lahy, fa tokony hangina:
13 satria i Adama no ary voalohany vao i Eva;
14 tsy mba i Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka sady tonga nandika ny didin'Andriamanitra.
15 Kanefa hovonjena ihany ny vehivavy amin'ny fananan-janaka, raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana omban'ny fahononan-tena.
Toko faha-3
1 Azo antoka izao teny izao: raha misy olona maniry ny asan'ny mpitondra Fiangonana, dia maniry asa tsara izy.2 Koa ny mpitondra Fiangonana dia tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mampirafy, mahafehy tena, matotra, maotina, mahay mandray olona, havanana amin'ny fampianarana;
3 tsy tokony ho mpidoroka na hahery vaika, fa handefitra, tsy ho fiadina, tsy ho matimatim-bola;
4 tokony hahay mitondra tsara ny ankohonany, hahataona ny zanany hanaiky azy amim-panajana tanteraka (
5 fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fikarakara ny Fiangonan'Andriamanitra?);
6 tsy tokony ho kristianina zazavao izy, fandrao hieboebo foana ka ho voaheloka tahaka ny nanjo ny devoly;
7 tokony ho tsara laza amin'ny olona tsy kristianina koa izy, fandrao ho afa-baraka sy ho voan'ny fandriky ny devoly.
8 Toy izany koa ireo diakonina: tokony ho olona maotina, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy maloto fila harena,
9 mitana tsara ny tsiambaratelo nambara momba ny finoana ka mitana izany amin'ny fieritreretana mahitsy.
10 Ary aoka hozahan-toetra aloha izy ireo; ka rehefa hita fa tsy manan-tsiny, vao hahazo manao ny asan'ny diakonina.
11 Tokony ho maotina toy izany koa ny vehivavy, ka tsy ho mpanendrikendrika fa hahafehy tena ary mahatoky amin'ny zavatra rehetra.
12 Aoka ny diakonina tsy hampirafy, ary aoka izy hahay mitondra tsara ny zanany sy ny ankohonany;
13 fa ireo diakonina manatontosa tsara ny raharahany dia mahazo laharana mihaja ho an'ny tenany ary manana fahatokiana be miorina amin'ny finoana an'i Kristy Jesoa.
14 Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena fa hankaty aminao faingana aza aho.
15 Fa raha tratra ela aho, ity taratasy ity dia misy hahafantaranao izay fitondrantena tokony hataonao ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra, izany hoe ny Fiangonan'ilay Andriamanitra velona, ny Fiangonana izay mampijoro sy manamafy orina ny hafatra marim-pototra.
16 Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin'Andriamanitra tamin'ny herin'ny Fanahy masina ary niseho tamin'ny iraka; notorina tany amin'ny firenena, ka ninoana eran'izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.
Toko faha-4
1 Lazain'ny Fanahy Masina mazava tsara fa any am-parany any dia hisy olona sasany handao ny finoana; ny hahababo azy dia fanahy mamitaka sy fampianaran-demony2 izay haelina mpihatsaravelatsihy sy mpilaza lainga. Maty toy ny efa nasiana vy mahamay mihitsy ny eritreritr'ireto mpilaza lainga ireto;
3 raran-dry zareo ny fanambadiana; ary asainy fadina ny hanina sasantsasany. Hanina noarin'Andriamanitra anefa ireny; ka ho an'ireo mpino sady mpahafantatra ny hafatra marim-pototra dia amim-pisaorana an'Andriamanitra no ihinanana azy.
4 Fa tsara avokoa izay noarin'Andriamanitra, ka tsy misy tokony holavina fa horaisina amim-pisaorana an'Andriamanitra;
5 satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny vavaka izany.
6 Raha izany torohevitra izany no arosonao ny havana iray finoana, dia ho mpanompo tsaran'i Kristy Jesoa ianao, ka hiharihary fa mivelona amin'ireo teny momba ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao ianao.
7 Aoka ianao tsy hiraharaha izay angano manazimba fivavahana sady tsy misy fotony. Manazara tena amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra.
8 Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra kosa dia mahasoa amin'ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin'ny ho avy.
9 Azo antoka izany teny izany, ka mendrika hankatoavina tanteraka.
10 Eny, izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria ny fanantenanay dia efa napetrakay amin'Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa ireo mino.
11 Anafatrafaro sady ampianaro izany zavatra izany.
12 Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny maha tanora anao, fa aoka ianao ho ohatra ho an'ny mpino amin'ny fiteny, amin'ny fitondrantena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.
13 Mandra-pahatongako, dia mahavara tsara mamaky ny Soratra Masina sy mampirisika ary mampianatra.
14 Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr'Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona.
15 Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao.
16 Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'ireo adidy ireo; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
Toko faha-5
1 Aza levilevena ny lehilahy efa zokiolona fa anaro toy ny rainao izy; ny zatovolahy, ento toy ny rahalahy;2 ny vehivavy efa zokiolona, ento toy ny reny; ary ny zatovovavy, ento toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana tanteraka.
3 Hajao ny vehivavy mpitondratena, dia ireo tena mpitondratena tokoa.