Kôlôsianina

Toko voalohany

2 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika!

3 Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, rehefa mivavaka ho anareo.

4 Eny, velom-pisaorana an'Andriamanitra izahay satria renay laza ny finoanareo an'i Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny vahoakan'Andriamanitra rehetra.

5 Mby teo aminareo ny Vaovao Mahafaly, ary ny hafatra marina raketiny no nandrenesanareo ny zavatra antenaina izay voatahiry ho anareo any an-danitra. Ka ny finoanareo sy ny fitiavanareo dia vokatr'izany fanantenana izany.

6 Ny Vaovao Mahafaly dia mitondra vokatra sy mitombo eran'izao tontolo izao koa, tahaka ny teo aminareo hatramin'ny andro nandrenesanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina.

7 I Epafra, hava-malala mpiray fanompoana aminay, no nampianatra anareo momba izany; mpanompo mahatokin'i Kristy izy ho fanasoavana anareo,

8 ary dia nampahafantatra anay ny fitiavana izay nomen'ny Fanahy Masina anareo.

9 Izany no tsy itsaharanay mivavaka ho anareo, hatramin'ny andro nandrenesanay ny aminareo. Mangataka amin'Andriamanitra izahay mba ho feno fahalalana tsara ny sitrapony ianareo, ka homena ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy Masina.

10 Izany no hanananareo fitondrantena mendrika ny Tompo, ka hanaovanareo mandrakariva izay ankasitrahiny; dia hahavokatra amin'ny asa soa isan-karazany ianareo sady hitombo fahalalana tsara an'Andriamanitra,

11 ary hampahatanjahina tanteraka amin'ny heriny be voninahitra mba hanananareo fandeferana sy faharetana amin'ny zavatra rehetra. Fo heni-kafaliana

12 no isaory an'Andriamanitra Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lova natokany ho an'ny vahoakany ao amin'ny hazavana;

13 fa nanala antsika tamin'ny fahefan'ny haizina Izy, ka namindra antsika ho ao amin'ny Fanjakan'ny Zanany malalany,

14 Ilay ahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.

15 I Kristy dia endrik'ilay Andriamanitra tsy hita. Izy no Zanaka lahimatoa, ambonin'ny voaary rehetra.

16 Tao aminy no naharian'Andriamanitra ny zavatra rehetra any an-danitra sy eto an-tany, ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana. Tamin'ny alalany sy ho Azy no naharian'Andriamanitra ny zavatra rehetra.

17 Nisy talohan'ny zavatra rehetra Izy sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.

18 I Kristy no lohan'ny Fiangonana izay tenany; Izy no fiandohan'ny fiainam-baovao, Zanaka lahimatoa, ilay voalohany natsangana ho velona avy tany amin'ny maty, mba ho lohalaharana amin'ny zavatra rehetra.

19 Fa tao aminy no sitrak'Andriamanitra hitoeran'ny hafenoana tanteraka;

20 ary ny ra nafoiny teo amin'ny hazofijaliana no nanaovan'Andriamanitra fampihavanana, ka dia tamin'ny alalany no sitrak'Andriamanitra hampihavanana amin'Izy Ray ny zavatra rehetra na ny eto an-tany na ny any an-danitra.

21 Ianareo koa dia lavitra an'Andriamanitra fahiny sady fahavalony, noho ny ratsy nosaininareo sy nataonareo.

22 Fa ankehitriny kosa, noho i Kristy niharan'ny fahafatesana tao amin'ny vatany mety maty, dia namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra mba hahatonga anareo ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany.

23 Kanefa tsy maintsy maharitra amin'ny finoana ianareo, ka miorina sy mitombina tsara, ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana vokatry ny Vaovao Mahafaly efa renareo. Izaho Paoly dia efa tonga mpanompon'izany Vaovao Mahafaly izany, dia ilay notorina tamin'ny olona rehetra eto ambanin'ny lanitra.

24 Ankehitriny aho dia mifaly amin'ny fijaliana iaretako noho ny aminareo, satria miferinaina ara-batana aho ka mameno izay tsy ampy tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, izany hoe ho an'ny Fiangonana.

25 Tonga mpanompon'ny Fiangonana aho, araka ny andraikitra nomen'Andriamanitra hotontosaiko aminareo: dia ny manatanteraka ny fitoriana ilay tenin'Andriamanitra,

26 izany hoe ilay tsiambaratelo nafenin'Andriamanitra tamin'ny taranak'olombelona hatramin'ny fahagola, fa ankehitriny kosa efa nasehony tamin'ny vahoakany.

27 Ny vahoakany tokoa no nirin'Andriamanitra hampahafantarina ny maha sarobidy sy maha be voninahitra izany tsiambaratelo anasoavana ny firenena rehetra izany, dia inty: ao anatinareo i Kristy, antoky ny voninahitra homena anareo.

28 Koa dia mitory an'i Kristy amin'ny olona rehetra izahay. Samy anarinay sy ampianarinay amim-pahendrena tokoa ny olona, mba hahatonga azy rehetra ho tanteraka noho izy tafaray amin'i Kristy.

29 Hahatontosako izany andraikitra izany, dia mikely aina sy miezaka mafy aho, araka ny hery tsy hay tohaina omen'i Kristy sady miasa fatratra ato anatiko.

Toko faha-2

1 Eny, tiako ho fantatrareo fa miezaka mafy tokoa aho hanasoavana anareo sy izay any Laodisia mbamin'izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako velively.

2 Miezaka mafy aho mba ho tafaray tsara amin'ny fitiavana izy ireo ka hampaherezina ny fony ary mba hanan-toky be dia be vokatry ny fahazavan-tsaina omen'Andriamanitra; hany ka ho fantatr'izy ireo tsara ilay tsiambaratelon'Andriamanitra, dia i Kristy:

3 fa miafina ao amin'i Kristy ny rakitra rehetra momba ny fahendrena sy ny fahalalana avy amin'Andriamanitra.

4 Lazaiko aminareo izany mba tsy hahavoafitaka anareo amin'ny fandrebirebena tsara lahatra.

5 Fa na dia lavitra anareo aza aho ara-batana, dia eo aminareo ihany am-panahy; ka faly aho mahita fa milamina tsara ianareo ary ijoroanareo mafy ny finoanareo an'i Kristy.

6 Noho ianareo efa nandray an'i Kristy Jesoa ho Tompo, dia manaova fitondrantena toy ny olona tafaray aminy.

7 Aoka hahazo vahatra sy hiorina ao amin'i Kristy ianareo; aoka hihamafy hatrany ny finoanareo araka izay efa nampianarina anareo, ary aoka ho feno fisaorana an'Andriamanitra ianareo.

8 Mitandrema fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny fahendren'olombelona sy ny famitahana foana: ny fampianarana ampitain'olombelona sy ny herin-javatr'izao tontolo izao no iorenan'izany fa tsy i Kristy;

9 satria ao amin'i Kristy, araka ny maha olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan'ny fomban'Andriamanitra.

10 Ka efa heni-tsoa tokoa ianareo satria tafaray amin'Ilay ambonin'ny fanapahana sy fahefana isan-tokony.

11 Noho ny firaisana amin'i Kristy, dia voafora ianareo nefa tsy tamin'ny famorana nataon-tanan'olona fa tamin'ny famorana nataon'i Kristy, izany hoe famorana manaisotra ny herin'ny maha olona mpanota;

12 fa tamin'ny nanaovana batisa anareo, dia niara-nilevina tamin'i Kristy ianareo ary niara-nitsangana taminy koa, satria nino ny herin'ilay Andriamanitra nanangana Azy ho velona avy tany amin'ny maty.

13 Maty ara-panahy ianareo fahiny noho ny fahadisoanareo ary noho ianareo tsy voafora tamin'ny maha olona mpanota; ankehitriny kosa, dia novelomin'Andriamanitra niaraka amin'i Kristy ianareo, rehefa navelany avokoa ny fahadisoantsika.

14 Novonoiny ny sora-tanana namely antsika, dia ilay nirakitra ny didy niampanga antsika; ary mova tsy nofantsihany teo amin'ny hazofijaliana izany sora-tanana izany ka nofoanany tsy hanan-kery intsony.

15 Koa ny hazofijaliana no nandravan'i Kristy ny herin'ny fanapahana sy fahefana; dia nataony babo ireo ka nanjohy ny matsom-pandreseny ary nasehony miharihary ho fizahan'ny olona.

16 Aza avela hisy olona hitsara anareo momba ny zava-pihinana sy ny zava-pisotro, na ny fombafomba fanao amin'ny fankalazana na amin'ny tsinambolana na amin'ny sabata.

17 Ireo rehetra ireo no tandindon'ny soa ho avy, fa ny tena zavatra dia i Kristy.

18 Aoka tsy hisy olona hisakana anareo tsy hahazo ny amboara, ka hitaona anareo hanana fanetrentena haitraitra sy hivavaka amin'ny anjely. Manindrahindra ny fahitana azony ry zareo ka mieboebo tsy amin'antony, noho ny fisainany baikoin'ny maha olombelona azy.

19 Tsy mifikitra amin'i Kristy Izay loha izy ireo, kanefa i Kristy no mamelona ny tena manontolo sady mampiray azy amin'ny alalan'ny hozatra amam-pamavany ka mampitombo azy araka ny fitomboana sitrak'Andriamanitra.

20 Niara-maty tamin'i Kristy ianareo sady afaka tamin'ny herin-javatra mangeja an'izao tontolo izao. Koa nahoana ianareo no miaina toy ny mbola voafehin'izao tontolo izao? Ary nahoana ianareo no mety hoteren'olona amin'ny fitsipika toy ny hoe:

21 Aza mihinana an'ity, Aza manandrana an'iry, Aza mikasika an'izatsy na iroa?

22 Zavatra mora levona amin'izay ampiasana azy avokoa ireo rehetra ireo, satria didy sy fampianarana avy amin'olombelona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9243