Kôlôsianina
Toko faha-2
23 Miseho ho fahendrena ireny didy sy fampianarana ireny satria hoe fivavahana vokatry ny finiavana ka ietren-tena manoloana ny anjely sy amolahana mafy ny vatana; kanefa tsy misy heriny akory hahasakana ny fanaranan'ny maha olona mpanota.
Toko faha-3
1 Natsangana ho velona niaraka tamin'i Kristy ianareo. Noho izany, katsaho ny zavatra any ambony, any amin'izay itoeran'i Kristy eo ankavanan'Andriamanitra.2 Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra ety an-tany.
3 Fa efa maty ianareo, ka ny fiainanareo dia miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.
4 I Kristy no tena fiainanareo ka rahatrizay hiseho Izy, dia hiara-miseho aminy koa ianareo sady hiray voninahitra aminy.
5 Vonoy ireo zavatra ety an-tany mangeja ny tenanareo: dia ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny filandratsy, ny fitsiriritan-dratsy, ary ny fitiavan-karena (fa fanompoan-tsampy ny fitiavan-karena).
6 Ireo zavatra ireo no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra hihatra amin'ny olona tsy manaiky an'Andriamanitra.
7 Toy izany koa ny fitondrantenanareo fahiny, fony ianareo niaina tao anatin'ireo zavatra ireo.
8 Fa ankehitriny kosa, esory avokoa ireto: fahatezerana, fisafoahana, faharatsiam-panahy, fanevatevana, teny maha menatra aloaky ny vavanareo.
9 Aza mifandainga ianareo fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany,
10 ary efa notafinareo ny toetra vaovao: dia ny toetry ny olona havaozin'Andriamanitra hatrany araka ny endrik'Izy Mpahary azy, mba ho tonga amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra.
11 Koa amin'izany, tsy misy ny hoe hafa firenena sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, olona tsy mivoatra na tratra aoriana, mpanompo sy tsy mpanompo; fa i Kristy no zavatra rehetra sady ao aminareo rehetra.
12 Olomboafidin'Andriamanitra sy voatokany ho Azy ianareo sady efa notiaviny. Noho izany, aoka ianareo hitafy hatsaram-po sy fiantrana, hamoram-po sy fanetrentena, fahalemem-panahy sy fahari-po.
13 Mifandefera ka mifamela heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany. Aoka ianareo koa mba hamela heloka, tahaka ny efa namelan'ny Tompo heloka anareo.
14 Fa ambonin'ny zavatra rehetra, mitafia ny fitiavana izay mamehy ny hatsaram-panahy rehetra ho tanteraka.
15 Aoka hanjaka ao am-ponareo ny fiadanana omen'i Kristy, fa ho amin'izany fiadanana izany no niantsoan'Andriamanitra anareo hitambatra ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana an'Andriamanitra ianareo.
16 Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo, ka hifampianatra sy hifananatra amim-pahendrena tanteraka ianareo; noho ny fahasoavana manenika anareo, dia mihira amin'ny fonareo tokoa ho an'Andriamanitra ka mikaloa salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina.
17 Ary ny zavatra rehetra, lazainareo na ataonareo, dia tontosao avokoa amin'ny anaran'i Jesoa Tompo ka isaory an'Andriamanitra Ray amin'ny alalany.
18 Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety amin'ny maha mpanaraka ny Tompo anareo.
19 Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo ary aza sosotra aminy.
20 Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra, fa izany no ankasitrahin'ny Tompo.
21 Ianareo ray aman-dreny, aza mampisafoaka ny zanakareo, fandrao hamoy fo izy.
22 Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo ara-nofo amin'ny zavatra rehetra. Aza eo imasony ihany no manao izany, toy ny mila sitraka amin'olona; fa maneke amim-pahatsoram-po noho ny fanajanareo an'i Jesoa Tompo.
23 Na inona na inona ataonareo, dia tontosao amin'ny fo tokoa tahaka ny atao amin'i Jesoa Tompo fa tsy amin'olona.
24 Eny, fantatrareo fa i Jesoa Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny anjara lova natokana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra; satria ny tena Tompo Izay tompoinareo, dia i Kristy.
25 Fa izay manao ratsy dia hovaliana amin'izay ratsy nataony, fa tsy mba mizaha tavan'olona Andriamanitra.
Toko faha-4
1 Ianareo tompo, ento araka ny rariny sy ny hitsiny ny mpanomponareo; satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.2 Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany omban'ny fisaorana an'Andriamanitra.
3 Mivavaha koa ho anay, mba hataon'Andriamanitra afaka malalaka mitory ny teniny izahay, ka hanambara ny tsiambaratelo momba an'i Kristy. Fa ny fitoriana izany tsiambaratelo izany indrindra no mahavoafonja ahy izao.
4 Mivavaha ary mba hanambarako izany mazava tsara, araka izay tokony hoteneniko.
5 Manana fitondrantena feno fahendrena eo anoloan'izay tsy kristianina, ka hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa.
6 Aoka ho mahatehotia sy mahasoa mandrakariva ny teny ataonareo, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay avy.
7 I Tisiko hava-malalantsika, mpandraharaha mahatoky sady namana mpiray fanompoana amiko eo amin'ny asan'ny Tompo, dia hampahafantatra anareo ny vaovao rehetra momba ahy.
8 Izany indrindra no nandefasako azy aty aminareo, mba hahafantaranareo ny momba anay sy hampahery fo anareo.
9 Miaraka aminy koa i Onesimo, ilay hava-malala sy mahatoky avy aty aminareo; ka dia izy roa lahy no hampahafantatra anareo ny toe-javatra rehetra aty aminay.
10 Manao veloma anareo i Aristarka izay miara-voafonja amiko. Manao veloma anareo i Marka (zanak'olo-mpiray tampo izy sy i Barnaba); efa nahazo hafatrafatra momba an'i Marka ianareo, ka raiso tsara izy raha tonga aty aminareo.
11 Manao veloma anareo koa i Jesoa, ilay atao hoe Josta. Izy telo lahy ireo no Jiosy tonga kristianina izay miara-miasa amiko hampandroso ny Fanjakan'Andriamanitra, ka nanjary fampaherezana ho ahy tokoa.
12 Manao veloma anareo i Epafra, izay avy aty aminareo; io mpanompon'i Kristy Jesoa io dia mikely aina mandrakariva mivavaka ho anareo, mba hijoroanareo ho olona matotra ary vonona tanteraka hanao izay rehetra sitrak'Andriamanitra.
13 Vavolombelona aho ny aminy fa misahirana fatratra izy ho anareo sy ho an-dry zareo any Laodisia ary ho an-dry zareo any Hierapoly.
14 Manao veloma anareo i Lioka, ilay dokotera hava-malalantsika, sy i Demasy.
15 Veloma any amin'ireo havana any Laodisia; ary veloma any amin'i Nimfa sy ny Fiangonana mivory ao an-tranony.
16 Rehefa voavaky eto aminareo ity taratasy ity, dia ataovy izay hamakiana azy koa any amin'ny Fiangonan'i Laodisia; ary dia mba vakionareo kosa ilay taratasy avy any Laodisia.
17 Lazao amin'i Arkipo fa tsy maintsy hotontosainy tsara ny fandraharahana noraisiny ho fanompoana ny Tompo.
18 Soratanako ireto teny ireto: veloma, hoy i Paoly. Tsarovy fa voafonja aho. Homba anareo anie ny fahasoavan'Andriamanitra!
1 Tesalônisianina
Toko voalohany
1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity. Mamangy anareo isan'ny Fiangonana aty Tesalonika, izay tafaray amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo, aho. Mamangy anareo koa i Silasy sy i Timoty. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!2 Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay ny aminareo rehetra, rehefa mahatsiaro amin'ny vavaka ataonay.
3 Tsaroanay tsy tapaka eo anatrehan'ilay Andriamanitsika sady Raintsika ny asa ateraky ny finoanareo, ny fikelezana aina asesiky ny fitiavanareo, ary ny faharetana vokatry ny fanantenanareo an'i Jesoa Kristy Tompontsika.
4 Fantatray, ry havana, fa efa notiavin'Andriamanitra ianareo ary efa nofidiny mba ho Azy.
5 Eny, ny Vaovao Mahafaly torinay dia tonganay taty aminareo, tsy tamin'ny teny fotsiny ihany fa tamin'ny hery aman'asan'ny Fanahy Masina mbamin'ny fankatoavanay tanteraka ny Vaovao Mahafaly. Fantatrareo koa ny fiaimpiainanay fony izahay taty aminareo ho fanasoavana anareo.
6 Sady nanahaka anay sy ny Tompo ianareo; fa na dia be aza ny fahoriana nanjo anareo, dia nandray ny tenin'Andriamanitra tamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo.